Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tena Mahasambatra

Ny Tena Mahasambatra

Ny Tena Mahasambatra

I JEHOVAH, “ilay Andriamanitra falifaly”, sy Jesosy Kristy, “ilay Tompom-pahefana falifaly sady tokana”, no mahafantatra tsara indrindra izay hahasambatra antsika. (1 Timoty 1:11; 6:15) Tsy mahagaga àry raha ny Tenin’Andriamanitra no manoro ny fomba ahitana fahasambarana.—Apokalypsy 1:3; 22:7.

Nasehon’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny malaza teo an-tendrombohitra, izay tena mahasambatra. Hoy izy: “Sambatra” izay 1) mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, 2) ory, 3) malemy fanahy, 4) noana sy mangetaheta ny fahamarinana, 5) mamindra fo, 6) madio am-po, 7) mpampihavana, 8) enjehina noho ny fahamarinana, ary 9) omen’ny olona tsiny sy enjehiny noho ny aminy.—Matio 5:3-11.

Marina ve ny tenin’i Jesosy?

Tsy mila hazavaina loatra hoe nahoana no marina ny sasany amin’ireo tenin’i Jesosy ireo. Iza tokoa moa no handa fa sambatra kokoa ny olona malemy fanahy sy mamindra fo ary ny mpampihavana, izay madio am-po, raha oharina amin’ny olona tezitra sy mpila ady ary tsy misy indrafo?

Mety hanontany tena anefa isika hoe ahoana no hahasambatra ny olona, raha noana sy mangetaheta ny fahamarinana izy, na ory? Tsy manakimpy ny masony manoloana ny toe-piainana misy eto an-tany izany olona izany. “Misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” amin’izao andro izao izy. (Ezekiela 9:4) Tsy izany anefa no mahasambatra azy. Dibo-kafaliana kosa izy, rehefa fantany fa mikasa hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany Andriamanitra, sady hanome rariny ho an’ireo nampahorina.—Isaia 11:4.

Ory koa ny olona tia ny fahamarinana, satria matetika izy no tsy mahavita manao ny tsara. Noho izany, dia tsapany fa mila an’Andriamanitra izy. Vonona hitady ny tari-dalany izy ireo, satria miaiky fa izy ihany no afaka manampy ny olona handresy ny fahalemeny.—Ohabolana 16:3, 9; 20:24.

Ny olona ory, noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ary mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, dia mahafantatra fa tena ilaina ny mifandray tsara amin’ilay Mpamorona. Mahasambatra ny mifandray tsara amin’ny olona, saingy mahasambatra kokoa ny mifandray tsara amin’Andriamanitra. Azo lazaina fa sambatra tokoa àry izay tena tia ny fahamarinana, ka vonona hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra.

Kanefa, mety ho sarotra aminao ny hino fa afaka ny ho sambatra ny olona enjehina sy omena tsiny. Azo antoka anefa fa marina izany, matoa nolazain’i Jesosy. Koa inona àry no hevitr’ireo teny ireo?

Ahoana no hahasambatra ny olona enjehina?

Mariho fa tsy ny fanenjehana sy ny fanomezan-tsiny no nolazain’i Jesosy fa mahasambatra. Niteny kosa izy hoe: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, ... raha omen’ny olona tsiny sy enjehina ... noho ny amiko.” (Matio 5:10, 11) Midika izany fa ny fanomezan-tsiny noho ny fanarahana ny dian’i Kristy sy ny toro lalana marina nampianariny no mahasambatra.

Manamarina izany ny zavatra nanjo ny Kristianina voalohany. “Nampiantso ny apostoly” ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, “ary nikapoka sy nandrara azy tsy hiteny intsony tamin’ny anaran’i Jesosy, dia namela azy handeha.” Inona no nataon’ireo apostoly? “Niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarany izany. Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.”—Asan’ny Apostoly 5:40-42; 13:50-52.

Nohazavain’ny apostoly Petera bebe kokoa hoe nahoana ny olona omena tsiny no sambatra. Nanoratra izy hoe: “Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.” (1 Petera 4:14) Koa na dia tsy mahafinaritra aza ny mijaly, dia sambatra tokoa ny Kristianina, rehefa mijaly noho izy manao ny tsara, satria fantany fa mahazo ny fanahy masin’Andriamanitra izy. Nahoana ny fanahin’Andriamanitra no mahasambatra?

Asan’ny nofo sa vokatry ny fanahy?

Izay mankatò an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny maha mpitondra azy ihany no omeny ny fanahiny masina. (Asan’ny Apostoly 5:32) Tsy omeny azy io ny olona manao “ny asan’ny nofo.” Anisan’izany ny “fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, fanompoan-tsampy, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.” (Galatianina 5:19-21) Ekena aloha fa efa fahita eto amin’ity tontolo ity “ny asan’ny nofo.” Tsy mitondra ny tena fahasambarana maharitra anefa izany, fa vao mainka manimba ny fifandraisana amin’ny havana sy ny namana ary ny olom-pantatra. Fanampin’izany, dia milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”

Omen’Andriamanitra ny fanahiny kosa anefa ny olona maneho ny “vokatry ny fanahy”, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatianina 5:22, 23) Rehefa maneho ireo toetra ireo isika, dia manjary mihavana amin’ny olona sy amin’Andriamanitra, ka tena sambatra. (Jereo ilay efajoro.) Mampifaly an’i Jehovah mihitsy koa isika, rehefa maneho fitiavana, tsara fanahy, manao soa, ary maneho toetra tsara hafa. Afaka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolony vaovao hitoeran’ny fahamarinana isika amin’izay.

Safidin’ny tsirairay ny ho sambatra

Mpivady mipetraka any Alemaina i Wolfgang sy Brigitte. Nanana ny zava-drehetra heverin’ny olona ho mahasambatra izy ireo, raha vao nanomboka nifantoka tamin’ny fianarana Baiboly. Tanora sy salama tsara izy mivady, ary nanao akanjo lafo vidy sy nipetraka tao anaty trano voaravaka tsara. Nahomby koa ny raharaham-barotra nataony. Nandany fotoana nikatsaka vola aman-karena bebe kokoa izy mivady, nefa tsy tena nahasambatra azy izany. Nanao safidy lehibe àry i Wolfgang sy Brigitte, tatỳ aoriana. Nanomboka nanokana fotoana bebe kokoa hianarana Baiboly izy, ka zavatra hafa indray no nataony loha laharana teo amin’ny fiainany. Niezaka nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah koa izy ireo. Tsy ela dia nanova ny toe-tsainy izany safidy izany. Nanatsotra ny fiainany àry izy ireo, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana, izany hoe mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manontolo andro. Mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina izy mivady izao. Mianatra teny vahiny izy, mba hanampiana ny Aziatika ao amin’ny faritaniny hahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly.

Nahita ny tena fahasambarana ve izy mivady ireo? Hoy i Wolfgang: “Lasa sambatra sy afa-po kokoa izahay, raha vao nanomboka nifantoka kokoa tamin’ny fifandraisanay tamin’i Jehovah. Nanjary nifankatia kokoa izahay, rehefa nanompo azy tamin’ny fo manontolo. Efa sambatra ihany aloha ny tokantranonay taloha, saingy samy hafa ny zava-kendrenay, satria tsy nitovy ny adidinay sy ny zavatra nahaliana anay. Tafaray tsara izahay mivady izao, satria mitovy tanjona.”

Inona no mahasambatra?

Raha tsorina, dia aza manao “ny asan’ny nofo”, fa miezaha haneho ny ‘vokatry ny fanahin’Andriamanitra.’ Mila maniry mafy hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny olona, mba ho sambatra. Ho sambatra araka ny tenin’i Jesosy, izay miezaka hihavana aminy toy izany.

Koa aza mieritreritra mihitsy àry hoe tsy mba ho sambatra ianao, satria tsy marina izany. Ekena aloha fa mety tsy ho salama ianao amin’izao fotoana izao, na misy olana mihitsy aza angamba ao an-tokantranonao. Mety halahelo koa ianao raha tsy afaka miteraka intsony, na miady mafy mba hahazoana asa tsara. Tsy be vola toy ny taloha intsony angamba ianao. Aza manary toky anefa, fa mahereza! Hamaha ireo olana ireo sy ny maro hafa mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hotanterahin’i Jehovah Andriamanitra tsy ho ela izao fampanantenany nosoratan’ny mpanao salamo izao: “Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao ... Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:13, 16) Ho sambatra tokoa ianao ankehitriny, raha mitadidy io fanomezan-toky avy amin’i Jehovah io. Afaka manamarina izany ny mpanompony maro be eran-tany.—Apokalypsy 21:3.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Lafin-javatra Mahasambatra

Fitiavana: Ho tian’ny olona ianao raha manam-pitiavana.

Fifaliana: Manome hery anao hiatrehana zava-manahirana.

Fiadanana: Hanampy anao hifandray amin’ny olona tsy hisy raorao.

Fahari-po: Hahasambatra anao, na dia iharam-pitsapana aza ianao.

Hatsaram-panahy: Haniry hifandray aminao ny olona, raha tsara fanahy ianao.

Fanaovan-tsoa: Hahatonga ny olona hanampy anao, rehefa sahirana ianao.

Finoana: Hanome antoka anao fa hitari-dalana anao amim-pitiavana Andriamanitra.

Fahalemem-panahy: Hampitony ny fonao sy ny sainao ary ny tenanao manontolo.

Fifehezan-tena: Hahatonga anao tsy hanao fahadisoana loatra.

[Sary, pejy 7]

Mila manatona an’Andriamanitra ianao mba ho sambatra