Matoky ny Fitiavana sy Fiahian’i Jehovah Aho
Tantaram-piainana
Matoky ny Fitiavana sy Fiahian’i Jehovah Aho
NOTANTARAIN’I ANNA DENZ TURPIN
“Be fanontaniana koa ianao ity”, hoy i Neny nitsiky. Te hahafanta-javatra toy ny ankizy rehetra tokoa aho, ka nametraka fanontaniana maro tamin’i Dada sy Neny. Tsy nibedy ahy mihitsy anefa izy ireo. Nampianariny kosa aho hisaina sy hahay hanapa-kevitra samirery, miorina amin’ny feon’ny fieritreretana voataizan’ny Baiboly. Tena sarobidy izany fampiofanana izany! Nosarahin’ny Nazia tamin’ny ray aman-dreny malalako mantsy aho, tamin’izaho 14 taona, ka tsy nahita azy ireo intsony.
NIPETRAKA tany Lörrach, tanàna alemà akaikin’ny sisin-tanin’i Soisa, i Oskar Denz sy Anna Maria ray aman-dreniko. Tia nanao politika izy ireo fony tanora, ary nahafantatra sy nanaja azy ny mpiara-monina. Niova anefa ny tanjon’izy ireo sy ny fiheverany ny politika, tamin’ny 1922, taoriana kelin’ny nivadiany. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny, ary faly erỳ nahafantatra fa hitondra fiadanana eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Niara-nianatra taminy koa i Dada tatỳ aoriana kely, ary nanomboka nanatrika ny fivoriana kristianina izy ireo. Ilay boky ara-baiboly hoe Ny Harpan’Andriamanitra mihitsy aza no nataon’i Dada fanomezana ho an’i Neny, tamin’ny Krismasy tamin’io taona io. Vavitokana aho, ary teraka tamin’ny 25 Martsa 1923.
Misy zavatra mahafinaritra tsaroako foana, toy ny dia fanaonay tany amin’ny Ala Mainty nandritra ny vanin-taona mafana, sy ny fampianaran’i Neny ahy hikarakara tokantrano! Toy ny mbola hitako an’eritreritra izy, mijoro ao an-dakozia
mampianatra ny zanany vavikely hahandro sakafo. Nampianatra ahy ho tia sy hatoky an’i Jehovah Andriamanitra koa izy ireo, ary izany no zava-dehibe indrindra.Mpitory be zotom-po 40 teo ho eo izahay teo anivon’ny fiangonana. Nahay nanararaotra ny fahafahana hiresaka momba ilay Fanjakana ny ray aman-dreniko. Nanao asa teo amin’ny fiaraha-monina izy ireo taloha, hany ka nahazo aina tsara rehefa niaraka tamin’ny olona, sady noraisina tsara koa. Naniry hitory isan-trano koa aho, tamin’izaho fito taona. Tamin’ny andro voalohany nitoriako, dia nomen’ilay namako gazety aho, ary nanondro trano iray izy sady niteny hoe: “Mandehana omeo an-dry zareo ity raha tiany.” Nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Bâle, any Soisa, izahay tamin’ny 1931, ary natao batisa tany ny ray aman-dreniko.
Nanjary fitondrana jadona ilay fisafotofotoana
Nisafotofoto be tao Alemaina tamin’izany, ary nifandona mafy teny amin’ny arabe ireo ankolafiny ara-politika. Taitra aho, indray alina, nahare ny kiakiaka avy tamin’ny trano iray teo akaikinay. Novonoin’ny tovolahy roa tamin’ny vy maranitra ny zokiny lahy, satria tsy nitovy hevitra ara-politika izy ireo. Nitombo be koa ny fankahalana ny Jiosy. Nasaina nijoro teny an-joron-trano ny ankizivavy kely iray tany am-pianarana, satria fotsiny hoe Jiosy izy. Tena nalahelo azy aho. Tsy fantatro tamin’izay fa tsy ho ela dia ho tsapako koa izany hoe havakavahana izany.
Lasa filohan’i Alemaina i Adolf Hitler tamin’ny 30 Janoary 1933. Nandresy àry ny Nazia, ka tazanay avy terỳ lavidavitra izy ireo nampiakatra ny saina nisy croix gammée teo amin’ny lapan’ny tanàna. Nafana fo ny mpampianatra ka nampianatra anay ny fomba fiarahabana hoe “Heil Hitler!” Nolazaiko tamin’i Dada izany ny harivan’iny. Nanahiran-tsaina azy izany. Hoy izy: ‘Tsy tsara izany, satria famonjena no dikan’ny hoe “Heil.” Koa ny filazantsika hoe “Heil Hitler” dia midika fa manantena famonjena avy aminy isika, fa tsy avy amin’i Jehovah. Tsy mety izany, araka ny hevitro, nefa ianao ihany no mifidy izay tokony hataonao.’
Nanomboka nanilikilika ahy ny mpiara-mianatra tamiko, satria nanapa-kevitra ny tsy hanao ilay fiarahabana an’i Hitler aho. Nisy ankizilahy nandaroka ahy mihitsy aza, rehefa tsy hitan’ny mpampianatra. Navelan’izy ireo ihany aho tatỳ aoriana, nefa na ny namako aza nilaza fa tsy navelan’ny rainy niara-nilalao tamiko izy ireo. Nampidi-doza loatra, hono, aho.
Noraran’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah, roa volana taorian’ny nandraisany fahefana, satria nampidi-doza ny fitondrana, hono. Nakaton’ny miaramila mpanafika ny Betelan’i Magdebourg, ary norarana ny fivorianay. Nahazo taratasy nahafahanay nankany Bâle, any Soisa, i Dada. Afaka nivory tany isaky ny alahady àry izahay. Matetika i Dada no nilaza fa niriny hahazo sakafo ara-panahy toy izany koa ireo anadahy tany Alemaina, mba hahafahany hiatrika ny hoavy amin-kerim-po.
Fivezivezena nampidi-doza
Rehefa nakatona ny Betelan’i Magdebourg, dia tonga tany Lörrach, toerana niaviany, i Julius Riffel, Betelita taloha, mba handamina ny asa fitoriana hatao amim-piafenana. Nilaza avy hatrany i Dada fa hanampy azy. Nasainy nipetraka izahay sy Neny, ary avy eo nohazavainy fa nanaiky hanampy hitondra ireo gazety avy tany Soisa nankany Alemaina izy. Nilaza koa izy fa tena nampidi-doza izany, ka nety ho voasambotra izy tamin’ny fotoana rehetra. Tsy tiany hahatsiaro ho voatery hanao toa azy izahay, satria hampidi-doza anay koa izany. Niteny avy hatrany i Neny hoe: “Hiara-miasa aminao aho.” Samy nijery ahy izy roa, ka hoy aho: “Izaho koa!”
Nanamboatra kitapo bà, mitovitovy habe amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana i Neny. Natsofony tao ny gazety vitsivitsy, ary nohidiany avy eo. Nasiany paosy miafina vitsivitsy koa ny akanjon’i Dada. Nanamboatra sikina roa koa izy, ka nanisihanay boky kelikely fianarana Baiboly izany. Maivamaivana sy nisaotra an’i Jehovah izahay isaky ny tonga tao an-trano, rehefa avy nitondra ireo harenanay miafina. Nafeninay tao amin’ny efitra ambanin’ny tafo ireo boky sy gazety.
Tsy niahiahy na nanontany na nisava ny tranonay ny Nazia tamin’ny voalohany. Nanapa-kevitra ihany anefa izahay fa hampiasa famantarana manokana, mba hampitandremana ireo anadahy, rehefa nisy olana. Ny 4711, anarana ranomanitra nalaza, no nataonay famantarana. Nampiasainay mba hampitandremana azy ireo io isa io, raha nampidi-doza ny nankao aminay. Nasain’i Dada nijery ny varavarankely tao amin’ny efitra fandraisam-bahininay koa izy ireo, alohan’ny hidirana. Raha nivoha ny varavarankely ankavia, dia nidika izany fa nisy olana, ka tsy tokony hanatona izy ireo.
Nanao fisamborana tambabe ny polisy miafina, tamin’ny 1936 sy 1937. Vavolombelona an’arivony no voasambotra sy naiditra am-ponja ary nalefa tany amin’ny toby fitanana. Nampijalina tamin-kabibiana izy ireo tany. Nanangona tatitra momba izay nitranga ny biraon’ny sampan’i Berne, any Soisa. Anisan’izany ny tatitra sasany navoaka an-tsokosoko avy tany amin’ireo toby, ka natambatra tao amin’ilay boky hoe Kreuzzug gegen das Christentum (Kroazada Manohitra ny Kristianisma). Miresaka ny heloka bevava nataon’ny Nazia io boky io. Nanao vivery ny ainay izahay, ka nitondra ireo tatitra niampita ny sisin-tany ho any Bâle. Nogadraina avy hatrany izahay, raha tratran’ny Nazia nitondra ireo antontan-taratasy noraran’ny lalàna ireo. Nitomany aho rehefa
namaky momba ny fampijaliana an’ireo anadahy. Tsy natahotra anefa aho. Fantatro fa hikarakara ahy i Jehovah sy ny ray aman-dreniko, izay tena namako akaiky.Nahazo diplaoma tany am-pianarana aho, tamin’izaho 14 taona, ka niasa tao amin’ny fivarotana fitaovana isan-karazany. Matetika no nitondra ireo antontan-taratasy izahay, rehefa tsy niasa i Dada ny asabotsy tolakandro na ny alahady, ary isaky ny tapa-bolana teo ho eo. Toy ny fianakaviana nitsangantsangana tamin’ny faran’ny herinandro no fijery anay. Tsy nanakana na nisava anay ny mpiambina ny sisin-tany nandritra ny efa-taona teo ho eo, raha tsy tamin’ny Febroary 1938.
Tratra!
Tsy hohadinoiko mihitsy ny fihetseham-po hita soritra teny amin’ny endrik’i Dada, rehefa tonga teo amin’ilay toerana fakanay boky sy gazety, teo akaikin’i Bâle izahay. Nisy boky sy gazety maro mantsy niandry anay teo. Voasambotra ny fianakaviana iray mpitondra taratasy sy boky, ka nisy boky fanampiny tsy maintsy nentinay. Niahiahy anay ny mpiasan’ny doanina teo amin’ny sisin-tany, ka nasainy nosavaina izahay. Rehefa hitany ireo boky, dia nambanany basy izahay ary nasainy nanatona ny fiaran’ny polisy efa niandry teo. Nofihinin’i Dada mafy ny tanako rehefa nitondra anay ny polisy, ary nibitsibitsika izy hoe: “Aza mivadika. Aza milaza anaran’olona mihitsy!” Nanome toky azy aho hoe: “Tsy hanao izany mihitsy aho.” Nentin-dry zareo ilay dada malalako, rehefa tafaverina tany Lörrach izahay. Tamin’ny fotoana nanidiana ny varavaran’ny fonja no nahitako azy farany.
Naka am-bavany ahy nandritra ny adiny efatra, ny lehilahy efatra anisan’ny polisy miafina. Nasain’izy ireo nilaza ny anarana sy ny adiresin’ireo Vavolombelona hafa aho. Tezitra mafy sy nandrahona toy izao ny manam-pahefana iray, rehefa tsy niteny aho: “Manana fomba hafa hampitenenana anao izahay!” Tsy nilaza na inona na inona aho. Nentiny nody izahay sy Neny avy eo, ary tamin’izay vao nosavaina ny tranonay. Nosamborina i Neny, fa izaho kosa nalefa tany amin’ny nenitoako mba hotezainy. Tsy fantatr’izy ireo anefa fa Vavolombelona koa izy. Navela hiasa aho, nefa nisy polisy miafina efatra nanara-maso izay rehetra nataoko. Nipetraka tao anatin’ny fiara nijanona teo anoloan’ny tranonay izy ireo, ary nisy iray koa nivezivezy teo amin’ny sisin’ny arabe.
Nivoaka ny trano aho tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nahita rahavavy tanora iray nandeha bisikileta nanatona ahy. Hitako fa nisy taratasy saika hatsipiny tatỳ amiko rehefa nihananatona izy. Raha vao azoko ilay izy dia niherika aho nijery raha hitan’ireo polisy izay nataoko. Gaga aho fa tamin’izay indrindra izy rehetra no niandrandra sy nikakakaka nihomehy!
Nilaza ilay taratasy fa tokony hankany amin’ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay rahavavy aho io antoandro io. Nanara-maso ahy anefa ny polisy, koa ahoana no hahasahiako ho any, ka hampidi-doza ny ray aman-dreniny? Nojereko ireo polisy efatra tao anaty fiara sy ilay nivezivezy teo amin’ny arabe. Tsy hitako izay natao, ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho. Tampoka teo dia nanatona an’ilay fiara ilay polisy, ary niresaka tamin’ireo lehilahy tao. Niditra tao amin’ilay fiara izy avy eo, ary lasa ry zareo!
Tamin’izay indrindra no nandalo teo amin’ny kihon-dalana i Nenitoa. Efa tamin’ny 12 ora mahery tamin’izay. Novakiny ilay taratasy, ary nihevitra izy fa tokony ho any amin’ilay trano nolazaina taminay izahay. Angamba nanao fandaharana handefasana ahy ho any Soisa ireo anadahy. Rehefa tonga tany izahay, dia nampifankahalala ahy tamin’i Heinrich Reiff, ilay fianakaviana. Noharabainy aho fa afaka tamin’ireo polisy miafina. Nolazainy koa fa hanampy ahy handositra tany Soisa izy. Nomeny antsasak’adiny aho, ary tokony hihaona tany amin’ny ala iray izahay avy eo.
Ny fiainana tany an-tsesitany
Nitomany aho rehefa nihaona tamin’ny Anadahy Reiff. Nalahelo mafy mantsy aho nieritreritra fa handao ny ray aman-dreniko. Nandeha haingana loatra ny zava-drehetra. Tsy nitaintaina intsony izahay rehefa tafaraka tamin’ny mpizaha tany maromaro, ary niampita soa aman-tsara ny sisin-tanin’i Soisa.
Rehefa tonga tany amin’ny biraon’ny sampan’i Berne aho vao nahafantatra fa ireo anadahy tao no nanao izay handosirako. Tsara fanahy izy ireo ka nampiantrano ahy. Faly be aho niasa tao an-dakozia. Tena sarotra anefa ny niaina tany an-tsesitany, satria tsy fantatro ny nanjo ny ray aman-dreniko, izay samy voaheloka higadra roa taona! Nalahelo sy nanahy mafy aho indraindray, ka nihidy tao amin’ny efitra fandroana sy nitomany tao. Afaka nifanoratra foana tamin’izy ireo anefa aho, ka nampirisihiny tsy hivadika hatrany.
Ny oha-pinoan’ny ray aman-dreniko no nanosika ahy hanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah, sy hatao batisa ny 25 Jolay 1938. Niasa tao amin’ny Betela aho nandritra ny herintaona, ary avy eo tany Chanélaz, toeram-pambolena sy fiompiana novidin’ny sampan’i Soisa. Natao hamokarana sakafo ho an’ny fianakavian’ny Betela izy io, sady nipetrahan’ireo anadahy nandositra noho ny fanenjehana.
Rehefa nahefa ny saziny ny ray aman-dreniko tamin’ny 1940, dia nilaza ny Nazia fa hafahana izy ireo raha niala tamin’ny finoany. Nifikitra mafy anefa izy ireo ka nalefa tany amin’ny toby fitanana: i Dada tany Dachau ary i Neny tany Ravensbrück. Tsy nety nanao asa ho an’ny miaramila i Neny sy ny rahavavy hafa, tamin’ny ririnin’ny 1941. Koa nasaina nitsangana teo amin’ny hatsiaka nandritra ny 3 andro sy 3 alina izy ireo ho saziny. Nohidiana tao amin’ny efitra maizina sy navela ho mosarena nandritra ny 40 andro koa izy ireo. Nokaravasina izy ireo avy eo. Maty i Neny tamin’ny 31 Janoary 1942, rehefa novelezina tamin-kabibiana, telo herinandro talohan’izay.
Nafindra tany Mauthausen, any Aotrisy, i Dada. Novonoin’ny Nazia ny mpigadra tao amin’io toby io, izany hoe navelany ho mosarena sy nampanaoviny asa faran’izay mafy. Novonoin’ny Nazia koa i Dada fa tamin’ny fomba hafa, enim-bolana taorian’ny nahafatesan’i Neny. Nanaovan’izy ireo fanandramana ara-pitsaboana izy. Fanahy inian’ireo dokotera tao an-toby nampidirana otrikaretina tioberkilaozy, ireo voafonja. Notsindronina fanafody mahafaty teo amin’ny fony izy ireo avy eo. Nilaza ny tatitra ofisialy fa maty i Dada satria “reraka ny fony.” Telo amby efapolo taona izy tamin’izay. Amam-bolana tatỳ aoriana vao fantatro ilay fomba nahatsiravina namonoana azy. Mbola mitomany foana aho rehefa mahatsiaro ireo ray aman-dreny malalako. Mampahery ahy anefa ny mahafantatra fa tsy manana ahiahy eo an-tanan’i Jehovah izao i Dada sy Neny, izay nanana fanantenana fiainana any an-danitra.
Nahazo tombontsoa nanatrika ny kilasy faha-11 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tany New York aho, taorian’ny Ady Lehibe II. Tena nahafaly izany hoe revo nianatra ny Soratra Masina nandritra ny dimy volana izany! Nalefa ho misionera tany Soisa aho, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny 1948. Tsy ela taorian’izay dia nihaona izahay sy James Turpin, anadahy mahatoky nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahadimy tany Gileada. Mpiandraikitra ny biraon’ny sampana tany Tiorkia izy, rehefa nosokafana ny biraon’ny sampana voalohany tany. Nivady izahay tamin’ny Martsa 1951, ary tsy ela taorian’izay dia fantatray fa bevohoka aho!
Nifindra teto Etazonia izahay, ary teraka tamin’ny Desambra tamin’io taona io ihany i Marlene zanakay vavy.Tena nahafaly anay sy Jim ireo taona nanompoanay an’i Jehovah. Faly erỳ aho rehefa mahatsiaro ny vehivavy sinoa iray atao hoe Penny, izay tena tia nianatra Baiboly. Natao batisa izy, ary tatỳ aoriana dia nanambady an’i Guy Pierce, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao. Nameno ny banga nateraky ny famoizako ny ray aman-dreniko ny olona mahafinaritra toy ireny.
Nanorina Efitrano Fanjakana teo amin’ny Lalana Stich, ireo anadahy tany Lörrach, tanàna niavian’ny ray aman-dreniko, teo am-piandohan’ny 2004. Nanapa-kevitra ny filan-kevitry ny tanàna, fa hanome anarana vaovao an’ilay lalana, ho fankasitrahana izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa hoe Denzstraße (Lalana Denz) ny anaran’ilay izy, ho fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreniko. Niresaka momba azy ireo ny gazety teo an-toerana Badische Zeitung, teo ambanin’ny lohateny hoe “Anaran-dalana Vaovao: Ho Fahatsiarovana ny Namonoana An’i Denz Mivady.” Nilaza ilay gazety fa “noho ny finoany dia novonoina tany amin’ny toby fitanana nandritra ny fitondran’i Hitler” izy ireo. Tena nampahery ahy iny zavatra tsy nampoizina nataon’ny filan-kevitry ny tanàna iny.
Matetika i Dada no nilaza fa tokony hanao fandaharana mialoha isika, toy ny hoe tsy ho tonga amin’ny andro hahavelomantsika ny Hara-magedona. Tokony hasehontsika amin’ny fitondran-tenantsika kosa anefa, hoy izy, fa toy ny hoe ho avy rahampitso izy io. Niezaka nampihatra io torohevitra sarobidy io foana aho. Tsy mora anefa ny mampifandanja ny faharetana sy ny fanantenana, indrindra fa satria voatery mijanona ato an-trano aho izao, noho ny voka-dratsin’ny fahanterana. Na izany aza dia matoky hatrany ity fampanantenan’i Jehovah ny mpanompony mahatoky rehetra ity aho: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, ... maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6.
[Efajoro/Sary, pejy 29]
TARATASY SAROBIDY VOATAHIRY
Nitsidika an’i Lörrach ny vehivavy iray avy tamin’ny tanàna tsy lavitra teo, tamin’ireo taona 1980. Nitondra ny entana tsy nilainy ho eo amin’ny toerana azon’ny rehetra nojerena ny olona teo an-tanàna tamin’izany fotoana izany, ka afaka naka izay tiany ny rehetra. Nahita boaty fasiana fitaovana fanjairana io ramatoa io, ary nentiny nody. Nisy sarin’ankizivavy kely, sy taratasy nosoratana tamin’ny fitaovam-panoratana fampiasa tany amin’ny toby fitanana, hitany tao amin’ny fanambanin’ilay boaty. Nanitikitika ny sain’ilay ramatoa ireo taratasy, ary tiany ho fantatra ilay ankizivavy kely mirandrana.
Tamin’ny 2000 dia nahita lahatsoratra an-gazety, niresaka ny fampirantiana ara-tantara natao tany Lörrach, ilay ramatoa. Noresahina tao ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo taona nitondran’ny Nazia, ka anisan’izany ny tantaran’ny fianakavianay. Nisy sariko tamin’izaho zatovo ilay izy. Rehefa hitan’ilay ramatoa fa mitovy ireo sary, dia nifandray tamin’ilay mpanao gazety izy, ary nilaza taminy momba ireo taratasy izay nisy 42! Voaraiko ireo taratasy ireo, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanontany an’i Nenitoa ny momba ahy foana ny ray aman-dreniko, tao amin’izy ireo. Tsy nitsahatra niahy ahy tamim-pitiavana izy ireo. Mahagaga mihitsy hoe voatahiry sy nipoitra indray ireo taratasy ireo, 60 taona mahery atỳ aoriana!
[Sary, pejy 25]
Tafasaraka ny fianakavianay nandritra ny fitondran’i Hitler
[Sary nahazoan-dalana]
Hitler: U.S. Army photo
[Sary, pejy 26]
1. Betelan’i Magdebourg
2. Vavolombelona an’arivony no nosamborin’ny polisy miafina
[Sary, pejy 28]
Tena mahafaly anay sy Jim ny fanompoana an’i Jehovah