Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Rehefa nanome toromarika ny mpianany i Jesosy mba ‘hampisambo-bola tsy misy zanany, ary tsy hanantena valiny’, te hilaza ve izy fa tsy tokony hotakin’izy ireo na dia ilay vola nampindramina aza?

Tokony hatao an-tsaina ny Lalàn’i Mosesy mba hahazoana tsara ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:35. Nandidy ny Israelita Andriamanitra ao amin’io Lalàna io, mba tsy hitaky zanany rehefa nampisambo-bola Israelita hafa lasa sahirana be, ka nila fanampiana. (Eksodosy 22:24; Levitikosy 25:35-37; Matio 5:42) Tsy natao hahazoana tombony ilay vola nampindramina, fa natao hanalana fahasahiranana. Tsy ho fanehoam-pitiavana tokoa ny manararaotra ny fahasahiranana ara-bola manjo ny hafa. Nanana zo handray ny volany anefa ilay mpampisambotra, ary afaka naka antoka indraindray.—Deoteronomia 24:10-12.

Nanohana ny Lalàna i Jesosy, nefa nampiseho fomba lehibe kokoa ampiharana azy io, rehefa nilaza izy fa tsy tokony ‘hanantena valiny’ ilay nanome fanampiana. Toy ny Israelita, ny Kristianina koa indraindray dia sahirana ara-bola, na tojo olana hafa, ka mety ho lasa mahantra, na fadiranovana mihitsy aza. Maneho hatsaram-panahy izay manampy ny rahalahy toy izany, raha te hindram-bola izy. Tsy fidiny azy mantsy ny ho sahirana mafy ara-bola, ka vonona hanampy azy ny Kristianina hafa, raha tena manam-pitiavana. (Ohabolana 3:27) Azo atao ny manao fanomezana vola fotsiny, na dia mety ho kely kokoa noho ilay tiany hosamborina aza izany.—Salamo 37:21.

Tratran’ny mosary ny rahalahy tany Jodia, tamin’ny taonjato voalohany. Nirahina àry ny apostoly Paoly sy Barnabasy hitondra fanomezana avy tamin’ny Kristianina tany Azia Minora, ho azy ireo. (Asan’ny Apostoly 11:28-30) Mandefa fanomezana ho an’ireo rahalahiny sahirana koa matetika ny Kristianina ankehitriny, rehefa misy loza mitranga. Efa fitoriana amin’ny olon-kafa ny fihetsika toy izany. (Matio 5:16) Mazava ho azy, fa tokony hojerena ny toe-tsain’ilay olona mitady fanampiana, sy ny toe-javatra misy azy. Nahoana izy, ohatra, no sahirana? Tsara homarihina ireto tenin’i Paoly ireto: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”—2 Tesalonianina 3:10.

Raha tsy tena sahirana kosa ilay rahalahy, fa mitady fanampiana vetivety monja mba hanarenana ny fahasahiranana ara-bola nanjo azy, dia angamba azo atao ny mampindram-bola azy tsy misy zanany. Tsy manohitra ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:35 ilay mpampisambotra amin’izay, raha manantena ny hamerenana ny volany rehetra. Tokony hisy fifanarahana an-tsoratra atao, ary hiezaka mafy hanaja izany ilay nisambotra, ka hamerina ilay vola. Fitiavana no nanosika ilay mpampisambotra hanome vola azy, ary tokony ho fitiavana koa no hanosika azy hamerina ilay vola.

Tokony hijery ny toe-javatra misy ny fianakaviany koa anefa ilay mikasa hampisambotra (na ilay hanao fanomezana vola). Raha mampisambotra na manao fanomezana vola izy, ho ampy hikarakarany ny ankohonany ve ny vola sisa eo am-pelatanany? Ny ankohonany mantsy no adidiny voalohany indrindra, araka ny Baiboly. (2 Korintianina 8:12; 1 Timoty 5:8) Miezaka mifaneho fitiavana hatrany anefa ny Kristianina, ka mampiseho izany amin’ny fomba isan-karazany, mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly.—Jakoba 1:27; 1 Jaona 3:18; 4:7-11.