Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitr’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo

Ny Hevitr’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo

Ny Hevitr’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo

HITA ao amin’ny Matio toko faha-6, andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-13 ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, izay noresahin’i Jesosy Kristy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy taloha kelin’ny nampianarany azy io: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.’—Matio 6:7.

Tsy nirin’i Jesosy àry ny hamerenana tsianjery fotsiny an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Marina fa nanao an’io vavaka io indray izy tatỳ aoriana. (Lioka 11:2-4) Kanefa tsy mitovy tanteraka ny teny nampiasainy ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka. Tsy namerina ny teny rehetra tao amin’io vavaka modely io koa i Jesosy sy ireo mpianany, rehefa nivavaka tatỳ aoriana.

Nahoana no voarakitra ao amin’ny Baiboly ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo? Satria amin’ny alalan’io vavaka modely io no ampianaran’i Jesosy antsika izay tokony holazaina, mba haneken’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Voavaly ao amin’izy io koa ny sasany amin’ireo fanontaniana lehibe apetraky ny olona momba ny fiainana. Andeha àry hofakafakaintsika ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo.

Iza no anaran’Andriamanitra?

“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Manampy antsika hanatona an’Andriamanitra ny fiantsoana azy hoe “Rainay”, araka ny fiandohan’io vavaka modely io. Toy ny anirian’ny ankizy iray hanatona ray be fitiavana sy mahataka-javatra, no anatonantsika ilay Raintsika any an-danitra, satria matoky isika fa te hihaino antsika izy. Nihira i Davida Mpanjaka hoe: “Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.”—Salamo 65:2.

Nasain’i Jesosy hangatahintsika ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra. Fa iza tokoa moa ny anarany? Mamaly ny Baiboly hoe: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Efa nahita ilay anarana hoe Jehovah tao amin’ny Baiboly ve ianao?

Raha ny marina, dia miseho efa ho im-7 000 ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny Baiboly sora-tanana tranainy. Nisy mpandika Baiboly anefa nanala azy io tao amin’ny dikan-teniny. Rariny àry raha mangataka am-bavaka ny hanamasinan’ilay Mpamorona ny anarany isika. (Ezekiela 36:23) Manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, ohatra, rehefa mivavaka ka mampiasa ilay anarana hoe Jehovah.

Katolika i Patricia, ary nahafantatra tsara ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Nanao ahoana ny fihetsiny rehefa natoron’ny Vavolombelon’i Jehovah azy avy ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra? Hoy izy: “Tsy nampino ahy ilay izy! Nalaiko àry ny Baiboliko, nefa hita tao koa ilay anarana. Avy eo, dia nasehon’ilay Vavolombelona ahy ny Matio 6:9, 10. Nohazavainy tamiko fa manisy firesahana ny anaran’Andriamanitra ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Faly be mihitsy aho, ka nangataka azy hampianatra Baiboly ahy.”

Hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Ahoana no hahatanterahan’io tapany amin’ilay vavaka modely io? Mihevitra ny lanitra ho toerana misy fiadanana sy filaminana ny ankamaroan’ny olona. Lazain’ny Soratra Masina fa ‘fonenan’ny fahamasinana sy ny voninahitr’i Jehovah’ izy io. (Isaia 63:15) Tsy mahagaga àry raha mangataka isika ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, “tahaka ny any an-danitra”! Ho tanteraka ihany anefa ve izany?

Nilaza mialoha i Daniela, mpaminan’i Jehovah hoe: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana [etỳ an-tany] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Hanao zavatra tsy ho ela io Fanjakana any an-danitra io, mba hisian’ny fiadanana eran-tany eo ambany fitondrana marina.—2 Petera 3:13.

Maneho finoana isika rehefa mangataka ny hiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany, ary tsy ho diso fanantenana. Hoy ny apostoly Jaona: “Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana [aho], nanao hoe: ‘Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ ” Hoy koa i Jaona: “Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ... ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ ”—Apokalypsy 21:3-5.

Mivavaka mba hahazo izay ilaintsika

Nasehon’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely fa ny anaran’Andriamanitra sy ny sitrapony aloha no tokony hataontsika antom-bavaka. Hita ao amin’io vavaka modely io koa anefa, fa mety ny hangatahantsika amin’i Jehovah izay ilaintsika.

Izao no voalohany amin’izany: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.” (Matio 6:11) Tsy fangatahana harena akory izany. Nampirisika antsika i Jesosy mba hangataka ‘ny hanina ilaintsika anio.’ (Lioka 11:3) Araka io Vavaka Nampianarin’ny Tompo io, dia afaka mino isika fa hanome antsika izay ilaintsika isan’andro Andriamanitra, raha tia sy mankatò azy isika.

Mety hanjary hanao tsirambina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika ka tsy hanao izay takiny, raha manahy be loatra ny amin’ny tsy fananam-bola. Raha loha laharana eo amin’ny fiainantsika anefa ny fanompoana azy, dia afaka matoky isika fa hihaino izy rehefa mivavaka mba hahazo izay ilaintsika isika, anisan’izany ny sakafo sy ny fitafiana. Hoy i Jesosy: ‘Katsaho hatrany aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.’ (Matio 6:26-33) Tsy mora ny mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra, satria mpanota sy mila famelan-keloka daholo isika. (Romanina 5:12) Miresaka momba izany koa ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo.

Mivavaka mba ho voavela heloka

“Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Matio 6:12; Lioka 11:4) Tena hamela ny helotsika tokoa ve i Jehovah Andriamanitra?

Nanao fahotana lehibe i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, nefa nibebaka. Tsy nisalasala àry izy nivavaka hoe: “Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.” (Salamo 86:5) Mampahery tokoa izany! Vonona ‘hamela ny helok’ireo’ miantso azy mba hibebaka ny Raintsika any an-danitra. Afaka mamela tanteraka ny fahotantsika tokoa i Jehovah Andriamanitra.

Nanisy fepetra anefa i Jesosy: Tsy maintsy mamela ny hafa isika, raha tiantsika havelan’Andriamanitra ny helotsika. (Matio 6:14, 15) Nampijalian’ireo namany telo lahy i Joba, lehilahy marina, nefa namela ny helok’izy ireo ary nivavaka ho azy mihitsy aza. (Joba 42:10) Hampifaly an’Andriamanitra isika raha mamela izay nanota tamintsika, ary hamindra fo amintsika izy.

Tokony hanosika antsika hiezaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fahavononany hihaino ny fangatahantsika. Afaka manao izany isika, na dia tsy lavorary aza. (Matio 26:41) Afaka manampy antsika hanao izany koa i Jehovah, araka ny hita tao amin’ilay fangatahana lehibe namaranan’i Jesosy ny vavaka modely.

Mangataka fanampiana mba hanao ny marina

“Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:13) Tsy mamela antsika hiady irery amin’ny fakam-panahy i Jehovah na manao izay hanotantsika. Hoy ny Teniny: “Tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Mamela antsika halaim-panahy Andriamanitra, nefa afaka manafaka antsika amin’ilay Lehiben’ny Mpaka fanahy, dia “ilay ratsy” na Satana Devoly.

Nampirisika ny namany kristianina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Petera 5:8) Na i Jesosy Kristy, lehilahy lavorary, aza nalain’i Satana fanahy! Inona no tanjony? Ny hampiala azy amin’ny fivavahana marina amin’i Jehovah Andriamanitra. (Matio 4:1-11) Mikendry ny handrapaka anao koa i Satana, raha miezaka hanompo an’Andriamanitra ianao!

Mety hampiasa ny tontolo eo ambany fifehezany ny Devoly, mba hitarihana antsika hanao zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra. (1 Jaona 5:19) Zava-dehibe àry ny hangatahantsika tsy tapaka ny fanampian’Andriamanitra, indrindra rehefa tojo fakam-panahy maharitra isika. Ary raha manompo an’i Jehovah mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Teniny isika, dia hanafaka antsika amin’ny Devoly izy, satria hampiany isika hanohitra azy. Milaza ny Baiboly fa ‘mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.’—1 Korintianina 10:13.

Tena ilaina ny finoana an’Andriamanitra

Mahafinaritra erỳ ny mahafantatra fa miahy antsika tsirairay ilay Raintsika any an-danitra! Nasainy nampianatra antsika hivavaka mihitsy aza i Jesosy Kristy Zanany. Azo antoka fa mahatonga antsika haniry hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra izany. Ahoana àry no hanaovantsika izany?

Hoy ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Ahoana no hananana izany finoana izany? “Ny finoana dia avy amin’izay re”, hoy ny Baiboly. (Romanina 10:17) Faly ny Vavolombelon’i Jehovah miresaka ny Soratra Masina amin’izay rehetra maniry hanompo an’Andriamanitra, sy hanana ny tena finoana.

Antenainay fa nanampy anao hahazo bebe kokoa ny hevitr’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo ity famakafakana ity. Hihamatanjaka ny finoanao an’i Jehovah Andriamanitra, rehefa mianatra bebe kokoa momba azy sy ny valisoa omeny “an’izay mitady azy fatratra” ianao. Enga anie ianao hianatra bebe kokoa momba ilay Rainao any an-danitra sy ny fikasany, hahafahanao hifandray akaiky aminy mandrakizay.—Jaona 17:3.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.”—Matio 6:9-13

[Sary, pejy 7]

Manome izay ilain’ireo tia azy i Jehovah

[Sary, pejy 7]

Ampian’Andriamanitra koa isika hanohitra ny Devoly

[Sary, pejy 7]

Hamindra fo amintsika Andriamanitra raha mamela heloka toa an’i Joba isika