Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanoratra ny apostoly Jaona fa “mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary.” Inona no tiany holazaina tamin’ny hoe “fitiavana lavorary”, ary inona ilay “tahotra” esorin’izy io?

Nanoratra ny apostoly Jaona hoe: “Tsy misy tahotra ny fitiavana. Mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria ny tahotra mampisy sakana. Koa izay matahotra àry dia mbola tsy lavorary raha ny amin’ny fitiavana.”—1 Jaona 4:18.

Asehon’ny teny manodidina fa niresaka momba ny fahasahiana miresaka amin’Andriamanitra i Jaona teo, indrindra fa ny fifandraisan’izany amin’ny fitiavana Azy. Hita eo amin’ny andininy faha-17 izany. Izao no voalaza ao: “Izao no nanaovana ny fitiavana ho lavorary raha ny amintsika, dia ny mba hahafahantsika hiteny amim-pieritreretana madio amin’ny andro fitsarana.” Arakaraka ny itiavan’ny Kristianina iray an’Andriamanitra sy ahatsapany ny fitiavany, no hitenenany aminy am-pieritreretana madio. Izany no hahatonga azy ho sahy, na tsy ho sahy hivavaka aminy.

Misy heviny ilay teny hoe “fitiavana lavorary.” Tsy midika ho fahalavorariana tanteraka foana akory ny teny hoe “lavorary”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly. Niteny toy izao, ohatra, i Jesosy tamin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” Ny tiany holazaina dia hoe tsy feno, tsy ampy, misy lesoka ny fitiavan’ireo mpianany, raha ny olona tia azy ihany no tiany. Tokony hataony lavorary na hampitomboany àry ny fitiavany, ka ho tiany na dia ireo fahavalony aza. Toy izany koa fa rehefa niresaka momba ny “fitiavana lavorary” i Jaona, dia ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo sy amin’ny zavatra rehetra atao, no tiany horesahina.—Matio 5:46-48; 19:20, 21.

Tsapan’ny Kristianina mivavaka amin’Andriamanitra fa mpanota sy tsy lavorary izy. Tsy matahotra ny homelohina na holavina anefa izy, raha tsapany fa tena tiany Andriamanitra sady tia azy. Sahy kosa izy mamboraka aminy izay ao am-pony, sy mangataka famelan-keloka miorina amin’ny vidim-panavotana, izay nomen’Andriamanitra tamim-pitiavana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Mahazo antoka izy fa henoin’Andriamanitra ny fangatahany.

Ahoana no hahatonga ny olona iray ho “lavorary raha ny amin’ny fitiavana”, ka hanaisotra ny tahotra ny homelohina na holavina? Hoy ny apostoly Jaona: “Izay mitandrina ny tenin[’Andriamanitra] kosa, dia natao lavorary ao amin’izany olona izany tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra.” (1 Jaona 2:5) Eritrereto izao: Raha tia antsika Andriamanitra fony mbola mpanota isika, tsy vao mainka ve ho tia antsika bebe kokoa izy raha tena mibebaka sy “mitandrina [tsara] ny teniny” isika? (Romanina 5:8; 1 Jaona 4:10) Raha tsy mivadika hatrany àry isika, dia afaka matoky toy ny apostoly Paoly fa “tsy mba niaro ny Zanany [Andriamanitra], fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra. Koa nahoana no tsy homeny antsika amin-katsaram-panahy miaraka aminy koa ny zavatra hafa rehetra?”—Romanina 8:32.