Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Mampiavaka ny Olombelona

Toetra Mampiavaka ny Olombelona

Toetra Mampiavaka ny Olombelona

Mpikarakara lova no asan’i Jodie. Nandova ny entan’ny rahavaviny ny madama iray, ary manampy azy hifantina sy hivarotra izany i Jodie izao. Nahita boaty roa efa tonta izy, rehefa nikaroka tao amin’ny efitra iray. Taitra be izy nahita ny tao anatiny. Vola taratasy maro be mifono no tao, ary 82 000 dolara no tontaliny! I Jodie irery no ao amin’ilay efitra. Inona no tokony hataony? Haka ireo boaty ve dia tsy hiteniteny, sa hilaza amin’ilay madama hoe nahita vola?

MAMPIHARIHARY toetra iray mampiavaka antsika amin’ny biby, io olana nanahiran-tsaina an’i Jodie io. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Miavaka ny olombelona, noho izy mieritreritra lalina momba izay tokony hatao sy tsy tokony hatao.” Raha mahita vongan-kena eo ambony latabatra mantsy ny alika noana, dia tsy hieritreritra mihitsy hoe: ‘Tokony hohaniko ve io sa tsia?’ Afaka mandinika tsara kosa anefa i Jodie raha mety ny fanapahan-kevitra horaisiny, na tsia. Mangalatra izy raha maka ilay vola, na dia tsy atahorana ho tratra aza. Tsy azy ilay vola, nefa tsy fantatr’ilay madama koa ny fisiany. Raha homen’i Jodie azy indray ilay izy, dia hihevitra azy ho adala ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina misy azy.

Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toerany? Miankina amin’izay fomba amaritanao ny tsara sy ny ratsy izany.

Ahoana no amaritan’ny olona ny tsara sy ny ratsy?

Ny fivavahana no namaritra izay tokony hataon’ny olona sy tsy tokony hataony, nandritra ny taona maro. Maro koa no nanaraka izay voalazan’ny Baiboly. Mihabetsaka anefa izao ny olona maneran-tany no mihevitra fa tsy mahasoa ireo fitsipika isan-karazany apetraky ny fivavahana. Lazainy koa fa lany andro ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Inona indray àry no arahin’izy ireo? ‘Lasa manan-kery kokoa noho ny fivavahana ny fahendren’ity tontolo ity’, hoy ilay boky hoe Fitsipika Mifehy ny Raharaham-barotra (anglisy). Aleon’ny olona maka hevitra any amin’ny manam-pahaizana momba ny fitsipi-pitondran-tena, toy izay hanatona mpitondra fivavahana. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Paul McNeill: ‘Nisolo toerana ny pretra ireny manam-pahaizana ireny. Ny fitsipika apetrak’izy ireo indray izao no mitari-dalana ny olona, fa tsy ny fivavahana intsony.’

Ahoana no hanavahanao ny tsara sy ny ratsy, rehefa handray fanapahan-kevitra manahiran-tsaina ianao? Andriamanitra ve no mamaritra izay tokony hataonao, sa ianao ihany?