Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Haren’ny Ranomasina”

“Ny Haren’ny Ranomasina”

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

“Ny Haren’ny Ranomasina”

MODY ny masoandro, mitsoka malefaka eo amin’ny ranomasina ny rivotra, ary mitosaka mora eo amin’ny torapasika ny onja. Mampitony ny feon’ny onja, ka maro ny olona no maniry mafy hiala sasatra eny amoron-dranomasina. *

An’arivony kilaometatra ny moron-dranomasina misy torapasika toy izany eran-tany. Namboarin’Andriamanitra mba hifehy ny herin’ny ranomasina izy io. Milaza Andriamanitra fa “nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina” izy, “ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.”—Jeremia 5:22; Joba 38:8; Salamo 33:7.

Feno rano tokoa ny tany fa tsy toy ireo planeta hafa mihodidina ny masoandro. Maherin’ny 70 isan-jaton’ny tany no rakotry ny rano. Nandidy toy izao i Jehovah rehefa nanomana ny tany ho an’ny olona: “Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina.” Ary dia “nisy izany.” Mitohy toy izao ilay fitantarana: “Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe ‘tany’; ary ny rano tafangona nataony hoe ‘ranomasina.’ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” (Genesisy 1:9, 10) Inona marina no asan’ny ranomasina?

Natao hanampy ny zavaboary ho velona ny ranomasina, ary fomba maro no anatanterahany izany. Afaka mitahiry hafanana, ohatra, ny rano. Mitahiry hafanana be ny ranomasina, ka tsy dia mamirifiry loatra ny ririnina.

Manampy amin’ny fomba hafa koa ny rano. Mora mandevona zavatra noho ny ranon-javatra hafa rehetra izy. Miankina amin’ny fifanatonan’ny zavatra simika ny fisian’ny fiainana, ka tena ilaina ny rano mba handevona ireo zavatra simika mifanatona sy hanambatra ny molekiolan’izy ireo. Misy rano ao anatin’ny maro amin’ireo zavatra simika hita ao amin’ny tamba-tsela velona. Hoy ny boky Ny Ranomasina (anglisy): “Mila rano daholo ny aina rehetra, ary avy any an-dranomasina matetika ireny rano ireny, na ny an’ny zavamaniry na ny biby an-tanety.”

Mandray anjara lehibe amin’ny fanadiovana ny atmosfera koa ny ranomasina. Mifoka ny rivotra maloto sy mamoaka oksizenina ireo zavamaniry bitika any an-dranomasina. Nilaza ny mpikaroka iray fa “avy amin’ireo zavamaniry bitika eny an-dranomasina ny 70 isan-jaton’ny oksizenina lasa any amin’ny atmosfera isan-taona.”

Misy fanafody voajanahary koa omen’ny ranomasina. Natao fanafody efa an-jatony taona maro ny zavatra avy amin’ny trondro. Efa ela koa no nampiasain’ny olona ny menaka avy amin’ny atin’ny lamoria. Ampiasaina kosa ankehitriny ny zavatra simika avy amin’ny trondro na hazan-dranomasina hafa, mba hitsaboana asma sy hiadiana amin’ny virosy sy ny kansera.

Nezahina nofantarina ny tombony azo avy amin’ny ranomasina sy ny zavatra ao aminy. Nanombantombana ny mpikaroka fa avy amin’ny ranomasina ny androatokon’ny zavatra mampizotra tsara ny tontolo iainana. Asehon’izany fa natao hanome izay ilain’ny zava-miaina izy io. Tena betsaka tokoa àry ny “haren’ny ranomasina”, araka ny ilazan’ny Baiboly azy!—Deoteronomia 33:19

Deraina i Jehovah noho izy Mpamolavola Lehibe sy Mpamorona io harena io. Voatosika hidera azy toy izao i Nehemia: “Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, ... ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra.”—Nehemia 9:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Septambra/Oktobra.

[Efajoro/Sary, pejy 9

Rano sy Rivotra ary Onja

Miteraka onja goavambe ny rano sy ny rivotra, sady mankarenin-tsofina ny fidonany amin’ny haram-bato, toy ny hita amin’ny sary eto, any Kalifornia, any Etazonia. Zava-mahagaga mampiavaka ny ranomasina foana ny onja, ary mampiseho ny heriny. Fampahatsiahivana mahagaga momba ny hery lehiben’i Jehovah koa izy ireny. I Jehovah irery no “mandia ny onjan-dranomasina.” “Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina.” (Joba 9:8; 26:12) Marina tokoa fa “mihoatra noho ny rano sady be no mahery, eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo.”—Salamo 93:4.

Torapasika Manana Endrika Maro

Lasa manana endrika samihafa ny fasika eny amoron-dranomasina indraindray. Hita eto, ohatra, ny any amoron-dranomasin’i Namibia, any atsimon’i Afrika. Ny rivotra no tena manome azy endrika toy io. Misy dongom-pasika ivaiva, fa ny sasany kosa mahatratra 400 metatra ny haavony. Lasa azontsika ny hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina”, rehefa mahita fasika be dia be toy io isika. Hilazana zavatra tsy voaisa sy sarotra refesina, io fomba fiteny io. (Genesisy 22:17) Manjary matahotra ny mpamorona isika, rehefa mahita ny rindrim-pasika hafakely nataony hanohanana ny onja mahery.

[Sary, pejy 9]

Morontsiraka rehefa mody masoandro, Biafra, Cameroun