Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Faly Aho Noho ny Fampiofanana Azoko’

‘Faly Aho Noho ny Fampiofanana Azoko’

‘Faly Aho Noho ny Fampiofanana Azoko’

TAITRA be i Kazuna, rehefa nasain’ny mpampianatra azy handray anjara tamin’ny fifaninanana kabary amin’ny teny anglisy. Nahazo nanao an’io fifaninanana io daholo ny lise rehetra tany Hokkaido, nosy lehiben’i Japon, any avaratra. Mbola tsy nandray anjara tamin’izy io mihitsy anefa ny sekoly ianaran’i Kazuna. Natahotra izy tamin’ny fotoanan’ilay fifaninanana, satria tsy maintsy hifaninana amin’ny mpianatra 50 teo ho eo. Vao mainka natahotra izy rehefa hitany fa Anglisy ny roa tamin’ireo mpitsara.

Notononina àry avy eo hoe iza no nandresy, ka natomboka tamin’ilay nahazo ny loka kely indrindra. Taitra be mihitsy i Kazuna, satria ny anarany no notononina farany. Izy no nahazo ny loka voalohany! Gaga be koa ilay mpampianatra azy, izay nipetraka teo akaikiny tamin’io fotoana io, ary nifampijery fotsiny ry zareo. Iny mbola nihetsi-po be iny izy no nankeny amin’ny lampihazo mba haka ny lokany.

Faly erỳ i Kazuna. Hoy izy: “Tsy ho nahazo an’iny aho, raha tsy teo ny fampiofanana omen’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tena faly aho nahazo an’io fampiofanana io.” Iray amin’ireo fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah io sekoly io. Nandray anjara tamin’izy io i Kazuna, hatry ny fahakeliny. Rehefa nanomana ilay fifaninanana izy, dia nianarany tsara ny fampiasana mikrô, ny fitenenana amin-katsaram-panahy sy amin-kafanam-po, ny fanaovana fihetsehana, ny fifandraisana amin’ny mpihaino, ary ny loha hevitra hafa ampianarina mandritra ilay sekoly.

Manasa anao izahay hanatrika io sekoly io. Atao isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Aleo ianao mihitsy no hahita ny fomba andraisan’ny tanora sy ny antitra soa avy amin’izy io. Azon’ny besinimaro atrehina ilay sekoly. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny efitrano akaiky anao indrindra ianao, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao.