Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mandidy ny Lalàn’i Mosesy fa tsy mahazo manambady olona hafa firenena ny Israelita. Nahoana anefa no navela haka vady tamin’ireo babo hafa firenena ny lehilahy teo aminy?—Deoteronomia 7:1-3; 21:10, 11.

Nisy anton-javatra manokana namelana azy ireo hanao izany. Nandidy ny Israelita i Jehovah mba handrava tanàna fito tany Kanana sy handringana ny mponina rehetra tao. (Deoteronomia 20:15-18) Tamin’ireo firenena hafa kosa anefa dia ireo vehivavy virjiny ihany no nety ho tsy novonoina. (Nomery 31:17, 18; Deoteronomia 20:14) Afaka nanambady vehivavy toy izany ny lehilahy israelita iray, nefa tsy maintsy nisy zavatra nataon’ilay vehivavy.

Milaza izay tokony hataon’ilay vehivavy ny Baiboly. Hoy izy: “Asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony, ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin’ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy hianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.”—Deoteronomia 21:12, 13.

Tokony hanaratra ny lohany ny virjiny babo, tian’ny lehilahy israelita hovadina. Fanehoana fisaonana na alahelo ny fanaratana ny loha. (Isaia 3:24) Nanaratra ny lohany, ohatra, i Joba mba hanehoany ny alahelony, rehefa maty ny zanany rehetra ary very ny fananany. (Joba 1:20) Tsy maintsy notapahin’ilay vehivavy vahiny koa ny hohony, ka na nolokoany aza dia tsy nanintona intsony ny nijery ny tanany. (Deoteronomia 21:12) Inona moa ilay “fitafiany tamin’ny nahababo azy”, izay nasaina nesoriny? Fanaon’ny vehivavy tany amin’ireo tanàna mpanompo sampy ny nanao ny akanjony tsara indrindra, rehefa ho babo izy ireo. Nanantena mantsy izy fa tsy hovonoin’ireo mpanafika, raha nanao izany. Tokony hesorin’ilay vehivavy misaona àry izany akanjony tsara izany.

Tokony hisaona ny havany maty, mandritra ny iray volana, ny vehivavy babo halain’ny lehilahy israelita ho vady. Nasaina noravana tanteraka ireo tanàna resy, ka maty avokoa, raha ny marina, ny havany sy ny olom-pantany taloha. Foana ireo sampy nivavahany satria efa nopotehin’ny miaramila israelita. Fotoana fanadiovana koa ilay iray volana nisaonany, satria hialan’ilay vehivavy tanteraka ny zavatra rehetra mifandray amin’ny fivavahany taloha.

Hafa tanteraka anefa ny natao tamin’ny vehivavy hafa firenena tamin’ny ankapobeny. Izao no lalàna nampiharina: “Aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy.” (Deoteronomia 7:3) Inona no anton’izany fandrarana izany? Hoy ny Deoteronomia 7:4: “Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa.” Natao mba hiarovana ny Israelita tamin’ny fandotoana ny fivavahany àry ilay fandrarana. Tsy atahorana hitondra loza toy izany anefa ny vehivavy babo resahin’ny Deoteronomia 21:10-13. Efa maty ny havany rehetra, ary efa nopotehina ny sampy nivavahany. Tsy nifandray intsony tamin’ny olona nanaraka fivavahan-diso koa izy. Afaka nanambady olona toy izany àry ny Israelita iray.