Inona no Boky Tsara Hovakina, Hoy i Solomona?
Inona no Boky Tsara Hovakina, Hoy i Solomona?
“TSY misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12) Tsy nanakivy ny olona tsy hamaky boky akory i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely, raha nanoratra ireo teny ireo, 3 000 taona lasa teo ho eo izay. Te hilaza kosa izy fa tokony hahay hifantina izy ireo. Tena ilaina amin’izao andro izao izany fampahatsiahivana izany, satria boky an’arivo tapitrisany no mivoaka isan-taona!
Mazava ho azy fa tsy mampahery na mamelombelona, ireo “boky maro” resahin’i Solomona eto. Nolazainy àry fa “manasatra ny tena” ny mandany fotoana mamaky azy ireny, fa tsy mitondra soa maharitra.
Te hilaza ve anefa i Solomona fa tsy misy boky ahitana tari-dalana azo itokisana sy mahasoa mihitsy? Tsia, satria nanoratra koa izy hoe: “Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona,—omen’ny mpiandry iray izy.” (Mpitoriteny 12:11) Tena misy tokoa ny teny ‘toy ny fanindronan’omby’, izay manosika hanao ny tsara sy mandrisika ho amin’ny lala-mahitsy. “Toy ny hombo voatsatoka” koa izy ireny, satria manamafy ny fahatapahan-kevitry ny olona sy manampy azy tsy hiovaova hevitra.
Aiza no ahitantsika tenim-pahendrena toy izany? Nilaza i Solomona, fa ny miavaka indrindra amin’izany dia avy amin’i Jehovah, ilay Mpiandry iray. (Salamo 23:1) Tsy misy tsara kokoa noho ny mamaky ilay boky avy amin’Andriamanitra àry, dia ny Baiboly. “Ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” ny olona mamaky tsy tapaka azy io.—2 Timoty 3:16, 17.