Azonao Sary An-tsaina ve Izay Vakinao?
Azonao Sary An-tsaina ve Izay Vakinao?
RAHA te haka sary an-tsaina ny tantara vakinao ianao, dia mila mahafantatra tsara ny toerana nisehoany. Diniho, ohatra, ny dia misionera nataon’ny apostoly Paoly, resahin’ny Baiboly ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Nanomboka tany Antiokia ny diany misionera voalohany. Tao no niantsoana voalohany ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe Kristianina. Taorian’izay izy dia nankany Salamisy, Antiokia any Pisidia, Ikonioma, Lystra, ary Derbe. Azonao sary an-tsaina ve hoe aiza ireo toerana ireo?
Mety tsy ho fantatrao izany raha tsy manana sarintany ianao. Hita ao amin’ilay bokikely vaovao 36 pejy hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’, izany sarintany izany. Nankasitraka azy io ny vehivavy iray avy any Montana, any Etazonia. Hoy izy: “Hitako izao ny lalana nandehanan’i Paoly. Miezaka aho haka sary an-tsaina ny fomba nanaovany ny diany, sy ny asa fitoriana ny vaovao tsara nataon’i Paoly sy ny Kristianina voalohany. Misaotra noho io bokikely misy sarintany tsara tarehy io.”
Santionany fotsiny ny sarintany misy ny dian’i Paoly. Misy sarintany maro hafa mantsy ao amin’ilay bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa’, izay hanampy anao hahazo sary an-tsaina ny tantara vakinao ao amin’ny Baiboly. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.