Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tianao ve ny Hiaina Tsy Amin-tahotra?

Tianao ve ny Hiaina Tsy Amin-tahotra?

Tianao ve ny Hiaina Tsy Amin-tahotra?

“‘Maodimaody lava sy ... mahatsiaro ho tsy afa-manoatra’ isika isan’andro, noho ny ‘loza ... tsy fantatra mazava nefa mety hamely amin’ny fotoana sy ny endriny rehetra sady tsy mampitandrina.’ ”

MAMPISEHO izay tsapan’ny maro eto amin’ity tontolo mikorontana ity ireo teny tao amin’ny Herinandrom-baovao (anglisy) tamin’ny herintaona ireo. Nilaza i Jesosy Kristy fa vao mainka hihamafy ny tahotra toy izany. Naminany izy fa ho ory ireo firenena satria ho very hevitra, ary hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany. Tsy tokony hatahotra anefa isika, na hahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra, satria hoy koa izy: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mitrakà ka asandrato ny lohanareo, fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”—Lioka 21:25-28.

Niresaka momba ny toe-piainana hisy ny vahoakany, aorian’io fanafahana io i Jehovah Andriamanitra. Hoy izy: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” (Isaia 32:18) Hoy koa izy tamin’ny alalan’i Mika mpaminany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.”—Mika 4:4.

Hafa tanteraka noho ny toe-piainana misy ankehitriny izany! Tsy hisy loza tsy fantatra mazava hananontanona ny olombelona intsony. Tsy ho maodimaody lava na hahatsiaro ho tsy afa-manoatra intsony izy ireo, fa hiadana sy ho sambatra foana kosa.