Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lova Tokony Homenao ny Zanakao?

Inona no Lova Tokony Homenao ny Zanakao?

Inona no Lova Tokony Homenao ny Zanakao?

MAHALANA i Pavlos, raim-pianakaviana avy any atsimon’i Eoropa, vao mba manam-potoana hiarahana amin’ny vady aman-janany ao an-trano. Vavy roa, 13 sy 11 taona, ary lahy iray 7 taona ny zanany. Miasa ora maro mandritra ny herinandro manontolo izy, mba hahazoana vola ampy hanatanterahana ny nofinofiny. Te hividy trano ho an’ny zanany vavy tsirairay mantsy izy, ary hanangana orinasa kely ho an’ny zanany lahy. I Sofia vadiny kosa, dia miezaka mafy hanangona lamba sy fitaovan-dakozia isan-karazany, vilia bakoly, ary sotro sy antsy lafo vidy, hampiasain’ireo zanany ireo, rehefa hanan-tokantrano izy ireo. Rehefa nanontaniana ny antony iasan’izy ireo mafy toy izany izy mivady, dia samy namaly hoe: “Ho fitsinjovana ny hoavin’ny ankizy e!”

Maro ny ray aman-dreny eran-tany no miezaka mafy toa an’i Pavlos sy Sofia, mba hanome fiaingana tsara eo amin’ny fiainana ho an’ny zanany. Mitahiry vola ho fitsinjovana ny hoavin’izy ireny ny sasany. Ny hafa kosa manao izay hahazoan’ny zanany fianarana ampy sy fahaizana hilainy any aoriana. Fitiavana no iheveran’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny izany, nefa matetika ny faneren’ny havana aman-tsakaiza sy ny fiaraha-monina no mahatonga azy hanao izany. Koa rariny raha mametraka ity fanontaniana ity ny ray aman-dreny be fiahiana: ‘Inona avy no adidinay amin’ny zanakay?’

Mitsinjo ny hoavy

Ara-dalàna sady araka ny Soratra Masina raha mihary ho an’ny zanany ny ray aman-dreny kristianina. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina tamin’ny androny: ‘Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany.’ (2 Korintianina 12:14) Nolazainy koa fa adidy lehibe izany, satria izao no nosoratany: “Ary raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Maro ny fitantarana ao amin’ny Baiboly manazava fa zava-dehibe tamin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny lova.—Rota 2:19, 20; 3:9-13; 4:1-22; Joba 42:15.

Lasa variana mihary lova be ho an’ny zanany anefa ny ray aman-dreny indraindray. Nahoana? Milaza antony iray i Manolis, raim-pianakaviana avy tany amin’ny faritra atsimon’i Eoropa ka nifindra tany Etazonia: “Tapa-kevitra ny hanatsara ny fiainan’ny zanany ny ray aman-dreny nahita ny fandravana nateraky ny Ady Lehibe II, sy ny mosary ary ny fahantrana.” Hoy ihany izy: “Manimba tena indraindray ny ray aman-dreny, satria tafahoatra ny fahatsapany adidy sy ny faniriany hanome an-janany ny fiaingana tsara indrindra eo amin’ny fiainana.” Tena mihafy ny ray aman-dreny sasany mba hanangonana harena ho an’ny zanany. Fahendrena ve anefa ny manao izany?

“Zava-poana sy faharatsiana lehibe”

Nampitandrina momba ny lova i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny. Hoy izy: “Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ny masoandro, fa havelako ho an’ny olona izay handimby ahy izany, ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ny fahendreko tatỳ ambanin’ny masoandro. Zava-poana koa izany. ... Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.”—Mpitoriteny 2:18-21.

Hazavain’i Solomona eo, fa mety tsy hahatakatra ny tena hasarobidin’ilay lova omena azy ny olona, satria tsy nisasarany ilay izy. Mety tsy hiraharaha ny zavatra niezahan’ny ray aman-dreniny nangonina ho azy àry ny mpandova. Mety handanilany foana an’izany fananana nisasarana mafy izany mihitsy izy. (Lioka 15:11-16) Ho “zava-poana sy faharatsiana lehibe” tokoa izany!

Lova sy fitiavan-karena

Misy zavatra hafa koa tokony hodinihin’ny ray aman-dreny. Zava-dehibe loatra amin’ny firenena sasany ny lova sy ny haren-jazavavy. Mety ho lasa matimatin-karena àry ny ankizy, ka hitaky tany sy trano na haren-jazavavy mihoatra noho izay mety ho takatry ny ray aman-dreny. Nanao sangisangy zary tenany toy izao i Loukas, raim-pianakaviana grika: “Loza ny manjo ny lehilahy manan-janakavavy roa na telo.” Hoy koa izy: “Mety hampitaha ny zavatra azon’ny rainy omena azy amin’ny zavatra ‘tondraka’ angonin’ny ray aman-dreny hafa ho an’ny zanany mantsy ny zanakavavy. Hilaza angamba izy fa mety tsy hisy haka azy ho vady raha tsy mahafa-po ny haren-jazavavy hoentiny.” *

Hoy i Manolis, voaresaka etsy aloha: “Mety tsy hiroso ho amin’ny fanambadiana ny tovolahy iray, raha tsy efa mampanantena tany na trano na vola be ho an’ilay fofombadiny, ny rain’izy io. Mety ho lasa fanerena an-kolaka àry ilay izy.”

Mampitandrina ny amin’ny fitiavan-karena ny Baiboly. Hoy i Solomona: “Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany dia tsy hotahina any am-parany.” (Ohabolana 20:21) Nanamafy izany toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.”—1 Timoty 6:10; Efesianina 5:5.

Lova sy fahendrena

Marina fa sarobidy ihany ny lova, nefa sarobidy lavitra noho ny harena ny fahendrena. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ... Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:11, 12; Ohabolana 2:7; 3:21) Fialokalofana ny vola satria mety hahazoan’ny olona izay ilainy. Mety ho very ihany anefa izy io, fa tsy mba toy izany kosa ny fahendrena. Fahaizana mampiasa fahalalana mba hamahana olana na hanatratrarana tanjona no atao hoe fahendrena. Afaka miaro ny olona tsy hanao zavatra mety hampidi-doza azy izy io. Mety hahazoany fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao efa antomotra izy io, raha miorina tsara amin’ny tahotra an’Andriamanitra. Izany no tena lova sarobidy!—2 Petera 3:13.

Maneho an’io fahendrena io ny ray aman-dreny kristianina, rehefa mametra izay tokony hatao loha laharana ho azy sy ny zanany. (Filipianina 1:10) Tsy ny harena ho an’ny ankizy no tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nampirisika ny mpianany toy izao i Jesosy: “Katsaho hatrany àry aloha ny [fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Afaka manantena valisoa be dia be àry ny ray aman-dreny manana tanjona ara-panahy ho an’ny zanany. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.”—Ohabolana 23:24, 25.

Lova maharitra

Tena zava-dehibe tamin’ny Israelita fahiny ny lova. (1 Mpanjaka 21:2-6) Nananatra azy ireo toy izao anefa i Jehovah: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7) Izao koa no lazaina amin’ny ray aman-dreny kristianina: “Tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah [ny zanakao].”—Efesianina 6:4.

Takatry ny ray aman-dreny mihevitra ny fifandraisana amin’Andriamanitra ho sarobidy, fa anisan’ny zavatra ilain’ny ankohonany ny fampianarana Baiboly azy ireo. Nilaza toy izao i Andreas, manan-janaka telo: “Ho vonona kokoa hiatrika ny hoavy ny ankizy, raha ampianarina hampihatra ny toro lalan’Andriamanitra.” Anisan’io lova io koa ny fanampiana azy hanana fifandraisana akaiky amin’ny Mpamorona sy hanatsara izany.—1 Timoty 6:19.

Efa mba noeritreretinao ve ny hanomana hoavy mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ho an’ny zanakao? Inona, ohatra, no azon’ny ray aman-dreny atao raha mpanompo manontolo andro ny zanany? Marina fa tsy tokony hitaky na hanantena fanampiana ara-bola avy amin’ny ray aman-dreniny ny mpanompo manontolo andro. Mety hanapa-kevitra ny ‘hanome azy araka izay ilainy’ anefa ny ray aman-dreny be fitiavana, mba hanohizany ny fanompoana manontolo andro. (Romanina 12:13; 1 Samoela 2:18, 19; Filipianina 4:14-18) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah izany fahavononana hanampy izany.

Inona àry no adidin’ny ray aman-dreny amin’ny zanany? Tokony hanome azy ireo izay ilainy eo amin’ny fiainana ny ray aman-dreny kristianina. Tsy maintsy ataony koa anefa izay hahazoan’izy ireny lova mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, izay hahasoa azy mandrakizay. Amin’izay dia ho tanteraka ny teny ao amin’ny Salamo 37:18 manao hoe: “Fantatr’i Jehovah ny andron’ny mahitsy; ary ny lovany ho mandrakizay.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Any amin’ny tany afrikanina maro kosa, dia ny lehilahy na ny fianakaviany no tokony hanome ny vodiondry sy fanomezana hafa ho an’ny fianakavian’ilay vehivavy. Mihatra amin’ireo toe-javatra roa ireo anefa ny toro lalana voalaza ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 26, 27]

Hoavy manao ahoana no eritreretinao ho an’ny zanakao?