Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankalazà An’Andriamanitra Amin’ny “Vava Iray Ihany”

Mankalazà An’Andriamanitra Amin’ny “Vava Iray Ihany”

Mankalazà An’Andriamanitra Amin’ny “Vava Iray Ihany”

“Vava iray ihany no hankalazanareo an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!”—ROMANINA 15:6.

1. Inona no nampianarin’i Paoly ny mpiray finoana taminy, momba ny fandaminana tsy fitovian-kevitra?

TSY mitovy ny zavatra tian’ny Kristianina rehetra, na ny safidy ataony. Tsy maintsy miara-mamindra eo amin’ny lalan’ny fiainana anefa izy ireo. Ho vitantsika ve izany? Eny, raha tsy avelantsika ho lasa olana lehibe ny tsy fifanarahana madinidinika. Izany no hevi-dehibe nampianarin’ny apostoly Paoly ny mpiray finoana taminy, tamin’ny taonjato voalohany. Ahoana no nanazavany izany? Ary ahoana no ampiharantsika izany torohevitra avy amin’Andriamanitra izany?

Zava-dehibe ny firaisan-tsaina kristianina

2. Ahoana no nanasongadinan’i Paoly fa ilaina ny miray saina?

2 Fantatr’i Paoly fa tena mila miray saina ny Kristianina, ka nanome torohevitra tsara izy hanampiana azy ireo hifampizaka amim-pitiavana. (Efesianina 4:1-3; Kolosianina 3:12-14) Rehefa avy nanorina sy nitsidika fiangonana maro nandritra ny 20 taona mahery anefa izy, dia tsikariny fa mety ho sarotra ny hiray saina foana. (1 Korintianina 1:11-13; Galatianina 2:11-14) Nampirisika ny mpiray finoana taminy tany Roma àry izy hoe: ‘Ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana anie hamela anareo hiray saina ka ho vava iray ihany no hankalazanareo an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!’ (Romanina 15:5, 6) Tsy maintsy mankalaza an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny “vava iray ihany” koa isika vahoakany tafaray ankehitriny. Manao izany ve isika?

3, 4. a) Avy aiza avy ireo Kristianina tany Roma? b) Ahoana no nahafahan’ny Kristianina tany Roma nanompo an’i Jehovah tamin’ny “vava iray ihany”?

3 Naman’i Paoly akaiky ny Kristianina maro tany Roma. (Romanina 16:3-16) Samy hafa fiaviana izy ireo, nefa neken’i Paoly fa “malalan’Andriamanitra” izy rehetra. Hoy izy: ‘Misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran’izao tontolo izao ny finoanareo.’ Fakan-tahaka tamin’ny lafiny maro tokoa ilay fiangonana tany Roma. (Romanina 1:7, 8; 15:14) Nisy tamin’izy ireo anefa tsy nitovy hevitra momba ny raharaha sasany. Samy hafa fiaviana sy kolontsaina koa ny Kristianina ankehitriny. Hanampy azy ireo hiteny amin’ny “vava iray ihany” àry, ny fandinihana ny torohevitr’i Paoly momba ny fandaminana tsy fifanarahana.

4 Nisy Kristianina jiosy sy hafa firenena tany Roma. (Romanina 4:1; 11:13) Tokony ho efa azon’ny Kristianina jiosy fa tsy ilaina intsony ny mitandrina ny Lalàn’i Mosesy mba ho voavonjy. Toa mbola nisy ihany anefa nanaraka ny fombafomba sasany notakin’izy io. Tetsy andaniny kosa, dia nisy Kristianina jiosy maromaro nanaiky fa nanafaka azy tamin’ireo fepetra narahiny taloha ny soron’i Kristy. Niala tamin’ny fahazarany sy fombafomba sasany narahiny taloha àry izy ireo. (Galatianina 4:8-11) Samy “malalan’Andriamanitra” daholo anefa izy ireo, araka ny nomarihin’i Paoly. Afaka ny hidera an’Andriamanitra amin’ny “vava iray ihany” izy rehetra, raha nanaja hatrany ny fomba fihevitry ny hafa. Mety ho samy hanana ny hevitsika momba ny raharaha sasany koa isika ankehitriny. Tokony hodinihintsika akaiky àry ny fomba nanazavan’i Paoly an’io toro lalana tena lehibe io.—Romanina 15:4.

“Mifandraisa tsara”

5, 6. Nahoana no tsy nitovy hevitra ny Kristianina tany Roma?

5 Niresaka ny amin’ny toe-javatra tsy nampitovy hevitra ny Romanina i Paoly, rehefa nanoratra ho azy ireo. Hoy izy: “Ny iray manana finoana mamela azy hihinana ny zava-drehetra. Fa ilay malemy kosa tsy mihinana afa-tsy anana.” Nahoana? Marina aloha fa nandrara ny fihinanana kisoa ny Lalàn’i Mosesy. (Romanina 14:2; Levitikosy 11:7) Tsy nanan-kery intsony anefa io Lalàna io, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Efesianina 2:15) Telo taona sy tapany taorian’izay koa dia nisy anjely nilaza tamin’ny apostoly Petera, fa amin’Andriamanitra dia tsy misy biby tokony hoheverina ho maloto. (Asan’ny Apostoly 11:7-12) Nety ho nieritreritra àry ny Kristianina jiosy sasany, fa azony natao ny nihinana kisoa sy sakafo hafa voararan’ny Lalàna teo aloha.

6 Nety ho naharikoriko ny Kristianina jiosy sasany anefa na dia nieritreritra fotsiny aza hoe hihinana sakafo noheverina ho naloto taloha. Tafintohina mihitsy aza angamba izy ireo nahita ny Kristianina jiosy hafa nihinana izany. Nety ho gaga kosa ny Kristianina sasany hafa firenena, rehefa nahita fa lasa adihevitra be ny resaka sakafo. Azo inoana mantsy fa tsy mba nandrara azy ireo tsy hihinana sakafo sasany ny fivavahany taloha. Mazava ho azy fa tsy diso ny olona mifady sakafo sasany, raha tsy manizingizina izy fa izany no hahazoana famonjena. Nety ho nivadika mora foana ho fifandirana anefa ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ny fiangonana. Nila nitandrina àry ny Kristianina tany Roma, sao hisakana azy tsy hidera an’Andriamanitra tamin’ny “vava iray” izany.

7. Inona no tsy nampitovy hevitra ny Kristianina, momba ny fitandremana andro iray manokana isan-kerinandro?

7 Nanome ity ohatra faharoa ity i Paoly: “Ny iray mihevitra ny andro iray ho ambony noho ny hafa, fa ny iray kosa mihevitra izany ho toy ny andro rehetra ihany.” (Romanina 14:5a) Tsy nisy asa azo natao tamin’ny Sabata, teo ambany Lalàn’i Mosesy. Voafetra be na dia ny fanaovana dia aza. (Eksodosy 20:8-10; Matio 24:20; Asan’ny Apostoly 1:12) Nanjary lany andro ireo fepetra ireo, rehefa nofoanana ilay Lalàna. Mety ho mbola nisy ihany anefa Kristianina jiosy tsy sahy niasa na nanao dia lavitra tamin’io andro noheveriny ho masina io. Mety ho mbola natokany hanompoana an’Andriamanitra ihany ny andro fahafito, na dia tsy nitaky ny hitandremana ny Sabata intsony aza izy. Diso ve izy ireo? Tsia, raha tsy nanizingizina izy fa Andriamanitra no nitaky ny hitandremana ny Sabata. Izao àry no nosoratan’i Paoly, noho ny fanajany ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahiny kristianina: “Aoka àry ny tsirairay samy hatoky tanteraka ao an-tsainy ao.”—Romanina 14:5b.

8. Inona no tsy tokony ho nataon’ny Kristianina tany Roma, na dia nanaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa aza izy ireo?

8 Nampirisika ny rahalahiny i Paoly, mba handefitra tamin’ireo tsy nitovy feon’ny fieritreretana tamin’izy ireo. Noteneniny mafy kosa anefa ireo nitady hanery ny mpiray finoana taminy hoe tsy maintsy manaiky ny Lalàn’i Mosesy izy vao ho voavonjy. Nampiasa teny mafonja, ohatra, i Paoly tamin’izy nanoratra ny bokin’ny Hebreo, tamin’ny taona 61 teo ho eo. Nohazavainy tsara tamin’ny Kristianina jiosy fa tsy nilaina intsony ny nanaraka ny Lalàn’i Mosesy, satria manana fanantenana tsara lavitra ny Kristianina, noho ny vidim-panavotan’i Kristy.—Galatianina 5:1-12; Titosy 1:10, 11; Hebreo 10:1-17.

9, 10. Inona no tsy tokony hataon’ny Kristianina? Hazavao.

9 Nasehon’i Paoly, araka izany, fa tsy voatery handrava ny firaisan-tsaina ny fanaovana safidy samy hafa, raha tsy hoe mandika ny toro lalana kristianina angaha izany. Nanontany ny Kristianina nanana feon’ny fieritreretana nalemy kokoa àry izy hoe: “Nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao?” Ary hoy izy tamin’ireo natanjaka kokoa (angamba ireo navelan’ny feon’ny fieritreretany hihinana sakafo sasany voararan’ny Lalàna, na hiasa tamin’ny andro Sabata): “Nahoana koa ianao no manamavo ny rahalahinao?” (Romanina 14:10) Araka ny tenin’i Paoly, dia tsy tokony hanameloka ireo rahalahiny nalala-tsaina kokoa, ny Kristianina nanana feon’ny fieritreretana nalemy kokoa. Tsy tokony hanamavo an’ireo mbola nanana feon’ny fieritreretana nalemy tamin’ny lafiny sasany koa anefa, ny Kristianina natanjaka. Tokony hanaja ny antony tsara mahatonga ny tsirairay hanao zavatra ny rehetra, sady tsy tokony ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’—Romanina 12:3, 18.

10 Nohazavain’i Paoly toy izao izany fomba fijery voalanjalanja izany: “Aoka izay mihinana tsy hanamavo an’izay tsy mihinana, ary aoka izay tsy mihinana tsy hitsara an’izay mihinana, fa Andriamanitra efa nandray tsara azy.” Hoy koa izy: ‘Nandray tsara antsika i Kristy ho voninahitr’Andriamanitra.’ Samy eken’Andriamanitra sy Kristy ny matanjaka sy ny malemy, ka tokony halala-tsaina toa azy ireo isika, ary ‘hifandray tsara.’ (Romanina 14:3; 15:7) Tsy misy afaka handa an’izany, sa tsy izany?

Mampiray saina koa ankehitriny ny fitiavan-drahalahy

11. Inona no toe-javatra naningana tamin’ny andron’i Paoly?

11 Toe-javatra naningana no noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Vao avy nanafoana ilay fifanekena taloha i Jehovah tamin’izay, ary nanorina ilay fifanekena vaovao. Sarotra tamin’ny sasany ny nanaraka izany fiovana izany. Tsy misy an’io toe-javatra io intsony ankehitriny, nefa mety hisy olana mitovitovy aminy ihany indraindray.

12, 13. Amin’ny toe-javatra manao ahoana avy no afaka manaja ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahiny, ny Kristianina ankehitriny?

12 Mety hisy vehivavy, ohatra, nanaraka fivavahana izay nanantitrantitra fa tokony ho tsotra ny fitafy sy ny fihaingoana. Nanaiky ny fahamarinana izy avy eo. Mety ho mbola sarotra aminy ihany anefa ny manaiky fa azo atao ny manao akanjo miloko marevaka indraindray nefa maotina, na manao makiazy fa tsy be loatra. Tsy mety raha misy olona mitady hanery an’io vehivavy kristianina io handika ny feon’ny fieritreretany, satria tsy misy toro lalana ara-baiboly tafiditra. Takany koa anefa fa tsy tokony hanakiana ny Kristianina manao an’ireo zavatra ireo izy, raha mamela azy ireo hanao izany ny feon’ny fieritreretany.

13 Intỳ misy ohatra hafa: Tsy nekena ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, tany amin’ny toerana nipetrahan’ny lehilahy iray. Rehefa nahalala ny fahamarinana anefa izy, dia nianarany tao amin’ny Baiboly fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay, sady azo sotroina amim-pahalalana onony. (Salamo 104:15) Manaiky an’izany izy, nefa aleony tsy misotro mihitsy, satria izay no efa nahazatra azy. Tsy manakiana an’izay misotro amim-pahalalana onony anefa izy. Mampihatra an’ireto tenin’i Paoly ireto àry izy: ‘Aoka isika hiezaka hitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana.’—Romanina 14:19.

14. Amin’ny toe-javatra manao ahoana ny Kristianina no afaka mampihatra ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Romanina?

14 Misy toe-javatra hafa koa ilana hampiharana ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Romanina. Misy olona maro mantsy eo anivon’ny fiangonana, ka tsy voatery hitovy ny zavatra tiany. Mety tsy hitovy àry ny safidy ataony, ohatra, amin’ny resaka akanjo sy haingo. Fantatsika fa misy toro lalana mazava tokony harahin’ny Kristianina tso-po rehetra ao amin’ny Baiboly. Tsy tokony ho hafahafa ny akanjontsika sy ny taovolontsika, na tsy maotina, na hampitovy antsika amin’ny karazan’olona sasany eto amin’ity tontolo ity. (1 Jaona 2:15-17) Tadidin’ny Kristianina fa mpitory misolo tena an’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao foana izy ireo, na dia rehefa miala voly aza. (Isaia 43:10; Jaona 17:16; 1 Timoty 2:9, 10) Kanefa, misy safidy be dia be azony atao amin’ny lafin-javatra maro. *

Aza manafintohina ny hafa

15. Amin’ny toe-javatra manao ahoana ny Kristianina no mety tsy hanao zavatra ananany zo?

15 Misy toro lalana lehibe hafa noresahin’i Paoly tao amin’ny toroheviny ho an’ny Kristianina tany Roma. Indraindray, dia mety hanapa-kevitra ny tsy hanao zavatra iray azony atao ny Kristianina, izay manana feon’ny fieritreretana tsara ofana. Nahoana? Satria fantany fa mety hanimba ny hafa izany. Inona no tokony hataontsika amin’izay? Hoy i Paoly: “Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” (Romanina 14:14, 20, 21) ‘Isika izay matanjaka [àry] dia tokony hitondra ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy.’ (Romanina 15:1, 2) Raha misy zavatra ataontsika, nefa mety hanafintohina ny namantsika, dia haneho fiheverana azy ireo isika ka tsy hanao izany, noho ny fitiavan-drahalahy. Azo ampiharina izany, ohatra, amin’ny resaka zava-pisotro misy alkaola. Azon’ny Kristianina atao ny misotro amim-pahalalana onony. Tsy hanizingizina ny zony anefa izy, raha mety hanafintohina ny hafa izany.

16. Ahoana no anehoantsika fiheverana ny olona ao amin’ny faritanintsika?

16 Azontsika ampiharina koa izany toro lalana izany, rehefa mifandray amin’ny olona tsy anisan’ny fiangonana isika. Mety hampianatra ny mpiangona ao aminy, ohatra, ny fivavahana be mpanaraka ao amin’ny faritra misy antsika, fa andro fitsaharana ny andro iray amin’ny herinandro. Noho izany, dia hiezaka isika amin’io andro io mba tsy hanao zavatra mety hanafintohina ny mpiara-monina amintsika, sy hahatonga azy ireo tsy hihaino ny hafatra torintsika. Mety hisy koa, ohatra, Kristianina manan-karena mifindra monina any amin’ny toerana be olona mahantra, satria mila mpitory maro kokoa ilay faritany. Ho fanehoam-piheverana an’ireo mpiara-monina aminy vaovao, dia mety hifidy ny hanao akanjo tsotra na hanatsotra ny fiainany izy, na dia manam-bola aza.

17. Mila mihevitra ny hafa isika rehefa manao safidy, nefa nahoana no tsy tafahoatra izany?

17 Tsy tafahoatra ve raha antenaina hanao izany fiovana izany ireo “matanjaka”? Intỳ misy fanoharana: Aoka hatao hoe mitondra fiara isika, ary mahita ankizy manamorona loatra ny arabe. Mbola handeha mafy be araka izay avelan’ny lalàna ihany ve isika, satria fotsiny hoe manana zo hanao izany? Tsia, handeha moramora kokoa isika mba tsy handratrana an’ireo ankizy ireo. Mila mampandefitra ny zontsika toy izany koa isika indraindray, rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana amintsika na ny olon-kafa. Mety ho zontsika tanteraka ny hanao zavatra iray tsy mandika ny toro lalan’ny Baiboly. Hahatonga antsika hitandrina anefa ny fitiavana kristianina, raha fantatsika fa mety hanafintohina na hanimba an’ireo manana feon’ny fieritreretana malemy kokoa ny ataontsika. (Romanina 14:13, 15) Zava-dehibe kokoa noho ny zontsika tsirairay, ny fiarovana ny firaisan-tsaina sy ny fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.

18, 19. a) Ahoana no anehoantsika fiheverana ny hafa, toa an’i Jesosy? b) Amin’ny lafiny inona isika no mitovy hevitra tanteraka, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Manahaka ilay modely tsara indrindra isika, rehefa manao toy izany. Hoy i Paoly: ‘Na i Kristy aza tsy nanao izay nahafaly ny tenany, fa araka ny voasoratra hoe: “Mihatra amiko ny fanomezan-tsinin’ireo nanome tsiny anao.” ’ Nanaiky hanao sorona ny ainy ho antsika i Jesosy. Azo antoka fa hanaiky hampandefitra ny zontsika sasany koa isika, raha izany no hahafahan’ny “tsy matanjaka” hankalaza an’Andriamanitra miaraka amintsika. Tsy tia tena sy malala-tsaina isika rehefa mifandray amin’ireo Kristianina manana feon’ny fieritreretana malemy kokoa, ka mifidy ny tsy hanao zavatra sasany sy tsy manizingizina ny zontsika. Manana “toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy” tokoa isika, raha manao izany.—Romanina 15:1-5.

19 Mety ho samy hanana ny hevitsika isika momba ireo raharaha tsy misy toro lalana ara-baiboly tafiditra. Mitovy hevitra tanteraka kosa anefa isika, raha ny amin’ny resaka fivavahana. (1 Korintianina 1:10) Mampiharihary izany, ohatra, ny ataontsika rehefa misy manohitra ny fivavahana marina. Antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hoe olon-tsy fantatra ireny mpanohitra ireny, ary mampitandrina antsika amin’ny “feony” izy io. (Jaona 10:5) Ahoana no amantarantsika azy ireny? Ahoana no tokony hataontsika rehefa mandre ny feony? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Ny ray aman-dreny no manoro hevitra ny zanany tsy ampy taona, momba ny akanjo anaovany.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no tsy voatery handrava ny firaisan-tsaina ny tsy fitovian-kevitra?

• Nahoana isika Kristianina no tokony hifankatia sy hifaneho fiheverana?

• Amin’ny lafiny inona avy no azontsika ampiharana ny torohevitr’i Paoly momba ny firaisan-tsaina, ary inona no hanosika antsika hanao izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Tena nilain’ny fiangonana ny torohevitr’i Paoly momba ny firaisan-tsaina

[Sary, pejy 10]

Miray saina ny Kristianina na dia samy hafa fiaviana aza

[Sary, pejy 12]

Inona izao no tokony hataon’io mpamily io?