Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mety Afa-po Mihitsy

Tsy Mety Afa-po Mihitsy

Tsy Mety Afa-po Mihitsy

“Hisy zavatra tsy ampy foana, raha tsy mety afa-po mihitsy isika.”—Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao.

“INONA no tiantsika ho azo? Ny zava-drehetra. Rahoviana no ilantsika izany? Izao dia izao.” Izany no teny filamatra teo amin’ny mpianatra sasany teny amin’ny oniversite nandritra ireo taona 1960. Tsy fandre intsony angamba ireo teny ireo ankehitriny, nefa mbola marina foana. Toa tsy mety afa-po mihitsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao androntsika izao.

Lasa loha laharana eo amin’ny fiainan’ny olona maro, ny fikatsahana vola aman-karena. Nilaza toy izao i Jimmy Carter, prezidà amerikanina taloha: “Tsy ny zava-bitany intsony no mampiavaka ny olona, fa ny zavatra ananany.” Misy zava-dehibe kokoa noho ny harena ve? Raha misy, inona izany, ary inona no soa ho azontsika avy amin’izany?