Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Amin’ny Harenan’i Chester Beatty

Topy Maso Amin’ny Harenan’i Chester Beatty

Topy Maso Amin’ny Harenan’i Chester Beatty

“MIRAKITRA harena avy amin’ny sivilizasiona maro efa tsy misy intsony, ... mahatalanjona noho ny hakanton’ny sary hoso-doko lehibe sy faran’izay kely hita ao.” Toy izany ny Tranomboky Chester Beatty any Dublin, any Irlandy, araka ny filazan’i R. Hayes, mpiandraikitra azy io taloha. Betsaka ny zavatra voatahiry ao, anisan’izany ny rakitry ny ela sarobidy, zavakanto faran’izay tsara, boky vita pirinty sy sora-tanana, izay vitsy mpanana sady tsy hay tombanana ny vidiny. Iza àry i Chester Beatty, ary inona ireo harena nangoniny?

Teraka tany New York, any Etazonia, i Alfred Chester Beatty tamin’ny 1875. Ekosey sy Irlandey ary Anglisy ireo razambeny. Injenieran’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy mpanolo-tsaina momba izany izy, ka lasa mpanefohefo raha vao 32 taona monja. Nampiasainy hanangonana zavatra tsara tarehy sy tena kanto ny volany, nandritra ny androm-piainany manontolo. Maty teo amin’ny faha-92 taonany izy, tamin’ny 1968, ary navelany ho an’ny vahoakan’i Irlandy ireo zava-drehetra ireo.

Inona no nangoniny?

Nanangona zavatra maro isan-karazany i Beatty. Ny 1 isan-jaton’ireo ihany no aseho, isaky ny misy fampirantiana momba izany. Nanangona zava-tsarobidy tsy fahita firy izy, avy amin’ny vanim-potoana sy kolontsaina mifanelanelana an’arivony taona. Ny sasany avy any Eoropa tamin’ireo taona 500 ka hatramin’ny 1 700. Ny hafa kosa avy any amin’ny tany maro any Azia sy Afrika. Lazaina fa anisan’ny voakaly indrindra eran-tany, ohatra, ireo hazo sokitra japoney fanaovana pirinty nangoniny.

Tsy azo lazaina ho zavakanto velively kosa anefa ireo takelaka tanimanga mahavariana nataon’ireo Babylonianina sy Somerianina. An-jatony mahery no nangonin’i Beatty tamin’ireo, ary tarehin-tsoratra fahiny miendri-pantsika no hita teo aminy. Efatra arivo taona mahery lasa izay, dia nosoratan’ny mponina tany Mezopotamia tamin’ny takelaka tanimanga mbola lena ny tsipiriany madinika momba ny fiainany. Nohamaininy tao anaty lafaoro ireo takelaka ireo avy eo. Maro no mbola tsy simba mandraka ankehitriny, ka manaporofo fa efa hatry ny ela tokoa no nisian’ny soratra.

Tia boky fatratra

Toa nanintona an’i Chester Beatty ny asa voakaly nataon’ireo nanamboatra boky miavaka. Nanangona boky an’arivony izy, ka ny sasany ara-pivavahana. Anisan’izany ny Kôrana maromaro, izay nisy haingony hafakely. Nilaza ny mpanoratra iray fa “nahavariana [an’i Beatty] ny soratra arabo”, satria nitovy tantana tsara ny litera rehetra. Tena nahafinaritra azy koa ireo “haingony kely miloko volamena sy volafotsy ary mineraly hafa mamirapiratra, izay nandravaka ilay sora-kalina.”

Tena tia ilay vatosoa atao hoe jady i Chester Beatty, toy ny mpanjaka sasany tany Chine taonjato maro lasa izay. Ny jady no mineraly sarobidy indrindra tamin’ireo mpitondra ireo, sarobidy noho ny volamena mihitsy aza. Nasain’izy ireo novan’ny mpanefy mahay ho takelaka manify sy malamalama ireo vongana jady. Noraisin’ny mpahay zavakanto ireo takelaka jady ireo avy eo, ary nofenoiny sora-kalina sy sary vita amin’ny ranom-bolamena. Boky tsy manan-tsahala no vokany. Malaza eran-tany ny sasany amin’izy ireo, izay nangonin’i Beatty.

Baiboly sora-tanana sarobidy

Ho an’ny olona tia Baiboly kosa, dia ireo Baiboly sora-tanana maro efa tranainy, no sarobidy indrindra amin’ny harenan’i Chester Beatty. Efa tany amin’ireo taona 500 no nanoratana ny sasany. Ahitana ny faharetana sy ny hakingan’izay nandika azy, ny hatsaran’ireo Baiboly sora-tanana nasiana haingony mamirapiratra. Ary ireo boky vita pirinty kosa, dia mampiseho ny fahaizan’ireo mpanambatra boky sy mpanao pirinty voalohany. I Anton Koberger, ohatra, no nanao pirinty ilay Biblia Latina, tany Nuremberg tamin’ny 1479. Velona tamin’ny andron’i Johannes Gutenberg izy, ary lazaina fa “anisan’ny mpanao pirinty voalohany nalaza sy nahavita boky betsaka indrindra.”

Anisan’ny zavatra miavaka ao amin’ny Tranomboky Chester Beatty, ny boky nosoratan’ilay manam-pahaizana syrianina atao hoe Éphrem, tamin’ny taonjato fahefatra. Boky sora-tanana natao tamin’ny hodi-biby manify izy io, ary ahitana andalan-teny maro avy tao amin’ny Diatessaron, asa soratr’i Tatien tamin’ny taonjato faharoa. Natambatr’i Tatien ho tantara iray mirindra tsara ao anatin’ny Diatessaron ireo Filazantsara efatra momba ny fiainan’i Jesosy Kristy. Niresaka momba ny Diatessaron ny mpanoratra hafa tatỳ aoriana, saingy tsy misy intsony io boky io ankehitriny. Nisalasala ny amin’ny fisian’izy io mihitsy aza ny manam-pahaizana sasany tamin’ny taonjato faha-19. Nahita ilay bokin’i Éphrem misy fanazavana ny Diatessaron anefa i Beatty tamin’ny 1956, ka nampitombo ny porofo fa azo itokisana sy marina ny Baiboly.

Taratasy papyrus sarobidy

Maro koa ny taratasy papyrus (karazana zozoro) nangonin’i Beatty. Efa natambatra ho boky na kôdeksa ny sasany amin’izy ireny, ary misy momba ny fivavahana. Nosoratana talohan’ny taonjato fahefatra ny 50 mahery amin’ireny kôdeksa ireny. Nisy mihitsy aza noraofina avy tao anaty antontam-taratasy papyrus be dia be, na toerana fanariana taratasy, izay tsy nisy nahita tany an’efitr’i Ejipta nandritra ny taonjato maro. Efa rovitra be ny ankamaroany rehefa namidy. Nitondra baoritra feno sombin-taratasy papyrus ny mpivarotra. “Izay te hividy dia naka izay ampahany lehibe indrindra sy nisy soratra betsaka indrindra fotsiny”, hoy i Charles Horton, mpiandraikitra ny tranomboky misy ireo zavatra nangonin’i Chester Beatty avy tany Eoropa.

Nilaza koa izy fa “ny miavaka indrindra amin’ny zavatra hitan’i” Beatty, dia ireo kôdeksa ara-baiboly. “Mirakitra ny tranainy indrindra amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao kristianina nadika tanana” ireo kôdeksa sarobidy ireo. Mety ho ninia nandrovitra ireo kôdeksa ireo ny mpivarotra izay nahalala ny hasarobidiny, mba hivarotana azy amin’olona maromaro. Voavidin’i Beatty anefa ny ankamaroany. Inona àry no maha sarobidy ireo kôdeksa ireo? Nilaza Atoa Frederic Kenyon fa ireo no “zava-dehibe indrindra” hita hatramin’ny nahitan’i Tischendorf ny Codex Sinaiticus tamin’ny 1844.

Nosoratana tamin’ny taonjato faharoa sy fahefatra ireo kôdeksa ireo. Mirakitra ny Genesisy, ohatra, ny kôdeksa roa amin’ny Soratra Hebreo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tena sarobidy ireo, hoy i Kenyon, “satria saika ilay boky [Genesisy] manontolo no tsy hita ao amin’ny [Codex] Vaticanus sy Sinaiticus”, izay nosoratana tamin’ny hodi-biby manify tamin’ny taonjato fahefatra. Mirakitra ny boky sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina indray kosa ny kôdeksa telo hafa. Ny iray misy ny ampahany lehibe amin’ny Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly. Ny faharoa sy ny pejy hafa hitan’i Beatty tatỳ aoriana, dia ahitana saika ny taratasy rehetra nosoratan’ny apostoly Paoly, anisan’izany ilay epistiliny ho an’ny Hebreo. Ary ny ampahatelon’ny Apokalypsy no hita ao amin’ilay fahatelo. Nilaza i Kenyon fa ireo taratasy papyrus ireo, dia “vao mainka manamafy ny porofo efa tena mavesa-danja, fa marina izay voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao.”

Asehon’ireo taratasy papyrus ara-baiboly nangonin’i Chester Beatty ireo, fa efa hatry ny ela ny Kristianina no niala tamin’ny horonan-taratasy, izay sarotra nampiasaina. Nanomboka nampiasa ny kôdeksa, na boky natao sora-tanana kosa izy ireo, angamba talohan’ny faran’ny taonjato voalohany. Hita koa fa mbola nampiasa ny taratasy papyrus efa tonta ny mpanao kopia, satria vitsy ny fitaovana nanoratana tamin’izany andro izany. “Toa natao tamin’ny kahie fanaovana fanazaran-tena amin’ny kajy grika”, ohatra, ny ampahany amin’ny Filazantsaran’i Jaona, natao sora-tanana tamin’ny teny kopta.

Sarobidy ireo taratasy papyrus ireo, na dia tsy kanto loatra aza ny fijery azy. Porofo mivaingana azontsika iaingana mba hamantarana ny niandohan’ny Kristianisma izy ireo. Hoy i Charles Horton: “Hitan’ny masonao eo ny karazam-boky nampiasain’ny sasany tamin’ny Kristianina voalohany, ary sarobidy tamin’izy ireo izany.” (Ohabolana 2:4, 5) Tsy ho diso fanantenana àry ianao, raha manana fahafahana hitsidika ny Tranomboky Chester Beatty, ka hijery ny sasany amin’ireo harena ireo.

[Sary, pejy 31]

Hazo sokitra japoney fanaovana pirinty, nataon’i Katsushika Hokusai

[Sary, pejy 31]

Anisan’ny Baiboly natao pirinty voalohany indrindra ny “Biblia Latina”

[Sary, pejy 31]

Hamafisin’ny bokin’i Éphrem misy fanazavana ny “Diatessaron” nataon’i Tatien, fa azo itokisana ny Baiboly

[Sary, pejy 31]

Ny Chester Beatty P45 no anisan’ny kôdeksa tranainy indrindra, mirakitra ny ampahany lehibe amin’ny Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

Reproduced by kind permission of The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Sary rehetra: Reproduced by kind permission of The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin