Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mifanehoa Firaiketam-po Lalina’

‘Mifanehoa Firaiketam-po Lalina’

‘Mifanehoa Firaiketam-po Lalina’

“Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.”—ROMANINA 12:10.

1, 2. Nanao ahoana ny fifandraisan’ny misionera iray sy ny apostoly Paoly tamin’ny rahalahiny?

MISIONERA tany Extrême-Orient i Don nandritra ny 43 taona. Fantatra tsara ny fitiavany ny olona nampiany. Nanao dia an’arivony kilaometatra àry ny sasany tamin’ireo nampianariny Baiboly mba hamangy azy, rehefa narary mafy efa ho faty izy. Tonga izy ireo mba hilaza taminy hoe: “Kamsahamnida, kamsahamnida!”, izany hoe “Misaotra, misaotra!” amin’ny teny koreanina. Nanohina ny fon’izy ireo tokoa ny firaiketam-po lalina nasehon’i Don taminy.

2 Tsy maningana ny toe-javatra toy izany. Niraiki-po lalina tamin’ny olona nampiany koa ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany. Nahafoy tena ho azy ireo izy. Hentitra izy raha ny amin’ny zavatra ninoany, nefa nalemy fanahy sy be fiahiana koa, “tahaka ny reny mampinono izay manolokolo amim-pitiavana ny zanany naterany.” Izao no nosoratany ho an’ny fiangonan’i Tesalonika: “Satria tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.” (1 Tesalonianina 2:7, 8) Rehefa nilaza tamin’ireo rahalahiny tany Efesosy izy tatỳ aoriana, fa tsy hahita azy intsony izy ireo, dia ‘nitomany mafy izy rehetra, ary namihina ny vozon’i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana.’ (Asan’ny Apostoly 20:25, 37) Mazava àry fa tsy ny finoana ihany no nampifandray an’i Paoly sy ny rahalahiny, fa nisy firaiketam-po lalina koa teo amin’izy ireo.

Firaiketam-po lalina sy fitiavana

3. Inona no ifandraisan’ny firaiketam-po sy ny fitiavana ao amin’ny Baiboly?

3 Asehon’ny Baiboly fa ny firaiketam-po lalina, sy ny fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ary ny fangorahana, dia mifandray akaiky amin’ny fitiavana, ilay toetra kristianina tsara indrindra. (1 Tesalonianina 2:8; 2 Petera 1:7) Mifameno sy mifandanja ireo toetra tsara rehetra ireo, toy ny lafiny samihafa amin’ny diamondra tsara tarehy. Mampifandray kokoa ny Kristianina amin’izy samy izy sy amin’ilay Rainy any an-danitra ireo toetra ireo. Nampirisika ny mpiray finoana taminy àry ny apostoly Paoly hoe: “Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo. ... Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.”—Romanina 12:9, 10.

4. Inona no dikan’ilay teny hoe “firaiketam-po lalina”?

4 Avy amin’ny teny roa nakambana ilay teny grika nampiasain’i Paoly ilazana ny hoe “firaiketam-po lalina.” Ny iray midika hoe fisakaizana, ary ny iray hafa firaiketam-po voajanahary. Midika izany fa ny Kristianina dia ‘tokony hifankatia lalina toy ny mpianakavy, izay mifandray akaiky sy mifanampy’, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Izany koa ve no fiheveranao ireo rahalahy sy anabavinao kristianina? Tokony hifankatia toy ny mpianakavy ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana. (Galatianina 6:10) Noho izany, dia izao no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta ny Romanina 12:10: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy.” Ary hoy ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara: “Mifankatiava toy ny mpiray tam-po.” Tsy ny fahatsapana adidy fotsiny àry no mahatonga ny Kristianina hifankatia, na ny fiheverana fa mety ny hanaovana izany. Tokony ‘hifankatia fatratra amin’ny fo’ kosa isika, sy haneho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.”—1 Petera 1:22.

“Ampianarin’Andriamanitra hifankatia”

5, 6. a) Ahoana no ampianaran’i Jehovah ny vahoakany hifaneho firaiketam-po, rehefa misy fivoriambe iraisam-pirenena? b) Nahoana no mihamafy ny fatoram-pitiavana eo amin’ireo rahalahy, rehefa mifandray elaela izy ireo?

5 Mampianatra ny vahoakany “hifankatia” i Jehovah, na dia mihamangatsiaka aza “ny fitiavan’ny maro” eto amin’ity tontolo ity. (Matio 24:12; 1 Tesalonianina 4:9) Rehefa misy fivoriambe iraisam-pirenena ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena ahitana izany fampiofanana izany. Mihaona amin’ny rahalahy avy lavitra ny Vavolombelona eo an-toerana amin’ireny fivoriambe ireny, ary maro aminy no mampiantrano ireo solontena avy any an-tany hafa. Tamin’ny fivoriambe iray natao vao haingana, ohatra, dia nisy solontena avy tamin’ny firenena tsy zatra nampiseho loatra ny fihetseham-pony. Hoy ny Kristianina iray mpikarakara ny filasiana: “Tsy nahazo aina sy saro-kenatra be ireo solontena ireo, tamin’izy ireo vao tonga. Enina andro monja taorian’izay anefa, dia nifamihina sy nitomany izy ireo sy ny mpampiantrano azy, rehefa nifanao veloma. Nahafinaritra be azy ireo ny fitiavana kristianina naseho taminy, ka tsy hohadinoiny na oviana na oviana.” Hiharihary àry ny toetra tsara indrindra ananantsika sy ny an’ny rahalahy mivahiny ao amintsika, rehefa mandray tsara azy ireo isika, na inona na inona fiaviany.—Romanina 12:13.

6 Mahafaly tokoa ny fotoan’ny fivoriambe toy ireny, nefa vao mainka mifandray akaiky ny Kristianina rehefa miara-manompo an’i Jehovah elaela. Ankasitrahantsika kokoa ny toetra mahatehotia ananan’ny rahalahintsika, rehefa fantatsika tsara izy ireny. Ho hitantsika fa manao ny marina izy ireny, azo itokisana, tsy mivadika, tsara fanahy, malala-tanana, be fiahiana, mangoraka, ary tia namana. (Salamo 15:3-5; Ohabolana 19:22) Hoy i Mark, misionera tatsy Afrika Atsinanana: “Lasa misy fatoram-pitiavana tsy mety tapaka eo amintsika sy ny rahalahintsika, rehefa miara-miasa aminy isika.”

7. Inona no takina amintsika mba hisian’ny firaiketam-po eo anivon’ny fiangonana?

7 Tsy maintsy mifandray akaiky ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana, mba hisy hatrany ny fatorana toy izany. Mihamafy izany fifandraisantsika izany, rehefa manatrika fivoriana tsy tapaka isika. Mifampahery sy mifandrisika “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara” isika, rehefa tonga mivory sy mandray anjara amin’izany, ary mifanerasera amin’ny hafa aloha sy aorian’ny fivoriana. (Hebreo 10:24, 25) Faly erỳ ny anti-panahy iray any Etazonia nitantara hoe: “Tadidiko fa ny fianakavianay foana no anisan’ny farany indrindra nandao ny Efitrano Fanjakana, tamin’izaho mbola kely. Nijanona naharitraritra izahay, mba hanao resaka mahafinaritra sy mampahery.”

Mila ‘mihamalalaka ve ny fonao’?

8. a) Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nampirisika ny Korintianina ‘hanalalaka ny fony’ izy? b) Inona no azontsika atao mba hisian’ny firaiketam-po kokoa eo anivon’ny fiangonana?

8 Mety hila ‘hanalalaka’ ny fontsika isika, mba hampisehoana tsara izany firaiketam-po izany. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonan’i Korinto: “Ny fonay mihamalalaka. Tsy tery ao am-ponay ianareo.” Nampirisika azy ireo àry izy mba ‘hanalalaka ny fony.’ (2 Korintianina 6:11-13) Afaka ‘manalalaka ny fonao’ koa ve ianao, ka haneho firaiketam-po kokoa? Afaka manao ny dingana voalohany ianao, fa tsy voatery miandry ny hafa hanao izany. Rehefa nilaza i Paoly fa ilaina ny maneho firaiketam-po lalina, dia nanoro hevitra koa izy hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10) Manome voninahitra ny hafa ianao, ohatra, rehefa manatona sy miarahaba azy ireny any am-pivoriana. Azonao atao koa ny manasa azy ireny hiara-manompo aminao, na hiara-manomana fivoriana aminao. Hihalalina ny firaiketam-pontsika raha manao izany isika.

9. Inona no nataon’ny Kristianina sasany mba ho mpinamana kokoa amin’ny Kristianina hafa? (Manomeza ohatra eo an-toerana.)

9 Afaka ‘manalalaka ny fony’ ny fianakaviana sy ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana, rehefa mifampitsidika, ka miara-mihinana sakafo tsotsotra, na rehefa miara-manao fialam-boly mahasoa. (Lioka 10:42; 14:12-14) Manasa olona vitsivitsy hitsangantsangana i Hakop indraindray. Hoy izy: “Miaraka eo daholo na antitra, na tanora, na ray na reny tokan-tena. Zavatra mahafinaritra no tsaroan’ny rehetra rehefa mody, sady mahatsapa ho mifandray am-po kokoa izahay.” Tokony hiezaka ny ho tena mpinamana isika Kristianina, fa tsy ho toy ny mpiray finoana fotsiny.—3 Jaona 14.

10. Inona no azontsika atao raha misy tsy fifanarahana eo amintsika sy ny Kristianina hafa?

10 Mety ho sarotra anefa indraindray ny haneho fisakaizana sy firaiketam-po, noho ny tsy fahalavorariana. Inona àry no azontsika atao? Azontsika atao aloha ny mivavaka mba hifandray tsara amin’ireo rahalahintsika. Tian’Andriamanitra hifankahazo tsara ny mpanompony, ka hamaly ny vavaka avy amin’ny fo toy izany izy. (1 Jaona 4:20, 21; 5:14, 15) Tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika avy eo. Mpiandraikitra mpitety faritany tatsy Afrika Atsinanana, ohatra, i Ric, ary tsaroany fa sarotra taminy ny nifandray tamin’ny rahalahy iray nasiatsiaka. Nanazava izy hoe: “Tsy nandosindositra azy aho, fa niezaka hahafantatra azy bebe kokoa. Hay hentitra be mihitsy ny rain’io rahalahy io. Nampiaiky ahy ny nahita fa efa niezaka be izy mba hanatsara ny toetrany, sy tsy hitovy amin’ny rainy. Lasa mpinamana tsara izahay.”—1 Petera 4:8.

Asehoy ny fihetseham-ponao!

11. a) Inona no ilaina mba hisian’ny firaiketam-po kokoa eo anivon’ny fiangonana? b) Nahoana no manimba ny tsy mampiseho fihetseham-po mihitsy?

11 Maro ankehitriny no tsy mba mifandray akaiky amin’olona mihitsy. Mampalahelo tokoa izany! Tsy tokony hisy an’izany eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy resaka feno fanajana na fahalalam-pomba fotsiny ny tena fitiavan-drahalahy. Tsy fampisehoana fihetseham-po tafahoatra koa anefa izy io. Tokony ho vonona hampiseho ny fihetseham-pontsika kosa isika, toy ny nataon’i Paoly tamin’ny Korintianina. Tokony hasehontsika amin’ny mpiray finoana amintsika, fa tena miahy izay hahasoa azy ireo isika. Tsy ny rehetra no mora mifandray amin’ny olona, na tia miresaka, nefa manimba ny mitokantokana loatra. Mampitandrina ny Baiboly fa “izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.”—Ohabolana 18:1.

12. Nahoana no ilaina ny resaka amim-pahatsorana, raha tiana hisy fifandraisana akaiky eo anivon’ny fiangonana?

12 Mila mifampiresaka amim-pahatsorana isika, mba ho tena mpinamana. (Jaona 15:15) Samy mila namana hamborahana ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika lalina indrindra daholo isika. Ho mora amintsika koa ny hanome izay ilain’ny hafa, rehefa mifankahalala kokoa aminy isika. Mampitombo ny firaiketam-po eo anivon’ny fiangonana isika, raha miahy izay hahasoa azy ireo. Ho tsapantsika ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35; Filipianina 2:1-4.

13. Inona no azontsika atao mba hampisehoana fa tena miraiki-po amin’ny rahalahintsika isika?

13 Mila maneho firaiketam-po isika, raha tiantsika hitondra soa faran’izay betsaka izany. (Ohabolana 27:5) Raha tena avy amin’ny fo izany, dia hisoritra eny amin’ny endritsika, ka mety hanohina ny fon’ny hafa. “Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo”, hoy ny olon-kendry iray. (Ohabolana 15:30) Mihalalina koa ny firaiketam-po rehefa manao zavatra isika, mba hanehoana fiheverana ny hafa. Marina fa tsy voavidim-bola ny tena firaiketam-po, nefa mety hisy lanjany be ny fanomezana vokatry ny fo. Ny fanoratana karta na taratasy kely, sy “ny teny atao amin’ny antony”, dia samy fomba anehoana firaiketam-po lalina. (Ohabolana 25:11; 27:9) Tsy maintsy manolokolo ny fisakaizantsika isika rehefa mahazo namana, ka hampiseho hatrany fitiavana tsy mitady valiny. Ary amin’ny fotoana ilan’ny namantsika fanampiana indrindra isika, no tokony hanohana azy ireo. Hoy ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17.

14. Inona no azontsika atao raha toy ny tsy te hifandray loatra amintsika ny olona sasany?

14 Marina aloha fa tsy afaka hifandray akaiky amin’ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana isika. Hisy olona ho akaiky kokoa antsika noho ny hafa. Raha tsy dia mifandray loatra aminao araka ny itiavanao azy àry ny olona sasany, dia aza maika hanatsoaka hevitra hoe misy tsy mety ao aminao na ao amin’ilay olona. Aza terena izy hinamana be aminao. Mety hifandray akaiky kokoa ihany ianareo any aoriana, raha sariaka aminy araka izay azo atao ianao.

“Ianao no sitrako”

15. Inona no vokatry ny fanaovana teny fiderana na ny tsy fanaovana izany, eo amin’ny hafa?

15 Azo antoka fa faly be i Jesosy tamin’ny batisany, rehefa nahare ireto tenim-pankasitrahana avy any an-danitra ireto: “Ianao no sitrako”! (Marka 1:11) Vao mainka niaiky izy tamin’izay, fa tia azy ny Rainy. (Jaona 5:20) Mampalahelo anefa fa misy tsy mba mahare teny fiderana toy izany mihitsy avy amin’ny olona hajainy sy tiany. “Maro ny tanora toa anay no tsy manana fianakaviana mitovy finoana aminy”, hoy i Ann. “Tsy mahare afa-tsy fanakianana izahay rehefa any an-trano. Tena mampalahelo anay izany.” Rehefa lasa anisan’ny fiangonana anefa izy ireo, dia mahatsapa fa misy fianakaviana tia sy manohana ary miahy azy, dia ireo mpiray finoana aminy, izay toy ny ray, reny, rahalahy ary anabavy.—Marka 10:29, 30; Galatianina 6:10.

16. Nahoana no tsy manampy ny hafa isika, raha be fanakianana?

16 Mahalana ny ray aman-dreny, sy ny olon-dehibe, ary ny mpampianatra vao milaza tenim-pankasitrahana avy amin’ny fo ho an’ny tanora, any amin’ny firenena sasany. Mihevitra izy ireo fa mety ho afa-po loatra amin’ny tenany na hiavonavona ny tanora, raha deraina toy izany. Mety hahitana izany toe-tsaina izany, na dia eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana kristianina aza. Mety hilaza toy izao ireo olon-dehibe, rehefa misy tanora manana anjara na manao ezaka tsara: “Tsara ihany ilay izy, fa mbola afaka manao tsaratsara kokoa ianao!” Na mety hisy fomba hafa hampisehoany fa mahasorena azy ny ataon’ny tanora iray. Maro no mieritreritra fa izany no fomba hampirisihana ny tanora hanao araka izay fara heriny. Mifanohitra amin’izany anefa no hita matetika, satria mety hihatakataka ny tanora, na hieritreritra fa tsy mahavita na inona na inona.

17. Nahoana isika no tokony hitady fomba hiderana ny hafa?

17 Tsy alohan’ny hanomezana torohevitra ihany anefa isika, vao tokony hanao teny fiderana. Mihalalina ny firaiketam-po eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana, rehefa atao amin’ny fo ny teny fiderana. Hanosika ny tanora izany hitady torohevitra any amin’ireo rahalahy sy anabavy efa za-draharaha. Aoka àry isika tsy hanaraka am-bokony fotsiny ny kolontsaintsika rehefa mifandray amin’ny olona. Aoka kosa isika “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.” Derao ny hafa, toy ny ataon’i Jehovah.—Efesianina 4:24.

18. a) Ahoana no tokony hiheveranareo tanora ny torohevitra omen’ny olon-dehibe? b) Nahoana ny olon-dehibe no mitandrina tsara alohan’ny hanomezana torohevitra?

18 Aza mieritreritra anefa ianareo ry tanora hoe tsy tia anareo ny olon-dehibe, matoa manitsy na manoro hevitra anareo. (Mpitoriteny 7:9) Mifanohitra amin’izany no izy! Manao izany izy ireo, satria tena tia sy miahy anareo. Raha tsy izany, nahoana moa izy no hisahirana hiresaka aminareo momba izany? Tokony hieritreritra tsara sy hivavaka mafy ny olon-dehibe, indrindra fa ny anti-panahy, alohan’ny hanomezana torohevitra, satria fantany fa hisy vokany eo amin’ny hafa ny teniny. Tsy mitady afa-tsy izay hahasoa ny olona mantsy izy ireo.—1 Petera 5:5.

‘Be fitiavana tokoa i Jehovah’

19. Nahoana no afaka mitady ny fanampian’i Jehovah ireo diso fanantenana?

19 Mety hisy hieritreritra fa ho diso fanantenana indray izy raha maneho firaiketam-po lalina, satria efa nitranga taminy izany. Mila herim-po sy finoana matanjaka izy ireo, mba hampisehoana indray ny fihetseham-pony amin’ny hafa. Tsy tokony hohadinoin’izy ireo mihitsy anefa fa “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. Manasa antsika hanatona azy izy. (Asan’ny Apostoly 17:27; Jakoba 4:8) Takany koa fa matahotra ny ho voaratra indray isika, ka mampanantena izy fa hanohana sy hanampy antsika. Manome toky antsika i Davida mpanao salamo hoe: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”—Salamo 34:18.

20, 21. a) Ahoana no ahalalantsika fa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah isika? b) Inona no takina mba hifandraisana akaiky amin’i Jehovah?

20 Tsy misy fifandraisana sarobidy kokoa noho ny fisakaizana amin’i Jehovah. Tena afaka ny ho tonga namany akaiky anefa ve isika? Eny. Milaza ny Baiboly fa nisy lehilahy sy vehivavy marina, izay nahatsiaro ho tena akaiky an’ilay Raintsika any an-danitra. Noraketina an-tsoratra ny fihetseham-po lalina tsapan’izy ireo, mba hanomezana toky antsika fa afaka manatona an’i Jehovah koa isika.—Salamo 23, 34, 139; Jaona 16:27; Romanina 15:4.

21 Afaka mameno ny fepetra takin’i Jehovah amin’izay te hifandray akaiky aminy ny rehetra. Nanontany i Davida hoe: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao?” “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony.” (Salamo 15:1, 2; 25:14) Ho tsapantsika fa ‘be fitiavana tokoa i Jehovah’, rehefa hitantsika fa mitondra soa ny fanompoana azy, sady ahazoana tari-dalana sy fiarovana.—Jakoba 5:11.

22. Karazam-pifandraisana manao ahoana no irin’i Jehovah hananan’ny vahoakany?

22 Faly tokoa isika, satria maniry hifandray akaiky amin’ny olombelona tsy lavorary i Jehovah! Tsy tokony hifaneho firaiketam-po lalina àry ve isika? Mampiavaka ny firahalahiana kristianina ny firaiketam-po lalina, ary afaka maneho sy mahatsapa izany isika tsirairay, noho ny fanampian’i Jehovah. Hahatsapa izany firaiketam-po lalina izany mandrakizay ny rehetra etỳ an-tany, eo ambany Fanjakan’Andriamanitra

Hainao Hazavaina Ve?

• Tokony hanao ahoana ny fifandraisan’ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana?

• Inona no azon’ny tsirairay atao mba hisian’ny firaiketam-po lalina eo anivon’ny fiangonana?

• Nahoana no mampisy firaiketam-po lalina ny teny fiderana avy amin’ny fo?

• Hazavao fa manampy sy manohana antsika ny fitiavana lehibe asehon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tsy fahatsapana adidy fotsiny no mahatonga ny Kristianina hifankatia

[Sary, pejy 16, 17]

Afaka ‘manalalaka ny fonao’ ve ianao, ka haneho firaiketam-po kokoa?

[Sary, pejy 18]

Be fanakianana ianao sa mampahery?