Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tafio ny Fiadiana Fiarovana Rehetra avy Amin’Andriamanitra’

‘Tafio ny Fiadiana Fiarovana Rehetra avy Amin’Andriamanitra’

‘Tafio ny Fiadiana Fiarovana Rehetra avy Amin’Andriamanitra’

“Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.”—EFESIANINA 6:11.

1, 2. Lazao amin’ny fomba fiteninao ilay fiadiana ara-panahy ilain’ny Kristianina hotafina.

NANDRITRA ny taonjato voalohany no tena nampahatanjaka indrindra ny fanjakan’i Roma. Nifehy ny ankamaroan’ny firenena nisy tamin’izany izy, satria nahery be ny tafiny. Nilaza ny mpahay tantara iray fa ny tafika romanina no “nahomby indrindra teo amin’ny tantara.” Nanaraka tsara ny baiko nomena azy ny miaramila romanina, sady nahazo fampiofanana henjana. Ny fitaovam-piadiany koa anefa no tena nahatonga azy ireo hahomby. Noraisin’ny apostoly Paoly ho ohatra ny fiadian’ny miaramila romanina, mba hanazavana fa ilain’ny Kristianina ny mitafy fiadiana ara-panahy, mba handresena ny Devoly.

2 Voalaza ao amin’ny Efesianina 6:14-17 ny mombamomba an’io fiadiana fiarovana ara-panahy io. Hoy i Paoly: “Aoka ianareo ho mafy orina, ka sikino fahamarinana ny andilanareo, ary mitafia ny fahitsiana ho fiarovan-tratra. Dia kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Ary ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fiarovan-dohan’ny famonjena, sy ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra.” Azo inoana fa niaro tsara ny miaramila romanina ny fiadiana rehetra notanisain’i Paoly. Nitondra sabatra koa ilay miaramila, ary io no tena nampiasainy rehefa niady izy.

3. Nahoana isika no tokony hankatò ny toromarik’i Jesosy Kristy, sy hanahaka azy?

3 Ankoatra ny fitaovam-piadiana sy ny fampiofanana, dia nahomby koa ny tafika romanina, rehefa nankatò ny mpitarika azy. Izany koa no ataon’ny Kristianina. Tsy maintsy ankatoavin’izy ireo i Jesosy Kristy, izay antsoin’ny Baiboly hoe “komandy amin’ny firenena.” (Isaia 55:4) Izy koa no “lohan’ny fiangonana.” (Efesianina 5:23) Manome toromarika momba ny ady ara-panahy ataontsika i Jesosy. Manome modely lavorary ny amin’ny fomba itondrana ny fiadiana ara-panahy koa izy. (1 Petera 2:21) Koa satria misy itoviana amin’ny toetran’i Kristy ny fiadiantsika ara-panahy, dia mampirisika antsika ny Soratra Masina mba ‘hanana’ ny toe-tsainy. (1 Petera 4:1) Eo am-pamakafakana ny fiadiantsika ara-panahy àry, dia hijery ny ohatr’i Jesosy isika mba hampisehoana fa tena ilaina sy tena mahomby io fiadiana io.

Arovy ny andilana, tratra ary tongotra

4. Nahoana no nanao sikina ny miaramila, ary inona no mifanitsy amin’izy io?

4 Sikinana fahamarinana ny andilana. Nanao sikina na fehikibo hoditra lehibe nirefy 5 ka hatramin’ny 15 santimetatra, ny miaramila fahiny. Misy mpandika teny milaza fa tokony hadika toy izao io andininy io: “Ataovy toy ny fehikibo manery tsara ny andilanareo ny fahamarinana.” Niaro ny andilan’ny miaramila ny fehikibo, ary azony nanantonana ny sabany. Nivonona hiady ny miaramila, rehefa nisikina. Nampiasa ny fehikibon’ny miaramila àry i Paoly, mba hampisehoana fa tokony hisy heriny eo amintsika ny fahamarinana ara-baiboly. Tokony ho toy ny fehikibo mifatotra tsara manodidina ny andilana mantsy izy io, mba hahafahantsika hampihatra sy hiaro azy io foana. (Salamo 43:3; 1 Petera 3:15) Noho izany, dia tokony hazoto hianatra ny Baiboly sy hisaintsaina izay raketiny isika. Nanana ny lalàn’Andriamanitra ‘tao anatiny’ i Jesosy. (Salamo 40:8) Afaka nanonona tsy an-kijery ny Soratra Masina àry izy, rehefa nanontanian’ny mpanohitra.—Matio 19:3-6; 22:23-32.

5. Hazavao fa afaka manampy antsika ny torohevitry ny Soratra Masina, rehefa misy fakam-panahy na fitsapana.

5 Voaro amin’ny fanatsoahan-kevitra diso sy afaka mandray fanapahan-kevitra tsara isika, rehefa manaiky hotarihin’ny fahamarinana ara-baiboly. Hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hanao ny tsara ny tari-dalan’ny Baiboly, rehefa misy fakam-panahy na fitsapana. Toy ny hoe hahita an’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe, isika ary hahare teny ao ivohontsika manao hoe: “Ity no làlana, ka andehano.”—Isaia 30:20, 21.

6. Nahoana no mila arovana ny fontsika, ary ahoana no ahafahan’ny fahitsiana manao izany?

6 Ny fahitsiana ho fiarovan-tratra. Miaro ny fo, izay taova tena sarobidy, ny fiarovan-tratran’ny miaramila. Mila arovana manokana koa ny fontsika an’ohatra, na ny maha izy antsika, satria mirona hanao ratsy. (Genesisy 8:21) Tsy maintsy mianatra ny fitsipika marin’i Jehovah sy tia izany àry isika. (Salamo 119:97, 105) Raha tia ny fahamarinana isika, dia handa ny toe-tsain’ity tontolo ity, izay tsy miraharaha na manamaivana ny tari-dalana mazavan’i Jehovah. Tsy hanao zavatra mety hanimba ny fiainantsika koa isika, raha tia ny tsara sy mankahala ny ratsy. (Salamo 119:99-101; Amosa 5:15) Fakan-tahaka tamin’io lafiny io i Jesosy, satria hoy ny Soratra Masina momba azy: “Tianao ny fahamarinana, ary halanao ny fandikan-dalàna.”—Hebreo 1:9. *

7. Nahoana no nila kiraro mafy tsara ny miaramila romanina, ary inona no mifanitsy amin’izy io?

7 Kiraroana fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotra. Nila kiraro nateza na kapa mafy tsara ny miaramila romanina, satria nandeha an-tongotra 30 kilaometatra isan’andro izy ireo matetika, rehefa nisy ady. Mbola nirongo fiadiana sy fitaovana hafa nilanja 27 kilao teo ho eo koa izy ireo. Mety tsara àry raha nampiasa ny kiraro i Paoly, mba hilazana ny fahavononantsika hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’izay rehetra te hihaino. Zava-dehibe izany, satria ahoana moa no hahalalan’ny olona an’i Jehovah raha tsy vonona hitory sy maniry hanao izany isika?—Romanina 10:13-15.

8. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy, mpitory ny vaovao tsara?

8 Inona no asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy teo amin’ny fiainany? Hoy izy tamin’i Pontio Pilato, governora romanina: ‘Ny hanambara ny marina no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao.’ Nitory i Jesosy na taiza na taiza nisy olona vonon-kihaino. Tena nahafinaritra azy ny fanompoany, ary nomeny ny toerana voalohany talohan’ny zavatra nilainy. (Jaona 4:5-34; 18:37) Hahita fomba maro be hiresahana ny vaovao tsara koa isika, raha dodona hanambara azy io, toa an’i Jesosy. Hanana finoana matanjaka foana koa isika, raha mifantoka tanteraka amin’ny fanompoana.—Asan’ny Apostoly 18:5.

Ampinga sy fiarovan-doha ary sabatra

9. Niaro ny miaramila romanina tamin’ny inona ny ampinga lehibe?

9 Ny ampinga lehibe, dia ny finoana. Ilay teny grika nadika hoe “ampinga lehibe” dia manondro ampinga maharo saika ny vatana manontolo. Niaro tamin’ny “zana-tsipìka mirehitra” voaresaka ao amin’ny Efesianina 6:16 izy io. Nampiasa zana-tsipìka vita tamin’ny bararata mantsy ny miaramila fahiny. Nasiany vy kely azo nofenoina solitany teo amin’ny tendron’izy ireny. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa ireny zana-tsipìka ireny no “anisan’ny fiadiana nampidi-doza indrindra tamin’ny ady taloha.” Nety ho naratra mafy na maty mihitsy ny miaramila tsy nanana ampinga lehibe hiarovan-tena amin’izany.

10, 11. a) Inona avy no “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana ka mety hampihena ny finoantsika? b) Nahoana no zava-dehibe ny finoana rehefa misy fitsapana, araka ny hita tamin’i Jesosy?

10 Inona no “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana mba hampihenana ny finoantsika? Mety hataony izay hisian’ny fanenjehana na ny fanoheran’ny fianakaviana, mpiara-miasa, na mpiara-mianatra. Eo koa ny faniriana te hanan-karena bebe kokoa, sy ny fakam-panahy haloto fitondran-tena, izay nahatonga ny Kristianina sasany hiala tamin’ny finoana. Mba hiarovan-tena amin’izany, dia tsy maintsy ‘mandray ny ampinga lehibe isika, dia ny finoana.’ Hanam-pinoana isika raha mianatra momba an’i Jehovah, sy mivavaka aminy tsy tapaka, ary mahatsapa ny fomba iarovany sy itahiany antsika.—Josoa 23:14; Lioka 17:5; Romanina 10:17.

11 Nasehon’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, fa tena ilaina ny manana finoana matanjaka ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Natoky tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Rainy izy, ary faly nanao ny sitrapony. (Matio 26:42, 53, 54; Jaona 6:38) Na dia ory mafy aza izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia hoy izy tamin-dRainy: ‘Aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.’ (Matio 26:39) Tsy nohadinoin’i Jesosy mihitsy fa zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny Rainy sy ny mampifaly azy. (Ohabolana 27:11) Raha matoky an’i Jehovah toy izany isika, dia tsy hamela ny fanakianana na ny fanoherana hampihena ny finoantsika. Hihamatanjaka kosa ny finoantsika, raha miantehitra amin’Andriamanitra isika, sy mampiseho fa tia azy ka mitandrina ny didiny. (Salamo 19:7-11; 1 Jaona 5:3) Maivan-danja ny harena sy ny fahafinaretan’ny nofo mihelina, raha ampitahaina amin’ireo fitahiana homen’i Jehovah an’izay tia azy.—Ohabolana 10:22.

12. Faritra sarobidy inona amin’ny vatantsika no arovan’ny fiarovan-doha, ary nahoana no tena ilaina izany fiarovana izany?

12 Ny fiarovan-dohan’ny famonjena. Ny fiarovan-doha dia niaro ny loha sy ny atidohan’ny miaramila, izany hoe ny taova ahafahany mandray fahalalana. Oharina amin’ny fiarovan-doha ny fanantenantsika kristianina, satria miaro ny saintsika. (1 Tesalonianina 5:8) Mbola olombelona malemy sy tsy lavorary foana anefa isika, na dia nanavao ny saintsika aza ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra. Mora voatarika ho amin’ny ratsy ny saintsika. Mety tsy hampifantoka antsika amin’ny fampanantenan’Andriamanitra, ary haka ny toeran’izy io mihitsy aza, ny fanatratrarana ny tanjon’ity tontolo ity. (Romanina 7:18; 12:2) Nisarika ny sain’i Jesosy ho amin’ny tanjona hafa ny Devoly, rehefa nanolotra azy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” (Matio 4:8) Nanda mafy anefa i Jesosy. Izao no nolazain’i Paoly momba azy: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.”—Hebreo 12:2.

13. Ahoana no ananantsika fanantenana mafy orina hatrany?

13 Tsy tonga dia ananantsika anefa izany fatokisana nananan’i Jesosy izany. Hihena ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra, raha ny nofinofy sy ny tanjon’ity tontolo ity no mameno ny saintsika fa tsy ny fanantenantsika. Mety hohadinointsika tanteraka mihitsy aza izany fanantenana izany amin’ny farany. Hifaly hatrany amin’ny fanantenana kosa isika, raha misaintsaina foana ny fampanantenan’Andriamanitra.—Romanina 12:12.

14, 15. a) Inona no azo ampitahaina amin’ny sabatra, ary ahoana no ampiasantsika azy io? b) Hazavao amin’ny ohatra fa afaka manampy antsika handresy fakam-panahy ny sabatry ny fanahy.

14 Ny sabatry ny fanahy. Toy ny sabatra roa lela ny tenin’Andriamanitra na ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Afaka manala sarona ny lainga ara-pivavahana izy io, ary manafaka ny olona tso-po amin’ny fivavahan-diso. (Jaona 8:32; Hebreo 4:12) Afaka miaro antsika koa io sabatra io, rehefa tojo fakam-panahy isika, na misy mpivadi-pinoana mitady hampiala antsika amin’ny finoana. (2 Korintianina 10:4, 5) Velom-pankasitrahana tokoa isika, satria ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo, ary mahatonga antsika ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’!—2 Timoty 3:16, 17.

15 Rehefa nalain’i Satana fanahy tany an-tany efitra i Jesosy, dia hainy tsara ny nampiasa ny sabatry ny fanahy mba hanoherana ny fomba fisainana diso sy ny fakam-panahy feno hafetsena. Isaky ny naka fanahy azy i Satana, dia hoy izy: “Voasoratra hoe.” (Matio 4:1-11) Nahatsapa koa i David, Vavolombelon’i Jehovah any Espaina, fa nanampy azy hahatohitra fakam-panahy ny Soratra Masina. Tamin’izy 19 taona, dia nanatona azy ny tovovavy iray tsara tarehy niara-niasa taminy tao amin’ny orinasa mpanadio iray. Nilaza taminy ilay tovovavy hoe: “Andao isika mba hiaraka hifalifaly.” Nanasa azy hanao firaisana anefa izy, raha ny marina. Tsy nanaiky i David, ary nangataka ny lehibeny izy hamindra azy any an-toeran-kafa, mba hialana tamin’ilay toe-javatra. Hoy i David: “Tadidiko ny ohatr’i Josefa. Tsy nanaiky haloto fitondran-tena izy, sady niala avy hatrany. Izany koa no nataoko.”—Genesisy 39:10-12.

16. Nahoana isika no mila fampiofanana, mba ‘hanazavana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’?

16 Nampiasa ny sabatry ny fanahy koa i Jesosy, mba hanafahana ny olona amin’ny fahefan’i Satana. “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy”, hoy izy. (Jaona 7:16) Mila fampiofanana isika, raha te hahay hampianatra toa an’i Jesosy. Hoy i Josèphe, mpahay tantara jiosy, momba ireo miaramila romanina: “Nanao fanazaran-tena isan’andro ny miaramila rehetra, sady nanezakezaka mafy erỳ toy ny hoe tany an’ady mihitsy. Noho izany, dia mora taminy ny niaritra havizanana rehefa tena raikitra ny ady.” Mila mampiasa ny Baiboly isika amin’ny ady ara-panahy ataontsika. Tsy maintsy ‘manao izay rehetra azo atao koa isika mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ (2 Timoty 2:15) Mahatsiaro ho afa-po tokoa isika, rehefa mampiasa ny Soratra Masina mba hamaliana ny fanontaniana napetraky ny olona liana sy tso-po!

Mivavaha na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona

17, 18. a) Hazavao fa manampy antsika hanohitra an’i Satana ny vavaka. b) Hazavao amin’ny ohatra fa sarobidy ny vavaka.

17 Nanome torohevitra lehibe hafa i Paoly, rehefa avy niresaka ny amin’ny fiadiana ara-panahy rehetra. Tokony ‘hanao vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra’ ny Kristianina, mba hanoherana an’i Satana. Impiry izy ireo no tokony hanao izany? “Mivavaha mandrakariva na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona”, hoy i Paoly. (Efesianina 6:18) Tena afaka manatanjaka antsika ny vavaka, rehefa misy fakam-panahy, na fitsapana, na zavatra mahakivy. (Matio 26:41) “Nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty [i Jesosy], ary nitaraindraina mafy sy nitomany, ka nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.”—Hebreo 5:7.

18 Nikarakara ny vadiny narary nandritra ny 15 taona mahery i Milagros. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, rehefa kivy. Izy ihany no tena afaka manampy ahy. Marina aloha fa misy fotoana ieritreretako hoe tsy ho vitako intsony ilay izy. Kanefa mahazo hery vao indray aho isaky ny mivavaka amin’i Jehovah ary tena mahatsiaro ho velombelona.”

19, 20. Inona no ilaintsika hatao raha te hivoaka ho mpandresy amin’ny ady atao amin’i Satana isika?

19 Fantatry ny Devoly fa fohy ny fotoana ananany, ka vao mainka izy manao izay ho afany mba handresena antsika. (Apokalypsy 12:12, 17) Tsy maintsy manohitra an’io fahavalo mahery io isika, sady ‘miady ny ady tsaran’ny finoana.’ (1 Timoty 6:12) Mitaky hery fanampiny izany. (2 Korintianina 4:7) Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra koa isika, ary tokony hangataka izany amim-bavaka. Hoy i Jesosy: “Raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!”—Lioka 11:13.

20 Tena ilaina àry ny hitafiantsika ny fiadiana fiarovana rehetra omen’i Jehovah. Mba hanaovana izany, dia ilaintsika ny mampitombo ireo toetra mampifaly azy, toy ny finoana sy ny fahitsiana. Tokony ho tia ny fahamarinana koa isika, toy ny hoe misikina azy io mihitsy. Tokony ho vonona hampiely ny vaovao tsara foana koa isika, ary hitadidy hatrany ny fanantenantsika. Tsy maintsy mianatra mampiasa tsara ny sabatry ny fanahy isika. Afaka ny hivoaka ho mpandresy amin’ny tolona atao amin’ny fanahy ratsy isika, sy hanome voninahitra ny anarana masin’i Jehovah, raha mitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy aminy.—Romanina 8:37-39.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Voalazan’ny faminanian’i Isaia fa miakanjo “fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra” i Jehovah. Takiny àry ny hanaovan’ny mpiandraikitra ny fiangonana ny rariny sy ny hitsiny.—Isaia 59:14, 15, 17.

Ahoana no Havalinao?

• Iza no tena fakan-tahaka amin’ny fitondrana ny fiadiana ara-panahy, ary nahoana isika no tokony handinika akaiky ny ohatra nomeny?

• Ahoana no iarovana ny saina sy ny fontsika an’ohatra?

• Ahoana no ahaizana mampiasa tsara ny sabatry ny fanahy?

• Nahoana isika no tokony hivavaka mandrakariva na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Ho voatosika hanambara ny vaovao tsara foana isika raha mazoto mianatra ny Baiboly

[Sary, pejy 18]

Manampy antsika hiatrika fitsapana ny fanantenantsika azo antoka

[Sary, pejy 19]

Mampiasa ny “sabatry ny fanahy” ve ianao eny amin’ny fanompoana?