Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava An’i Jehovah, Ilay Mpandinika ny Fo

Mitadiava An’i Jehovah, Ilay Mpandinika ny Fo

Mitadiava An’i Jehovah, Ilay Mpandinika ny Fo

“Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo.”—AMOSA 5:4.

1, 2. Inona no dikan’ny hoe “mijery ny fo” i Jehovah?

HOY i Jehovah Andriamanitra tamin’i Samoela mpaminany: “Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Inona no dikan’ny hoe “mijery ny fo” i Jehovah?

2 Manondro ny maha-izy ny olona iray matetika, ny teny hoe fo ao amin’ny Soratra Masina. Voafaoka amin’izany ny faniriany, ny eritreriny, ny fihetseham-pony ary ny zavatra tiany. Rehefa milaza àry ny Baiboly hoe mijery ny fo Andriamanitra, dia midika izany fa ny maha-izy an’ilay olona no ifantohany, fa tsy ny bika aman’endriny.

Nandinika ny Israelita Andriamanitra

3, 4. Inona no lazain’ny Amosa 6:4-6 momba ny toe-piainana tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely?

3 Inona no hitan’ilay Mpandinika ny fo rehefa nijery ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely izy, tamin’ny andron’i Amosa? Milaza ny Amosa 6:4-6 fa nisy olona ‘nandriandry tao amin’ny farafara ivoriny sy nitsilailay teo amin’ny fandriandriany. Nihinana ny zanak’ondry avy tamin’ny andian’ny ondry sy ny zanak’omby avy tao am-pahitra’ izy ireo. ‘Namorona zava-maneno’ koa izy ireo, ary ‘nisotro divay tamin’ny lovia famafazana.’

4 Toa nahafinaritra erỳ ny nahita ny fiainan’izy ireo. Nisotro sy nihinana hanim-py ny mpanankarena, sady norotsirotsin’ny zavamaneno faran’izay tsara. Nisy izay nilaina rehetra tao an-tranony, ary nanana ‘farafara ivoara’ izy ireo. Nahita ivoara tsara sokitra ny arkeology tany Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely. (1 Mpanjaka 10:22) Angamba niraikitra tamin’ny fanaka ny ankamaroan’izy ireny, na nipetaka tamin’ny rindrina.

5. Inona no tsy tian’Andriamanitra tamin’ireo Israelita, tamin’ny andron’i Amosa?

5 Tsy tian’i Jehovah Andriamanitra ve ny nananan’ny Israelita fiainana niadana, nihinanany sakafo matsiro, nisotroany divay tsara, ary nihainoany mozika mahafinaritra? Tsy izany mihitsy! Manome be dia be amin’ireo zavatra ireo mihitsy aza i Jehovah, mba hifalian’ny olona. (1 Timoty 6:17) Ny tsy tian’Andriamanitra kosa dia ny faniriana sy ny toe-po ratsin’ilay vahoaka, ny tsy fanajany azy, ary ny tsy fitiavany ny Israelita namany.

6. Nanao ahoana ny Israelita teo amin’ny lafiny ara-panahy, tamin’ny andron’i Amosa?

6 Hisy zavatra tsy ampoizina hanjo an’ireo ‘nitsilailay teo amin’ny fandriandriany, nihinana zanak’ondry avy tamin’ny andian’ny ondry, nisotro divay, ary namorona zava-maneno.’ Nolazaina fa “mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra” izy ireo. Tokony ho ory mafy izy ireo nahita ny toe-piainan’ny Israely, nefa “tsy onena ny fahasimban’i Josefa” akory. (Amosa 6:3-6) Nanan-karena tokoa i Josefa, na ny firenen’ny Israely, nefa hitan’Andriamanitra fa tena nahantra izy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy taitra akory anefa ny olona, fa nanohy ny asany andavanandro ihany. Maro koa ny olona toy izany ankehitriny. Mety hiaiky izy ireo fa sarotra ny fiainana, kanefa mbola tsy mieritreritra ny hanompo an’Andriamanitra ihany. Tsy miraharaha ny fahorian’ny hafa koa izy ireo, raha mbola tsy mahakasika azy izany.

Nikororosy ny firenen’ny Israely

7. Inona no nitranga tamin’ny firenen’ny Israely, noho izy ireo tsy nihaino ny fampitandreman’Andriamanitra?

7 Milaza ny bokin’i Amosa fa nikororosy ny firenen’ny Israely, na dia toa niroborobo aza ny fahitana azy. Havelan’i Jehovah ho resin’ny fahavalony izy ireo, satria tsy nihaino ny fampitandremany sy tsy nanitsy ny fisainany. Handrirotra azy ireo avy eo amin’ny fandriany ivoara tsara tarehy ny Asyrianina, ary hitaritarika azy ireo ho babo. Vita hatreo ny fiainana mampiadana!

8. Nahoana no lasa nikororosy ny fivavahan’ny Israelita?

8 Inona no nahatonga ny fiainan’ny Israelita ho toy izany? Tamin’ny 997 T.K. no nanomboka niharatsy ny toe-javatra. Nandimby an’i Solomona Mpanjaka i Rehoboama zanany lahy, ary nisaraka tamin’ny fokon’ny Joda sy Benjamina ny foko folon’ny Israely. I Jeroboama, “zanak’i Nebata” no mpanjaka voalohan’ny foko folon’ny Israely. (1 Mpanjaka 11:26) Nandresy lahatra ny vahoakany izy hoe hanahirana loatra azy ireo ny ho any Jerosalema, mba hivavaka amin’i Jehovah. Tsy tena izay hahasoa azy ireo anefa no notadiaviny. Niezaka hiaro ny tombontsoany kosa izy. (1 Mpanjaka 12:26) Natahotra izy sao ho lasan’ny fanjakan’i Joda indray ny fon’ny Israelita, raha nankany amin’ny tempolin’i Jerosalema izy ireo. Nankalaza ireo fety fanao isan-taona tany mantsy izy ireo, ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Nametraka ombilahy kely volamena tao Dana sy Betela àry i Jeroboama, mba hisorohana izany. Izany no nahatonga ny fivavahana tamin’ny ombilahy kely ho ny fivavahana be mpanaraka indrindra tao amin’ny fanjakan’ny Israely.—2 Tantara 11:13-15.

9, 10. a) Inona ireo fety ara-pivavahana nalamin’i Jeroboama I? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fety natao tany Israely, tamin’ny andron’i Jeroboama II?

9 Niezahan’i Jeroboama nampitovina tamin’ny fivavahana marina ilay fivavahana vaovao. Nandamina fety ara-pivavahana nitovitovy tamin’izay natao tany Jerosalema izy. Izao no voalazan’ny 1 Mpanjaka 12:32: “Jeroboama nanendry andro firavoravoana tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela.”

10 Tsy nankasitraka ireny fety sandoka ireny mihitsy i Jehovah. Ahitana taratra izany izay nolazainy tamin’ny alalan’i Amosa, zato taona mahery tatỳ aoriana. Mpanjakan’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely i Jeroboama II tamin’izay, tamin’ny 844 T.K. tany ho any. (Amosa 1:1) Izao no nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Amosa 5:21-24: “Halako, eny, laviko ny [fetinareo, TV ], ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina. Na dia ateranareo fanatitra odorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. Atsaharo ny finaonaonan’ny hiranareo, fa maharenina Ahy; fa tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo Aho. Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.” 

Ny mifanitsy aminy ankehitriny

11, 12. Inona no itovian’ny fivavahan’ny Israelita fahiny sy ny an’ny Kristianisma Anarana?

11 Nandinika ny fon’ireo nanao fety tany Israely i Jehovah, ka tsy nanaiky ireo fankalazana sy fanatitra nataony. Toy izany koa ankehitriny. Lavin’Andriamanitra ny fetin’ny mpanompo sampy, toy ny Krismasy sy Paka, izay ankalazain’ny Kristianisma Anarana. Mihevitra ny mpanompon’i Jehovah fa tsy misy ifandraisany mihitsy ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna, na ny mazava sy ny maizina.—2 Korintianina 6:14-16.

12 Misy zavatra hafa koa itovian’ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana sy ny fivavahan’ny Israelita tamin’ny ombilahy kely. Misy manaiky ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ihany ireo mitonona ho Kristianina. Tsy tena ny fitiavana an’Andriamanitra anefa no manosika ny Kristianina anarana hanompo azy. Raha tena tia azy mantsy izy ireo, dia ho nanamafy fa ny mivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ihany no ankasitrahan’i Jehovah. (Jaona 4:24) Tsy avelan’ny Kristianisma Anarana ‘hanalonalona toy ny rano ny fitsarana, na ho toy ny renirano tsy mety ritra ny fahamarinana.’ Tsy mitsahatra manatsatso ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena kosa izy. Milefitra amin’ny fijangajangana sy ny fahotana lehibe hafa izy, ka mitso-drano ny fanambadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy mihitsy aza!

“Tiavo ny tsara”

13. Nahoana isika no tokony hanaraka ny voalazan’ny Amosa 5:15?

13 Hoy i Jehovah amin’izay rehetra te hivavaka aminy sy te hankasitrahany: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” (Amosa 5:15) Avy ao am-po ny fihetseham-po mahery toy ny fitiavana sy fankahalana. Mamitaka anefa ny fo, ka tsy maintsy manao araka izay fara herintsika isika mba hiarovana azy io. (Ohabolana 4:23; Jeremia 17:9) Mety hanomboka ho tia ny ratsy sy hankahala ny tsara isika, raha avelantsika hitombo ao am-pontsika ny fanirian-dratsy. Ary raha omentsika fahafaham-po izany faniriana izany ka zatra manota isika, dia tsy hankasitrahan’Andriamanitra, na dia mazoto manompo azy toy inona aza. Aoka àry isika hivavaka mba hampiany ‘hankahala ny ratsy, ka ho tia ny tsara.’

14, 15. a) Iza no anisan’ny nanao ny tsara tany Israely, nefa ahoana no nitondran’ny olona azy ireny? b) Inona no azo atao mba hampaherezana ireo mpanompo manontolo andro?

14 Tsy ny Israelita rehetra anefa no nanao ratsy teo imason’i Jehovah. ‘Tia ny tsara’ sady mpaminany nahatoky, ohatra, ry Hosea sy Amosa. Nisy koa nivoady ho Nazirita. Nandritra ny fotoana naha Nazirita azy, dia nifady izay zavatra vita tamin’ny voaloboka izy ireo, indrindra fa ny divay. (Nomery 6:1-4) Ahoana anefa no niheveran’ny Israelita ny fahafoizan-tenan’ireny olona nanao ny tsara ireny? Hita fa tena tsy nankasitraka ny fivavahana marina ilay firenena ary nanafintohina ny nataony. Hoy ny Amosa 2:12: “Nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.”

15 Tokony mba ho menatra sy ho voatosika hiova ireo Israelita, rehefa nahita ny fahatokian’ny Nazirita sy ny mpaminany. Tsy izany anefa no nitranga. Tsy naneho fitiavana izy ireo, fa vao mainka indray nanakivy ny olona nahatoky, mba tsy hanomezany voninahitra an’Andriamanitra. Misy namantsika kristianina koa manompo manontolo andro, toy ny mpisava lalana, misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, na Betelita. Enga anie ka tsy ho isika mihitsy no hanao izay hampitsaharan’izy ireo ny fanompoany, mba hananany fiainana lazaina fa ara-dalàna. Aoka kosa isika hampahery azy ireny, mba hanohizany ny asa tsara ataony!

16. Nahoana no tsara kokoa ny toe-javatra nisy ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, noho ny tamin’ny andron’i Amosa?

16 ‘Tsy mba nanan-karena tamin’Andriamanitra’ ny Israelita maro tamin’ny andron’i Amosa, na dia tsy nisy nahory azy ireo aza. (Lioka 12:13-21) Tsy nihinana afa-tsy mana ny razamben’izy ireo tany an-tany efitra, nandritra ny 40 taona. Tsy mba nihinana omby nifahy izy ireo, na nitsilailay teo amin’ny farafara ivoara. Marina anefa ny tenin’i Mosesy tamin’izy ireo hoe: “Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’izay rehetra nataon’ny tànanao; ... izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory hianao.” (Deoteronomia 2:7) Nahazo izay tena nilainy foana ny Israelita tany an-tany efitra. Ary ny tena zava-dehibe, dia tian’Andriamanitra sy narovany ary notahiny izy ireo!

17. Nahoana i Jehovah no nitarika ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina?

17 Nampahatsiahivin’i Jehovah ny mpiara-belona tamin’i Amosa, fa izy no nitondra ny razambeny tany amin’ny Tany Nampanantenaina sy nanampy azy handringana ny fahavalony rehetra. (Amosa 2:9, 10) Nahoana anefa Andriamanitra no nanafaka an’ireo Israelita ireo avy tany Ejipta, ka nampiditra azy tao amin’ny Tany Nampanantenaina? Mba hifalian’izy ireo tamin’ny haitraitra fotsiny ve, ka handavany ny Mpamorona azy? Tsia! Nanafaka azy ireo sy nanasaraka azy ireo tamin’ny fivavahan-diso izy, mba hanompoany azy. Tsy nankahala ny ratsy na tia ny tsara anefa ny mponin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Sarin-javatra voasokitra indray no nomeny voninahitra fa tsy i Jehovah Andriamanitra. Manala baraka tokoa izany!

Ampamoahin’i Jehovah

18. Nahoana i Jehovah no nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ity tontolo ratsy ity?

18 Tsy nilefitra tamin’ny fitondran-tena nanala baraka nananan’ny Israelita Andriamanitra. Nampiseho tsara izany ny teniny hoe: “Hovaliako hianareo noho ny helokareo rehetra.” (Amosa 3:2) Tokony hampisaintsaina antsika ireo teny ireo, satria isika koa nafahana avy tamin’ny fanandevozan’i Ejipta ankehitriny, izany hoe ity tontolo ratsy ity. Tsy nanafaka antsika i Jehovah, mba hanatratrarantsika tanjona feno fitiavan-tena. Nanao izany kosa izy mba hiderantsika azy amin’ny fo manontolo sy hanolorantsika azy fanompoana madio. Mbola hampamoahina isika rehetra, ny amin’ny fomba ampiasantsika ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika.—Romanina 14:12.

19. Inona no lasa tian’ny ankamaroan’ny Israelita, araka ny Amosa 4:4, 5?

19 Nampalahelo fa tsy niraharaha ny hafatra mafonja nentin’i Amosa ny ankamaroan’ny Israelita. Nahariharin’ilay mpaminany fa narary ny fon’izy ireo ara-panoharana, araka ny teniny ao amin’ny Amosa 4:4, 5 hoe: “Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra ... satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’Isiraely.” Tsy niezaka hanana faniriana tsara ny Israelita. Tsy niaro ny fony ny ankamaroan’izy ireo, ka nanjary tia ny ratsy sy nankahala ny tsara. Tsy niova mihitsy ireo olona be di-doha mpivavaka tamin’ny ombilahy kely ireo. Hampamoahin’i Jehovah àry izy ireo, ka ho fatin’ny helony!

20. Ahoana no ampiharana ny voalazan’ny Amosa 5:4?

20 Azo antoka fa tsy mora tamin’ireo olona nipetraka tany Israely ny tsy nivadika tamin’i Jehovah. Sarotra ny tsy manao ny fanaon’ny olona, ary fantatry ny Kristianina ankehitriny tsara izany, na antitra izy na tanora. Tia an’Andriamanitra sy naniry hampifaly azy anefa ny Israelita sasany, ka voatosika hanaraka ny fivavahana marina. Nanasa azy ireo tamim-pitiavana toy izao i Jehovah ao amin’ny Amosa 5:4: “Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo.” Mamindra fo amin’ireo mibebaka sy mitady azy koa Andriamanitra ankehitriny. Mitady azy ny olona rehefa miezaka hianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Teniny, ka manao ny sitrapony. Tsy mora izany, nefa hahazoana ny fiainana mandrakizay.—Jaona 17:3.

Fitahiana tondraka na dia eo aza ny mosary ara-panahy

21. Inona ilay mosary mahazo an’ireo tsy manaraka ny fivavahana marina?

21 Inona no niandry an’ireo tsy nanaraka ny fivavahana marina? Mosary karazany ratsy indrindra, dia ny mosary ara-panahy! “Avy ny andro”, hoy Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, “izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.” (Amosa 8:11) Tratran’izany mosary ara-panahy izany ny Kristianisma Anarana. Tsikaritr’ireo mpiangona tso-po ao aminy anefa fa tsy mba toy izany ny vahoakan’Andriamanitra, ka mirohotra mankao amin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo. Tsy mitovy tokoa ny zava-misy eo anivon’ny Kristianisma Anarana sy ny tena Kristianina, araka ny nolazain’i Jehovah hoe: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra.”—Isaia 65:13.

22. Nahoana isika no tokony hifaly?

22 Ankasitrahantsika mpanompon’i Jehovah ve ny sakafo ara-panahy sy ny fitahiana azontsika? Mila ho latsa-dranomasom-pifaliana tokoa isika, rehefa mianatra ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety kristianina, ary manatrika fivoriana sy fivoriambe. Faly isika, satria azontsika tsara ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ilay faminaniana nampanoratiny an’i Amosa.

23. Inona no soa azon’ireo manome voninahitra an’Andriamanitra?

23 Mahavelom-panantenana an’izay rehetra tia an’Andriamanitra sy maniry hanome voninahitra azy, ny faminanian’i Amosa. Mety ho sahirana ara-bola isika, na iharam-pitsapana eto amin’ity tontolo feno zava-manahirana ity. Tahin’Andriamanitra sy mahazo sakafo ara-panahy faran’izay tsara anefa isika, satria tia azy. (Ohabolana 10:22; Matio 24:45-47) Mendrika hahazo ny voninahitra rehetra àry Andriamanitra, izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hahasoa antsika. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hidera azy mandrakizay, sy amin’ny fo manontolo. Hanana izany tombontsoa izany isika, raha mitady an’i Jehovah, ilay Mpandinika ny fo.

Ahoana no Havalinao?

• Nanao ahoana ny toe-piainana tany Israely tamin’ny andron’i Amosa?

• Inona ankehitriny no mifanitsy amin’ny toe-javatra nisy tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely?

• Inona no karazana mosary misy ankehitriny, nefa iza no tsy voakasik’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nanan-karem-be ny ankamaroan’ny Israelita nefa nahantra ara-panahy

[Sary, pejy 23]

Ampirisiho hanohy ny asa tsara ataony ny mpanompo manontolo andro

[Sary, pejy 24, 25]

Tsy misy mosary ara-panahy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah falifaly