Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mivavaha toy Izao Ianareo”

“Mivavaha toy Izao Ianareo”

“Mivavaha toy Izao Ianareo”

HAINAO ve ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo? Vavaka modely nampianarin’i Jesosy Kristy izy io. Hoy izy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Koa mivavaha toy izao ianareo.” (Matio 6:9) I Jesosy no niresaka voalohany azy io, ka izany no iantsoana azy matetika hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo, na Rainay Izay any An-danitra.—Latinina: Paternoster.

Mahay tsianjery sy mamerimberina matetika an’io vavaka io ny olona maro be eran-tany. Misy aza angamba manao izany isan’andro mihitsy. Tato ho ato, dia betsaka no manao an’io vavaka io any am-pianarana na rehefa misy fety, na fisehoan-javatra lehibe hafa. Nahoana no heverina ho zava-dehibe toy izany io Vavaka Nampianarin’ny Tompo io?

Hoy i Cyprien, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo: “Tsy ny vavaka nampianarin’i Kristy ve no tena misy heviny lalina indrindra ...? Ny Zanaka no Fahamarinana, koa mety hisy vavaka marina kokoa noho ilay nampitainy tamintsika ve?”—Jaona 14:6.

Milaza ny boky katesizy katolika fa ny Rainay Izay any An-danitra no “iorenan’ny vavaka ataon’ny Kristianina.” Miaiky koa Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa zava-dehibe ho an’ny fivavahana kristianina rehetra io vavaka io, ary hita ao amin’izy io ny “hevitra fototra inoan’ny Kristianina.”

Tsy azo lavina anefa fa maro amin’ireo mahay tsianjery ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo no tsy mahazo tsara ny heviny. Hoy ny gazety kanadianina iray: “Raha Kristianina ianao, dia azo inoana fa hainao ny manonona haingana sy tsy an-kiato ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Mety ho sarotra aminao kosa anefa ny hilaza azy io miadana tsara sy hahazo ny heviny.”

Tena zava-dehibe ve ny hahazoana ny hevitry ny vavaka ataontsika? Nahoana i Jesosy no nampianatra antsika an’ilay Rainay Izay any An-danitra? Inona no hevitr’io vavaka io? Andeha isika handinika an’ireo fanontaniana ireo.