Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Misotro

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Misotro

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Misotro

“Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.”—OHABOLANA 20:1.

1. Inona no nolazain’ny mpanao salamo, ho fankasitrahana an’i Jehovah noho ny fanomezana tsara sasany avy aminy?

HOY i Jakoba mpianatra: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra.” (Jakoba 1:17) Velom-pankasitrahana noho ireo fanomezana tsara avy amin’Andriamanitra ny mpanao salamo, ka nihira hoe: “Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona, ary mamoaka hanina avy amin’ny tany, ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, ary mofo hanohanana ny ain’ny olona.” (Salamo 104:14, 15) Fanomezana tsara avy amin’Andriamanitra ny zavamaniry sy ny mofo ary ny diloilo. Toy izany koa ny divay na zava-pisotro hafa misy alkaola. Ahoana anefa no hahaizana handanjalanja rehefa misotro?

2. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika momba ny zava-pisotro misy alkaola?

2 Mahasoa ny fanomezana tsara, rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. “Tsara”, ohatra, ny tantely, nefa “tsy tsara raha mahery homana tantely” isika. (Ohabolana 24:13; 25:27) Mety hahafinaritra koa ny misotro “divay kely.” Ratsy anefa ny misotro tafahoatra. (1 Timoty 5:23) Mampitandrina mantsy ny Baiboly hoe: “Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.” (Ohabolana 20:1) Ahoana anefa no amaritana raha efa “miraikiraiky” azon’ny toaka ny olona iray? * Inona no atao hoe fisotroana tafahoatra? Inona no fomba fijery mety momba ny fisotroana?

“Miraikiraiky” azon’ny toaka

3, 4. a) Inona no mampiseho fa melohin’ny Baiboly ny fimamoana? b) Inona no anisan’ny famantarana fa mamo ny olona iray?

3 Notoraham-bato ny zaza tenda an-kanina sady mpimamo, teo amin’ny Israely fahiny. (Deoteronomia 21:18-21) Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly, ‘mba tsy hifanerasera intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary mba tsy hiara-mihinana aminy akory.’ Melohin’ny Baiboly tokoa ny fimamoana.—1 Korintianina 5:11; 6:9, 10.

4 Milaza ny fomba hamantarana ny olona mamo ny Baiboly, manao hoe: “Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra; fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao hahita zavatra hafahafa, ary ny fonao hirediredy foana.” (Ohabolana 23:31-33, fanamarihana ambany pejy) Manaikitra toy ny bibilava misy poizina ny fisotroana tafahoatra. Manjary marary sy mikorontan-tsaina ary tsy mahatsiaro tena mantsy ny olona mamo. Mety hahita “zavatra hafahafa” koa izy, satria manonofinofy na mahita zavatra tsy tena misy. Mety hilaza izay ao an-tsainy sy ny fanirian-dratsiny izy, nefa tsy sahiny lazaina akory izany raha tsy mamo izy.

5. Inona no voka-dratsin’ny fanaranam-po amin’ny fisotroana?

5 Ahoana raha misotro ny olona iray, fa mitandrina tsara fotsiny mba tsy ho hita hoe mamo? Tsy hita hoe mamo ny olona sasany, na dia efa nisotro betsaka ihany aza. Mamita-tena anefa isika, raha mihevitra fa tsy mampaninona izany. (Jeremia 17:9) Mety hanomboka hiankin-doha tsikelikely amin’ny alkaola ny olona iray, ary lasa “handevozin’ny divay be” amin’ny farany. (Titosy 2:3) Hoy ilay mpanoratra atao hoe Caroline Knapp, momba izany: “Tsy tonga dia lasa alkaolika ny olona iray, fa mandeha miandalana sy misoko mangina izany.” Tena fandrika mahafaty tokoa ny fisotroana tafahoatra!

6. Nahoana ny olona no tsy tokony hanaram-po amin’ny fihinanana sy ny fisotroana?

6 Diniho koa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany.” (Lioka 21:34, 35) Mety ho lasa rendremana sy kamo eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ny olona iray manaram-po amin’ny fisotroana, na dia mbola tsy mamo aza. Ahoana anefa raha amin’izay no tonga ny andron’i Jehovah?

Ny voka-dratsiny

7. Nahoana ny fisotroana tafahoatra no tsy mifanaraka amin’ny toromarika ao amin’ny 2 Korintianina 7:1?

7 Mitondra loza ara-batana sy ara-panahy ny fisotroana tafahoatra. Anisan’ny aretina azo avy amin’izany ny aretin’aty, hepatita, ary ny aretin’ny hozatra ao amin’ny atidoha izay mahatonga an’ilay olona hangovitra be. Mahavoan’ny kansera, diabeta, ary aretim-po sy aretim-bavony koa izy io, raha maharitra elaela. Tena tsy mifanaraka amin’ity toromariky ny Soratra Masina ity mihitsy izany: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”—2 Korintianina 7:1.

8. Inona no mety ho vokatry ny fisotroana tafahoatra, araka ny Ohabolana 23:20, 21?

8 Lanilany foana koa ny volan’ny mpisotro toaka, ary mety ho voaroaka amin’ny asany izy. Nampitandrina i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny hoe: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena.” Fa nahoana? Hoy izy: “Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.”—Ohabolana 23:20, 21.

9. Nahoana no fahendrena ny tsy misotro toaka raha mbola hitondra fiara?

9 Miresaka loza hafa koa ny Rakipahalalana Momba ny Alkaolisma (anglisy). Hoy izy io: “Nasehon’ny fikarohana fa mampihena ny fahaizana mitondra fiara ny toaka. Miadana kokoa izy manao zavatra, tsy hainy intsony ny mampifanaraka ny fihetsiny amin’ny fanapahan-keviny, tsy mifantoka tsara izy, tsy mahay mitsara zavatra, sy ny toy izany.” Mahatsiravina ny vokany raha mitondra fiara ny olona iray, nefa efa nisotro. An’aliny isan-taona no maty, ary ana hetsiny no maratra, any Etazonia fotsiny, noho ny lozam-piarakodia vokatry ny fisotroan-toaka. Ny tanora indrindra no mora iharan-doza, satria sady tsy zatra mitondra fiara izy ireo, no tsy mahay mandanjalanja rehefa misotro. Fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny aina. Tsy afaka milaza àry ny olona iray hoe manaja azy io, raha mitondra fiara nefa avy nisotro toaka be. (Salamo 36:9) Masina ny aina, ka tena tsara raha tsy misotro mihitsy ny olona hitondra fiara.

10. Inona no fiantraikan’ny toaka eo amin’ny saina, ary nahoana izany no mampidi-doza?

10 Tsy loza ara-batana ihany no entin’ny fisotroana tafahoatra, fa loza ara-panahy koa. Hoy ny Baiboly: ‘Divay sy ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.’ (Hosea 4:11) Misy fiantraikany eo amin’ny saina ny toaka. Hoy ny boky iray navoakan’ny Foibe Fikarohana Momba ny Fidorohana Zava-mahadomelina, any Etazonia: “Amin’ny alalan’ny taovam-pandevonan-kanina no idiran’ny alkaola any amin’ny ran’ilay olona, ary vetivety izany dia tonga any amin’ny atidohany. Lasa miadana ny fiasan’ireo faritra ao amin’ny atidohany, izay mibaiko ny fisainany sy ny fihetseham-pony. Tsy mahafehy tena firy izy, ary lasa sahisahy.” Mora kokoa amintsika anefa amin’izay ny ‘hiraikiraiky’ na hanao izay tsy mahamendrika, ary ho resin’ny fakam-panahy maro.—Ohabolana 20:1.

11, 12. Inona no voka-dratsin’ny tsy fahalalana onony eo amin’ny fisotroana?

11 Mandidy toy izao koa ny Baiboly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1 Korintianina 10:31) Manome voninahitra an’Andriamanitra ve ny fisotroan-toaka be? Azo antoka fa tsy irin’ny Kristianina ny halaza ho mpisotro toaka be. Hanala baraka ny anaran’i Jehovah izany, fa tsy hanome voninahitra azy.

12 Ahoana raha tsy mahalala onony eo amin’ny fisotroana ny Kristianina, ka manafintohina ny mpiray finoana, angamba ny mpianatra vaovao iray? (Romanina 14:21) Nampitandrina i Jesosy hoe: “Na iza na iza kosa vato mahatafintohina ho an’ny iray amin’ireny madinika mino ahy ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony, ka halentika any an-dranomasina lalina.” (Matio 18:6) Mety hamoy ny tombontsoam-panompoany eo anivon’ny fiangonana ny olona manaram-po amin’ny fisotroana. (1 Timoty 3:1-3, 8) Mampikorontana ny fianakaviana koa izy io.

Halaviro ny loza entiny

13. Inona no tokony hatao mba hanalavirana ny loza entin’ny fisotroana tafahoatra?

13 Tsy hoe manao izay tsy hahamamo fotsiny ny olona te hanalavitra ny loza entin’ny fisotroana tafahoatra. Tsy manaram-po amin’ny fisotroana koa izy. Iza anefa no hamaritra izay antonona anao? Lafin-javatra maro no tokony hodinihina, ka tsy misy fitsipika hentitra momba ny hoe impirin’ny vera no tafahoatra. Ny tsirairay no hamantatra izay antonona azy, ka tsy hihoatra an’izany. Inona no hanampy anao hamaritra ny habetsahan’ny toaka sotroinao? Inona no toro lalana azo arahina?

14. Inona no toro lalana hanampy anao hamaritra ny habetsahan’ny toaka tokony hosotroinao?

14 Hoy ny Baiboly: “Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao.” (Ohabolana 3:21, 22) Izao àry ny toro lalana hanampy anao: Efa be loatra ny toaka sotroinao raha manelingelina sy mampihena ny fahaizanao misaina sy mitsara zavatra. Tsy tokony hamita-tena anefa ianao, fa hianina amin’izay antonona anao!

15. Rahoviana isika no tsy tokony hisotro mihitsy?

15 Mety ho fahendrena ny tsy misotro mihitsy, amin’ny toe-javatra sasany. Mifidy ny tsy hisotro mihitsy, ohatra, ny vehivavy bevohoka, satria hampidi-doza ho an’ilay zaza izany. Tsara koa isika raha tsy misotro, rehefa eo anatrehan’ireo nanana olana teo amin’ny fisotroan-toaka, na ireo manana feon’ny fieritreretana tsy manaiky ny fisotroana. Nandidy an’ireo mpisorona niasa tao amin’ny tranolay i Jehovah, hoe: “Aza misotro divay na toaka ... raha miditra ao amin’ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty hianareo.” (Levitikosy 10:8, 9) Aza mikasika toaka mihitsy àry, rehefa hivory sy hanompo ary hiantsoroka adidy kristianina hafa. Tokony hanaja ny lalàn’ny tany misy azy koa ny Kristianina, ka tsy hisotro raha tsy amin’ny taona ahafahana manao izany, na tsy hisotro mihitsy raha voarara ilay izy.—Romanina 13:1.

16. Inona no azonao atao rehefa misy olona manome toaka anao?

16 Azonao atao ny manontany tena toy izao rehefa misy olona manome toaka anao: ‘Tena tsy maintsy misotro ve aho?’ Raha manapa-kevitra ny hisotro ianao, dia fero mialoha izay antonona anao. Aza mihoatra an’izany, na dia mbola manome aza ny tompon-trano. Mitandrema koa rehefa misy toaka be dia be aroso any amin’ny fanasana, toy ny mariazy. Mamela ny ankizy hisotro toaka ny lalàn’ny tany maro. Andraikitry ny ray aman-dreny ny manome toromarika ny zanany momba ny fisotroan-toaka, sy manara-maso azy ireo.—Ohabolana 22:6.

Ahoana no hiatrehana an’ilay olana?

17. Ahoana no amantaranao raha manana olana eo amin’ny fisotroana ianao na tsia?

17 Manana olana eo amin’ny fisotroana ve ianao? Tsy maintsy hijinja ny vokany ianao, na ho ela na ho haingana, raha lasa fahotana miafina ilay izy. Mandiniha tena amin’ny saina tsy miangatra àry. Manontania tena hoe: ‘Misotro matetika kokoa noho ny taloha ve aho? Mahery kokoa noho ny taloha ve ny toaka sotroiko? Misotro ve aho mba hialana amin’ny adin-tsaina na olana mahazo ahy? Efa nisy havako na namako ve nilaza fa manahy izy noho izaho misotro? Niteraka olana teo amin’ny fianakaviako ve izy io? Sarotra amiko ve ny tsy misotro mandritra ny herinandro, na iray volana, na volana maromaro? Afeniko amin’ny hafa ve ny habetsahana toaka sotroiko?’ Ahoana raha eny no valin-teninao amin’ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo? Aza manao toy ilay olona ‘mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra. Mijery ny tenany izy, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy.’ (Jakoba 1:22-24) Manaova zavatra mba hanitsiana ilay olana. Inona no azonao atao?

18, 19. Ahoana no hialanao amin’ny fisotroana tafahoatra?

18 Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aza mba mamon-divay, fa amin’izany dia misy filibana. Fa aoka kosa ianareo ho feno fanahy masina hatrany.” (Efesianina 5:18) Fantaro ny habetsahan’ny toaka antonona anao, ary aza mihoatra an’izany. Mahaiza mifehy tena. (Galatianina 5:22, 23) Mana-namana manery anao hisotro tafahoatra ve ianao? Mitandrema! Lazain’ny Baiboly mantsy fa “izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ohabolana 13:20.

19 Atreho mivantana ilay olana, raha ny hialana amin’izany no antony hisotroanao. Ho vitanao ny hiatrika azy ireny, rehefa mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ianao. (Salamo 119:105) Aza misalasala koa mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy azo itokisana. Hararaoty ireo fandaharana ataon’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoanao, ary hamafiso ny fifandraisanao aminy. Mivavaha aminy tsy tapaka, indrindra momba ilay fahalemenao. Mitalahoa aminy mba ‘hizahany toetra ny voanao sy ny fonao.’ (Salamo 26:2) Ataovy izay rehetra azonao atao mba tsy hivadihana mihitsy, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

20. Inona no fepetra tokony horaisinao raha mbola tsy resinao ilay olana?

20 Ahoana raha mbola tsy resinao ihany ilay olana, na dia efa niezaka mafy aza ianao? Tsy maintsy manaraka ity torohevitr’i Jesosy ity ianao amin’izay: “Raha mahatonga anao hanota ny tananao, dia tapaho. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana, toy izay manana tanan-droa nefa ho any amin’ny Gehena.” (Marka 9:43) Ny vahaolana: Aza misotro mihitsy. Tapa-kevitra hanao izany ny vehivavy iray antsointsika hoe Irène. Hoy izy: “Nanomboka nieritreritra aho hoe angamba tsy maninona raha misotro kely, satria efa roa taona sy tapany teo ho eo aho no nifady. Mivavaka amin’i Jehovah avy hatrany anefa aho, raha vao mieritreritra an’izany. Tapa-kevitra ny tsy hisotro mihitsy aho, raha tsy any amin’ny tontolo vaovao, na mety tsy hisotro intsony mihitsy aza.” Tsy aleo ve mifady toaka, raha izany no ilaina mba hidirana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?—2 Petera 3:13.

“Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io”

21, 22. Inona no mety hanakana antsika tsy hahavita ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, ary ahoana no hisorohana izany?

21 Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny hazakazaka na fifaninanana, ny fomba fiaina kristianina. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io. Ary mifehy tena amin’ny zava-drehetra koa izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana. Mazava ho azy fa manao izany izy ireo mba hahazoana fehiloha mety lo, fa isika kosa mba hahazoana ny tsy mety lo. Koa rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry, fa asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.”—1 Korintianina 9:24-27.

22 Ireo mahavita tsara ilay hazakazaka ihany no omena ny loka. Toy izany koa amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Misakana antsika tsy ho tody eo amin’ny tsipika fahatongavana anefa ny fisotroana tafahoatra. Tsy maintsy mifehy tena isika. Tsy tokony hanaram-po amin’ny “fibobohana divay” isika, raha te ho tody hatramin’ny farany. (1 Petera 4:3) Tokony hifehy tena amin’ny zavatra rehetra kosa isika. Hendry isika raha ‘mandà izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary misaina sy manao izay mahitsy ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra.’—Titosy 2:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Mihatra amin’ny labiera sy divay ary zava-pisotro hafa misy alkaola koa izay voalaza momba ny “toaka”, ato amin’ity lahatsoratra ity.

Tadidinao Ve?

• Inona no atao hoe fisotroana tafahoatra?

• Inona no voka-dratsin’izy io?

• Ahoana no analaviranao ny loza aterany?

• Ahoana no azon’ny olona iray hiatrehana io olana io?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

“Mampifaly ny olona” ny divay

[Sary, pejy 20]

Tsy maintsy fantarintsika izay antonona antsika, ary tsy hihoatra an’izany

[Sary, pejy 21]

Fero mialoha izay antonona anao

[Sary, pejy 22]

Mivavaha tsy tapaka amin’i Jehovah, momba ilay fahalemenao

[Sary, pejy 23]

Andraikitry ny ray aman-dreny ny manome toromarika ny zanany momba ny fisotroana