Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Fandaniana Andro Fotsiny

Tsy Fandaniana Andro Fotsiny

Tsy Fandaniana Andro Fotsiny

TIA milalao ny ankizy. Tsy hoe ‘tsy misy heviny na tsy misy dikany akory izany. Ny kilalaony no fomba hahafantarany tsikelikely ny zavatra manodidina azy’, araka ny voalazan’ilay boky hoe Ny Zaza Mitombo (anglisy). Mianatra mampiasa ny vavahadin-tsainy izy, mamantatra ny tontolo misy azy, ary mifandray amin’ny hafa, rehefa milalao.

Maka tahaka ny olon-dehibe ny ankizy amin’ny kilalao ataony, manomboka amin’ny fahefatra na fahadimy taonany eo ho eo. Niresaka momba ny ankizy milalao i Jesosy, indray mandeha. Ny sasany te hanao “mariazy mariazy”, ny hafa te hanao “fandevenana.” Mifamaly izy ireo, araka ny fanaon’ny ankizy, satria tsy te hanao ny sasany. (Matio 11:16, 17) Mety hanampy azy hahafantatra tsara ny zavatra fanao eo amin’ny fiainana ireny kilalao ireny.

Milalao mpampianatra sy mpianatra Baiboly, ny ankizy amin’ireto sary ireto. Tsy tena fampianarana Baiboly akory io ataony io. Takatr’izy ireo tsara anefa izany hoe mizara ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly izany. Zava-dehibe izany, satria nandidy ny mpanara-dia azy rehetra i Jesosy mba hanao mpianatra, sy hampianatra ny olona hitandrina izay rehetra nandidiany azy ireo.—Matio 28:19, 20.

Tena afaka mirehareha noho ny zanany, ny ray aman-dreny manan-janaka tia manao mpampianatra Baiboly, manao lahateny, na mitory isan-trano, rehefa milalao. Mazava ho azy fa izay hitan’ny ankizy ataon’ny olon-dehibe ihany no hataony. Hita avy amin’ny kilalao ara-baiboly ataon’izy ireo fa tezaina “amin’ny fanabeazana sy ny fifehezana araka ny Tompo izy.”—Efesianina 6:4, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Tian’i Jehovah hanaraka ny fivavahana marina ny ankizy. Nilaza tamin’i Mosesy izy fa tokony hasaina hihaino koa ny “ankizy madinika”, rehefa vakina ny lalàna. (Deoteronomia 31:12) Ataon’ny zanakao kilalao izany, raha tsapany fa mahakasika azy. Ary ny ankizy manao mpitory rehefa milalao, dia efa eo an-dalana ho tonga tena mpitory.