Iza Ilay “Andriamanitra Marina sy Fiainana Mandrakizay”?
Iza Ilay “Andriamanitra Marina sy Fiainana Mandrakizay”?
I JEHOVAH, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, no ilay Andriamanitra marina. Izy no Mpamorona sy Mpanome fiainana mandrakizay an’ireo tia azy. Izany no mety havalin’ireo mamaky sy mino ny Baiboly, an’io fanontaniana ao amin’ny lohateny io. Hoy tokoa mantsy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” *—Jaona 17:3.
Hafa anefa ny fahazoan’ny mpiangona maro, an’ireo teny ao amin’ny lohateny ireo, izay nalaina avy ao amin’ny 1 Jaona 5:20. Izao no voalaza ao: “Isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.”
Milaza ny mpino ny Andriamanitra telo izay iray, fa i Jesosy Kristy no tondroin’ilay mpisolo tena (hou’tos) nadika hoe “izy” ao amin’io andininy io. Lazainy àry fa i Jesosy no “Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” Sady tsy mifanaraka amin’ny teny hafa ao amin’ny Baiboly anefa izany, no tsy eken’ireo manam-pahaizana manokana hajain’ny olona. Hoy i Westcott, avy ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge: “Azo inoana mihitsy fa ilay olona nitana ny sain’ilay apostoly no notondroin[’ny mpisolo tena hou’tos], fa tsy ilay voaresaka eo alohany.” Ny Rain’i Jesosy àry no tao an-tsain’ny apostoly Jaona. Nanoratra toy izao koa i Erich Haupt, teolojianina alemà: “Tsy maintsy faritana raha toa ny [houʹtos] ao amin’ilay fehezan-kevitra manaraka, ka manondro ilay olona resahin’ny enti-milaza voalohany ... na manondro an’Andriamanitra, izay resahina erỳ lavidavitra. ... Tsy manaporofo ny maha Andriamanitra an’i Kristy ireo teny ireo, fa manondro an’ilay hany Andriamanitra marina, satria izay no mifanaraka kokoa amin’ilay fampitandremana farany mba tsy hanompo sampy.”
Na dia ilay boky hoe Fandinihana ny Fitsipi-pitenenan’ny Testamenta Vaovao Grika (anglisy), navoakan’ny Sekoly Ara-baibolin’ny Eveka any Roma aza, dia nilaza hoe: “Saika azo antoka tanteraka fa manondro an’ilay tena Andriamanitra, izay [ampifanoherina amin’ny] fanompoan-tsampy (and. 21), ilay [houʹtosʹ] eo amin’ny faran’ny [andininy] 18-20.”
Adika hoe “izy” matetika ny hoe “houʹtos”, ary tsy manondro an’ilay olona resahina eo amin’ilay fehezan-kevitra eo alohany. Manazava tsara izany ny andininy hafa. Ilay apostoly nanoratra ny Jaona voalohany ihany no nanoratra ny 2 Jaona 7, manao hoe: “Maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izy [houʹtos] no mpamitaka sy antikristy.” Tsy mety hanondro an’i Jesosy ilay mpisolo tena eto, na dia ny hoe Jesosy aza no teny akaiky azy io indrindra. Miharihary fa manondro an’ireo nanda an’i Jesosy ny hoe “izy” eto. Izy ireny no “mpamitaka sy antikristy.”
Nanoratra toy izao koa ny apostoly Jaona tao amin’ny filazantsarany: “Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy. Izy [houʹtos] no nahita an’i Simona rahalahiny aloha.” (Jaona 1:40, 41) Mazava ho azy fa manondro an’i Andrea ny hoe “izy” eto, fa tsy manondro an’i Jesosy izay noresahina farany talohan’ilay mpisolo tena. Mitovy amin’izany koa ny fomba nampiasan’i Jaona an’io mpisolo tena io, ao amin’ny 1 Jaona 2:22.
Toy izany koa ny fomba nampiasain’i Lioka an’ilay mpisolo tena, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:10, 11. Hoy izy ao: “Ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo. ‘Ity [houʹtosʹ] no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.’ ” Mazava fa tsy manondro an’ilay olona nositranina ilay hoe “ity” eo, na dia izy io aza no notononina talohan’ilay houʹtos. Miharihary fa ny hoe “ity” eo amin’ny andininy faha-11, dia manondro an’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay ‘vato fehizoro’ iorenan’ny fiangonana kristianina.—Efesiana 2:20; 1 Petera 2:4-8.
Manamafy io hevitra io koa ny Asan’ny Apostoly 7:18, 19, manao hoe: “Mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa. Ary izy [houʹtos] nanao hafetsena tamin’ny razantsika.” I Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay nampahory ny Jiosy no notondroina tamin’ny hoe “izy”, fa tsy i Josefa.
Manamarina ny tenin’i Daniel Wallace, manam-pahaizana momba ny teny grika, ny andinin-teny toy ireo. Nilaza mantsy izy, fa “mety tsy ho ilay olona tondroin’ny teny manodidina no olona tao an-tsain’ny mpanoratra”, rehefa nampiasa an’ireo mpisolo tena grika, toy ny houʹtos izy.
“Ilay marina”
I Jehovah, Rain’i Jesosy Kristy no “Ilay marina”, araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona. Izy no ilay hany Andriamanitra marina sy Mpamorona. Niaiky ny apostoly Paoly fa “amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 8:6; Isaia 42:8) Ny antony iray hafa ilazana fa i Jehovah no “Ilay marina” resahina ao amin’ny 1 Jaona 5:20, dia satria izy no Loharanon’ny fahamarinana. Niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” ny mpanao salamo, satria mahatoky amin’izay rehetra ataony izy, sady tsy mahay mandainga. (Salamo 31:5; Eksodosy 34:6; Titosy 1:2) Niresaka ny amin’ny Rainy any an-danitra ny Zanaka rehefa nilaza hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” Hoy koa izy momba ny fampianarany: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.”—Jaona 7:16; 17:17.
“Fiainana mandrakizay” koa i Jehovah, satria izy no Loharanon’aina. Izy no Mpanome an’io fanomezana tsy manam-paharoa io, amin’ny alalan’i Kristy. (Salamo 36:9; Romana 6:23) Tsara homarihina koa ny tenin’ny apostoly Paoly hoe “Mpamaly soa izay mazoto mitady azy” Andriamanitra. (Hebreo 11:6) Namaly soa ny zanany lahy izy, ka nanangana azy tamin’ny maty. Homeny ny fiainana mandrakizay ho valisoa koa, izay manompo azy amin’ny fo manontolo.—Asan’ny Apostoly 26:23; 2 Korintiana 1:9.
Izao àry no tokony ho fanatsoahan-kevitsika: I Jehovah irery ihany no ilay “Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” Izy irery no mendrika hivavahan’ny zavaboariny.—Apokalypsy 4:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Ny andinin-teny rehetra ampiasaina amin’ity lahatsoratra ity, dia avy amin’ny Fandikan-teny Protestanta.