Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Aiza no hisy ny demonia mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy?

Tsy milaza mivantana ny valiny ny Baiboly. Azontsika atao anefa ny mamantatra ny toerana hisy ny demonia mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.

Nahazo fahitana ny amin’izay hitranga eo am-piandohana sy eo am-pifaranan’io Fanjakana Arivo Taona io ny apostoly Jaona. Hoy izy: “Hitako fa nisy anjely nidina avy tany an-danitra, ary ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe no teny an-tanany. Ary nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian’izany, dia tsy maintsy hovahana vetivety izy.” (Apokalypsy 20:1-3) Natsipy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana ary novahana vetivety tamin’ny farany. Izay ihany no voaresaka eo, fa tsy voalaza eo ny amin’ny demonia. Toa azo heverina anefa izao: Rehefa hisambotra ny Devoly ilay anjely manana ny fanalahidin’ny lavaka mangitsokitsoka ka hanipy azy ao, dia hataony toy izany koa ny demonia. I Jesosy Kristy nomem-boninahitra io anjely io.—Apokalypsy 9:11.

Rehefa lasa Mpanjaka tany an-danitra izy tamin’ny 1914, dia nanao zavatra tena nisy vokany lehibe teo amin’i Satana sy ny demonia. Hoy ny Apokalypsy 12:7-9: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny [ny demonia] nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” Voatana etỳ amin’ny manodidina ny tany àry i Satana sy ny demoniany, nanomboka tamin’izay. Ara-dalàna ny inoantsika fa rehefa hataon’i Jesosy Kristy tsy ho afaka hanao na inona na inona i Satana, dia hataony toy izany koa ireo demonia. Ny hanaisotra amin’ny tany ny hery ratsin’io anjely io no tanjony amin’izany.

Diniho koa ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly hoe: “Hampifandrafesiko [Andriamanitra] hianao [Satana] sy ny vehivavy [fandaminan’i Jehovah any an-danitra] ary ny taranakao [ny an’i Satana] sy ny taranany [Jesosy Kristy]: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Anisan’ny fanorotoroana ny lohan’ilay menarana, ny fitanana an’i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Milaza koa ilay faminaniana fa hifandrafy ilay Mpanorotoro sy ny taranak’i Satana. Ireo anjely ratsy fanahy, na demonia, no ampahany tsy hita maso amin’io taranaka, na fandaminana io. Azo atao àry ny milaza fa rehefa hanipy an’i Satana ao amin’ilay lavaka i Jesosy, dia hofatorany sy hatsipiny ao koa ireo demonia. Matoa ireo fanahy ratsy natahotra mafy an’io lavaka io, dia fantany fa hogadraina ao izy ireo.—Lioka 8:31.

Azo eritreretina ve anefa hoe tsy miresaka momba ny demonia ny Apokalypsy 20:1-3, satria ho ringana amin’ny Hara-magedona miaraka amin’ny ampahany hita maso amin’ny taranak’i Satana izy ireo? Asehon’ny Baiboly fa tsy azo inoana izany. Izao mantsy no voalaza momba ny hiafaran’i Satana: “Ny Devoly izay namitaka azy dia natsipy mafy tao amin’ny farihy afo sy solifara, izay efa nisy an’ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka. Ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo.” (Apokalypsy 20:10) Fandaminana ara-politika ny bibidia sy ny mpaminany sandoka, ary anisan’ny fandaminana hita mason’i Satana. (Apokalypsy 13:1, 2, 11-14; 16:13, 14) Ho ringana amin’ny Hara-magedona izy ireo, rehefa hanorotoro sy hanafoana ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Miresaka ny amin’ny “afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny” ny Baiboly. (Matio 25:41) Hatsipy ao amin’ilay “farihy afo sy solifara” hisy ilay bibidia sy ny mpaminany sandoka i Satana sy ny demoniany, ka ho ringana mandrakizay koa. Ampahany tsy hita maso sy mahery kokoa amin’ny taranak’i Satana ny demonia. Raha ho ringana amin’ny Hara-magedona izy ireo, dia tsy maintsy ho nolazaina hoe efa ao amin’ilay farihy an’ohatra miaraka amin’ny bibidia sy ny mpaminany sandoka. Tsy ho ringana amin’ny Hara-magedona àry ny demonia matoa tsy miresaka momba azy ireo ny Apokalypsy 20:10.

Tsy resahina mivantana hoe hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny demonia, ka tsy voalaza koa hoe hafahana avy ao izy ireo. Hitovy ihany anefa ny hiafaran’izy ireo sy ny Devoly. Hiara-ovahana amin’ny Devoly izy ireo amin’ny faran’ny arivo taona, ary hiara-miasa aminy hitsapa farany ny olombelona. Hatsipy ao amin’ny farihy afo koa izy ireo aorian’izay, ka ho ringana mandrakizay.—Apokalypsy 20:7-9.

Marina fa tsy miresaka afa-tsy ny fisamborana sy ny fanipazana an’i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Apokalypsy 20:1-3. Ara-dalàna anefa ny hiheverantsika fa hafatotra sy hatsipy ao amin’ilay lavaka koa ny demonia, anjelin’i Satana. Na i Satana na ireo demoniany dia tsy hisy havelan’Andriamanitra hanakantsakana ny fikasany hanova ny tany ho paradisa, sy hamerina ny olombelona ho lavorary, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.