Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Hiaina ao Amin’ny Paradisa Tokoa ve Ianao?

Afaka Hiaina ao Amin’ny Paradisa Tokoa ve Ianao?

Afaka Hiaina ao Amin’ny Paradisa Tokoa ve Ianao?

“Mahafantatra olona iray tafaray amin’i Kristy aho. ... Nentina ho any amin’ny paradisa izy.”—2 KORINTIANINA 12:2-4.

1. Inona no fampanantenan’ny Baiboly manintona olona maro?

PARADISA. Tadidinao ve hoe inona no tsapanao, fony ianao nandre voalohany fa mampanantena paradisa an-tany Andriamanitra? Tsaroanao angamba ilay fotoana nahafantaranao fa ‘hampahiratina ny mason’ny jamba, hampahaladìna ny sofin’ny marenina’, ary ho feno zavamaniry ny tany efitra, ka ho kanto erỳ. Ary ahoana no fahitanao ilay faminaniana momba ny amboadia miaraka amin’ny zanak’ondry, sy ny zanak’osy miaraka amin’ny leoparda? Tsy faly be ve ianao, rehefa namaky fa ho velona indray ny havantsika efa maty, ka afaka hiaina ao amin’io Paradisa io foana?—Isaia 11:6; 35:5, 6; Jaona 5:28, 29.

2, 3. a) Inona avy no antony mahatonga anao hino fa hisy ny paradisa? b) Inona no antony hafa manamafy io fanantenantsika io?

2 Tsy minomino foana akory ianao. Misy antony matoa ianao mino ny fampanantenan’ny Baiboly an’io Paradisa io. Inoanao, ohatra, ireto tenin’i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy nofantsihana teo akaikiny ireto: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Atokisanao izao fampanantenana izao: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ Atokisanao koa ny fampanantenan’Andriamanitra fa hofafany ny ranomasontsika; tsy hisy intsony ny fahafatesana, ny alahelo, ny fitarainana, ary ny fanaintainana. Midika izany fa mbola hisy tokoa ny paradisa an-tany!—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:4.

3 Manantena an’io Paradisa io koa anefa isika, noho ny zavatra iray efa iainan’ny Kristianina eran-tany ankehitriny. Inona izany? Tsy inona fa ilay “paradisa ara-panahy” nataon’Andriamanitra sy nampidirany ny vahoakany. Tsy ara-bakiteny io paradisa io, ka mety ho sarotra azo ny heviny. Efa voalaza mialoha anefa fa hisy izy io, ary tena misy tokoa.

Fahitana paradisa

4. Inona ilay fahitana resahina ao amin’ny 2 Korintianina 12:2-4, ary iza no azo inoana fa nahita izany?

4 Mariho ny tenin’ny apostoly Paoly momba izany. Hoy izy: “Mahafantatra olona iray tafaray amin’i Kristy aho. ... Nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo io olona io ... Eny, fantatro izany olona izany, (tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala), fa nentina ho any amin’ny paradisa izy ka nandre teny tsy tokony holazaina izay tsy azon’olona tenenina.” (2 Korintianina 12:2-4) Vao avy nanaporofo ny maha apostoly azy i Paoly tao amin’ny andinin-teny talohan’io. Ny Baiboly koa tsy milaza fa nisy olon-kafa nentina tany amin’ny lanitra fahatelo, ary i Paoly irery ihany no niresaka momba izany. Noho izany, dia azo inoana fa i Paoly no nahazo ilay fahitana. Inona àry ilay “paradisa” nidirany tao amin’io fahitana io?—2 Korintianina 11:5, 23-31.

5. Tsy manondro inona ilay “lanitra fahatelo” hitan’i Paoly? Noho izany, ara-bakiteny ve ilay “paradisa”?

5 Tsy ny atmosfera manodidina ny tany, na ny faritra any ambony tsy taka-maso any, no atao hoe “lanitra fahatelo.” Matetika no ampiasaina mba hanamafisana na hanantitranterana hevitra ny isa telo, ao amin’ny Baiboly. (Mpitoriteny 4:12; Isaia 6:3; Matio 26:34, 75; Apokalypsy 4:8) Noho izany, dia zava-dehibe kokoa noho ny lanitra ara-bakiteny no hitan’i Paoly. Midika izany fa ara-panahy ny zavatra hitany.

6. Inona no fitantarana manampy antsika hahazo ny hevitry ny fahitan’i Paoly?

6 Manampy antsika hahazo ny hevitry ny fahitan’i Paoly ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nivadika tamin’Andriamanitra ny vahoakany fahiny, ka nanapa-kevitra izy fa havelany hanafika an’i Joda sy Jerosalema ny Babylonianina. Noravan’izy ireo mihitsy aza ny tanàna tamin’ny 607 Talohan’i Kristy (T.K), araka ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Voalazan’ny faminaniana fa ho lao mandritra ny 70 taona ilay tany. Havelan’Andriamanitra hody sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina anefa ny Jiosy mibebaka aorian’izay. Tanteraka nanomboka tamin’ny 537 T.K. izany. (Deoteronomia 28:15, 62-68; 2 Mpanjaka 21:10-15; 24:12-16; 25:1-4; Jeremia 29:10-14) Nanao ahoana kosa anefa ilay tany? Lasa ngazana sy fonenan’ny amboadia izy io, nandritra ireo 70 taona ireo. (Jeremia 4:26; 10:22) Na izany aza, dia izao no nampanantenaina: “Jehovah mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny efitra ao ho tahaka an’i Edena ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’i Jehovah [na Paradisan’i Jehovah, Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo].”—Isaia 51:3.

7. Inona no voalaza fa hitranga rehefa avy lao 70 taona ilay tany?

7 Izany no nitranga taorian’ireo 70 taona. Nihatsara ny toe-piainana noho ny fitahian’Andriamanitra. Alao sary an-tsaina ange izao e: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy ... Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.”—Isaia 35:1-7.

Tafaverina ny olona sady niova

8. Ahoana no ahafantarantsika fa ny olona no tena resahina ao amin’ny Isaia toko faha-35?

8 Fiovana lehibe tokoa izany! Tany lao lasa paradisa. Kanefa nasehon’io faminaniana io sy ny faminaniana hafa azo itokisana, fa hiova koa ny olona, ka ho toy ny tany lao lasa mamokatra. Ahoana no ahafantarantsika izany? Ireo “navotan’i Jehovah” no tena noresahin’i Isaia. Nilaza izy fa hiverina amin’ny taniny “amin’ny fihobiana” izy ireo, ary hahazo “fifaliana sy faharavoravoana.” (Isaia 35:10) Nihatra tamin’ny olona izany, fa tsy ny tany ara-bakiteny. Efa nilaza mialoha koa i Isaia fa ilay vahoaka tafaverina any Ziona, dia hatao hoe “Hazon’ny fahamarinana, nambolen’i Jehovah ... Tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ... dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.” Niteny toy izao momba ny vahoakan’Andriamanitra koa i Isaia: “Jehovah hitari-dàlana anao mandrakariva ... sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano hianao.” (Isaia 58:11; 61:3, 11; Jeremia 31:10-12) Nidika izany fa hiova koa ny Jiosy tafaverina amin’ny taniny, tsy nisy hafa tamin’ilay tany ara-bakiteny izay nihatsara.

9. Inona ilay “paradisa” hitan’i Paoly, ary nanomboka oviana no nisian’io paradisa io?

9 Manampy antsika hahazo ny hevitry ny fahitan’i Paoly izany zava-nitranga fahiny izany. Mahakasika ny fiangonana kristianina ilay fahitany. Nantsoiny hoe ‘saha volena izay an’Andriamanitra’ izy io, ary tokony hamokatra tsara. (1 Korintianina 3:9) Oviana io fahitana io no tanteraka? Mbola tatỳ aoriana vao tanteraka ireo ‘zavatra naharihary’ tamin’i Paoly. Fantany mantsy fa hisy fivadiham-pinoana lehibe aorian’ny hahafatesany. (2 Korintianina 12:1; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesalonianina 2:3, 7) Tsy azo lazaina ho saha namokatra ny tena Kristianina, raha mbola ny mpivadi-pinoana no nahazo vahana. Hisandratra ihany anefa ny fivavahana marina atỳ aoriana. Hanaraka azy io indray ny vahoakan’Andriamanitra, ka ‘hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy ny olo-marina.’ (Matio 13:24-30, 36-43) Tanteraka izany taona vitsivitsy taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra. Niharihary tsara nanomboka tamin’izay, fa miaina ao anatin’ilay paradisa ara-panahy hitan’i Paoly ny vahoakan’Andriamanitra.

10, 11. Nahoana no azo lazaina fa miaina ao anatin’ny paradisa ara-panahy isika, na dia tsy lavorary aza?

10 Fantatsika anefa fa tsy lavorary isika. Noho izany, dia tsy mahagaga raha misy olana eo amintsika samy isika indraindray, toy ny teo amin’ny Kristianina tamin’ny andron’i Paoly. (1 Korintianina 1:10-13; Filipianina 4:2, 3; 2 Tesalonianina 3:6-14) Eritrereto anefa ny paradisa ara-panahy misy antsika ankehitriny. Narary ara-panahy isika teo aloha, nefa sitrana izao. Mosarena ara-panahy isika taloha, nefa voky tsara izao. Tsy mijaly toy ny any an-tany efitra ny vahoakan’Andriamanitra, fa mahazo ny fankasitrahany sy fitahiana tondraka. (Isaia 35:1, 7) Toy ny jamba isika taloha fony voagejan’ny haizina ara-panahy, nefa mahita mazava isika izao, satria nafahana sy ankasitrahan’Andriamanitra. Maro no mandre sy mahazo ny tenin’ny Soratra Masina ankehitriny, na dia toy ny marenina aza fony izy mbola tsy nahalala ny faminaniana ara-baiboly. (Isaia 35:5) Nianatra ny faminanian’i Daniela isan’andininy, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany eran-tany. Nandinika ny toko tsirairay tao amin’ny bokin’i Isaia koa izy ireo tatỳ aoriana. Porofoin’izany sakafo ara-panahy mamelombelona izany fa ao anatin’ny paradisa ara-panahy tokoa isika, sa tsy izany?

11 Eritrereto koa ny fiovana nataon’ny olona tso-po samy hafa fiaviana, rehefa niezaka hahazo ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra azy io izy. Niezaka izy ireo mba hiala tamin’ny toetra ratsiny toy ny an’ny biby. Nanao izany koa angamba ianao, ka niova be. Sahala amin’izany no nataon’ireo rahalahinao sy anabavinao eo anivon’ny fiangonana. (Kolosianina 3:8-14) Olona lasa tia fihavanana sy mahafinaritra kokoa àry no ifaneraseranao, rehefa miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Ekena fa tsy lavorary izy ireo, nefa tsy azo lazaina ho toy ny liona na bibidia masiaka mihitsy. (Isaia 35:9) Midika ho inona izany fihavanana izany? Ahariharin’izany fa paradisa ara-panahy tokoa no misy antsika. Asehon’izy io koa fa mbola hisy paradisa ara-bakiteny eto an-tany, ary afaka hiaina ao amin’izy io isika, raha tsy mivadika amin’Andriamanitra.

12, 13. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hijanonana ao amin’ilay paradisa ara-panahy?

12 Misy zavatra tsy maintsy tadidintsika anefa. Nilaza tamin’ny Israelita Andriamanitra hoe: “Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana.” (Deoteronomia 11:8) Izao koa no voalaza momba io tany io ao amin’ny Levitikosy 20:22, 24: “Tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana. Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely.” Midika izany fa tsy maintsy nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Israelita vao afaka nitoetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Rehefa tsy nankatò kosa anefa izy ireo, dia navelan’Andriamanitra handresy sy handroaka azy tsy ho ao amin’ilay fonenany ny Babylonianina.

13 Betsaka angamba ny lafiny mahafinaritra antsika ao amin’ilay paradisantsika ara-panahy. Mahafinaritra ny maso izy io, sady mampitony ny saina. Mihavana isika sy ny Kristianina izay niezaka niala tamin’ny toetra ratsiny toy ny an’ny biby. Miezaka ny ho tsara fanahy sy ho vonon-kanampy izy ireo. Kanefa tsy ampy ny mifandray tsara amin’ireo olona ireo, mba hijanonana ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Mila mifandray tsara amin’i Jehovah sy manao ny sitrapony koa isika. (Mika 6:8) Niditra an-tsitrapo tao amin’io paradisa ara-panahy io isika. Mety hiala ao na ho voaroaka anefa isika, raha tsy miezaka hifandray tsara hatrany amin’Andriamanitra.

14. Inona no hanampy antsika hijanona ao amin’ilay paradisa ara-panahy?

14 Inona no tena hanampy antsika? Mila manovo hery hatrany avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Mariho ireto sarin-teny ao amin’ny Salamo 1:1-3 ireto: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy ... Fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Ankoatra izany, dia manome sakafo ara-panahy ho an’ny olona ao amin’ilay paradisa ara-panahy ny mpanompo mahatoky sy malina, amin’ny alalan’ny boky ara-baiboly avoakany.—Matio 24:45-47.

Hamafiso ny fanantenanao paradisa

15. Nahoana i Mosesy no tsy afaka nitarika ny Israelita hiditra ny Tany Nampanantenaina, nefa inona no hitany?

15 Efa nisy santatry ny Paradisa koa taloha. Nitondra ny Israelita teny amin’ny Lemak’i Moaba, any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, i Mosesy, rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona izy ireo. Nanao fahadisoana i Mosesy, ka tsy navelan’i Jehovah hitarika azy ireo hita an’i Jordana. (Nomery 20:7-12; 27:12, 13) Nitalaho tamin’Andriamanitra i Mosesy hoe: “Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’i Jordana.” Azo antoka fa niaiky i Mosesy hoe “tany soa” tokoa ilay izy, na dia tsy nahazo niditra aza izy. Niakatra teny amin’ny Tendrombohitra Pisga mantsy izy, ka nahatazana ny faritra sasany. Nanao ahoana io tany io, araka ny hevitrao?—Deoteronomia 3:25-27.

16, 17. a) Nanao ahoana ny Tany Nampanantenaina fahiny, raha oharina amin’ny ankehitriny? b) Inona no manaporofo fa toy ny paradisa ny Tany Nampanantenaina taloha?

16 Raha ilay toerana misy azy ankehitriny no eritreretinao, dia tany maina feno fasika sy vatovato ary mafana be angamba no tonga ao an-tsainao. Voaporofo anefa fa hafa tanteraka izy io fahiny. “Efa arivo taona no nanimban’ny olona” an’io faritra io, hoy i Walter Lowdermilk, manam-pahaizana momba ny rano sy ny tany, tao amin’ilay bokiny hoe Amerikanina Siantifika (anglisy). Hoy koa izy: “Ny olombelona, fa tsy ny natiora, no nahatonga ilay tany lonaka fahiny ho lasa tany ‘efitra.’ ” Nasehon’ny fikarohana nataony mihitsy aza, fa “paradisa kely izy io taloha, satria feno ahitra maitso mavana niraofan’ny omby aman’ondry.” Miharihary ankehitriny fa ny olona no nanimba io “paradisa kely” io. *

17 Ho hitanao fa marina izany, rehefa misaintsaina ny zavatra vakinao ao amin’ny Baiboly ianao. Tadidio fa nampanantena ny vahoakany toy izao i Jehovah, tamin’ny alalan’i Mosesy: “Ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran-danitra, dia tany izay tandreman’i Jehovah Andriamanitrao.”—Deoteronomia 11:8-12.

18. Ahoana no fahitan’ny Israelita tany an-tsesitany ny Tany Nampanantenaina, rehefa nandre ny teny ao amin’ny Isaia 35:2 izy ireo?

18 Maitso mavana sy namokatra be ny Tany Nampanantenaina, hany ka na ny faritra sasany aminy fotsiny aza no resahina, dia paradisa no tonga ao an-tsaina. Izany, ohatra, no hita ao amin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35. Tanteraka voalohany izy io, rehefa niverina avy tany Babylona ny Israelita. Naminany i Isaia hoe: “Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.” (Isaia 35:2) Azo inoana fa faritra tsara tarehy sy nahafinaritra no tonga tao an-tsain’ny Israelita, rehefa nandre izany hoe Libanona sy Karmela ary Sarôna izany izy ireo.

19, 20. a) Nanao ahoana ny faritr’i Sarôna fahiny? b) Ahoana no azontsika anamafisana ny fanantenantsika Paradisa?

19 Eritrereto, ohatra, i Sarôna. Lemaka amoron-dranomasina izy io, eo anelanelan’ny havoanan’i Samaria sy ny Ranomasina Lehibe, dia i Mediterane. (Jereo ny sary ao amin’ny pejy faha-10.) Niavaka izy io satria tena tsara tarehy sy namokatra. Azon-drano tsara koa izy io, ka feno vilona. Nisy ala feno hazo oaka kosa tany avaratra. (1 Tantara 27:29; Tonon-kiran’i Solomona 2:1, fanamarihana ambany pejy; Isaia 65:10) Noho izany, ny Isaia 35:2 dia nampiseho fa haverina amin’ny laoniny ilay tany, ka ho tsara tarehy toy ny paradisa. Niresaka mialoha momba ny paradisa ara-panahy mahafinaritra koa io faminaniana io, izay mifanaraka amin’ny fahitan’i Paoly tatỳ aoriana. Ary farany, dia manamafy ny fanantenantsika paradisa an-tany io faminaniana io sy ny hafa. 

20 Afaka miezaka hankasitraka bebe kokoa ilay paradisa ara-panahy misy antsika sy manamafy ny fanantenantsika Paradisa an-tany isika. Amin’ny fomba ahoana? Mila miezaka isika mba hahazo tsara kokoa izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Misy toerana voafaritra tsara resahin’ny fitantarana sy faminaniana ao amin’izy io. Tianao ve ny hahafantatra tsara kokoa hoe aiza no misy azy ireny, sy ny elanelany amin’ny toerana hafa? Hanampy anao ny lahatsoratra manaraka, sady hampiseho ny soa horaisinao avy amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Nilaza i Denis Baly, ao amin’ilay boky hoe Jeografian’ny Baiboly (anglisy), fa “tsy maintsy ho niova be ny karazan-javamaniry” ao amin’io faritra io tatỳ aoriana. Nahoana? Mamaly izy hoe: ‘Nanomboka nikapa hazo ny olona mba hanaovana kitay sy hanamboarana trano, hany ka tsy voaro tamin’ny toetrandro intsony ilay tany. Noho izany, dia ny toetrandro no tena nanimba an’io faritra io.’

Tadidinao Ve?

• Inona ilay “paradisa” hitan’ny apostoly Paoly?

• Ahoana no nahatanteraka voalohany ny Isaia toko faha-35, ary inona no ifandraisan’izy io amin’ny fahitan’i Paoly?

• Inona no hanampy antsika hankasitraka bebe kokoa ilay paradisantsika ara-panahy sy hanamafy ny fanantenantsika paradisa an-tany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Faritra lonaka tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Lemak’i Sarôna

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 12]

Niaiky i Mosesy fa “tany soa” ilay izy