Ahoana no Tokony Hamaritanao ny Tsara sy ny Ratsy?
Ahoana no Tokony Hamaritanao ny Tsara sy ny Ratsy?
IZA no manana zo hamaritra ny tsara sy ny ratsy? Efa hatramin’ny nisian’ny olombelona voalohany no nipetraka io fanontaniana io. Voalaza ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly, fa nisy hazo iray nantsoin’Andriamanitra hoe “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, tao amin’ny saha Edena. (Genesisy 2:9) Norarany tsy hihinana ny voan’io hazo io i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Nilaza anefa i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra, fa raha mihinana izany izy ireo, dia ‘hahiratra ny masony’ ary ‘ho tahaka an’Andriamanitra izy, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’—Genesisy 2:16, 17; 3:1, 5; Apokalypsy 12:9.
Tsy maintsy nanapa-kevitra àry i Adama sy Eva. Tokony hanaiky izay lazain’Andriamanitra fa tsara sy ratsy ve izy ireo, sa izy ihany no hamaritra izany? (Genesisy 3:6) Naleony tsy nankatò an’Andriamanitra, ka nihinana ny voan’ilay hazo izy. Nidika ho inona izany? Rehefa tsy nanaiky ny fepetra napetrak’Andriamanitra izy ireo, dia toy ny nanizingizina fa ho tsara kokoa ny fiainany sy ny an’ny taranany, raha izy ihany no mamaritra ny tsara sy ny ratsy, toa an’Andriamanitra. Inona àry no vokany?
Hevitra tsy mitovy
Mamelabelatra ny fampianaran’ireo filozofa nalaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy). Marihiny fa nanomboka tamin’ny andron’i Socrate, filozofa grika, ka hatramin’ireo taona 1900, dia “niadian-kevitra imbetsaka ny hoe inona marina no atao hoe tsara, ary ahoana no amaritana ny tsara sy ny ratsy.”
Nilaza, ohatra, ny filozofa grika nalaza sasany tamin’ireo taona 400, fa ny hevitry ny besinimaro no amaritana ny tsara sy ny ratsy. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Izay eritreretin’ny tanàna iray fa mety sy tsara aminy, dia mety sy tsara ho an’io tanàna io, raha izay no hevitry ny olona ao aminy.” Raha izany no izy, dia tokony haka ilay vola hitany i Jodie, ilay lehilahy voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Azo inoana mantsy fa izay no hataon’ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny ‘tanànany’, na ny fiaraha-monina misy azy.
Tsy mitovy amin’izany kosa ny hevitr’i Emmanuel Kant, filozofa nalaza tamin’ireo taona 1700. Milaza ny boky iray hoe: ‘Ny zon’ny tsirairay hisafidy no tena nantitranterin’i Emmanuel Kant sy ny filozofa toa azy.’ Raha araka ny filozofian’i Kant, dia anjaran’i Jodie irery ny manapa-kevitra ny amin’izay hataony, rehefa tsy manitsakitsaka ny zon’ny hafa izy. Tsy ny besinimaro no mamaritra izay tokony hataony.
Ahoana àry no namahan’i Jodie ilay olana nanahiran-tsaina azy? Zavatra hafa mihitsy no nataony. Narahiny ny fitsipi-pitondran-tena nampianarin’i Jesosy Kristy, izay nankasitrahan’ny Kristianina sy ny tsy Kristianina. Nampianatra i Jesosy hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Gaga tokoa ilay madama nampian’i Jodie, satria nomeny azy ilay vola 82 000 dolara. Rehefa nanontaniana izy hoe nahoana no tsy nalainy ilay vola, dia nilaza izy fa Vavolombelon’i Jehovah. Hoy koa izy: “Tsy volako ilay izy.” Niaiky i Jodie fa tsy maintsy hankatoavina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aza mangalatra”, ao amin’ny Matio 19:18.
Azo atokisana ve ny hevitry ny besinimaro?
Mety hisy hilaza hoe adala i Jodie rehefa nanao ny marina. Tsy azo atokisana anefa ny hevitry ny besinimaro. Hihevitra ve ianao, ohatra, fa mety ny mamono ankizy hatao sorona, raha izay no hevitry ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina misy anao? Izany mantsy no fiheveran’ny firenena sasany fahiny. (2 Mpanjaka 16:3) Ary ahoana raha mihevitra ny fiaraha-monina misy anao fa mety ny mihinana olona? Midika ve izany fa tsy dia mampaninona loatra ny mihinana olona? Tsy hoe rehefa fanaon’ny ankamaroan’ny olona ny zavatra iray, dia mety. Efa hatry ny ela ny Baiboly no mampitandrina antsika amin’izany fandrika izany. Izao no voalaza ao: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy.”—Eksodosy 23:2.
Jaona 14:30; Lioka 4:6) Mampiasa ny fahefany i Satana mba hamitahana “ny tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 12:9) Raha manaraka ambokony fotsiny izay hevitry ny besinimaro àry ianao, dia mety hanaraka ny fomba fihevitr’i Satana momba ny fitondran-tena, ka hahita loza.
Misy antony hafa nomen’i Jesosy Kristy, mba hahatonga antsika hitandrina, fa tsy hanaraka befahatany ny hevitry ny besinimaro momba ny tsara sy ny ratsy. Nilaza izy fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Afaka matoky ny tenanao ve ianao?
Ny tsirairay àry ve no tokony hamaritra ny tsara sy ny ratsy? Hoy ny Baiboly: “Aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3:5) Nahoana? Satria misy lesoka lehibe nolovain’ny olombelona rehetra, ka mandiso ny fomba fisainany. Rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva, dia nifidy ny hanaraka ny fitsipik’i Satana, ilay mpamadika tia tena. I Satana koa no nofidin’izy ireo ho rainy hitari-dalana azy. Namindra toetra ratsy tamin’ny taranany àry izy ireo. Tsy inona izany fa fo mamitaka, izay mahay mamantatra ny tsara, saingy mirona hanao ny ratsy.—Genesisy 6:5; Romanina 5:12; 7:21-24.
Hoy ny Rakipahalalana Britannica: “Toa tsy mahagaga raha mahafantatra ny tokony hataony ny olona, nefa tsy manao afa-tsy izay hahasoa ny tenany. Tena sarotra ny mampirisika ny olona hanao ny tsara”, any Eoropa sy Amerika Avaratra. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9) Raha malaza ho mpamitaka ny olona iray, mbola hatoky azy ihany ve ianao?
Marina fa na ny olona tsy mino an’Andriamanitra aza dia afaka manana fitondran-tena mendrika sy fitsipika tsara sady mendri-piderana. Ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ihany anefa matetika no hita taratra eo amin’ny fitsipik’izy ireny. Tsy manaiky angamba izy ireo hoe misy Andriamanitra, nefa hita amin’ny fomba fiheviny fa voajanahary ao aminy ny fanehoana ny toetran’Andriamanitra. Porofoin’izany fa marina ny tenin’ny Baiboly hoe noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra” ny olombelona. (Genesisy 1:27; Asan’ny Apostoly 17:26-28) Hoy ny apostoly Paoly: “Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna.”—Romanina 2:15.
Tsy mitovy anefa ny hoe mahafantatra ny tsara sy ny hoe manao ny tsara. Ahoana àry no hananana herin-tsaina hanaovana ny tsara? Ny fo no manosika antsika hanao zavatra. Noho izany, dia mila miezaka ho tia an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly, isika mba hananana izany herin-tsaina izany.—Salamo 25:4, 5.
Ahoana no hananana herin-tsaina hanaovana ny tsara?
Mba hitiavantsika an’Andriamanitra, dia mila miaiky aloha isika fa tsy mangataka zavatra tsy ho vitantsika izy, ary mahasoa ny didiny. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Misy torohevitra mahasoa, ohatra, ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana ny tanora hanavaka ny tsara sy ny ratsy, rehefa hanapa-kevitra raha hisotro toaka, hifoka rongony, na hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na tsia. Afaka manampy ny mpivady hamaha ny olana eo aminy koa ny Baiboly, sady afaka mitari-dalana ny ray aman-dreny eo amin’ny fitaizana ny zanany. * Mandray soa ny olona mampihatra ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, na antitra izy na tanora, na mahantra na manan-karena, ary na inona na inona fanabeazana azony sy kolontsainy.
Mahazo hery hiasana ianao, rehefa mihinana sakafo mahasalama. Toy izany koa fa mahazo hery hanarahana ny fitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa mamaky azy io. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny mofo mahavelona ny tenin’Andriamanitra. (Matio 4:4) Hoy koa izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 4:34) Nahatohitra fakam-panahy sy nandray fanapahan-kevitra tsara i Jesosy, satria nahazo sakafo ara-panahy avy tamin’ny tenin’Andriamanitra.—Lioka 4:1-13.
Mety ho sarotra aminao ny handray ny sakafo ara-panahy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hanaiky ny fitsipika omeny, amin’ny voalohany. Tadidio anefa fa nisy sakafo tsy tianao tamin’ianao mbola kely, nefa nahasalama anao. Tsy maintsy nianatra nankafy an’ireny sakafo ireny ianao, mba hampahatanjaka anao. Toy izany koa ny fitsipik’Andriamanitra, satria mety ho elaela ianao vao hankasitraka azy ireny. Raha miezaka foana anefa ianao, dia ho tia azy ireny, ka hanana finoana matanjaka. (Salamo 34:8; 2 Timoty 3:15-17) Hianatra hatoky an’i Jehovah ianao, ary harisika hanao ny tsara.—Salamo 37:3.
Mety tsy hitovy amin’izay nitranga tamin’i Jodie mihitsy ny hitranga aminao. Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao foana anefa ianao isan’andro, na amin’ny raharaha madinika izany na lehibe. Mampirisika anao àry ny Baiboly hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Raha mianatra matoky an’i Jehovah Andriamanitra ianao, dia handray soa dieny izao sy afaka hiaina mandrakizay, satria toy ny lalana mankany amin’ny fiainana ny fankatoavana azy.—Matio 7:13, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 18 Misy torohevitra ara-baiboly mahasoa momba an’ireo sy ny zavatra hafa, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra sy Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Mety hamolavola ny hevitry ny besinimaro ny fanahy ratsy
[Sary, pejy 5]
Betsaka ny filozofa niady hevitra momba ny tsara sy ny ratsy
SOCRATE
KANT
CONFUCIUS
[Sary nahazoan-dalana]
Kant: Avy amin’ny boky The Historian’s History of the World; Socrate: Avy amin’ny boky A General History for Colleges and High Schools; Confucius: Sung Kyun Kwan University, Seoul, Korea
[Sary, pejy 7]
Manampy antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny Baiboly, sady mandrisika antsika hanao ny tsara