Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, nahoana i Tomasy no nasainy hikasika azy, nefa tsy navelany hanao izany i Maria Magdalena talohan’izay?

Toa te hilaza ny fandikan-teny tranainy sasany, fa nilaza tamin’i Maria Magdalena i Jesosy mba tsy hikasika azy. Izao, ohatra, no andikan’ny Fandikan-teny Katolika ny tenin’i Jesosy: “Aza mikasika ahy ... fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho.” (Joany 20:17) Ilay teny grika tany am-boalohany adika matetika hoe “mikasika” anefa, dia midika koa hoe “mamikitra, mitazona mafy, mihazona.” Azo inoana fa tsy nisakana an’i Maria Magdalena tsy hikasika azy i Jesosy, satria navelany ‘hihazona azy tamin’ny tongony’ ny vehivavy sasany teny am-pasana.—Matio 28:9.

Manampy antsika hahazo tsara ny hevitry ny tenin’i Jesosy ny fandikan-teny maoderina maro. Anisan’izany Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay mandika azy io hoe: “Aza mamikitra amiko.” Mandika azy io toy izao koa ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara: “Aoka ianao tsy hitazona Ahy.” Nahoana i Jesosy no nilaza izany tamin’i Maria Magdalena namany akaiky?—Lioka 8:1-3.

Toa natahotra i Maria Magdalena sao efa kely sisa i Jesosy dia ho any an-danitra ka handao azy ireo. Naniry mafy hiaraka tamin’ny Tompony izy, ka namikitra mafy taminy sy tsy namela azy handeha. Nilaza tamin’i Maria àry i Jesosy mba tsy hamikitra taminy, satria te hanome toky azy fa mbola tsy handeha akory izy. Nirahiny kosa izy hilaza tamin’ny mpianany fa nitsangana tamin’ny maty izy.—Jaona 20:17.

Hafa kosa anefa ny resak’i Jesosy sy Tomasy. Tsy teo i Tomasy rehefa niseho tamin’ny mpianatra sasany i Jesosy. Tsy natoky izy hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nilaza fa tsy hino raha tsy mahita ny dian’ny fantsika tamin’ny tenan’i Jesosy sy mitsapa ny takibany nolefonina. Niseho tamin’ny mpianany indray i Jesosy, valo andro tatỳ aoriana. Teo i Tomasy tamin’izay, ary nanasa azy hitsapa ny ratra tamin’ny tenany i Jesosy.—Jaona 20:24-27.

Araka izany, dia nandrara an’i Maria Magdalena tsy hamikitra taminy i Jesosy, satria te hilaza fa tsy tokony hisakana azy tsy handeha izy. Nasainy hikasika azy kosa i Tomasy, mba tsy hisalasala intsony. Nisy antony tsara àry matoa i Jesosy nilaza zavatra samy hafa tamin’izy ireo.