Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Ianareo Hahazo Hery Mandrakariva ao Amin’ny Tompo”

“Aoka Ianareo Hahazo Hery Mandrakariva ao Amin’ny Tompo”

“Aoka Ianareo Hahazo Hery Mandrakariva ao Amin’ny Tompo”

“Aoka ianareo hahazo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny tanjaky ny heriny.”—EFESIANINA 6:10.

1. a) Inona ilay ady nampitolagaga nitranga 3 000 taona lasa izay? b) Nahoana i Davida no nandresy?

TELO arivo taona lasa izay, dia nifanandrina ny mpiady roa lahy avy amin’ny tafika roa mpifahavalo. Davida no anaran’ilay tanora kokoa, ary mpiandry ondry izy. I Goliata no nijoro nanoloana azy, ary niavaka tokoa ny tanjany sy ny halavany. Nilanja 57 kilao teo ho eo ny fiarovan-tratrany, ary nitondra lefona sy sabatra goavana izy. Tsy nanao fiarovana anefa i Davida, ary antsamotady fotsiny no fiadiana teny aminy. Nahatsiaro tena ho nambanina ilay Filistinina goavam-be, rehefa nahita fa mbola tovolahy kely ilay Israelita nihantsy ady taminy. (1 Samoela 17:42-44) Tsy maintsy ho efa voavinavinan’ny rehetra ny hiafaran’ilay ady. Tsy ny mahery foana anefa no mandresy. (Mpitoriteny 9:11) Nandresy i Davida, satria niantehitra tamin’ny herin’i Jehovah. “An’i Jehovah ny ady”, hoy izy. Milaza ny Baiboly fa ‘vaton’antsamotady no nandresen’i Davida ilay Filistinina.’—1 Samoela 17:47, 50.

2. Inona ilay ady andraisan’ny Kristianina anjara?

2 Tsy manao ady ara-bakiteny ny Kristianina. Na dia mihavana amin’ny olon-drehetra aza anefa izy ireo, dia manao ady ara-panahy amin’ny fahavalo tena mahery. (Romanina 12:18) Miresaka momba ny ady iray ataon’ny Kristianina rehetra i Paoly, ao amin’ny toko farany amin’ilay taratasiny ho an’ny Efesianina. Nanoratra izy hoe: ‘Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’—Efesianina 6:12.

3. Inona no ilaintsika mba hahazoana antoka fa ho mpandresy, araka ny Efesianina 6:10?

3 I Satana sy ny demoniany no “fanahy ratsy” mitady handrava ny fihavanantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Mahery kokoa noho isika izy ireo, ka toy ny toe-javatra nisy an’i Davida no misy antsika. Tsy handresy àry isika, raha tsy miantehitra amin’ny herin’Andriamanitra. Mampirisika antsika tokoa ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ianareo hahazo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny tanjaky ny heriny.” (Efesianina 6:10) Taorian’izay izy dia nanazava ny fanampiana omen’Andriamanitra sy ny toetra kristianina tokony hananantsika, mba handresentsika.—Efesianina 6:11-17.

4. Inona ireo hevi-dehibe roa hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Andeha isika izao handinika izay lazain’ny Soratra Masina momba ny herin’ny fahavalontsika sy ny tetikadiny. Hijery ny paikady tsy maintsy arahintsika mba hiarovan-tena isika aorian’izay. Afaka matoky isika fa tsy ho resin’ny fahavalontsika, raha manaraka ny toromarik’i Jehovah.

Tolona amin’ny fanahy ratsy

5. Nahoana no manampy antsika hahafantatra ny tetikadin’i Satana ilay teny hoe ‘tolona’ ao amin’ny Efesianina 6:12?

5 Hazavain’i Paoly fa ‘mitolona amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra isika.’ Mazava ho azy fa i Satana Devoly, izay “lehiben’ny demonia”, no filohan’izy ireo. (Matio 12:24-26) Antsoin’ny Baiboly hoe ‘tolona’ ny ady ataontsika. Samy niezaka handavo ny fahavalony ny mpifaninana, tamin’ny tolona natao tany Gresy fahiny. Te hanao izay hahalavo antsika koa ny Devoly. Ahoana no ataony?

6. Hazavao amin’ny alalan’ny andinin-teny ireo tetikady samy hafan’ny Devoly, mba hampihenana ny finoantsika.

6 Maka tahaka ny fomba fiasan’ny bibilava, na liona mierona, na anjelin’ny mazava mihitsy aza, ny Devoly indraindray. (2 Korintianina 11:3, 14; 1 Petera 5:8) Mampiasa olombelona koa izy mba hanenjehana na hanakiviana antsika. (Apokalypsy 2:10) Eo ambany fahefan’i Satana izao tontolo izao manontolo, ka afaka manararaotra ny faniriana sy ny zavatra manintona eo amin’izy io izy, mba hamandrihana antsika. (2 Timoty 2:26; 1 Jaona 2:16; 5:19) Afaka mampiasa ny toe-tsain’ity tontolo ity sy ny an’ny mpivadi-pinoana izy mba hamitahana antsika, toy ny namitahany an’i Eva.—1 Timoty 2:14.

7. Inona no tsy vitan’ireo demonia, ary inona no tombony ananantsika?

7 Na dia toa manana fitaovam-piadiana mahery vaika sy hery lehibe aza i Satana mbamin’ny demoniany, dia misy fetrany izany. Tsy afaka manery antsika hanao ny ratsy, ka tsy hampifaly ilay Raintsika any an-danitra, ireo fanahy ratsy ireo. Manan-tsafidy mantsy isika, ary afaka mibaiko ny eritreritsika sy izay ataontsika. Tsy miady irery koa isika. “Ny momba antsika dia be noho ny momba azy”, toy ny tamin’ny andron’i Elisa. (2 Mpanjaka 6:16) Manome toky ny Baiboly fa handositra antsika ny Devoly, raha manohitra azy isika, ary manaiky an’Andriamanitra.—Jakoba 4:7.

Tsy miafina amintsika ny teti-dratsiny

8, 9. Inona avy no fomba nitsapan’i Satana an’i Joba mba hitarihana azy hivadika, ary inona no mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

8 Fantatsika ny teti-dratsin’i Satana, satria asehon’ny Soratra Masina ny tena paikadiny. (2 Korintianina 2:11) Nataon’ny Devoly, ohatra, izay hahasahirana mafy an’i Joba ara-pivelomana sy izay hahafatesan’ny mpianakaviny, ary hanoheran’ny fianakaviany azy. Nasiany aretina mafy koa io lehilahy marina io, ary nataony izay hanendrikendrehan’ny namana sandoka azy. Nanjary ketraka i Joba, ka nihevitra fa nanary azy Andriamanitra. (Joba 10:1, 2) Tsy voatery hoe i Satana mivantana no mahatonga ny olana toy ireny ankehitriny. Kanefa, mianjady amin’ny Kristianina maro tokoa ireo, ka hararaotin’ny Devoly izany.

9 Mihabetsaka ny zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Ny fikatsahana vola aman-karena, ohatra, no lasa zava-dehibe kokoa noho ny fanompoana an’Andriamanitra, eto amin’ity tontolo ity. Aseho tsy tapaka amin’ny haino aman-jery koa hoe mahasambatra ny firaisana tsy ara-dalàna, fa tsy miteraka alahelo. Ary ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’ ny ankamaroan’ny olona. (2 Timoty 3:1-5) Mety ho lavo isika raha manana izany toe-tsaina izany, fa tsy ‘miady mafy hiaro ny finoana.’—Joda 3.

10-12. a) Fampitandremana inona no nomen’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy voa? b) Hazavao amin’ny ohatra hoe ahoana no mety hahavoageja ny voan’ilay Fanjakana.

10 Ataon’i Satana izay haharevo antsika amin’ity tontolo ity sy ny fikatsahana harena, ary anisan’ny tetika mahomby indrindra ampiasainy izany. Tao amin’ilay fanoharana momba ilay mpamafy voa, i Jesosy dia nampitandrina fa mety ‘hangeja ny teny [momba ilay Fanjakana] ny fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.’—Matio 13:18, 22.

11 Indro misy ohatra: Misy karazana aviavy hafakely any amin’ny ala sasany. Maniry tsikelikely mihodidina ny hazo izy io. Mandady miandalana manodidina ny vatan’ilay hazo aloha ny fakany, izay mihamafy hatrany. Rehefa ela ny ela, dia trohin’ireo fakany maro be ireo ny ankamaroan’ny sakafo ao anaty tany, izay tokony ho an’ilay hazo. Tsy mahazo hazavana intsony koa ilay hazo, satria takon’ny ravin’ilay aviavy. Maty ilay hazo amin’ny farany.

12 Toy izany no mety hanjo antsika. Mety handany tsikelikely ny fotoana sy ny herintsika mantsy ny fanahian’ity tontolo ity sy ny fikatsahana harena ary fiainana mampiadana. Rehefa ny zavatra eto amin’ity tontolo ity no lasa mibahana ao an-tsaintsika, dia tena mety hanao tsirambina ny fianarana samirery ny Baiboly sy ho zatra manapatapaka fivoriana isika. Tsy hahazo sakafo ara-panahy isika amin’izay. Ny fikatsahana vola aman-karena indray no maka ny toeran’ny fanompoana an’Andriamanitra, ka ho mora amin’i Satana ny hanao antsika ho rembiny.

Tokony ho mafy orina isika

13, 14. Inona no ilaintsika hatao, rehefa manohitra antsika i Satana?

13 Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Paoly mba “ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Azo antoka aloha fa tsy afaka handringana ny Devoly sy ny demoniany isika. I Jesosy Kristy rahateo no nanankinan’Andriamanitra izany asa izany. (Apokalypsy 20:1, 2) Mandra-paharingan’i Satana anefa, dia tokony ho “mafy orina” isika mba tsy ho resiny.

14 Nohamafisin’ny apostoly Petera koa fa ilaina ny ho mafy orina mba hanoherana an’i Satana. Nanoratra izy hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka. Tohero anefa izy, ka manàna finoana matanjaka ianareo, satria fantatrareo fa ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahinareo rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.” (1 Petera 5:8, 9) Tena mila ny fanohanan’ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina isika, mba hiorina mafy rehefa manafika toy ny liona mierona ny Devoly.

15, 16. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ara-baiboly fa afaka manampy antsika hiorina mafy ny mpiray finoana amintsika.

15 Rehefa misy liona mierona atsy Afrika, dia mirifatra mandositra ny antilopa, mandra-pahazoany antoka fa afa-doza izy. Ny elefanta indray anefa mifanohana. Izao no voalaza ao amin’ny boky Elefantan’i Afrika sy Azia—Goavana Nefa Tsara Fanahy (anglisy): “Matetika ny andiana elefanta no manao faribolana, mba hiarovan-tena. Ny lehibe no miatrika ny fahavalo, fa ny kely kosa atao eo afovoany mba ho voaro.” Mazàna ny liona no tsy sahy manafika na dia ny elefanta kely aza, rehefa mahita ny fifanohanan’izy ireo sy ny heriny.

16 Mila miaraka sy miray hina amin’ireo rahalahintsika manana finoana matanjaka koa isika, rehefa rahonan’i Satana sy ny demoniany. Niaiky i Paoly fa “nanampy sy nankahery” azy ny Kristianina sasany, fony izy nigadra tany Roma. (Kolosianina 4:10, 11) Tsy hita afa-tsy indray mandeha ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay teny grika nadika hoe “nanampy sy nankahery.” ‘Midika hoe fanafody mampitony fanaintainana ilay matoanteny avy amin’io teny io’, hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy). Toy ny menaka mampitony, dia afaka manamaivana ny fahoriantsika ny fanohanan’ny Kristianina matotra, rehefa kivy na marary isika.

17. Inona no afaka manampy antsika tsy hivadika amin’Andriamanitra?

17 Afaka manampy antsika mba ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ny fampaherezan’ny Kristianina hafa. Tena vonona hanampy antsika amin’io lafiny io ny anti-panahy. (Jakoba 5:13-15) Manampy antsika tsy hivadika koa ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ny fanatrehana fivoriana ary fivoriambe. Ary tena manampy ny mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Koa na mihinana àry isika, na misotro, na manao zavatra hafa, dia tokony hataontsika ho voninahiny ny zava-drehetra. (1 Korintianina 10:31) Mazava ho azy fa tena ilaina ny mivavaka sy miantehitra amin’i Jehovah, mba hanaovana hatrany izay mampifaly azy.—Salamo 37:5.

18. Nahoana isika no tsy tokony halaky ho kivy, na dia mampihena ny herintsika aza ny toe-javatra mampahory?

18 Indraindray dia manafika antsika i Satana, rehefa malemy ny finoantsika. Biby malemy mantsy no tafihin’ny liona. Mety hampihena ny finoantsika ny olana ao an-tokantrano sy ny fahasahiranana ara-bola na ny aretina. Kanefa, aoka isika tsy halaky ho kivy rehefa manao izay mampifaly an’Andriamanitra, satria hoy i Paoly: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Korintianina 12:10; Galatianina 6:9; 2 Tesalonianina 3:13) Inona no tiany holazaina? Te hilaza izy fa na dia malemy aza isika olombelona, dia omen’i Jehovah Andriamanitra hery, raha mangataka izany aminy. Asehon’ny fandresen’i Davida an’i Goliata, fa afaka manome hery ny vahoakany Andriamanitra, sady tena manao izany. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny porofoina fa tena nahazo hery avy tamin’Andriamanitra tokoa izy ireo, tao anatin’ny fotoana faran’izay sarotra.—Daniela 10:19.

19. Manomeza ohatra ampisehoana fa afaka mampahery ny mpanompony i Jehovah.

19 Nahatsapa ny fanohanan’Andriamanitra ny mpivady iray, ka nilaza hoe: “Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro izahay mivady, ary nandray fitahiana maro. Nanjary nahalala olona maro mahafinaritra be izahay. Nampiofana sy nampahery anay koa i Jehovah, mba hahaizanay hiaritra zava-tsarotra. Toa an’i Joba, dia tsy azonay indraindray ny antony nahatonga ny zavatra sasany hitranga, nefa fantatray fa teo anilanay foana i Jehovah, mba hanampy anay.”

20. Inona no porofo ara-baiboly mampiseho fa manohana ny vahoakany foana i Jehovah?

20 Tsy fohy ny tanan’i Jehovah, fa mahavita manohana sy mampahery ny vahoakany mahatoky. (Isaia 59:1) Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.” (Salamo 145:14) “Mitondra ny entantsika isan-andro” mihitsy aza ilay Raintsika any an-danitra, ary manome izay tena ilaintsika.—Salamo 68:19.

Mila “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” isika

21. Ahoana no nanasongadinan’i Paoly fa mila fiadiana ara-panahy isika?

21 Nodinihintsika teo ny sasany amin’ny fomba fiasan’i Satana, ary hitantsika fa mila miorina mafy isika rehefa tafihiny. Tsy maintsy jerentsika kosa izao ireo fanampiana omena antsika, mba hiarovana tsara ny finoantsika. Rehefa nanoratra ho an’ny Efesianina ny apostoly Paoly, dia niresaka indroa momba ny zavatra iray tena ilaintsika, mba ho mafy orina isika ka hahatohitra ny teti-dratsin’i Satana, ary handresy ireo fanahy ratsy itolomantsika. Hoy izy: “Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly. ... Raiso avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra, mba hahatohitra ianareo amin’ny andro anjakan’ny faharatsiana, ka ho mafy orina rehefa vitanareo tanteraka avokoa izany rehetra izany.”—Efesianina 6:11, 13.

22, 23. a) Inona avy no tafiditra amin’ilay fiadiantsika ara-panahy? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Mila ny “fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” tokoa isika. Nisy miaramila romanina niambina an’i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny Efesianina, ary nitondra ny fiadiana fiarovana rehetra angamba izy io indraindray. Ny fanahy masin’Andriamanitra anefa no nahatonga an’io apostoly io hiresaka momba ny fiadiana ara-panahy, izay tena ilain’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay.

23 Tafiditra amin’io fiadiana io ny toetra sasany tsy maintsy ananan’ny Kristianina, sy ny fanampiana omen’i Jehovah. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny tsirairay amin’io fiadiana io. Ho hitantsika tsara amin’izay raha ampy fitaovana ho amin’ilay ady ara-panahy isika. Hojerentsika koa fa manampy antsika handresy an’i Satana Devoly ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Jesosy Kristy.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ilay ady ataon’ny Kristianina rehetra?

• Hazavao ny tetikady sasany ampiasain’i Satana.

• Nahoana ny mpiray finoana amintsika no afaka manohana sy mampahery antsika?

• Tsy maintsy miantehitra amin’ny herin’iza isika, ary nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

‘Mitolona amin’ny fanahy ratsy’ ny Kristianina

[Sary, pejy 12]

Mety hangeja ny teny momba ilay Fanjakana ny fanahian’ity tontolo ity

[Sary, pejy 13]

Afaka ‘manampy sy mankahery’ antsika ny Kristianina hafa

[Sary, pejy 14]

Mivavaka amin’Andriamanitra ve ianao, mba hahazoana hery?