“Tadiavo Izay Mendrika”
“Tadiavo Izay Mendrika”
TANÀNA nandroso i Damaskosy tamin’ny taonjato voalohany. Nisy voankazo maro be naniry nanodidina ilay tanàna, ka nahafinaritra an’ireo mpandeha avy any atsinanana. Nisy fiangonana kristianina niforona tany, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Anisan’io fiangonana io ny Jiosy, izay angamba tonga mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:5, 41) Mety ho nifindra tany Damaskosy koa ny mpianatra sasany avy tany Jodia, rehefa nisy fanenjehana taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana.—Asan’ny Apostoly 8:1.
Nahazo fanendrena niavaka i Ananiasy, Kristianina tany Damaskosy, tamin’ny taona 34 tany ho any. Hoy ny Tompo taminy: “Mitsangàna, ka mankanesa any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy. Ary anontanio ao an-tranon’i Jodasy fa misy lehilahy atao hoe Saoly ao, ilay avy any Tarsosy. Eo am-pivavahana indrindra izy izao.”—Asan’ny Apostoly 9:11.
Iray kilaometatra sy sasany eo ho eo ny halavan’ilay lalana atao hoe Imahitsy, izay namakivaky an’i Damaskosy. Hitantsika eo amin’io sary natao tamin’ny taonjato faha-19 io ny mety ho endrik’ilay lalana. Elaela ihany angamba i Ananiasy vao nahita ny tranon’i Jodasy, rehefa jerena ny fomba nanaovana ilay lalana. Hitany ihany anefa ilay izy, ary tonga mpitory ny vaovao tsara be zotom-po sy apostoly mihitsy i Saoly, noho ny fitsidihany azy.—Asan’ny Apostoly 9:12-19.
Naniraka ny mpianany i Jesosy ary nilaza tamin’izy ireo mba ‘hitady izay mendrika’ ny vaovao tsara. (Matio 10:11) Tena nitady an’i Saoly tokoa i Ananiasy. Manahaka azy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka faly mitady izay mendrika. Faly izy ireo rehefa manaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona. Tsy very maina ny ezaka ataony, rehefa mahita izay mendrika izy ireo.—1 Korintianina 15:58.
[Sary, pejy 32]
“Lalana Imahitsy” ankehitriny
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Nalaina tao amin’ny boky La Tierra Santa, Boky II, 1830