Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fikatsahana Fahasambarana

Ny Fikatsahana Fahasambarana

Ny Fikatsahana Fahasambarana

TAONA vitsivitsy lasa izay, dia nisy olona nanontaniana toy izao tany Frantsa, Alemaina, Grande-Bretagne, ary Etazonia: “Inona no heverinao fa hahasambatra anao?” Namaly ny 89 isan-jaton’izy ireo fa ny fananana fahasalamana tsara no mahasambatra. Ny 79 isan-jato niresaka momba ny fananana fanambadiana vanona na fifandraisana tsara amin’ny olon-tiana. Ny 62 isan-jato indray nanasongadina ny fananan-janaka, ary ny 51 isan-jato nihevitra fa ny fananana asa mahafa-po no mahasambatra. Ny 47 isan-jato kosa mino mafy fa ny vola no mahasambatra, na dia ampianarina aza mazàna fa tsy izany no izy. Marina daholo ve izany?

Raisintsika aloha ilay hevitra hoe mahasambatra ny vola. Nadinadinina ireo olona zato manan-karena indrindra any Etazonia, ary hita fa tsy sambatra kokoa noho ny olona amin’ny ankapobeny izy ireo. Maro koa tany Etazonia no nampitombo efa ho avo roa heny ny fananany tao anatin’ny 30 taona, nefa tsy sambatra kokoa noho ny taloha izy ireo, hoy ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina. Milaza mihitsy aza ny boky iray fa “nihamaro ny olona ketraka nandritra ireo taona ireo. Nitombo avo telo heny ny zatovo namono tena, ary avo roa heny ny olona nisara-panambadiana.” Nisy mpikaroka tany amin’ny tany 50 teo ho eo nandinika raha mahasambatra tokoa ny vola. Nanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy voavidim-bola ny fahasambarana.

Ary ahoana indray ny amin’ny fahasalamana sy ny fanambadiana vanona ary ny asa tsara? Tena mahasambatra ve ireo? Raha toa ka tsy afaka ny ho sambatra ny olona raha tsy manana an’ireo, dia ahoana izany ny amin’ireo olona maro be tsy salama, sy tsy manana fanambadiana vanona? Ahoana ny amin’ireo mpivady tsy niteraka, ary ireo lehilahy sy vehivavy rehetra tsy manana asa tsara? Tsy mba ho sambatra mihitsy ve izany izy rehetra ireo? Ary tsy ho sambatra intsony araka ny ieritreretana azy ve ireo olona salama sy manana fanambadiana vanona ankehitriny, raha miova ny fiainany?

Any amin’ny tokony ho izy ve isika no mikatsaka fahasambarana?

Te ho sambatra daholo ny olona. Tsy mahagaga izany, satria “Andriamanitra falifaly” ilay Mpamorona ny olombelona, sady natao tahaka ny endriny isika. (1 Timoty 1:11; Genesisy 1:26, 27) Ara-dalàna àry raha mikatsaka fahasambarana ny olona. Maro anefa no mahita fa sarotra hazonina toy ny fasika araraka amin’ny tanana, ny fahasambarana.

Sao dia manao zavatra tafahoatra kosa àry ny sasany mba hahasambatra azy? Izany no hevitr’ilay filozofa atao hoe Eric Hoffer. Hoy izy: “Ny fikatsahana fahasambarana no anisan’ny antony lehibe tsy mahasambatra ny olona.” Tena marina izany raha any amin’ny tsy tokony ho izy isika no mikatsaka azy io. Azo antoka mantsy fa ho diso fanantenana isika amin’izay. Tsy ho sambatra mihitsy isika raha miezaka halaza na hahazo dera; mikely aina hanatratra tanjona ara-politika sy ara-toe-karena, ary hanatsara ny fiaraha-monina; na tsy manao afa-tsy izay tiantsika sy mahafinaritra antsika fotsiny. Tsy mahagaga àry raha misy miray hevitra amin’ny mpanoratra iray, izay somary naneso nilaza hoe: “Mety ho sambatra ihany isika, raha tsy diso mikatsaka fahasambarana loatra”!

Tsara homarihina anefa fa efa ho ny antsasak’ireo olona nadinadinina voaresaka tetsy am-piandohana, no nilaza fa mahasambatra ny manao soa sy manampy ny hafa. Ny ampahefany indray nanasongadina ny finoana sy ny fitiavam-bavaka. Tena ilaina àry ny handinihantsika akaiky hoe inona no tena mahasambatra. Hanampy antsika hanao izany ilay lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Maro no mihevitra fa ny vola sy ny fiainam-pianakaviana vanona ary ny asa tsara no tena mahasambatra. Izany koa ve no hevitrao?