Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Ahoana ny Fihetsikao eo Am-piandrasana An’i Jehovah?

Manao Ahoana ny Fihetsikao eo Am-piandrasana An’i Jehovah?

Manao Ahoana ny Fihetsikao eo Am-piandrasana An’i Jehovah?

LASA tsy manam-paharetana ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tsy tian’izy ireo ny miandry olona na zavatra. Mampirisika ny vahoakan’Andriamanitra anefa ny Soratra Masina mba hahay “hiandry.” Tsy toy ireo olona nanodidina azy i Mika mpaminany, fa nilaza hoe: “Hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.”—Mika 7:7; Fitomaniana 3:26.

Inona anefa no dikan’ny hoe miandry an’i Jehovah? Ahoana no tokony ho fihetsiky ny Kristianina eo am-piandrasana azy? Misy fihetsika mety sy tsy mety ve amin’izany? Ahitana lesona momba izany ny tantaran’i Jona mpaminany, izay velona tamin’ny taonjato fahasivy Talohan’i Kristy.

Fihetsika tsy nety teo am-piandrasana

Nirahin’i Jehovah i Jona mba hitory tamin’ny mponin’i Ninive, renivohitry ny Fanjakana Asyrianina. Nalaza ho “tanàna mpandatsa-dra” i Ninive. Tia nampijaly olona ny mponina tany, sady tsy natahotra mihitsy nanao izany. Voaporofon’ny mpahay tantara sy ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany fa marina izany. (Nahoma 3:1) Nanandrana nandositra an’io fanendrena io i Jona tamin’ny voalohany. Nataon’i Jehovah anefa izay handehanany tany Ninive.—Jona 1:3–3:2.

“Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna làlana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” (Jona 3:4) Nisy vokany nahagaga ny ezaka nataon’i Jona. “Nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.” (Jona 3:5) Tsy noravan’i Jehovah àry ilay tanàna, satria “tsy iriny hisy ho ringana” ny olona, “fa mba ho tonga amin’ny fibebahana” daholo.—2 Petera 3:9.

Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona? Hoy ihany ilay fitantarana: “Fa tsy sitrak’i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.” (Jona 4:1) Nahoana? Nieritreritra angamba izy fa hihevitra azy ho mpaminany sandoka ny olona, satria tsy tanteraka tamin’ilay andro nolazainy ilay fandravana. Hita, araka izany, fa ny lazany no zava-dehibe kokoa taminy, fa tsy ny fangorahana sy ny famonjena ny olon-kafa.

Marina fa mbola nijanona ho mpaminany ihany i Jona. Tezitra anefa izy, rehefa hitany fa tsy araka ny nantenainy ny zavatra nitranga. Nanao trano rantsankazo izy, ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony, ary niandry fotsiny ‘izay hiafaran’ilay tanàna.’ Tsy tian’i Jehovah anefa ny fihetsiny. Nahitsiny tamim-pitiavana àry io mpaminany nania io.—Jona 4:5, 9-11.

Nahoana i Jehovah no manam-paharetana?

Nibebaka i Ninive, ka tsy noravana. Niverina tamin’ny fanao ratsiny indray anefa io tanàna io tatỳ aoriana. Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Nahoma sy Zefania mpaminany i Jehovah, fa handrava io “tanàna mpandatsa-dra” io. Nambarany fa horinganiny i Asyria ary hataony lao i Ninive. (Nahoma 3:1; Zefania 2:13) Noravana i Ninive tamin’ny taona 632 T.K., ary tsy nisy intsony tatỳ aoriana.

Meloka noho ny fandatsahan-dra tsy amin’antony koa ny olona ankehitriny. Mbola mihoatra lavitra noho ny tany Ninive fahiny aza ny ra alatsak’izy ireo. Noho izany sy noho ny antony hafa koa, dia namoaka didy i Jehovah fa horavana ity tontolo ratsy ity amin’ilay “fahoriana lehibe” mbola tsy nisy toa azy.—Matio 24:21, 22.

Mbola tsy notanterahin’i Jehovah anefa izany, mba hahafahan’ny olona tso-po hibebaka, toy ireo olona tany Ninive, ka tsy ho ringana. Hoy ny apostoly Petera momba ny faharetan’Andriamanitra: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy iriny hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”—2 Petera 3:9, 10, 13.

Fihetsika mety eo am-piandrasana

Hoy ihany i Petera: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah?” (2 Petera 3:11, 12) Mariho fa tokony hanao zavatra isika fa tsy hipetrapetraka, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah. Tokony hanana ‘fitondran-tena masina sy haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’ isika.

Ny olona manana fihetsika mety, dia mino tanteraka fa tena ho tonga amin’ny fotoanany ny andron’i Jehovah. Manosika an’ilay olona hanao asa masina sy asa mampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra izany finoana izany. Ny lehibe indrindra amin’ireny asa ireny, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Namela ohatra tsara i Jesosy teo amin’ny fitoriana. Nanome toromarika ny mpianany voahosotra koa izy hoe: “Aoka hisikina ny andilanareo, ary hirehitra ny jironareo, ary aoka ianareo ho tahaka ny mpanompo miandry ny fiverenan’ny tompony avy amin’ny fampakaram-bady. Amin’izay, rehefa tonga ny tompony ka mandondona, dia hanokatra varavarana ho an’ny tompony avy hatrany ireo. Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony fa miambina rehefa tonga izy!”—Lioka 12:35-37.

Fanaon’ny andevo tamin’ny taonjato voalohany ny nanisy ‘sikina ny andilany.’ Nasitriny tao ambany fehikibony ny moron-tongotr’akanjony tamin’izany, mba hanamora ny fanaovany asa mafy. Tokony havitrika sy hazoto amin’ny asa tsara koa ny Kristianina. Mila mitandrina tsara àry izy mba tsy handany ny heriny hikatsahana zavatra hafa, toy ny fahafinaretana na ny harena, ka hanjary ‘halaina’ amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tokony “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” kosa izy eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatahotra.—Romanina 12:11; 1 Korintianina 15:58.

Manao zavatra eo am-piandrasana

Manao zavatra foana ny Vavolombelon’i Jehovah eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah. Nahavita nitory ny tenin’i Jehovah nandritra ny 3 383 000 ora teo ho eo isan’andro, ohatra, izy ireo tamin’ny taom-panompoana 2003. Mila mitory tsy an-kijanona mandritra ny 386 taona ny Vavolombelona iray raha te hahatratra ireo ora ireo!

Tokony hanontany tena anefa isika tsirairay hoe: ‘Manao ahoana ny fihetsiko eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah?’ Nilaza fanoharana i Jesosy, mba hampisehoana fa mila mazoto miasa ny Kristianina voahosotra mahatoky. Niresaka ny amin’ny mpanompo telo izy. Hoy izy: “Ny iray nomeny [ny tompon’izy telo] talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy, dia lasa nankany an-tany hafa izy. Avy hatrany dia nandeha nampiasa ireo talenta dimy ilay nahazo izany, ka nahazo tombony dimy. Torak’izany koa fa nahazo tombony roa ilay nahazo talenta roa. Fa lasa nihady tany kosa ilay nahazo talenta iray monja ka nanafina ilay farantsa volafotsin’ny tompony. Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka azy ireo momba ny kaontim-bolany.”—Matio 25:15-19.

Samy niandry ny fiverenan’ny tompony ireo mpanompo telo ireo. Hoy ilay tompo tamin’ireo mpanompo roa nanao zavatra teo am-piandrasana azy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky!” Tsy nahazo teny fiderana kosa anefa ilay mpanompo tsy niasa fa niandry fotsiny. Hoy ilay tompo: “Roahy any amin’ny haizina any ivelany io mpanompo tsy misy ilana azy io.”—Matio 25:20-30.

Marina fa mihatra amin’ny Kristianina voahosotra io fanoharana io. Misy lesona ho antsika rehetra anefa avy amin’izy io, na manantena ny ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Manantena ilay Tompo, dia i Jesosy Kristy, fa hazoto amin’ny fanompoana isika tsirairay, eo am-piandrasana ny fahatongavany amin’ny andro lehiben’i Jehovah. Ankasitrahany daholo ny ezaka ataon’ny tsirairay “araka ny fahaizany avy” sy ny toe-javatra iainany. Ho faly tokoa isika, raha milaza amintsika koa ilay Tompo hoe: “Tsara izany”, rehefa tapitra ny fotoana iandrasantsika!

Midika ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika

Ahoana raha mbola tsy rava ity tontolo ity, fa maharitra kokoa tsy araka ny noeritreretintsika na nantenaintsika? Misy antony mahatonga izany. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera: “Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.” (2 Petera 3:15) Ho vitantsika ny haharitra mandra-pahatongan’ny fotoana hitan’i Jehovah fa mety handravana ity tontolo ity, raha mahalala tsara ny fikasany isika, ary manaiky fa ny fahatanterahan’izany no zava-dehibe kokoa noho ny tenantsika.

Nanome fanoharana i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, mba hampirisihana ny Kristianina haharitra. Hoy izy: “Jereo ange ny mpamboly e! Maharitra miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany izy, mandra-pahatongan’ny orana, dia ny orana aloha sy ny orana aoriana. Mahareta koa ianareo, ary hatanjaho ny fonareo, satria efa manakaiky ny fanatrehan’ny Tompo.”—Jakoba 5:7, 8.

Tsy tian’i Jehovah Andriamanitra ho reraka na hitsahatra tsy hanompo azy isika eo am-piandrasana ny androny. Nanome asa antsika izy, ka faly izy raha mazoto manao azy io isika mandritra ny fotoana iandrasantsika. Tiany ho toy ireo olona noresahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo isika. Hoy izy: “Irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana. Amin’izay dia tsy ho kamo ianareo, fa hanahaka kosa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.”—Hebreo 6:11, 12.

Aoka àry isika tsy ho reraka. Aoka kosa hanatanjaka antsika ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, sy ny finoantsika ny soron’i Jesosy, ary ilay hoavy mamirapiratra ao amin’ny tontolo vaovao. Mba hahazoantsika teny fiderana sy valisoa toy ilay mpanompo “tsara sady mahatoky” tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, dia aoka isika hiasa mafy hatrany amin’ny fiderana an’ilay Andriamanitsika, toy ny nataon’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fiderako Anao.”—Salamo 71:14.

[Sary, pejy 21]

Diso fanantenana i Jona, ka niandry fotsiny izay hitranga tamin’i Ninive

[Sary, pejy 22,23]

Aoka isika haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra eo am-piandrasana ny androny