Fandikan-teny “Tena Tsara”
Fandikan-teny “Tena Tsara”
ARAKA ny fanisana natao, dia nahatratra 55 ny fandikan-teny vaovao ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny anglisy, natonta teo anelanelan’ny 1952 sy 1990. Samy nanana ny fomba nandikany ny teny sasany ireo mpandika teny, ka tsy misy mitovy tanteraka ireo Baiboly ireo. Mpampianatra momba ny fivavahana, any amin’ny Oniversiten’ny Faritra Avaratr’i Arizona, any Flagstaff, Etazonia, i Jason BeDuhn. Nandinika sy nampitaha ny fahamarinan’ny fandikan-teny lehibe valo izy, mba hamaritana ny maha azo itokisana ny asan’ny mpandika teny. Anisan’ny nodinihiny Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao ahoana ny vokatra azony?
Na tsy nanaiky ny teny sasany nofidin’ny mpandika teny aza i BeDuhn, dia nolazainy fa “tena tsara” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary “tsara lavitra” sy “marina kokoa” noho ireo hafa nodinihiny. Hoy izy namarana ny teniny: “Amin’ireo fandikan-tenin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny anglisy misy ankehitriny, dia anisan’ny nadika araka ny marina indrindra”, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. “Izy io koa no tsara indrindra amin’ireo fandikan-teny nampitahaina.”—Ny Marina Momba ny Fandikan-teny: Fandikana Araka ny Marina sy Fitsarana An-tendrony ny Fandikan-tenin’ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy.
Nilaza koa i BeDuhn, fa mpandika teny maro no voatery “nilaza tamin’ny fomba hafa na nanitatra izay lazain’ny Baiboly, mba hahafa-po ny mpamaky amin’izao andro izao.” Nilaza izy fa tsy toy izany kosa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. ‘Marina kokoa izy io satria fandikan-teny ara-bakiteny, ary niezahany narahina ny fomba filaza zavatra nampiasain’ny mpanoratra voalohan’ny Testamenta Vaovao.’
Eken’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao ao amin’ny sasin-teniny, fa “andraikitra lehibe” ny mandika ny Soratra Masina avy amin’ny teny nampiasaina tany am-boalohany ho amin’ny fiteny fampiasa ankehitriny. Hoy koa ilay Komity: ‘Matahotra sady tia an’ilay Andriamanitra, Loharanon’ny Soratra Masina, ireo olona nandika an’io fanontana io. Tsapan’izy ireo fa manana andraikitra goavana eo anatrehan’Andriamanitra izy, dia ny handika ny hevitra sy ny fanambaran’Andriamanitra amin’ny fomba marina araka izay azo atao.’
Misy amin’ny fiteny 32, sy 2 amin’ny soratra Braille, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, nanomboka tamin’ny namoahana azy tamin’ny 1961. Misy amin’ny fiteny 18 fanampiny kosa ny Soratra Grika Kristianina na “Testamenta Vaovao”, amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy iray koa amin’ny soratra Braille. Manasa anao izahay hamaky ny Tenin’Andriamanitra amin’io fandikan-teny maoderina sy “tena tsara” io, indrindra raha misy amin’ny fiteninao izy io.