Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsaroana “Ireo Niharam-pahavoazana Hadinon’ny Tantara”

Tsaroana “Ireo Niharam-pahavoazana Hadinon’ny Tantara”

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Tsaroana “Ireo Niharam-pahavoazana Hadinon’ny Tantara”

TANY am-piandohan’ny taona 2001, dia nijery fampirantiana momba ny fanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah i Haykaz, tovolahy 15 taona. Natao tany Berne, any Soisa, ilay izy, ary nitondra ny loha hevitra hoe “Ireo Niharam-pahavoazana Hadinon’ny Tantara.” Vavolombelon’i Jehovah i Haykaz, ary hoy izy rehefa avy nijery ilay fampirantiana: “Efa nandre ny fampijaliana sy ny habibiana nampiharin’ny Nazia tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho teo aloha. Sambany anefa aho izao no nahita sary sy zavatra hafa nampiseho ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany. Nanohina ny foko ireo zavatra naranty sy ny tenin’ireo vavolombelona nanatri-maso ary ny fanazavan’ny mpahay tantara. Nanjary tsy afaka tao an-tsaiko ilay izy.”

Nasaina nanomana famelabelarana ho an’ny mpiara-mianatra taminy i Haykaz tatỳ aoriana. Izao no foto-kevitra nofidiny: “Hadino fa Nampijalin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nanaiky izany ilay mpampianatra, nefa nilaza taminy mba hampiditra fanazavana avy amin’ny boky tsy ara-pivavahana. Nanaiky i Haykaz. Hoy izy: ‘Nofintiniko ny voalazan’ny boky sasany, momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia. Nolazaiko koa ny hevitro manokana momba ilay fampirantiana. Nisy 43 pejy ilay famelabelarana ary nisy sary tao anatiny.’

Nanao ilay famelabelarana teo anatrehan’ny mpiara-mianatra, ny mpampianatra, ny fianakaviany, ary ny namany i Haykaz, tamin’ny Novambra 2002. Nametraka fanontaniana ny mpanatrika avy eo, ka afaka nanazava ireo zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly izy. Nanontany ny antony nifidianany ilay foto-kevitra ny ankizivavy iray. Nanazava i Haykaz fa tsy miresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny boky ara-tantara maro, ary tiany ho fantatry ny olona fa tena be herim-po izy ireo rehefa niaro ny finoany. Inona no vokatr’ilay famelabelarana?

“Gaga ireo mpiara-mianatra tamiko”, hoy i Haykaz. “Tsy fantatr’izy ireo mantsy fa nenjehina tamin-kalozana ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro koa no tsy nahalala fa nasiana telozoro volomparasy teo amin’ny akanjon’izy ireo, mba ho famantarana manokana tao amin’ny toby fitanan’ny Nazia.”

Mbola afaka niresaka tamin’ny mpiara-mianatra taminy i Haykaz taorian’ilay famelabelarana. Nodinihin’izy ireo ny hevitra ara-baiboly ijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny fampidiran-dra, ny zava-pisotro misy alkaola, ary ny fitsipi-pitondran-tena. Hoy izy avy eo: “Tsy nisy naneso ahy ireo mpiara-mianatra tamiko.” Natao ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny sekoly izao ilay famelabelarana. Azo antoka àry fa tsy hohadinoina ny herim-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah.