Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

NITOBY teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Israelita, tamin’ny 1473 Talohan’i Kristy. Tsy maintsy ho nanaitra mafy azy ireo ireto teny ireto: ‘Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity hianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.’ (Josoa 1:11) Efa hifarana ny 40 taona nivezivezen’izy ireo tany an’efitra.

Efa tao amin’ny tany Kanana i Josoa, 20 taona taorian’izay, rehefa nilaza tamin’ireo anti-panahin’ny Israely hoe: “Indreo, efa voazarako ho lovan’ny firenenareo tamin’ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe andrefana. Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny hianareo araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.”—Josoa 23:4, 5.

Mitantara ny zava-nitranga tao anatin’ny 22 taona ny bokin’ny Josoa, izay nosoratany tamin’ny 1450 Talohan’i Kristy. Efa hiditra ny tontolo vaovao nampanantenaina koa isika, ka azo ampitahaina amin’ny zanak’Israely, izay nadiva haka ny Tany Nampanantenaina. Aoka àry isika handinika tsara ny bokin’ny Josoa.—Hebreo 4:12.

HO ANY “AMIN’NY TANI-HAY ANY JERIKO”

(Josoa 1:1–5:15)

Fanendrena lehibe tokoa no azon’i Josoa, rehefa nilaza taminy i Jehovah hoe: “Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’Isiraely.” (Josoa 1:2) Notendrena izy hitarika ilay firenena nisy olona an-tapitrisany, mba hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina! I Jeriko no hotafihiny voalohany, ka naniraka mpisafo tany roa ho any izy, rehefa niomana ho amin’izany. Nipetraka tao amin’io tanàna io i Rahaba mpivaro-tena, izay efa nandre ny asa lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Nampanantena ireo mpisafo tany fa tsy hamono azy, noho izy niaro sy nanampy azy ireo.

Vonona ny hanainga sy hita an’i Jordana i Josoa sy ny vahoaka, raha vao tafaverina ireo mpisafo tany. Tsy nahasakana azy ireo ilay renirano, na dia tondraka aza ny morony. Nataon’i Jehovah mantsy izay tsy hampikoriana intsony ny rano avy any ambony, ary ny tarỳ ambany kosa nitsìka nankany amin’ny Ranomasina Maty. Nitoby tao Gilgala, teo akaikin’i Jeriko, ny Israelita rehefa avy nita an’i Jordana. Nankalaza ny Paska teo amin’ny lemaka any amin’ny efitr’i Jeriko izy ireo, efatra andro taorian’izay, tamin’ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana Abiba. (Josoa 5:10) Nanomboka nihinana ny sasany tamin’ny vokatr’ilay tany izy ireo ny ampitson’io, ary tsy nisy mana intsony. Noforan’i Josoa ny lehilahy rehetra teraka tany an’efitra tamin’izay.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:4, 5—Nahoana i Rahaba no namitaka an’ireo mpanompon’ny mpanjaka nitady ny mpisafo tany? Nanao vivery ny ainy mba hiarovana an’ireo mpisafo tany i Rahaba, satria nanjary nino an’i Jehovah. Tsy voatery holazainy amin’ireo lehilahy nikasa hanisy ratsy ny vahoakan’Andriamanitra àry, ny toerana nisy an’ireo mpisafo tany. (Matio 7:6; 21:23-27; Jaona 7:3-10) ‘Nambara ho marina’ i Rahaba noho izay nataony, ka anisan’izany ny namitahany ny iraky ny mpanjaka.—Jakoba 2:24-26.

5:14, 15—Iza ilay “Komandin’ny miaramilan’i Jehovah”? Tonga nampahery an’i Josoa ilay komandy na printsy, talohan’ny nanafihana ny Tany Nampanantenaina. Tsy iza izy io fa “ny Teny”, na i Jesosy Kristy talohan’ny naha olombelona azy. (Jaona 1:1; Daniela 10:13) Eo am-panaovana ady ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Tena mampahery àry ny mahafantatra fa miaraka amin’izy ireo i Jesosy Kristy nomem-boninahitra!

Lesona ho antsika:

1:7-9. Tena mila mamaky Baiboly isan’andro sy misaintsaina tsy tapaka izay novakintsika isika, ary mampihatra izay ianarantsika. Hanampy antsika hahomby eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany.

1:11. Nasain’i Josoa nanomana vatsy ny vahoaka, fa tsy ho kamo ka hiandry an’i Jehovah fotsiny mba hanome izay ilainy. Nananatra antsika i Jesosy, mba tsy hanahy intsony ny amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana. Nampanantena koa izy fa ‘homena antsika izany rehetra izany.’ Tsy midika anefa izany hoe tsy hiezaka mihitsy isika mba hahazoana izay ilaintsika.—Matio 6:25, 33.

2:4-13. Nanapa-kevitra ny hiandany tamin’ny mpanompon’i Jehovah i Rahaba, rehefa nandre ny asa lehibe nataon’i Jehovah. Tsapany mantsy fa tandindomin-doza ny ainy. Tsy tokony hanapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra koa ve ianao, raha efa elaela no nianatra Baiboly sady ekenao fa miaina amin’ny “andro farany” isika?—2 Timoty 3:1.

3:15. Nanao tatitra tsara ireo mpisafo tany nalefa tany Jeriko. Noho izany, dia nanao zavatra haingana i Josoa, fa tsy niandry ny ranon’i Jordana hihena. Tokony hanao zavatra amin-kerim-po koa isika, mahakasika ny asa mifandray amin’ny fivavahana marina, fa tsy hangataka andro hiandry izay fotoana mety kokoa.

4:4-8, 20-24. Natao mba ho fahatsiarovana ho an’ny Israely, ireo vato 12 nalaina tao amin’ny reniranon’i Jordana. Manafaka ny mpanompony amin’ny fahavalony koa i Jehovah ankehitriny. Mampahatsiahy azy ireo izany fa manohana azy izy.

MITOHY NY FAKANA ILAY TANY

(Josoa 6:1–12:24)

“Nihidy mafy” ny tanànan’i Jeriko, ka “tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.” (Josoa 6:1) Ahoana no hakana io tanàna io? Noresahin’i Jehovah tamin’i Josoa ny tetikady hampiasaina. Tsy ela dia rava ilay tanàna, ary i Rahaba sy ny ankohonany ihany no voavonjy.

I Ay, tanànan’ny mpanjaka, indray izao no halain’izy ireo. Vitsy kokoa ny mponina tao, araka ny tatitr’ireo mpisafo tany, ka tsy nilana olona maro ny fanafihana azy. Nandositra teo anoloan’ny mponin’i Ay anefa ireo miaramila tokony ho 3 000 nanafika an’ilay tanàna. Fa nahoana? Satria tsy nanohana ny Israelita i Jehovah. Nanota i Akana, avy tamin’ny fokon’i Joda, teo am-pakana an’i Jeriko. Nandamina ilay raharaha àry i Josoa, ary niakatra hamely an’i Ay. Efa naharesy indray mandeha an’ireo Israelita ny mpanjakan’i Ay, ka may erỳ hifanandrina tamin’izy ireo. Natoky tena loatra ny mponin’i Ay, ka tetikady nanararaotana izany no nampiasain’i Josoa, ary azony ilay tanàna.

‘Tanàna lehibe Gibeona, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra tao.’ (Josoa 10:2) Nofitahin’ny mponin’i Gibeona anefa i Josoa, raha vao ren’izy ireo ny fahombiazan’ny Israelita tao Jeriko sy Ay. Nangatahin’izy ireo i Josoa, mba hanao fifanekem-pihavanana taminy. Natahotra ny firenena nanodidina, sao hampidi-doza azy ireo io fihetsika io. Niray hina àry ireo mpanjakany dimy, ary nanafika an’i Gibeona. Namonjy ny Gibeonita ny Israely, ary nandresy tanteraka an’ireo mpanafika. Nitarika ny fanafihan’ny Israely tany amin’ny tanàna hafa koa i Josoa. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra atsimo sy andrefana, ary koa ireo mpanjaka tany avaratra. Niisa 31 ny mpanjaka resin’izy ireo tany andrefan’i Jordana.   

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

10:13—Ahoana no hampisy an’izany? “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah”, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany? (Genesisy 18:14) Afaka manovaova ny fihodinan’ny tany i Jehovah raha tiany. Toy ny tsy mihetsika amin’izay ny fahitana ny masoandro sy ny volana. Azony atao koa ny tsy manelingelina ny fihodinan’ny tany sy ny volana. Ataony kosa izay hahatongavan’ny tara-pahazavana avy amin’ny masoandro sy ny volana ho etỳ an-tany, mba hisian’ny hazavana foana. Na ahoana na ahoana, dia “tsy nisy andro tahaka izany” teo amin’ny tantaran’ny olombelona.—Josoa 10:14.

10:13—Inona ilay hoe bokin’i Jasara? Resahina indray izy io, ao amin’ny 2 Samoela 1:18. Lazaina ao fa voasoratra ao amin’io boky io ny tononkalo hoe “Tsipìka”, izay hira fahatsiarovana an’i Saoly mpanjakan’ny Israely sy Jonatana zanany. Toa fitambarana hira sy tononkalo natao hitadidiana zava-nitranga niavaka teo amin’ny tantaran’ny Israely àry ilay boky.

Lesona ho antsika:

6:26; 9:22, 23. Tanteraka ilay fanozonana notononin’i Josoa teo am-pandravana an’i Jeriko, rehefa afaka 500 taona teo ho eo. (1 Mpanjaka 16:34) Tanteraka koa ilay fanozonan’i Noa an’i Kanana zafikeliny, rehefa lasa andevo ireo Gibeonita. (Genesisy 9:25, 26) Tanteraka foana àry ny tenin’i Jehovah.

7:20-25. Mety hisy hihevitra fa fahadisoana kely, ary angamba tsy misy fiantraikany eo amin’ny hafa, ilay halatra nataon’i Akana. Mety hoheverin’izy ireny ho tsy mampaninona koa ny halatra madinidinika sy fandikana kely ny fitsipiky ny Baiboly. Tokony hanahaka an’i Josoa anefa isika, ka ho tapa-kevitra ny hanohitra ny fitaomana handika lalàna na haloto fitondran-tena.

9:15, 26, 27. Tsy tokony hohamaivanintsika ny fifanarahana ataontsika, ary tokony hitana ny teny nataontsika isika.

NATAON’I JOSOA ILAY ASA LEHIBE FARANY NANKININA TAMINY

(Josoa 13:1–24:33)

Nanomboka nizara ilay tany i Josoa, tamin’izy efa ho 90 taona. Tena asa goavana izany! Efa nahazo ny anjara lovany tany atsinanan’i Jordana, ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Antsapaka kosa no nizarana ny anjara lovan’ny foko hafa, teny andrefan’i Jordana.

Naorina tany Silo, tao amin’ny faritanin’i Efraima, ny tranolay. Lasan’i Kaleba ny tanànan’i Hebrona, ary lasan’i Josoa i Timnata-sera. Nomena tanàna 48 ny Levita, ka tanàna fandosirana ny 6 tamin’ireo. Nanorina alitara “lehibe” ireo mpiadin’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, rehefa niverina nankany amin’ny lovany tany atsinanan’i Jordana. (Josoa 22:10) Nihevitra ireo foko teny andrefan’i Jordana fa nivadi-pinoana izy ireo, ka saika nisy adim-poko. Tsy nisy ra latsaka anefa, noho ny fifampiresahana tsara.

Rehefa avy nipetraka elaela tao Timnata-sera i Josoa, dia nantsoiny ny anti-panahy, ny loham-pianakaviana, ny mpitsara, ary ny manam-pahefana teo amin’ny Israely. Nananatra azy ireo izy, mba ho be herim-po sy tsy hivadika mihitsy amin’i Jehovah. Novorin’i Josoa tao Sekema ireo fokon’ny Israely, tatỳ aoriana. Noresahiny indray ny fomba nitondran’i Jehovah ny olony, nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama. Nampirisika ny olona indray izy, mba ‘hatahotra an’i Jehovah, ka hanompo azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana.’ Voatosika hamaly toy izao ny olona: “Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.” (Josoa 24:14, 15, 24) Maty i Josoa tamin’izy 110 taona.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

13:1—Moa ve izany tsy mifanohitra amin’izay voalazan’ny Josoa 11:23? Tsia, satria nisy dingana roa ny fakana ny Tany Nampanantenaina: ny ady nataon’ilay firenena mba handresena ireo mpanjaka 31 sy hampitsaharana ny fitondran’ny Kananita; ny fakana tanteraka ilay tany, tamin’ny alalan’ny ady nataon’ny olona sy ny foko tsirairay. (Josoa 17:14-17; 18:3) Tsy natahorana hanelingelina ny filaminan’ny Israely ireo Kananita tafavoaka velona tamin’izany, na dia tsy vitan’ny zanak’Israely aza ny nandroaka tanteraka azy ireo. (Josoa 16:10; 17:12) Hoy ny Josoa 21:44: “Nomen’i Jehovah fitsaharana amin’ny manodidina izy.”

24:2—Mpanompo sampy ve i Tera, rain’i Abrahama? Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra i Tera, tamin’ny voalohany. Azo inoana fa nivavaka tamin’i Sîn, andriamanitra volana, izay nivavahan’ny ankamaroan’ny olona tany Ora izy. Toa mpanamboatra sampy mihitsy aza izy, araka ny lovantsofina jiosy. Rehefa nodidian’Andriamanitra handao an’i Ora anefa i Abrahama, dia niaraka taminy koa i Tera.—Genesisy 11:31.

Lesona ho antsika:

14:10-13. Nangataka hanao asa sarotra i Kaleba, na dia efa 85 taona aza. Izany dia ny handroaka ireo mponina tao Hebrona, faritra nipetrahan’ireo Anakita goavambe. Nahomby ilay mpiady za-draharaha, noho ny fanampian’i Jehovah, ary lasa tanàna fandosirana i Hebrona. (Josoa 15:13-19; 21:11-13) Mampahery antsika ny ohatr’i Kaleba, ka mahatonga antsika tsy hiahotra hanao asa kristianina sarotra.

22:9-12, 21-33. Tsy maintsy mitandrina isika, mba tsy hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy.

“Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza”

Efa zokiolona i Josoa, rehefa nilaza toy izao tamin’ireo lehilahy matotra teo amin’ny Israely: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.” (Josoa 23:14) Mampiseho mazava tsara an’izany ny fitantaran’i Josoa!

Hoy ny apostoly Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Afaka matoky isika fa tsy very maina ny fatokisantsika ny fampanantenan’Andriamanitra, satria ho tanteraka avokoa izy rehetra.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

Tany azo, teo ambany fitarihan’i Josoa

BASANA

GILEADA

ARABA

NEGEBA

Reniranon’i Jordana

Ranomasin-tsira

L. Jaboka

L. Arnona

Hazora

Madona

Lasarona

Simrona

Jokneama

Dora

Megido

Kedesy

Tanaka

Hefera

Tirza

Afeka

Tapoa

Betela

Ay

Gilgala

Jeriko

Gazera

Jerosalema

Makeda

Jarmota

Adolama

Libna

Lakisy

Eglona

Hebrona

Debira

Arada

[Sary, pejy 9]

Fantatrao ve hoe nahoana i Rahaba mpivaro-tena no nambara ho marina?

[Sary, pejy 10]

Nampirisihin’i Josoa ny Israely mba ‘hatahotra an’i Jehovah, ka hanompo azy’

[Sary, pejy 12]

Tsy fahadisoana kely ilay halatra nataon’i Akana; nitondra vokany ratsy izany

[Sary, pejy 12]

“Finoana no nampianjera ny mandan’i Jeriko.”—Hebreo 11:30