Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Misy Tsy Mivadika Hatramin’izao

Mbola Misy Tsy Mivadika Hatramin’izao

Mbola Misy Tsy Mivadika Hatramin’izao

Misy tanàna kely atao hoe Wisła, atỳ amin’ny faritra atsimon’i Polonina, akaikin’ny sisin-tany iombonany amin’i Slovakia sy ny Repoblika Tseky. Mety ho mbola tsy nandre momba an’i Wisła mihitsy ianao, nefa manana tantara izay azo inoana fa hahaliana ny tena Kristianina izy io. Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny zotom-po amin’ny fanompoana azy no mampiavaka ilay tantara. Fa nahoana?

FARITRA kanto sy be tendrombohitra no misy an’i Wisła, ary tena mahafinaritra ny mijery azy. Misy sakelidrano maromaro haingam-pandeha mivarina ao amin’ny Reniranon’i Vistula, izay miolikolika mamakivaky tendrombohitra sy lohasaha be ala. Sariaka ny mponin’i Wisła, ary miavaka ny toetrandro, ka maro be ny olona tonga mitsabo tena sy manao vakansy eto, amin’ny vanin-taona mafana sy amin’ny ririnina.

Tany amin’ireo taona 1590 angamba no niorina ny tanàna kelin’i Wisła. Nisy fanatsofana hazo natsangana teto, ka tsy ela dia tonga nanorim-ponenana teny amin’ireo tendrombohitra ngazana ny olona, ary namboly sy niompy omby aman’ondry. Nisy fanavaozana ara-pivavahana nataon’i Martin Luther anefa tamin’izany. Tsy ela dia nanaiky azy io ireo olona tso-po ireo. Lasa “fivavaham-panjakana” àry ny Fivavahana Loteranina, tamin’ny 1545, hoy i Andrzej Otczyk, mpikaroka. Nisy fiovana lehibe anefa taorian’izay, noho ny Ady Telopolo Taona sy ny Fihetsiketsehana Fanoherana ny Fanavaozana. Hoy ihany i Otczyk: “Nakatona daholo ny trano fiangonan’ny Protestanta, tamin’ny 1654, tsy navela hanao fotoam-pivavahana izy ireo, ary nalain’ny fanjakana ireo Baiboliny sy bokiny ara-pivavahana.” Mbola nanaraka ny Fivavahana Loteranina ihany anefa ny ankamaroan’ny mponina.

Voan’ny fahamarinana voalohany

Soa ihany fa nisy fanavaozana ara-pivavahana lehibe kokoa taoriana kelin’izay. Nisy Mpianatra ny Baiboly roa lahy be zotom-po, na Vavolombelon’i Jehovah, namafy ny voan’ny fahamarinana voalohany teto, tamin’ny 1928. Tonga teto koa i Jan Gomola, herintaona tatỳ aoriana, nitondra grafofaonina ary nandefa diska nisy lahateny ara-baiboly. Nifindra teo amin’ny lohasaha teto akaiky izy avy eo, ary nahita olona iray nihaino tsara. Tsy iza izany fa i Andrzej Raszka, lehilahy fonentana, mponina an-tendrombohitra. Nohamarininy tao amin’ny Baiboliny avy hatrany izay voalazan’ireo lahateny nalefa tamin’ny grafofaonina. Hoy izy avy eo: “Ela ny ela, rahalahy, ka nahita ny fahamarinana ihany aho! Efa tamin’izaho nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe I ange no nitady azy ity e!”

Tena nafana fo i Raszka ka nentiny tany amin’i Jerzy sy Andrzej Pilch namany i Gomola. Nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana koa izy ireo. Nanampy ireo lehilahy ireo handalina ny Baiboly i Andrzej Tyrna, izay nianatra ny fahamarinana tany Frantsa. Tsy ela dia natao batisa izy mirahalahy. Nisy rahalahy tetỳ amin’ny manodidina tonga nanampy ireo Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy teto, nandritra ireo taona 1930. Tena tsara ny vokatra azo.

Nahavariana fa lasa maro be ny olona liana. Zatra namaky Baiboly tao an-tranony ny fianakaviana loteranina teto Wisła. Maro àry no nahay nanavaka ny marina sy ny diso, rehefa nahita porofo ara-baiboly momba ny afobe sy ny Andriamanitra telo izay iray. Betsaka ny fianakaviana tapa-kevitra fa hiala tamin’ny fampianaran-diso. Nandroso be àry ny fiangonana teto Wisła, ka nahatratra 140 teo ho eo ny mpikambana tamin’ny 1939. Nahagaga anefa fa tsy vita batisa ny ankamaroan’ireo olon-dehibe. Hoy i Helena, anisan’ireo Vavolombelona voalohany ireo: “Tsy nidika akory izany fa tsy tena niandany tamin’i Jehovah ireo mpitory tsy vita batisa ireo, satria tsy nivadika izy ireny rehefa notsapaina ny finoany tatỳ aoriana kely.”

Ahoana kosa ny amin’ireo ankizy? Tsapan’izy ireo fa nahita ny fahamarinana ny ray aman-dreniny. Nitantara toy izao i Franciszek Branc: “Rehefa fantatr’i Dada fa nahita ny fahamarinana izy, dia nalentiny tsikelikely tao an-tsainay sy ny zokiko lahy izy io. Valo sy folo taona izahay tamin’izany. Fanontaniana tsotra toy izao no napetrak’i Dada taminay: ‘Iza moa Andriamanitra, ary iza no anarany? Inona no fantatrareo momba an’i Jesosy Kristy?’ Nasainy nosoratana ny valin-teninay sady noporofoina tamin’ny alalan’ny andinin-teny.” Hoy koa ny Vavolombelona iray hafa: “Nenjehina sy nokapohina aho tany am-pianarana. Nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana mantsy ny ray aman-dreniko ka niala tamin’ny Fiangonana Loteranina tamin’ny 1940. Velom-pankasitrahana azy ireo aho satria nalentiny tao an-tsaiko ny toro lalan’ny Baiboly. Izany no tena nanampy ahy hiatrika ireny fotoan-tsarotra ireny.”

Fitsapam-pinoana

Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II, ka nibodo ny faritra nisy anay ny Nazia, dia tapa-kevitra ny handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nampirisihina aloha ny olon-dehibe, indrindra fa ny raim-pianakaviana, hanao sonia taratasy nilaza fa Alemà izy. Hahazo tombontsoa sasantsasany izy raha nanao izany. Tsy nanaiky hiandany tamin’ny Nazia anefa ny Vavolombelona. Tsy maintsy nanao izao safidy izao àry ny rahalahy, sy ny olona liana maro tokony hanao raharaha miaramila: Na hiditra tao amin’ny tafika izy ireo, na tsy hiditra ka ho voasazy mafy. Hoy i Andrzej Szalbot, izay nosamborin’ny Gestapo tamin’ny 1943: “Izay tsy nety nanao raharaha miaramila dia nalefa tany amin’ny toby fitanana, matetika tany Auschwitz. Mbola tsy vita batisa aho tamin’izay, nefa fantatro ny toky nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28, 29. Fantatro àry fa raha maty noho ny finoako an’i Jehovah aho, dia hainy ny hanangana ahy.”

Rahalahy 17 avy teto Wisła no nosamborin’ny Nazia, tany am-piandohan’ny 1942. Maty tany Auschwitz ny 15 tamin’izy ireo, tao anatin’ny telo volana. Inona no vokatr’izany teo amin’ireo Vavolombelona sisa teto Wisła? Tsy nampiala azy ireo tamin’ny finoany izany, fa vao mainka nandrisika azy hifikitra tanteraka tamin’i Jehovah! Nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory, nandritra ny enim-bolana nanaraka. Mbola nisy hafa koa voasambotra, tsy ela taorian’izay. Rahalahy sy olona liana ary ankizy 83 tamin’ny fitambarany, no nijaly nandritra ny fitondran’i Hitler. Telo amby dimampolo tamin’izy ireo no nalefa tany amin’ny toby fitanana (matetika tany Auschwitz), na tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, tany Alemaina sy Bohême ary teto Polonina. Nitrandraka harena an-kibon’ny tany sy nihady vato izy ireo tamin’izany.

Tsy nivadika

Nanandrana naka fanahy an’ireo Vavolombelona ny Nazia, tany Auschwitz. Izao, ohatra, no nampanantenain’ny mpiambina SS tamin’ny rahalahy iray: “Halefanay hody avy hatrany ianao, raha manao sonia taratasy milaza fa tsy ho Mpianatra ny Baiboly intsony.” Naverina taminy imbetsaka izany, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy. Nokapohina àry izy, nesoina ary nampanaovina asa an-terivozona tany Auschwitz sy Mittelbau-Dora, any Alemaina. Saika maty io rahalahy io taloha kelin’ny nanafahan’ny Tafika Mpiray Dina azy, satria voadaroka baomba ilay toby nisy azy.

Nilaza toy izao i Paweł Szalbot, Vavolombelona nodimandry vao haingana, indray mandeha: “Nandritra ireo famotorana, dia nanontany ahy matetika ny Gestapo hoe nahoana aho no tsy nety niditra tao amin’ny tafika alemà sy nanao ny fiarahaban’ny Nazia an’i Hitler.” Rehefa avy nanazava ny antony ara-baiboly izy, dia nosazina hiasa tao amin’ny orinasa fanamboarana fitaovam-piadiana. Hoy anefa izy: “Mazava ho azy fa tsy namela ahy hanao io asa io ny feon’ny fieritreretako. Nalefan’izy ireo tany amin’ny toerana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany àry aho.” Tsy nivadika mihitsy anefa io rahalahy io.

Nandefa sakafo ho an’ireo voafonja tany Auschwitz ireo vehivavy sy ankizy tsy nigadra. Hoy ny rahalahy iray, mbola tanora tamin’izany: “Naka voaroihazo tany anaty ala izahay, nandritra ny vanim-potoana nafana, ary natakalonay varimbazaha izany. Nanaovan’ireo anabavy mofo ilay izy, ary natsobony tao anaty menaka. Nalefanay tsikelikely tany amin’ireo mpiray finoana taminay nigadra izany mofo izany.”

Nahatratra 53 ny Vavolombelona efa lehibe avy teto Wisła, nalefa tany amin’ny toby fitanana ary nasaina nanao asa an-terivozona. Maty ny valo amby telopolo tamin’izy ireo.

Nenjehina koa ny tanora

Nampijalin’ny Nazia koa ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy niara-nalefa tamin’ny reniny tany amin’ny toby vonjimaika tany Bohême. Ny hafa kosa nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny ary nalefa tany amin’ny tobin’ny ankizy tany Lodz, izay nalaza ratsy.

Hoy ny telo tamin’ireny ankizy ireny: ‘Ny folo taminay aloha (dimy ka hatramin’ny sivy taona) no nentin’ny Alemà nankany Lodz. Nivavaka sy niresaka foto-kevitra ara-baiboly izahay mba hifampaherezana. Tsy mora ny niaritra tamin’izany.’ Nody tany aminy ireo ankizy rehetra ireo tamin’ny 1945. Tafavoaka velona izy ireo saingy nahia kely sy mbola nitebiteby ihany. Tsy nisy na inona na inona afaka nampiala azy ireo tamin’i Jehovah kosa anefa.

Inona no nitranga avy eo?

Mbola natanjaka hatrany ny finoan’ny Vavolombelona teto Wisła, rehefa nadiva hifarana ny Ady Lehibe II. Vonona koa izy ireo hanohy indray ny asa fitoriana tamin-jotom-po. Nisy rahalahy vitsivitsy tonga hatrany amin’ny 40 kilaometatra avy eto Wisła, nitory sy nizara boky aman-gazety ara-baiboly. Hoy i Jan Krzok: “Vetivety dia nisy fiangonana telo narisika teto an-tanànanay.” Tsy naharitra anefa ny fahalalahana ara-pivavahana.

Nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Polonina ny fitondrana kominista, izay nandimby ny Nazia, tamin’ny 1950. Tsy maintsy nahay namoron-kevitra àry ireo rahalahy mba hanaovany ny fanompoany. Indraindray izy ireo dia mody nividy biby fiompy na vary tany an-tranon’olona, nefa ny hitsidika azy ireny no anton-diany. Matetika no natao tamin’ny alina ireo fivoriana, ary nozarazaraina mba ho vitsivitsy ny mpanatrika. Mbola voasambotry ny mpitandro filaminana ihany anefa ny maro tamin’ireo mpanompon’i Jehovah. Nampangaina ho niasa ho an’ny sampam-pitsikilovana vahiny izy ireo. Tsy marina mihitsy anefa izany. Nisy manam-pahefana naneso sady nandrahona toy izao an’i Paweł Pilch: “Tsy naharava ny tsy fivadihanao i Hitler fa ho vitanay izany.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy, na dia nogadraina nandritra ny dimy taona aza. Noroahina tany am-pianarana na tany am-piasana ny tanora Vavolombelona vitsivitsy, rehefa tsy nety hanao sonia antontan-taratasy ara-politika.

Nanohana azy ireo hatrany i Jehovah

Niova ny toe-draharaha ara-politika tamin’ny 1989, ka nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah teto Polonina. Nanafaingana ny asany ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika teto Wisła. Nanaporofo izany ny isan’ny mpisava lalana, na mpanompo manontolo andro. Rahalahy sy anabavy 100 teo ho eo mantsy no nanao io asa io. Tsy mahagaga àry raha nomena anaram-bosotra hoe Orinasa Mpamokatra Mpisava Lalana i Wisła.

Miresaka toy izao momba ny fanohanan’Andriamanitra ny mpanompony tamin’ny lasa ny Baiboly: ‘Raha tsy Jehovah no nomba antsika, raha nitsangana hamely antsika ny olona, dia nitelina antsika velona izy.’ (Salamo 124:2, 3) Tsy miraika sy maloto fitondran-tena ny ankamaroan’ny olona eto Wisła ankehitriny. Miezaka mafy anefa ny mpanompon’i Jehovah eto mba tsy hivadika hatrany, ary mandray fitahiana be dia be izy ireo. Afaka manamarina izao tenin’ny apostoly Paoly izao ireo taranaka Vavolombelona nifandimby teto: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika?”—Romanina 8:31.

[Sary, pejy 26]

Niara-nalefa tamin’i Helena sy Emelia ary Jan zanany, tany amin’ny toby vonjimaika tany Bohême, i Emilia Krzok

[Sary, pejy 26]

Nalefa tany amin’ny toerana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany i Paweł Szalbot, rehefa tsy nety nanao raharaha miaramila

[Sary, pejy 27]

Nandroso hatrany ny asa teto Wisła, na dia nisy maty aza ny rahalahy nalefa tany Auschwitz

[Sary, pejy 28]

Nentina tany amin’ny tobin’ny ankizy tany Lodz i Paweł Pilch sy Jan Polok

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Voaroihazo sy voninkazo: © R.M. Kosinscy / www.kosinscy.pl