Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lova Tena Azonao Antenaina

Lova Tena Azonao Antenaina

Lova Tena Azonao Antenaina

“RAHA maharay taratasy ianao milaza fa misy lova mbola tsy nalaina miandry anao, dia mitandrema. Mety ho mpisoloky mantsy ilay olona.”

Io no fampitandremana nalefan’ny paositra any Etazonia ho an’ny olona maro. Nahoana? Satria an’arivony no nahazo taratasy nilaza hoe: ‘Misy havanao maty, ary namela lova ho anao izy.’ Maro àry no nandefa vola 30 dolara (350 000 FMG eo ho eo) na maherin’izany, satria izay no notakina mba hahafantarana ny toerana nisy ilay lova sy ny fomba hahazoana azy. Kobaka am-bava fotsiny anefa ilay izy, ka nampalahelo fa diso fanantenana izy ireo. Nitovy daholo mantsy ny valiny azony, ary tsy nisy lova azony akory.

Efa voajanahary ao amintsika ny faniriana hahazo lova, ary fanararaotana an’izany ny tetika toy ireny. Na izany aza, dia milaza ny Baiboly fa ny olona tsara no manome lova. Izao no voalaza ao: “Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny.” (Ohabolana 13:22) Niteny toy izao mihitsy aza i Jesosy Kristy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5.

Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, ireo teny be mpahalala sy tian’ny maro ireo. Taonjato maro talohan’izay mantsy, dia nahazo herin’ny fanahy masina izy, ka nanoratra hoe: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:11.

Mahafaly tokoa izany hoe “handova ny tany” izany! Kanefa azo antoka ve fa tsy hafetsifetsena natao hanararaotana olona indray izany? Afaka matoky tokoa isika fa tsy fitaka izany. Anisan’ny zavatra mahatalanjona noforonin’i Jehovah ny tany. Izy no Tompony, ka manana zo hanome azy io ho lovan’izay fidiny izy. Tamin’ny alalan’i Davida Mpanjaka, dia nampanantena an’i Jesosy Kristy, Zanany malala, i Jehovah hoe: “Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao.” (Salamo 2:8) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanambara fa i Jesosy no “notendren[’Andriamanitra] ho mpandova ny zava-drehetra.” (Hebreo 1:2) Koa afaka matoky tanteraka isika fa tsy namitaka i Jesosy, rehefa nilaza fa “handova ny tany” ny malemy fanahy. Manana ny fahefana hanatanterahana io fampanantenany io koa izy.—Matio 28:18.

Izao àry no fanontaniana lehibe mipetraka: Ahoana no hahatanterahan’izany? Na aiza na aiza mantsy, dia toa ny mpihetraketraka sy ny mpiavonavona no mahazo vahana sy maka izay tiany. Inona àry sisa no holovain’ny mpandefitra? Misy olana lehibe maro koa eto an-tany. Anisan’izany ny fandotoana ny tontolo iainana. Mandanilany foana ny harena misy eto an-tany ny olona matimatin-karena sy tsy mitsinjo ny hoavy. Mbola ho tany mahafinaritra ihany àry ve no holovantsika, raha izany no izy? Manasa anao hamaky ny lahatsoratra manaraka izahay, mba hahitanao ny valin’io fanontaniana io sy ny fanontaniana lehibe hafa.

[Sary, pejy 3]

Hahazo ny tena lova ve ianao?