Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Irinao ve ny Hiaina Mandrakizay?

Irinao ve ny Hiaina Mandrakizay?

Irinao ve ny Hiaina Mandrakizay?

“TSY matahotra ny ho faty aho”, hoy ny ramatoa be iray tany Japon tamin’ilay mpitory nitsidika azy. “Fa ny handao ireto voninkazo ireto no mampalahelo ahy.” Nazava tamin’ilay mpitory ny antony nitenenany izany, satria tsara tarehy tokoa ny zaridainan’ilay ramatoa. Maro amin’ireo milaza fa tsy matahotra ny ho faty no tena mankasitraka ny voary mahatalanjona, ka mety haniry hiaina mandrakizay mihitsy.

Hiaina mandrakizay hoe? Tsy te hieritreritra an’izany akory ny ankamaroan’ny olona. Misy milaza mihitsy aza angamba hoe tsy te hiaina mandrakizay izy ireo. Fa nahoana?

Hankaleo ve ny hiaina mandrakizay?

Misy mihevitra fa hankaleo ny hiaina mandrakizay. Mety hilaza izy ireo fa izany dia hahamonamonaina toy ny fiainan’ny olona maro efa misotro ronono, izay tsy manan-katao afa-tsy ny mijery tele. Raha mitovy hevitra amin’izany ianao, dia eritrereto ny tenin’ilay astronoma atao hoe Robert Jastrow, rehefa nanontaniana izy raha hahafinaritra na hampahory ny fiainana mandrakizay. Hoy izy: “Hahafinaritra izany ho an’ny olona tia karokaroka sy maniry hiana-javatra foana. Tena hampahery azy ireo ny hahalala fa afaka hiana-javatra foana izy, mandritra ny mandrakizay. Faran’izay hampahory kosa izany ho an’ireo tery saina, izay mihevitra fa efa hainy daholo ny zava-drehetra. Tsy ho hitany mantsy izay handaniana ny fotoanany.”

Miankina betsaka amin’ny toe-tsainao no hahatonga anao hihevitra fa hankaleo ny fiainana mandrakizay, na tsia. Raha “tia karokaroka sy maniry hiana-javatra foana” ianao, dia eritrereto izay ho vitanao eo amin’ny sehatry ny zavakanto, mozika, fanorenana trano, fikarakarana zaridaina, na zavatra hafa mahasoa sy mahaliana anao. Afaka hiana-javatra maro be mahaliana anao ianao, raha velona mandrakizay eto an-tany.

Tena hahafinaritra koa ny hiaina mandrakizay, satria afaka haneho fitiavana sy hahatsapa izany mandrakizay isika. Noforonina hahay hitia isika, ary sambatra erỳ rehefa mahatsapa fa tiana. Mitondra fahafaham-po lalina ny tena fifankatiavana, ary tsy ho lefy izany na dia mandeha aza ny fotoana. Raha velona mandrakizay isika, dia afaka ny ho tia bebe kokoa ny mpiara-belona amintsika, ary indrindra fa Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Raha misy tia an’Andriamanitra, dia fantatr’Andriamanitra izy.’ (1 Korintianina 8:3) Hahafinaritra tokoa izany hoe hahafantatra ny Mpanjakan’izao rehetra izao izany, sady ho fantany! Hisy zavatra azo ianarana foana koa momba ilay Mpamorona antsika be fitiavana. Koa ahoana moa no ilazana fa hankaleo sy tsy hahafa-po ny fiainana mandrakizay?

Ny hafohin’ny fiainana ve no mahasarobidy azy?

Misy milaza fa ny hafohin’ny fiainana no tena mahasarobidy azy. Mety hampitaha ny aina amin’ny volamena tsy fahita firy izy ireo. Hihena, hono, ny hasarobidin’ny volamena, raha hita hatraiza hatraiza izy io. Na izany aza anefa, dia ho tsara foana ny volamena, ary azo antoka fa toy izany ny fiainana.

Azo ampitahaina amin’ny fisian’ny rivotra be dia be ny fiainana mandrakizay. Aoka hatao hoe misy mpanao antsitrika voafandrika anaty ranomasina, ka tsy tafakatra intsony. Tsy ho tena sarobidy aminy ve ny rivotra? Hihevitra ve ianao fa himenomenona sy tsy hankasitraka izy rehefa voavonjy, satria hoe lasa be dia be indray ny rivotra? Mazava ho azy fa tsia!

Tsy misy hafa amin’io mpanao antsitrika io isika. Voavonjy koa isika, ary afaka ny hiaina mandrakizay mihitsy aza. Hoy ny apostoly Paoly: “Fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Noho ny vidim-panavotan’i Jesosy, dia hanaisotra ny tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana Andriamanitra, ary hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olona mankatò. Tena tokony hahavelom-pankasitrahana antsika tokoa izany fanehoam-pitiavana izany!

Ahoana ny amin’ireo havantsika nodimandry?

Mety hisy hilaza hoe: ‘Ahoana ny amin’ireo havako nodimandry? Tsy misy dikany amiko ny fiainana mandrakizay, raha tsy miaraka amiko izy ireo.’ Mianatra ny Baiboly angamba ianao, ary efa mahalala fa azo atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. (Lioka 23:43; Jaona 3:16; 17:3) Ara-dalàna raha tianao hiara-paly aminao ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina ampanantenain’Andriamanitra koa ny fianakavianao, sy ny havanao, ary ny namana tsy foinao.—2 Petera 3:13.

Ahoana anefa raha tsy te hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa izy ireo? Aza kivy! Tohizo foana ny fianaranao ny Soratra Masina, ary ampiharo izay ianaranao. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy fantatrao ange ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao e! Ary tsy fantatrao ange ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao e!” (1 Korintianina 7:16) Mety hiova ny olona. Nanohitra ny Kristianisma, ohatra, ny lehilahy iray, nefa niova izy ary lasa anti-panahin’ny fiangonana. Hoy izy: “Faly be aho fa nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana ny vady aman-janako, na dia nanohitra aza aho.”

Tena sarobidy amin’Andriamanitra ny ainao sy ny an’ny havanao. ‘Tsy irin’i Jehovah hisy ho ringana mihitsy, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2 Petera 3:9) Tian’i Jehovah Andriamanitra hiaina mandrakizay ianao sy ny havanao. Lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona tsy lavorary ny fitiavany. (Isaia 49:15) Koa nahoana raha miezaka hifandray tsara aminy? Ho afaka hanampy ny havanao hanao toy izany koa ianao avy eo. Na dia tsy manantena ny hiaina mandrakizay aza izy ireo izao, dia mety hiova rehefa mahita fa mampihatra ny fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly ianao.

Ary ahoana ny amin’ireo hava-malalanao efa nodimandry? Mirakitra fampanantenana mahatalanjona ho an’ireo olona an-tapitrisany efa maty ny Baiboly. Tsy inona izany fa ny fitsanganana amin’ny maty, izany hoe hovelomina indray ny maty, ka hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Nampanantena i Jesosy Kristy hoe: ‘Ho avy ny fotoana hivoahan’izay rehetra any am-pasana.’ (Jaona 5:28, 29) Hovelomina indray na dia ireo tsy nahalala an’Andriamanitra aza, satria hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Azo antoka fa hahafinaritra erỳ ny hihaona indray amin’ireo olona hatsangana amin’ny maty ireo!

Hahafaly ny hiaina mandrakizay

Azo antoka fa hahafinaritra anao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa, raha mahatsiaro sambatra sy afa-po ihany ianao ankehitriny, na dia misy aza ny olana. Rehefa niresaka ny soa ho azon’ireo ho velona mandrakizay anefa ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah, dia namaly ny ramatoa iray hoe: “Tsy te ho velona mandrakizay aho. Ampy ahy ny miaina 70 na 80 taona.” Nanontany azy àry ny anti-panahy iray teo hoe: “Efa mba noeritreretinao ve izay ho tsapan’ny zanakao raha sanatria maty ianao?” Nirotsaka ny ranomason’ilay ramatoa, rehefa nieritreritra ny alahelo ho tsapan’izy ireo. Niaiky izy hoe: “Tamin’izay vao tsapako fa tena tia tena aho. Hay tsy mahakasika ny tenanao ihany akory ny fanantenana fiainana mandrakizay, fa mahakasika ny olon-kafa ifaneraseranao koa.”

Misy mihevitra fa tsy misy miraharaha izy na maty na velona. Zava-dehibe amin’ilay Mpanome aina antsika anefa izany. Hoy izy: “Raha velona koa Aho ... dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy.” (Ezekiela 33:11) Koa satria zava-dehibe amin’Andriamanitra na dia ny ain’ny ratsy fanahy aza, dia azo antoka fa miahy lalina an’ireo tia azy izy.

Natoky i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny, fa tia sy niahy azy i Jehovah. Hoy izy: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10) Azo inoana fa natoky i Davida hoe tia azy ny ray aman-dreniny. Kanefa, na dia handao azy aza ireo olona akaiky azy indrindra ireo, dia fantany fa tsy hahafoy azy Andriamanitra. Manolotra antsika ny fiainana mandrakizay sy manasa antsika ho tonga namany foana i Jehovah, satria tia sy miahy antsika. (Jakoba 2:23) Tsy tokony hanaiky sy hankasitraka izany fanomezana faran’izay tsara izany ve isika?

[Sary, pejy 7]

Hahatonga ny fiainana mandrakizay hahafinaritra ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona