Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mandehana Mitety ny Tany”

“Mandehana Mitety ny Tany”

“Mandehana Mitety ny Tany”

“Mandehana mitety ny tany, dia any amin’ny lavany sy any amin’ny sakany.”—GENESISY 13:17.

1. Inona no zava-mahaliana nasain’Andriamanitra nataon’i Abrahama?

TIANAO ve ny mandeha fiara mankany ambanivohitra rehefa faran’ny herinandro? Ny hafa indray tia mandeha bisikileta mba hampiasana vatana sy hananana fotoana handinihana ny manodidina. Misy koa anefa mifidy ny handeha an-tongotra, mba hahalalana tsara toerana sasany sy handinihana azy milamina tsara. Vetivety ihany ny fanaovana dia toy izany matetika. Kanefa eritrereto izay tsapan’i Abrahama rehefa nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Miaingà hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ny lavany sy any amin’ny sakany; fa homeko anao izy”!—Genesisy 13:17.

2. Nankaiza i Abrahama rehefa niala tany Ejipta?

2 Diniho ny zava-nitranga talohan’izay. Nivahiny tany Ejipta i Abrahama mivady, mbamin’ny olony. Niala tany izy ireo avy eo, araka ny Genesisy toko faha-13, ary nitondra ny omby aman’ondriny tany amin’ny “tany atsimo”, na Negeba. “Mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany [Negeba] ka hatrany Betela.” Nifanditra anefa ny mpiandry ombiny sy ny an’i Lota zana-drahalahiny, ka tsy maintsy nitady kijana samihafa ho an’ny bibiny avy izy mianaka. Tsara fanahy tamin’i Lota i Abrahama, ka izy aloha no nasainy nisafidy. Nifidy ny tany “amoron’i Jordana”, izay lohasaha lonaka “tahaka ny sahan’i Jehovah” i Lota, ary nanorim-ponenana tao Sodoma tatỳ aoriana. Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana.” Azo inoana fa nahatazana tsara ilay tany i Abrahama, avy teo amin’ny havoana tsy lavitra an’i Betela. Mbola nisy zavatra hafa nasaina nataony anefa. Nasain’Andriamanitra ‘nandeha nitety ilay tany’ sy namantatra tsara ny mombamomba azy io izy.

3. Nahoana no mety ho sarotra ny haka sary an-tsaina ny toerana nalehan’i Abrahama?

3 Tsy fantatsika hoe hatraiza no faritra voatetin’i Abrahama mandra-pahatongany tao Hebrona. Azo antoka anefa fa nahafantatra kokoa ilay Tany Nampanantenaina noho ny ankamaroantsika izy. Eritrereto ireo tany voalaza ao amin’io fitantarana io: Negeba, Betela, ny tany teny amoron’i Jordana, Sodoma ary Hebrona. Sarotra aminao ve ny maka sary an-tsaina ny toerana nisy azy ireo? Sarotra amin’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah izany, satria vitsy amin’izy ireo no efa nitsidika sy nitety ireo tany resahina ao amin’ny Baiboly. Tena tokony haniry hahafantatra ny toerana misy ireo tany ireo anefa isika. Nahoana?

4, 5. a) Inona no ifandraisan’ny Ohabolana 18:15 sy ny fahalalana ireo tany ao amin’ny Baiboly, ary nahoana no zava-dehibe ny ahazoana tsara izay vakintsika? b) Inona no hitantsika ao amin’ny Zefania toko faha-2?

4 Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fon’ny manan-tsaina mahazo fahalalana; ary ny sofin’ny hendry mitady izany.” (Ohabolana 18:15) Betsaka ny zavatra azo ianarana, fa ny fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny zavatra ataony no zava-dehibe indrindra. Tena manampy antsika hahazo izany fahalalana izany, izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Tsy ampy anefa ny fahalalana fa tokony ho azontsika tsara koa izay vakintsika. Midika izany fa mila mandinika ny votoatin’ny raharaha iray isika, ka miezaka hahazo ny ifandraisan’ny tsipirian’izy io amin’ilay raharaha manontolo. Izany no tokony hatao rehefa mijery ireo toerana voaresaka ao amin’ny Baiboly. Fantatry ny ankamaroantsika, ohatra, hoe aiza no misy an’i Ejipta. Kanefa azontsika sary an-tsaina ve ny dia nataon’i Abrahama avy tany Ejipta nankany Negeba sy Betela ary Hebrona? Nanao ahoana ny elanelan’ireo toerana ireo?

5 Mety ho efa namaky ny Zefania toko faha-2 koa ianao, tamin’ny famakianao Baiboly. Misy anarana tanàna sy firenena ary tany maro ao. Voaresaka ao amin’io toko iray io daholo ireto tany ireto: Gaza, Askelona, Asdoda, Ekrona, Sodoma, Ninive, Kanana, Moaba, Amona, ary Asyria. Azonao an-tsaina ve hoe taiza no nisy an’ireo toerana ireo? Tena nisy olona niaina tany, ary tanteraka tamin’izy ireo ny faminanian’Andriamanitra sasany.

6. Nahoana no mihevitra ny sarintany ho zava-dehibe ny Kristianina sasany? (Jereo ny efajoro.)

6 Maro amin’ireo mpianatra ny Baiboly no mandray soa be dia be rehefa mandinika ny sarin’ireo tany voalaza ao. Tsy hoe mahaliana azy ireo fotsiny ny sarintany, fa takany koa hoe mampitombo ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra. Azony kokoa izay vakiny, satria hitany ny ifandraisan’ny zavatra efa fantany amin’ny fanazavana hafa. Handinika ohatra vitsivitsy isika izao. Azo inoana fa hanampy anao izany mba hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah, sy hahatakatra bebe kokoa ny tantara ao amin’ny Teniny.—Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy faha-14.

Zava-dehibe ny ahafantarana ny elanelan’ireo toerana

7, 8. a) Inona no zava-mahagaga vitan’i Samsona tany Gaza? b) Inona no manampy antsika hahatakatra fa miavaka tokoa ny zava-bitan’i Samsona? d) Inona no ianarantsika, rehefa fantatsika sy azontsika tsara ny tantaran’i Samsona?

7 Milaza ny Mpitsara 16:2 fa tany Gaza i Samsona Mpitsara. Resahina matetika amin’ny vaovao io anarana io, ka mety ho azonao an-tsaina ny toerana nisy an’i Samsona, izany hoe tany Filistia, akaikin’ny Morontsirak’i Mediterane. [11] Mariho izay voalazan’ny Mpitsara 16:3 hoe: “Nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony, dia nentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona.”

8 Azo antoka fa lehibe sy navesatra ny vavahady sy ny tolànan’ny tanàna mimanda toa an’i Gaza. Eritrereto ange hoe manandrana mitondra izany ianao e! Nahavita izany anefa i Samsona. Taiza no nitondrany azy ireo, ary lalana nanao ahoana no nalehany? Amoron-tsiraka no misy an’i Gaza, ary mitovitovy amin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony. [15] Any atsinanany kosa no misy an’i Hebrona, any amin’ny 900 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Fiakaram-be tokoa izany! Tsy fantatsika ny toerana tena nisy an’ilay “tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona.” Any amin’ny 60 kilaometatra miala an’i Gaza anefa no misy an’i Hebrona, sady mbola avo toerana koa! Tsy manjary miavaka kokoa ve ny zava-bitan’i Samsona, rehefa fantatsika izany elanelana izany? Tadidio fa noho ny “fanahin’i Jehovah nilatsaka taminy” no nahavitany izany. (Mpitsara 14:6, 19; 15:14) Tsy manantena isika Kristianina hoe hanome antsika tanjaka ara-batana be toy izany koa ny fanahin’Andriamanitra. Afaka manampy antsika hahazo bebe kokoa ny zava-dalin’Andriamanitra, sy hanatanjaka ny toetrantsika anaty anefa io fanahy mahery io. (1 Korintianina 2:10-16; 13:8; Efesianina 3:16; Kolosianina 1:9, 10) Vao mainka àry isika resy lahatra fa afaka manampy antsika ny fanahin’Andriamanitra, rehefa azontsika tsara io tantaran’i Samsona io.

9, 10. a) Inona avy no nataon’i Gideona sy ny olony mba handresena ny Midianita? b) Hazavao fa misy heviny kokoa ilay tantara, rehefa haintsika ny mombamomba ny toerana voaresaka ao.

9 Asehon’ny tantaran’ny fandresen’i Gibeona ny Midianita koa, fa zava-dehibe ny hahalalana ny elanelan’ireo toerana ao amin’ny Baiboly. Niray hina ny Midianita sy ny Amalekita ary ny hafa, ka nitoby teo amin’ny lemak’i Jezirela, akaikin’ny havoanan’i More. [18] Fantatry ny ankamaroan’ny mpamaky ny Baiboly fa nandresy an’ireo mpanafika niisa 135 000 ireo, i Gideona Mpitsara sy ny 300 lahy mpomba azy. Nitsoka anjomara sy namaky ny siny nanarona ny fanilony izy ireo, ary niantsoantso hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Nisavoritaka sy natahotra ny fahavalo nahita izany, ka nanomboka nifamono. (Mpitsara 6:33; 7:1-22) Vita tamin’iny alina iny ve ilay ady? Vakio indray ange ny Mpitsara toko faha-7 sy faha-8 e! Ho hitanao fa mbola nanafika ihany i Gideona. Tsy fantatra ny toerana tena misy ny sasany amin’ireo tany voalaza ao, ka mety tsy ho hita amin’ny sarintany ao amin’ny Baiboly. Ampy hahafantarana ny toerana nalehan’i Gideona anefa ny tany sisa fantatsika.

10 Nanenjika an’ireo tafika mpiray dina hatrany Beti-sita i Gideona. Nianatsimo izy avy eo, nankany Abela-mehola, akaikin’i Jordana. (Mpitsara 7:22-25) Hoy ilay fitantarana: “Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.” Nianatsimo ihany ireo Israelita, nanenjika ny fahavalo hatrany Sokota sy Penoela, akaikin’i Jaboka, ary niakatra ny havoanan’i Jogbeha (akaikin’i Amman ankehitriny, any Jordania). Lalana 80 kilaometatra teo ho eo no nalehan’ny Israelita mba hanenjehana sy hamelezana ny fahavalony. Tratran’i Gideona ny mpanjaka midianita roa ka novonoiny. Niverina nody tany Ofra izy avy eo, teo akaikin’ilay toerana nanombohan’ilay ady. (Mpitsara 8:4-12, 21-27) Mazava àry fa tsy hoe nitsoka anjomara sy nanofahofa fanilo, ary niantsoantso nandritra ny minitra vitsivitsy fotsiny i Gideona. Noho izany, dia misy lanjany kokoa ireto teny momba ny lehilahy nanam-pinoana ireto: ‘Tsy ho ampy ny fotoanako hitantarana koa momba an’i Gideona [sy ny hafa izay] nalemy nefa tonga mahery, tonga mpiady mahery fo.’ (Hebreo 11:32-34) Mety ho reraka koa isika Kristianina. Kanefa tsy zava-dehibe ve ny hanaovana hatrany ny sitrapon’Andriamanitra?—2 Korintianina 4:1, 16; Galatianina 6:9.

Mampiseho ny fomba fisainan’ny olona sy ny nataony

11. Taiza no nalehan’ny Israelita talohan’ny nahatongavany tao Kadesy, sy taorian’izay?

11 Misy mampiasa sarintany mba hamantarana ny toerana misy ireo tany voalazan’ny Baiboly. Mety hanampy antsika hahatakatra ny fomba fisainan’ny olona koa anefa ve ny sarintany? Eritrereto, ohatra, ireo Israelita niala avy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Nijanonjanona teny an-dalana izy ireo, ary tonga tany Kadesy (na Kadesi-barnea) ihany. [9] Milaza ny Deoteronomia 1:2 fa 11 andro no nahavitany izany lalana 270 kilaometatra teo ho eo izany. Rehefa tonga tao Kadesy i Mosesy, dia naniraka lehilahy 12 hisafo ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 10:12, 33; 11:34, 35; 12:16; 13:1-3, 25, 26) Namakivaky an’i Negeba tany avaratra ireo lehilahy ireo, nety ho nandalo an’i Beri-seba sy Hebrona, ary tonga hatrany amin’ny faritra avaratra indrindran’ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 13:21-24) Voatery nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona anefa ny Israelita, satria nihaino ny tatitra ratsy nataon’ireo mpisafo tany folo lahy. (Nomery 14:1-34) Inona no ahariharin’izany momba ny finoan’izy ireo sy ny fatokisany an’i Jehovah?—Deoteronomia 1:19-33; Salamo 78:22, 32-43; Joda 5.

12. Inona no azontsika lazaina momba ny finoan’ny Israelita, ary nahoana izany no tsara hosaintsainina?

12 Eritrereto ny elanelan’ireo toerana ireo. Raha nino sy nanaraka ny torohevitr’i Josoa sy Kaleba ny Israelita, ho voatery nandeha lavitra be ve izy ireo vao tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina? Teo amin’ny 16 kilaometatra teo ho eo monja no nanasaraka an’i Kadesy sy Bera-lahai-roy, toerana nonenan’i Isaka sy Rebeka. [7] Tsy ampy 95 kilaometatra akory ny elanelan’izy io sy Beri-sheba, ilay tanàna atsimo indrindran’ny Tany Nampanantenaina. (Genesisy 24:62; 25:11; 2 Samoela 3:10) Toy ny efa teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, raha jerena ny dia nataony avy tany Ejipta nankany amin’ny Tendrombohitra Sinay, sy ireo 270 kilaometatra hatrany Kadesy. Efa eo an-tokonan’ilay Paradisa an-tany nampanantenaina koa isika. Inona àry no ianarantsika avy amin’izany? Nampifandraisin’ny apostoly Paoly tamin’izay nanjo ny Israelita izao torohevitra izao: “Aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana ao amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika koa ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.”—Hebreo 3:16–4:11.

13, 14. a) Inona no zava-nitranga nahatonga ny Gibeonita handray fanapahan-kevitra lehibe? b) Inona no mampiharihary fa te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny Gibeonita, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Hafa mihitsy anefa ny fihetsiky ny Gibeonita, izay voatantara ao amin’ny Baiboly. Natoky izy ireo fa hanatanteraka ny sitrapony Andriamanitra. Avy niampita ny Reniranon’i Jordana ny Israelita notarihin’i Josoa tamin’izay, ka tonga tao amin’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny fianakavian’i Abrahama. Tonga àry ny fotoana handringanana ny Kananita. (Deoteronomia 7:1-3) Anisan’ireo Kananita voaozona ireo koa ny Gibeonita. Nandresy an’i Jeriko sy Ay ny Israelita, ary nitoby tany Gilgala, tsy lavitra teo. Tsy te ho faty anefa ny Gibeonita, ka naniraka solontena tany amin’i Josoa, tany Gilgala. Mody nilaza izy ireo fa tsy avy tao Kanana, mba hahafahany hanao fifanekem-pihavanana tamin’ny Hebreo.

14 Hoy izy ireo: “Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Josoa 9:3-9) Toa nanamarina izany tokoa ny akanjony sy ny sakafony, nefa 30 kilaometatra monja avy teo Gilgala no nisy an’i Gibeona. [19] Nino azy ireo i Josoa sy ny lohan’ny fiangonana, ka nanao fifanekem-pihavanana tamin’i Gibeona sy ny tanàna teo akaikiny. Mba tsy hahafaty azy fotsiny ve no nanaovan’ny Gibeonita an’io tetika io? Tsy izany mihitsy, fa te hahazo sitraka tamin’ny Andriamanitry ny Israely izy ireo. Neken’i Jehovah ny hahatongavan’izy ireo ho “mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah”, izany hoe nanome ny kitay hampiasaina teo amin’ny alitara fanaovana fanatitra. (Josoa 9:11-27) Vonona hatrany ny Gibeonita hanao asa noheverina ho ambany, nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Azo inoana fa nisy tamin’izy ireo anisan’ny Netinima niverina avy tany Babylona, sy nanompo tao amin’ny tempoly voaorina indray. (Ezra 2:1, 2, 43-54; 8:20) Manahaka azy ireo isika, raha miezaka ny hihavana hatrany amin’Andriamanitra sy vonona hanao izay asa heverina ho ambany, mifandray amin’ny fanompoana azy.

Nahafoy tena izy ireo

15. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny mombamomba an’ireo tany resahin’ny Soratra Grika Kristianina?

15 Miresaka ny amin’ny tany sasantsasany koa ny Soratra Grika Kristianina. Hita izany, ohatra, ao amin’ireo tantara momba ny dia sy fanompoana nataon’i Jesosy sy ny apostoly Paoly. (Marka 1:38; 7:24, 31; 10:1; Lioka 8:1; 13:22; 2 Korintianina 11:25, 26) Alao sary an-tsaina ny dia nataon’izy ireo ao amin’ireto tantara ireto.

16. Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina tany Beria fa nankasitraka an’i Paoly izy ireo?

16 Tonga tany Filipia, any Gresy ankehitriny, i Paoly tamin’ny diany misionera faharoa (tsipika volomparasy eo amin’ny sarintany). [33] Nitory izy tany, nampidirina am-ponja, nafahana, ary avy eo nankany Tesalonika. (Asan’ny Apostoly 16:6–17:1) Nampisy korontana tany anefa ny Jiosy, ka nampirisihin’ireo rahalahy ho any Beria i Paoly. Tany amin’ny 65 kilaometatra teo ho eo no nisy an’io tanàna io. Nahitam-bokatra ny fanompoan’i Paoly tany, nefa tonga indray ny Jiosy nampisavorovoro vahoaka. ‘Avy hatrany àry dia nasain’ireo rahalahy nandeha hatrany an-dranomasina i Paoly’, ary nisy ‘nanatitra azy hatrany Atena.’ (Asan’ny Apostoly 17:5-15) Araka izany, dia toa nisy olona vao niova ho Kristianina vonona handeha an-tongotra 40 kilaometatra hatrany amin’ny Ranomasina Égée. Vonona koa izy ireo handoa ny saran-dalan’ny sambo mba hanaovana dia 500 kilaometatra teo ho eo. Nety ho nampidi-doza ilay dia, nefa vonona hisetra izany ireo rahalahy mba hiarahana ela kokoa tamin’io mpitety faritany, nisolo tena an’Andriamanitra io.

17. Inona no ho azontsika kokoa rehefa fantatsika ny elanelan’i Mileto sy Efesosy?

17 Tonga tany amin’ny seranan-tsambon’i Mileto i Paoly tamin’ny diany misionera fahatelo (tsipika maitso eo amin’ny sarintany). Nampiantsoiny ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy, izay tany amin’ny 50 kilaometatra niala avy teo. Alao sary an-tsaina ireo anti-panahy nanajanona ny asa aman-draharahany mba hankanesana tany aminy. Azo inoana fa faly erỳ izy ireo teny an-dalana niresaka momba ilay fivoriana hataony miaraka amin’i Paoly. Rehefa avy nivory sy nandre an’i Paoly nivavaka ‘izy rehetra, dia nitomany mafy, ary namihina ny vozony, ka nanoroka azy tamim-pitiavana.’ “Nanatitra azy hatreny an-tsambo” ho any Jerosalema izy ireo avy eo. (Asan’ny Apostoly 20:14-38) Tsy maintsy ho be zavatra noeritreretina sy noresahina izy ireo, rehefa niverina tany Efesosy. Nandeha an-tongotra lavitra tokoa izy ireo mba hihaonana tamin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany, izay nanome fanazavana sy fampaherezana azy ireo. Tsy mampiaiky anao ve izany fankasitrahana nasehony izany? Azonao tahafina ve izany eo amin’ny fiainanao sy ny fomba fisainanao?

Fantaro ilay Tany Nampanantenaina sy ilay mbola ho avy

18. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, raha ny toerana ao amin’ny Baiboly no resahina?

18 Hita tamin’ireo ohatra teo aloha fa zava-dehibe ny hahalalana tsara ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israelita. Mitana toerana lehibe ao amin’ny Baiboly izy io. (Azontsika ianarana koa ny mombamomba ireo tanàna manodidina azy, izay resahina ao amin’ny Baiboly.) Rehefa miezaka hahalala ny Tany Nampanantenaina sy hahazo tsara kokoa ny mombamomba azy io isika, dia tokony hitadidy fa nisy zava-dehibe notakina tamin’ny Israelita, mba hidirany sy hipetrahany tao amin’io “tany tondra-dronono sy tantely” io. Tsy maintsy natahotra an’i Jehovah sy nitandrina ny didiny izy ireo.—Deoteronomia 6:1, 2; 27:3.

19. Inona ireo paradisa roa tokony hifantohantsika?

19 Misy zavatra tokony hataontsika koa ankehitriny. Tokony hatahotra an’i Jehovah sy hanaraka ny tari-dalany isika. Anisan’ny hanitatra sy hanatsara ilay paradisa ara-panahy misy eo anivon’ny fiangonana kristianina eran-tany isika, raha manao izany. Ho fantatsika bebe kokoa ny mombamomba azy io sy ny fitahiana entiny. Mbola hisy fitahiana maro kokoa miandry antsika anefa. Notarihin’i Josoa ny Israelita mba hita an’i Jordana sy ho any amin’ilay tany mahavokatra sy mahafinaritra. Matoky koa àry isika fa hiditra tsy ho ela ao amin’ilay Paradisa ara-bakiteny.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony haniry hahalala ireo tany resahin’ny Baiboly sy hahazo kokoa ny mombamomba azy ireny?

• Tsipiriany inona momba ny tany nodinihintsika tato no tena nampiana-javatra anao?

• Inona no lesona notsoahinao rehefa nianatra ny mombamomba an’ireo tany nisehoan’ny tantara sasany?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 14]

‘Jereo Ilay Tany Soa’

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah naharay ilay bokikely vaovao hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ tamin’ny fivoriambe taona 2003. Misy amin’ny fiteny 80 izy io, ary feno sarintany miloko mampiseho ireo toerana voalazan’ny Baiboly, indrindra fa ny Tany Nampanantenaina nandritra ny vanim-potoana samihafa.

Natao sora-matevina toy ny hoe [15], ny pejy misy ireo sarintany voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity. Raha manana an’io bokikely vaovao io ianao, dia manokàna fotoana hianarana tsara ny lafiny mampiavaka azy. Afaka mampitombo ny fahalalanao ny Baiboly izany, sady hanampy anao hahazo ny hevitr’izay voalaza ao.

1) Misy maribolana na efajoro ireo sarintany, mba hanazavana ny dikan’ny marika hita eo aminy [18]. 2) Misy maridrefy (maily sy kilaometatra) eo amin’ny ankamaroan’ireo sarintany, mba hamantarana ny velaran’ireo tany na ny elanelany [26]. 3) Misy telozoro kely manondro ny avaratra eo amin’ny ankamaroan’ny sisin’ireo sarintany [19]. 4) Miloko ireo sarintany matetika, mba hanasongadinana ny haavony [12]. 5) Misy litera sy tarehimarika amin’ny sisin’ny sarintany sasany. Ny fihaonan’izy ireo no manampy anao hahita ireo tanàna na ny anarany [23]. 6) Ho hitanao ao amin’ireo pejy roa fanondroana sarintany [34-35] ny pejy misy ny anaran’ilay tany (tarehimarika natao sora-matevina), sy ny toerana misy azy, toy ny hoe E2. Ho gaga ianao rehefa avy mampiasa ireo rehetra ireo matetitetika, satria hitombo ny fahalalanao ny Baiboly, ary ho azonao kokoa izay vakinao.

[Tabilao/Sarintany, pejy 16, 17]

KISARIN’IREO TOERANA VOAJANAHARY

(Jereo ny gazety)

A. Morontsiraky ny Ranomasina Lehibe

B. Lemaka Andrefan’i Jordana

1. Lemak’i Asera

2. Faritr’i Dora, Lavalava Manaraka ny Morontsiraka

3. Kijanan’i Sarôna

4. Lemak’i Filistia

5. Lohasaha Afovoany Hatrany Atsinanana ka Hatrany Andrefana

a. Lemak’i Megido

b. Lemaka Ivan’i Jezirela

D. Tendrombohitra Andrefan’i Jordana

1. Havoanan’i Galilia

2. Havoanan’i Karmela

3. Havoanan’i Samaria

4. Sefela (havoana ivaiva)

5. Havoanan’i Joda

6. Efitr’i Joda

7. Negeba

8. Efitr’i Parana

E. Araba (Lohasaha Mitsefaka)

1. Debok’i Hola

2. Faritry ny Ranomasin’i Galilia

3. Lohasahan’i Jordana

4. Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty)

5. Araba (atsimon’ny Ranomasin-tsira)

F. Tendrombohitra/Havoana Marin-tampona Atsinanan’i Jordana

1. Basana

2. Gileada

3. Amona sy Moaba

4. Tendrombohitra Lembalemban’i Edoma

G. Tendrombohitra Libanona

[Sarintany]

T. Hermona

Moria

Abela-mehola

Sokota

Jogbeha

Betela

Gilgala

Gibeona

Jerosalema

Hebrona

Gaza

Beri-sheba

Sodoma?

Kadesy

[Sarintany/Sary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

KANANA

Megido

GILEADA

Dotana

Sekema

Betela (Lozy)

Ay

Jerosalema (Salema)

Betlehema (Efrata)

Mamre

Hebrona (Makpela)

Gerara

Beri-sheba

Sodoma?

NEGEBA

Rehobota?

[Tendrombohitra]

Moria

[Ranomasina/Farihy]

Ranomasin-tsira

[Renirano]

Jordana

[Sary]

Namakivaky ilay tany i Abrahama

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

Troasy

SAMOTRAKIA

Neapolia

Filipy

Amfipolia

Tesalonika

Beria

Atena

Korinto

Efesosy

Mileto

RODO