Mahasoa ny Mikatsaka Harena Ara-panahy
Mahasoa ny Mikatsaka Harena Ara-panahy
“Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena.”—Mpitoriteny 5:9.
METY hiteraka adin-tsaina ny asa mafy loatra, ka mety hankarary, na hahafaty mihitsy aza indraindray. Misara-bazana ny fianakaviana any amin’ny tany maro, noho ny fisaraham-panambadiana. Ny fanahiana be loatra momba ny vola aman-karena matetika no mahatonga izany rehetra izany. Tsy mifaly amin’izay ananany ny olona, fa te hangoron-karena bebe kokoa foana, na inona na inona vokany. Hoy ny boky iray: ‘Fanaon’ny olona ny mifaninana amin’ny mpiara-monina aminy, na dia tsy mieritreritra afa-tsy ny asa aza izy ireny, ka atahorana ho fatin’ny aretim-po, nefa vao eo amin’ny faha-43 taonany.’
Tsy hahatsapa fifaliana intsony ny olona, rehefa tsy mety afa-po mihitsy. Ary io fahalementsika olombelona io matetika no hararaotin’ny mpanao dokam-barotra, izay tena manan-kery! Mampirisika anao tsy tapaka ny dokam-barotra amin’ny tele sy radio mba hividy entana, izay mety tsy hilainao, na tsy takatry ny volanao akory. Mety hitera-pahavoazana be izany rehetra izany.
Ohabolana 14:30) Tsy mahasalama sy tsy mahasambatra kosa ny ezaka mafy loatra, sy ny fanahiana, ary ny adin-tsaina ateraky ny fanangonan-karena. Miharatsy koa ny fifandraisantsika amin’ny olona, rehefa ny fitadiavana vola aman-karena no mibahana eo amin’ny fiainantsika. Ny fiainan’ilay olona amin’ny ankapobeny mihitsy no simba, rehefa tsy mifandray tsara amin’ny fianakaviany sy ny olon-kafa izy.
Tsy tsikaritsika akory fa mety hanimba antsika ny fanaranam-po amin’izay tiantsika. Nilaza, ohatra, i Solomona mpanjaka hendry hoe: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo.” (Sarobidy kokoa ny harena ara-panahy
Izao no nampirisihan’ny apostoly Paoly, taonjato maro lasa izay: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony.” (Romanina 12:2) Tian’izao tontolo izao ny olona manaraka ny toe-tsainy. (Jaona 15:19) Ataony izay hisarihana ny masonao, ny oronao, ny sofinao, ary ny vavahadin-tsainao hafa, mba handrisihana anao hikatsaka harena. Asongadiny “ny fanirian’ny maso” mba hahatonga anao sy ny hafa ho revo amin’izany.—1 Jaona 2:15-17.
Misy zava-tsarobidy kokoa noho ny vola sy ny laza ary ny harena anefa. Eritrereto, ohatra, i Solomona Mpanjaka, taonjato maro lasa izay. Nananany daholo izay zavatra azon’ity tontolo ity natolotra. Nanorina trano izy, nanana zaridaina, saha nisy hazo fihinam-boa, biby fiompy, mpanompo, mpihira lahy sy vavy, ary volamena sy volafotsy be dia be. Mbola tsy nisy nanan-karena toa azy mihitsy ny olona velona talohany. Ary tsy hoe nanan-karena fotsiny izy, fa mpanefohefo mihitsy. Azo lazaina hoe nananan’i Solomona daholo izay niriny. Hoy anefa izy, rehefa nandinika ny zava-bitany: “Zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.”—Mpitoriteny 2:1-11.
Nomena fahendrena niavaka i Solomona, ka fantany fa mahasambatra kokoa ny mikatsaka harena ara-panahy. Hoy izy: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”—Mpitoriteny 12:13.
Sarobidy kokoa noho ny volamena sy ny volafotsy ny harena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 16:16) Misy fahamarinana lalina, toy ny vatosoa, ao amin’izy io. Hikaroka sy hitrandraka azy ireny ve ianao? (Ohabolana 2:1-6) Mampirisika anao hanao izany ny Mpamorona antsika, ilay Loharanon’ny tena zava-tsarobidy, ary hanampy anao izy. Amin’ny fomba ahoana?
Mampiasa ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany i Jehovah, mba hanomezana antsika fahamarinana sarobidy. (Salamo 1:1-3; Isaia 48:17, 18; Matio 24:45-47; 1 Korintianina 2:10) Hahay hifidy ny fomba fiaina mahafa-po sy tsara indrindra ianao, raha mandalina ireny fahamarinana sarobidy toy ny vatosoa tsy fahita firy ireny. Tsy ho sarotra ny hanao izany safidy izany, satria fantatr’i Jehovah, Mpamorona antsika, izay tena mahasambatra antsika.
Asehon’ny Baiboly antsika ny fomba fiaina tsara indrindra
Mahasoa sy tsy manan-tsahala ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly. Faran’izay tsara ny fitsipi-pitondran-tena raketiny. Mahasoa foana ny toroheviny sady tsy mety lany andro. Anisan’izany ny hoe mila miasa mafy, manao ny marina, mahay mampiasa vola, ary tsy kamo.—Ohabolana 6:6-8; 20:23; 31:16.
Mifanaraka amin’izany ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aza manangona harena ho anareo etỳ an-tany intsony, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Fa manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.”—Matio 6:19, 20.
Mbola azo ampiharina foana io torohevitra io, toy ny tamin’ny 2 000 taona lasa. Hahita soa dieny izao isika, raha tsy variana mitady vola aman-karena, fa mikatsaka fomba fiaina tsara kokoa. Midika izany fa mila manangona harena ara-panahy isika, satria izany no tena mahasambatra sy mahafa-po. Inona àry no tokony hatao? Tokony hamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, ary hampihatra izany.
Mahasoa ny harena ara-panahy
Mahasoa antsika ara-batana sy ara-pihetseham-po, ary ara-panahy io harena io, rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Toy ny gaza ôzônina miaro ny tany amin’ny tara-masoandro mampidi-doza, ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Miaro antsika koa izy ireny, satria mampahafantatra antsika ny loza ateraky ny fitiavan-karena. Hoy ny apostoly Paoly: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.
Ny fitiavam-bola no mahatonga ny olona hikatsaka harena sy toerana ambony ary fahefana. Matetika anefa izy ireo no mamitaka sy manao ny tsy marina, mba hanatratrana izany tanjona izany. Mandany fotoana sy hery ary fahaizana, ny fikatsahana harena. Mety tsy hampahita tory mihitsy aza izany. (Mpitoriteny 5:11) Ho sarotra amin’ny olona tsy mety afa-po amin’izay ananany mihitsy koa, ny hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Nilaza i Jesosy Kristy, ilay lehilahy niavaka indrindra, fa misy zavatra tsara kokoa noho ny vola aman-karena. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Fantany fa mitondra soa maharitra ny harena ara-panahy, ary zava-dehibe lavitra noho ny fananana, izay mihelina ihany.—Lioka 12:13-31.
Marina ve izany?
“Nanao izay handresena lahatra ahy ny ray aman-dreniko fa tsy mahasoa ny harena
ara-panahy”, hoy i Greg. “Tena nilamin-tsaina anefa aho, rehefa niezaka nanatratra tanjona mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, satria tsy miasa saina be toy ireo olona mifaninana hahazo harena.”Manatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa koa ny harena ara-panahy. Ny toetranao no manintona an’ireo tena namanao, fa tsy ny fanananao. Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20) Ny fahendrena sy ny fitiavana koa no mahasambatra ny tokantrano, fa tsy ny fananana.—Efesianina 5:22–6:4.
Tsy vao teraka akory isika dia mahalala izay tena sarobidy eo amin’ny fiainana. Tsy maintsy mianatra izany avy amin’ny olon-kafa sy ny Tenin’Andriamanitra isika. Noho izany, dia afaka manova ny fomba fiheverantsika ny harena, ny fianarana Baiboly. Hoy i Don, mpiasan’ny banky taloha: “Nanampy ahy izany handinika indray izay tena sarobidy eo amin’ny fiainana, ka nianatra nianina tamin’izay tena nilaiko aho.”
Mikatsaha harena maharitra
Mitondra valisoa maharitra ny harena ara-panahy, fa tsy fahafaham-po vetivety fotsiny. Hoy i Paoly: “Mihelina ny zavatra hita [ny vola aman-karena], fa ny tsy hita [ny harena ara-panahy] kosa maharitra mandrakizay.” (2 Korintianina 4:18) Marina fa afaka mahazo avy hatrany izay irintsika isika, rehefa manam-bola. Kanefa tsy handray soa maharitra isika, raha manana faniriana tsy mety afa-po. Ny harena ara-panahy kosa anefa maharitra mandrakizay.—Ohabolana 11:4; 1 Korintianina 6:9, 10.
Tsy ankasitrahan’ny Baiboly mihitsy ny fifantohana loatra amin’ny harena, toy ny fahita ankehitriny. Mampianatra antsika izy io mba hanana maso tsotra, ka hifehy ny faniriana hanaram-po amin’izay tiantsika sy hifantoka Filipianina 1:10) Asehony fa manao ny tenantsika ho toy ny andriamanitra kely isika, raha manam-paniriana tsy mety afa-po. Ho sambatra kokoa isika, rehefa mampihatra izay ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Lasa tia mizara isika, fa tsy mieritreritra ny hanangona foana. Tena mampirisika antsika izany mba tsy hanaram-po amin’izay tiantsika, fa hikatsaka harena ara-panahy!
amin’ny harena ara-panahy, izay zava-dehibe kokoa. (Ekena aloha fa mety hiaro ihany ny vola. (Mpitoriteny 7:12) Mety hanjavona tampoka anefa izy io, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Maniry elatra tokoa [ny vola] ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” (Ohabolana 23:5) Be dia be ny zavatra nataon’ny olona sorona mba hahazoana vola aman-karena. Anisan’izany ny fahasalamany, ny fianakaviany, ary nisy aza nandika ny feon’ny fieritreretany mihitsy, ka nahatsiravina ny vokany. Rehefa mikatsaka harena ara-panahy kosa anefa isika, dia mahazo izay tena ilaintsika, izany hoe mahatsapa fitiavana, manana tanjona eo amin’ny fiainana, ary manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana. Manjary fantatsika koa izay tokony hatao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa sy hahatongavana ho lavorary, araka ny ampanantenain’Andriamanitra.
Madiva ho tanteraka ny fanirian’ny olona hanan-javatra maro ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Salamo 145:16) Ho “henika ny fahalalana an’i Jehovah” ny tany manontolo amin’izay. (Isaia 11:9) Ho tondraka ny harena ara-panahy. Hanjavona tanteraka ny fitiavan-karena sy ny voka-dratsiny. (2 Petera 3:13) Ho sambatra mandrakizay ny olona, satria hanana fahasalamana tonga lafatra, asa mahafa-po, fialam-boly mahasoa, fianakaviana mifankatia, ary ho sakaizan’Andriamanitra foana. Izany no mahatonga ny fiainana ho tena hahafa-po.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Mahaiza Mampiasa ny Volanao!
Fantaro izay ilainao. Nampianatra antsika hivavaka i Jesosy hoe: “Omeo anay anio ny hanina ilainay anio.” (Lioka 11:3) Aza mihevitra hoe tsy maintsy ho azonao daholo izay rehetra tianao. Tadidio fa tsy miankina amin’ny zavatra anananao ny ainao.—Lioka 12:16-21.
Manaova teti-bola. Aza maika hividy izay mahafinaritra anao. Hoy ny Baiboly: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” (Ohabolana 21:5) Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy mba handinika izay ho lany, alohan’ny hampiasana vola.—Lioka 14:28-30.
Aza midi-trosa tsy amin’ny antony. Aleo manangom-bola hividianan-javatra, toy izay mitrosa. Hoy ny ohabolana: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Afaka hividy zavatra lehibe mihitsy aza ianao, raha mifehy tena sy tsy mitady izay tsy takatry ny volanao.
Aza manarinary foana. Ataovy izay hampaharitra kokoa izay zavatra efa anananao. Karakarao tsara izy ireny, dia tsy ho simbasimba fotsiny. Nitandrina tsara i Jesosy, mba tsy hanarinary zavatra.—Jaona 6:10-13.
Ataovy loha laharana hatrany izay zava-dehibe. ‘Hanararaotra tsara ny fotoana’ ny olon-kendry, mba hanatratrarana tanjona lehibe kokoa.—Efesianina 5:15, 16.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Ny Fiainana ve no Tena Ianaran-javatra?
Azontsika andraisana lesona sarobidy ny zavatra niainantsika, na nahafaly izy ireny, na nampalahelo. Marina tokoa ve anefa fa ny fiainana no tena ianaran-javatra, araka ny fandre matetika? Tsia, satria misy tari-dalana tsara kokoa, araka ny nolazain’ny mpanao salamo tao amin’ny vavaka iray. Hoy izy: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”—Sal. 119:105.
Nahoana no tsara lavitra ny toromarika avy amin’Andriamanitra, noho ny fianarana avy amin’ny zavatra niainana? Ny antony iray dia satria mety hovidintsika lafo sy hampitondra faisana antsika ny fanandranandramana fotsiny. Tsy voatery ho tonga amin’izany isika. Hoy mantsy Andriamanitra tamin’ny Israely fahiny: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”—Isaia 48:18.
Izao no anisan’ny antony mahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho loharanom-pampianarana tsara indrindra: Mirakitra fitantarana tranainy sy tena araka ny marina momba ny zavatra niainan’ny olombelona izy io. Ekenao angamba fa tsara kokoa ny mandray lesona avy amin’ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan’ny hafa, toy izay hamerina ny fahadisoany. (1 Korintianina 10:6-11) Ny mbola zava-dehibe kokoa anefa, dia hoe manome antsika lalàna sy toro lalana faran’izay tsara sy azo antoka tanteraka Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, ... mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.” (Salamo 19:7) Azo antoka àry fa ny mianatra avy amin’ny fahendren’ilay Mpamorona antsika be fitiavana no tsara indrindra.
[Sary, pejy 4]
Tian’ity tontolo ity ho variana mikatsaka harena sahala aminy ianao
[Sary, pejy 5]
Sarobidy kokoa noho ny volamena sy volafotsy ny harena ao amin’ny Baiboly