Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?

Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?

Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?

“Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô.”—APOKALYPSY 4:11.

1, 2. a) Inona avy, ohatra, no zavatra nalaina tahaka avy amin’ny zavaboary? b) Inona no fanontaniana mipetraka, ary inona no valiny?

INDRAY andro tany amin’ireo taona 1940, dia nitondra ny alikany nitsangantsangana ilay injeniera soisa atao hoe Georges de Mestral. Teny an-dalana nody, dia hitany fa feno karazana tsipolitra ny akanjony sy ny volon’ilay alika. Nahaliana azy ilay izy, ka nojereny tamin’ny mikraoskaopy. Gaga izy nahita karazana faraingo kely be dia be, niraikitra tamin-javatra volomboloina. Naka tahaka azy io i Georges de Mestral tatỳ aoriana, ka nanamboatra hidin-javatra mifampiraikitra antsoina hoe Velcro. Tsy izy irery anefa no naka tahaka ny zavaboary. Nanamboatra fiaramanidina koa ry Wright mirahalahy tany Etazonia, rehefa avy nandinika vorona lehibe nanidina. Ilay injeniera frantsay Alexandre-Gustave Eiffel indray, dia nandinika hoe ahoana no ahafahan’ny taolam-pen’ny olona mahazaka ny vatany. Ary izay no nalainy tahaka tamin’izy nanamboatra ilay tilikambo lehibe mitondra ny anarany, any Paris.

2 Hitantsika avy amin’izany fa matetika ny olona no maka tahaka ny zavaboary. Kanefa impiry moa izy ireo no manome voninahitra an’Ilay nanamboatra ireo karazana tsipolitra madinika, ireo vorona lehibe, ny taolam-pen’olombelona, ary ny zavaboary rehetra mahatalanjona alainy tahaka? Mampalahelo fa mahalana Andriamanitra vao omena ny voninahitra mendrika azy ankehitriny.

3, 4. Inona no hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “voninahitra”, ary inona no dikan’ny hoe voninahitr’i Jehovah?

3 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Nahoana no ilaina homena voninahitra Andriamanitra? Angaha moa izy tsy efa be voninahitra?’ I Jehovah tokoa no be voninahitra indrindra eran’izao rehetra izao, nefa tsy midika izany fa mihevitra azy ho toy izany ny olon-drehetra. Midika hoe “havesarana” ilay teny hebreo nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly. Manondro izay mahatonga ny olona hanan-danja na hanan-kaja eo imason’ny hafa izy io. Ny voninahitr’Andriamanitra kosa, dia izay mahatonga ny olombelona hiaiky ny fahaizany.

4 Vitsy no miaiky ny fahaizan’Andriamanitra ankehitriny. (Salamo 10:4; 14:1) Mampirisika ny hafa hanao tsinontsinona an’ilay Mpamorona be voninahitra mihitsy aza ny olona ambony sasany matetika. Misy aza tsy mino an’Andriamanitra akory. Nahoana isika no milaza izany?

“Tsy afa-tsiny izy ireo”

5. Inona no lazain’ny mpahay siansa maro fa nampisy ireo zavaboary mampitolagaga?

5 Mpahay siansa maro no manizingizina fa tsy misy Andriamanitra. Inona àry no lazain’izy ireo fa nampisy ny zavaboary mampitolagaga, anisan’izany ny olombelona? Lazainy fa nivoatra miandalana ny biby, ka lasa olombelona. Kisendrasendra, hono, no nahatonga izany, ary izany no antsoiny hoe evolisiona. Mino izany i Stephen Gould, izay nanoratra hoe: “Matoa isika misy, dia satria nisy karazana trondro nanana vombo hafakely, izay afaka niova ho tongotr’olombelona ... Tsy hahita fanazavana ‘mahafa-po’ kokoa noho izany isika na dia hitady aza.” Nanoratra koa i Richard Leakey sy Roger Lewin hoe: “Kisendrasendra fotsiny angamba no nampisy ny olombelona.” Miaiky ny hakanton’ny zavaboary sy ny firafitr’izy io ny mpahay siansa sasany, nefa tsy mety mino izy fa Andriamanitra no namorona izany.

6. Inona no mahatonga ny maro tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny maha Mpamorona azy?

6 Rehefa manizingizina ny olona avara-pianarana fa marina ny evolisiona, dia hoatran’ny te hilaza izy fa ny bado ihany no tsy mino izany. Inona no vokatr’izany eo amin’ny olona maro? Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanadinadina olona mino ny evolisiona ny lehilahy iray nanam-pahalalana be momba izany. Hoy izy: “Voamariko fa mino ny evolisiona ny ankamaroan’izy ireo, satria nolazaina taminy hoe mino izany ny mahira-tsaina.” Rehefa milaza ho tsy mino an’Andriamanitra tokoa ny olona nahita fianarana, dia lasa tsy manome voninahitra azy amin’ny maha Mpamorona azy ny hafa.—Ohabolana 14:15, 18.

7. Inona no ahariharin’ny zavaboary, araka ny Romanina 1:20, ary nahoana?

7 Afaka manaporofo ve ny mpahay siansa fa marina ny evolisiona? Tsy izany velively! Maro be kosa ny porofo fa misy ny Mpamorona. Hoy ny apostoly Paoly momba azy: “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao [ny olombelona], satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo [ny tsy mino].” (Romanina 1:20) Manaporofo ny fisian’ilay Mpamorona ny zava-bitany. Ny tian’i Paoly holazaina àry dia hoe efa hatramin’ny nisian’ny olombelona voalohany, ny olona no afaka ‘nahita’ porofon’ny fisian’Andriamanitra, rehefa nijery ny zavaboariny. Inona ireo porofo ireo?

8. a) Nahoana ny lanitra no manaporofo ny herin’Andriamanitra sy ny fahendreny? b) Inona no mampiseho fa tsy maintsy nisy namorona izao rehetra izao?

8 Manaporofo ny fisian’Andriamanitra ny lanitra feno kintana. “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra”, hoy ny Salamo 19:1. Mampiseho ny heriny sy ny fahendreny “ny lanitra”, anisan’izany ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Na ny isan’ny kintana fotsiny aza dia efa mahazendana antsika. Tsy mivezivezy fotsiny eny amin’ny habakabaka eny izy ireny, fa manaraka lalàna voafaritra tsara. * (Isaia 40:26) Azo ekena ve hoe kisendrasendra no nahatonga izany filaminana izany? Tsara homarihina fa mpahay siansa maro no milaza hoe tampotampoka no niandohan’izao rehetra izao. Hoy ny profesora iray mahakasika izany: “Mora kokoa ho an’ny olona tsy mino an’Andriamanitra, na misalasala ny amin’ny fisiany, ny manaiky fa efa nisy hatramin’izay izao rehetra izao. Raha nanam-piandohana mantsy izany, dia tsy maintsy ho nisy namorona. Iza moa no hino hoe tongatonga ho azy fotsiny izao rehetra izao?”

9. Ahoana no ahitantsika ny fahendren’i Jehovah, rehefa mijery ny biby isika?

9 Manaporofo ny fisian’Andriamanitra koa ny tany. Hoy ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Mampiseho ny fahendren’i Jehovah ny ‘zavatra nataony’, anisan’izany ny biby. Efa hitantsika teo fa faran’izay tsara ny firafitr’ireny zavamananaina ireny, ka matetika ny mpahay siansa no miezaka haka tahaka azy. Indro misy ohatra vitsivitsy: Eo am-pandinihana ny tandroky ny biby ny mpikaroka, mba hanamboarana fiarovan-doha matanjaka kokoa. Mandinika karazana lalitra matsilo sofina koa izy ireo, mba hanatsarana ny fitaovam-pandrenesana ho an’ny olona tsy mandre tsara. Ary mandinika ny volon’elatry ny vorondolo izy ireo, mba hanatsarana ny fiaramanidina tsy hita amin’ny radara. Na hiezaka toy inona aza anefa ny olona, dia tsy hitovy tanteraka amin’ireo zavaboary tonga lafatra mihitsy ny zava-bitany. Hoy ny boky iray: “Mahavita ny zava-drehetra tian’ny olombelona hatao ny zavamananaina, nefa tsy mandany solitany na angovo hafa, tsy mandoto ny tany, ary tsy manimba ny hoaviny.” Fahendrena tokoa re izany!

10. Nahoana no tsy mety ny mandà ny fisian’ny Mpamorona tena mahay? Hazavao amin’ny ohatra.

10 Na mitraka mijery ny lanitra ianao, na mandinika ny zavaboary eto an-tany, dia mahita porofo mazava fa misy ny Mpamorona. (Jeremia 10:12) Tokony hiombon-kevitra tanteraka amin’ireto tenin’ny zavaboary any an-danitra ireto àry isika: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.” (Apokalypsy 4:11) Mpahay siansa maro anefa no tsy mahita ireny porofo ireny amin’ny ‘mason’ny fony’, na dia mety hampitolagaga azy aza ny firafitry ny zavaboary hitan’ny masony. (Efesianina 1:18) Haka ohatra hanazavana izany isika: Eritrereto hoe mandinika sary hoso-doko tena kanto ianao. Hihevitra ve ianao fa tsy nisy nanao io sangan’asa io? Tsy mitombina izany. Toy izany koa fa tsy hety raha mitolagaga manoloana ny hatsaran’ny zavaboary sy ny firafitr’izy io isika, nefa mandà ny fisian’ny Mpamorona tena mahay nanao izany. Tsy mahagaga àry raha lazaina fa “tsy afa-tsiny” izay tsy mety mino an’Andriamanitra!

Mamitaka olona maro ny “mpitarika jamba”

11, 12. Inona no mahatonga ny olona hino ny lahatra, ary nahoana izany no tsy manome voninahitra an’Andriamanitra?

11 Mino amim-pahatsorana ny mpivavaka maro fa manome voninahitra an’Andriamanitra ny fivavahany. (Romanina 10:2, 3) Kanefa misakana olona maro be tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra koa ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Nahoana isika no milaza izany? Misy antony roa lehibe hodinihintsika.

12 Voalohany, misakana ny olona tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fivavahana, rehefa mampianatra zavatra diso. Anisan’izany ny lahatra. Mino azy io ny olona satria mihevitra fa tsy maintsy fantatr’Andriamanitra mialoha izay hiafaran’ny zava-drehetra, noho izy mahalala ny hoavy. Midika izany fa efa voalahatr’Andriamanitra hatry ny ela ny hoavin’ny olona tsirairay, na ho tsara, na ho ratsy. Raha izany no izy, dia tsy maintsy ho izy no mahatonga ny fijaliana sy ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra mihitsy anefa izany, satria raha ny marina dia i Satana, ilay Fahavalony lehibe indrindra, no mahatonga ny faharatsiana. Antsoin’ny Baiboly hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy.—Jaona 14:30; 1 Jaona 5:19.

13. Nahoana no hadalana ny mihevitra fa mitady hahafantatra ny hoavy foana Andriamanitra? Hazavao amin’ny ohatra.

13 Manoso-potaka an’Andriamanitra ny fampianarana ny lahatra, izay tsy hita ao amin’ny Soratra Masina. Mampifangaro izay zavatra hain’Andriamanitra hatao sy izay tena ataony mantsy io fampianarana io. Hita ao amin’ny Baiboly tokoa fa mahay mamantatra ny hoavy Andriamanitra. (Isaia 46:9, 10) Kanefa tsy mitombina ny fiheverana hoe mitady hahafantatra ny hoavy foana izy, na tompon’andraikitra amin’izay rehetra mitranga. Eritrereto, ohatra, izao: Hibata ny enta-mavesatra rehetra hitanao ve ianao, raha matanjaka be? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa Andriamanitra. Na dia mahay mamantatra ny hoavy aza izy, dia tsy mitady hahafantatra izany foana, na handahatra ny zava-drehetra. Mifidy izay zavatra tiany hofantarina mialoha izy. * Mazava àry fa tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fampianaran-diso, anisan’izany ny lahatra.

14. Hazavao fa manala baraka an’Andriamanitra ny fivavahana lehibe.

14 Ny fitondran-tenan’ny mpivavaka ao amin’ny fivavahana lehibe, no antony faharoa ilazana fa manala baraka an’Andriamanitra izy ireo. Antenaina hanaraka ny fampianaran’i Jesosy ny Kristianina. Nampianatra ny mpanara-dia azy mba ‘hifankatia’ sy ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao’, ohatra, izy. (Jaona 15:12; 17:14-16) Ahoana ny amin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana? Tena manaraka ireo fampianarana ireo ve izy?

15. a) Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana rehefa nisy ady? b) Inona no vokatry ny fitondran-tenan’ny mpitondra fivavahana teo amin’ny olona maro?

15 Eritrereto ny nataon’ny mpitondra fivavahana rehefa nisy ady. Nanohana sy nanala tsiny ireny ady ireny izy ireo, ary nitari-tafika mihitsy aza tamin’ny ady maro. Nitsodrano ny miaramila izy ireo, ary nanamarina ny vonoan’olona. Lasa manontany tena àry isika hoe: ‘Tsy tonga tao an-tsain’izy ireo mihitsy ve fa manao toy izany koa ny mpitondra fivavahana amin’ilay andaniny fahavalo?’ (Jereo ilay efajoro hoe “Momba An’iza Andriamanitra?”) Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, rehefa mihambo fa manohana azy amin’ny ady feno ra mandriaka Andriamanitra. Tsy manome voninahitra azy koa izy ireo, rehefa milaza fa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly, ary manakimpy ny masony manoloana ny fitondran-tena maloto. Tena mampahatsiahy antsika an’ireo mpitondra fivavahana nantsoin’i Jesosy hoe “mpandika lalàna” sy “mpitarika jamba” izy ireo! (Matio 7:15-23; 15:14) Nihanangatsiaka àry ny fitiavan’ny maro an’Andriamanitra, noho ny fitondran-tenan’ny mpitondra fivavahana.—Matio 24:12.

Iza no tena manome voninahitra an’Andriamanitra?

16. Nahoana isika no tsy maintsy mijery ny Baiboly, mba hahafantarana hoe iza no tena manome voninahitra an’Andriamanitra?

16 Iza àry no tena manome voninahitra an’Andriamanitra, raha tsy manao izany ny ankamaroan’ny olona ambony sy to teny? Tsy maintsy mijery ny Baiboly isika, mba hamaliana izany. Andriamanitra rahateo no manana ny zo hamaritra ny fomba hanomezam-boninahitra azy, ary nataony ao amin’ny Teniny izany. (Isaia 42:8) Hodinihintsika izao ny fomba telo hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy hoe iza no tena manao izany ankehitriny.

17. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa lafiny lehibe amin’ny sitrapony ny fanomezam-boninahitra ny anarany, ary iza ankehitriny no midera ny anarany eran-tany?

17 Voalohany, manome voninahitra an’Andriamanitra isika rehefa midera ny anarany. Lafiny lehibe amin’ny sitrapony izany, araka ny nolazain’i Jehovah tamin’i Jesosy. Nivavaka toy izao i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Avy eo, dia nisy feo namaly hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.” (Jaona 12:28) Tsy isalasalana fa i Jehovah ilay niteny taminy, ary hitantsika avy amin’ny valin-teniny fa zava-dehibe aminy ny hanomezam-boninahitra ny anarany. Koa iza àry ankehitriny no manome voninahitra an’i Jehovah, izany hoe mampahafantatra ny anarany sy midera azy io eran-tany? Tsy iza fa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao izany any amin’ny tany 235 izy ireo!—Salamo 86:11, 12.

18. Ahoana no hamantarantsika an’ireo mivavaka amin’Andriamanitra araka ny “fahamarinana”, ary iza no mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly nandritra ny 100 taona mahery?

18 Faharoa, manome voninahitra an’Andriamanitra isika, rehefa mampianatra ny marina momba azy. Nilaza i Jesosy fa ‘hivavaka [amin’Andriamanitra] araka ny fahamarinana’ ny tena mpivavaka. (Jaona 4:24) Ahoana no hamantarantsika an’ireo mivavaka amin’Andriamanitra araka ny “fahamarinana”? Tsy maintsy mandà ny fampianarana tsy mifototra amin’ny Baiboly izy ireo, ary koa ny lainga momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsy maintsy mampianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireo, anisan’izany ireto: I Jehovah no Avo Indrindra, ary izy irery ihany no manana izany toeram-boninahitra izany. (Salamo 83:18) Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary Mesia notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka. (1 Korintianina 15:27, 28) Hanamasina ny anaran’Andriamanitra ny Fanjakany, sady hanatanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. (Matio 6:9, 10) Tsy maintsy torina manerana ny tany ny vaovao tsara momba io Fanjakana io. (Matio 24:14) Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nampianatra tsy tapaka an’ireo fahamarinana sarobidy ireo, nandritra ny 100 taona mahery!

19, 20. a) Nahoana no mety hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fitondran-tenan’ny Kristianina iray? b) Inona avy no fanontaniana afaka manampy antsika hamantatra an’ireo manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fitondran-tena tsarany?

19 Fahatelo, manome voninahitra an’Andriamanitra isika, rehefa mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fitsipiny. Hoy ny apostoly Petera: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Eny, hanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo na amin’izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy aza, satria mahita ny asa tsara ataonareo.” (1 Petera 2:12) Hita taratra amin’ny fitondran-tenan’ny Kristianina ny finoany. Rehefa hitan’ny olona fa mahatonga ny Kristianina hanana fitondran-tena tsara ny finoany, dia manome voninahitra an’Andriamanitra izany.

20 Iza àry ankehitriny no tsara fitondran-tena, ka manome voninahitra an’Andriamanitra? Iza no fivavahana derain’ny fitondram-panjakana maro, satria tia fihavanana, mpanara-dalàna sy mandoa hetra? (Romanina 13:1, 3, 6, 7) Iza no fivavahana fantatra eran-tany hoe ahitana mpiray finoana miray saina, na dia avy amin’ny firazanana sy firenena ary foko samy hafa aza? (Salamo 133:1; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Iza no fivavahana malaza eran-tany noho ny fampianarany Baiboly, izay mampirisika ny hafa hanaja lalàna sy hanatsara ny fiainam-pianakaviana ary hanaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly? Fivavahana iray ihany no manao ireo rehetra ireo sy mitondra tena tsara amin’ny lafiny hafa, dia ny Vavolombelon’i Jehovah!

Manome voninahitra an’Andriamanitra ve ianao?

21. Nahoana isika tsirairay no tokony handini-tena raha manome voninahitra an’i Jehovah na tsia?

21 Mila manontany tena isika tsirairay hoe: ‘Manome voninahitra an’Andriamanitra ve aho?’ Voalaza ao amin’ny Salamo faha-148 fa manome voninahitra azy ny ankamaroan’ny zavaboary. Midera an’i Jehovah daholo na ny anjely, na ny lanitra, na ny tany, na ny biby. (Andininy 1-10) Mampalahelo fa tsy manao izany ny ankamaroan’ny olona! Midera an’i Jehovah miaraka amin’ny zavaboary hafa ianao, rehefa manana fomba fiaina manome voninahitra azy. (Andininy 11-13) Tsy misy fomba fiaina tsara noho izany.

22. Inona avy no fitahiana azonao rehefa manome voninahitra an’i Jehovah, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona ianao?

22 Mahazo fitahiana maro ianao, rehefa manome voninahitra an’i Jehovah. Manjary mihavana amin’ilay Rainao any an-danitra indray ianao satria mino ny sorom-panavotan’i Kristy, ary mitondra soa ho anao izany. (Romanina 5:10) Rehefa mieritreritra ireo antony hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ianao, dia lasa be fanantenana sy velom-pankasitrahana kokoa. (Jeremia 31:12) Noho izany, dia afaka manampy ny hafa mba ho sambatra sy hanana fiainana mahafa-po koa ianao, ka ho sambatra kokoa. (Asan’ny Apostoly 20:35) Enga anie àry ianao ka ho anisan’ireo tapa-kevitra ny hanome voninahitra an’Andriamanitra dieny izao sy mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Misy tsipiriany bebe kokoa momba ny lanitra, izay manome taratry ny fahendren’Andriamanitra sy ny heriny, ao amin’ny toko 5 sy 17 amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 13 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1998, pejy 5-8, na ny pejy 55-56 amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no azo lazaina fa tsy manampy ny olona hanome voninahitra an’Andriamanitra ny mpahay siansa amin’ny ankapobeny?

• Milazà fomba roa ahitana fa misakana ny olona tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra ireo fivavahana lehibe.

• Ahoana avy no fomba azontsika anomezam-boninahitra an’Andriamanitra?

• Nahoana isika tsirairay no tokony handini-tena raha manome voninahitra an’i Jehovah na tsia?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 12]

“Momba An’iza Andriamanitra?”

Nitantara toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray, miaramila taloha tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka Alemà tamin’ny Ady Lehibe II:

‘Ny tena nanahiran-tsaina ahy nandritra ireny ady ireny, dia ny nahita mpitondra fivavahana nitsodrano ny fiaramanidina sy ny miaramila talohan’ny handatsahan’izy ireo baomba. Saika avy amin’ny fivavahana rehetra mantsy ireo mpitondra fivavahana ireo, tao ny Katolika, ny Loteranina, ny Episkopaly, sy ny hafa. Lasa saina aho matetika hoe: “Momba an’iza Andriamanitra?” ’

‘Teo amin’ny hidin’ny fehikibon’ny miaramila alemà, dia nisy soratra hoe Gott mit uns (momba antsika Andriamanitra). Nieritreritra anefa aho hoe: “Nahoana moa Andriamanitra no tsy homba ny miaramilan’ilay andaniny hafa, nefa mitovy ihany ny fivavahany sy ny Andriamaniny?” ’

[Sary, pejy 10]

Tena manome voninahitra an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany