Jehovah no Mpanampy Ahy
Jehovah no Mpanampy Ahy
“Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.” —SALAMO 121:2.
1, 2. a) Nahoana isika rehetra no mila fanampiana indraindray? b) Afaka manao inona ho antsika i Jehovah?
IZA amintsika no tsy mba mila vonjy mihitsy? Mila fanampiana daholo isika indraindray, mba hiatrehana olana lehibe, na fahafatesan’ny havan-tiana, na fitsapana mafy hafa. Matetika ny olona no mankany amin’ny namana be fiahiana, rehefa mila fanampiana. Ny entan-jaraina mantsy, hono, mora zaka. Voafetra ihany anefa ny azon’ny olona atao. Tsy voatery ho eo foana koa izy ireo, rehefa mila fanampiana isika.
2 Afaka manampy antsika foana kosa anefa i Jehovah, ary tsy manam-petra ny heriny. Manome toky izy fa tsy hanary antsika mihitsy. Natoky tanteraka an’izany ny mpanao salamo, ka nanao hoe: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.” (Salamo 121:2) Nahoana izy no nino fa hanampy azy i Jehovah? Handinika ny Salamo faha-121 isika, mba hamaliana izany. Ho hitantsika hoe nahoana isika no afaka matoky fa hanampy antsika koa i Jehovah.
Vonona hanampy antsika foana izy
3. Tendrombohitra taiza no mety ho nanopazan’ilay mpanao salamo ny masony, ary nahoana?
3 Nasehon’ilay mpanao salamo aloha fa mendri-pitokisana i Jehovah, satria izy no Mpamorona. Hoy izy: “Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.” (Salamo 121:1, 2) Tsy ny tendrombohitra rehetra no tian’ny mpanao salamo horesahina fa tendrombohitra manokana. Tany Jerosalema ny tempolin’i Jehovah, tamin’izy nanoratra ireo teny ireo. Teo an-tampon’ny tendrombohitr’i Joda no nisy ilay tanàna, ary toy ny hoe nonina tao i Jehovah. (Salamo 135:21) Nanopy ny masony teny amin’ireo tendrombohitr’i Jerosalema nisy ny tempolin’i Jehovah angamba ilay mpanao salamo, satria nitady fanampiana taminy. Nahoana izy no natoky tanteraka fa afaka manampy azy i Jehovah? Satria izy no “Mpanao ny lanitra sy ny tany.” Toa te hilaza àry izy hoe: ‘Tsy misy mahery noho ny Mpamorona, ka azo antoka fa tsy hisy hahasakana azy tsy hanampy ahy!’—Isaia 40:26.
4. Ahoana no nampisehoan’ilay mpanao salamo fa mailaka hanamarika sy hanome izay ilain’ny mpanompony foana i Jehovah, ary nahoana izany no mampahery antsika?
4 Nohazavain’ilay mpanao salamo avy eo, fa mailaka hanamarika sy hanome izay ilain’ny mpanompony foana i Jehovah. Hoy izy: “Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, Salamo 121:3, 4) Tsy avelan’Andriamanitra “hangozohozo” mihitsy ny olona matoky azy, izany hoe tsy avelany ho lavo sy tsy ho tafarina intsony. (Ohabolana 24:16) Nahoana? Satria toy ny mpiandry ondry mifoha tsara izy. Tsy mampahery ve izany? Tsy ho resin-tory mihitsy izy na dia kely aza, fa hihevitra hatrany izay ilain’ny vahoakany. Miambina tsara azy ireo andro aman’alina izy.
tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Isiraely.” (5. Nahoana i Jehovah no lazaina fa ‘eo amin’ny ankavanana’?
5 Natoky ilay mpanao salamo fa miaro ny vahoakany foana i Jehovah, ka hoy izy: “Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ny ankavananao. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, na ny volana nony alina.” (Salamo 121:5, 6) Faly tokoa ny mpandeha an-tongotra tany Moyen-Orient, rehefa nahita fialofana na alokaloka niaro azy tamin’ny hainandro nigaingaina. Toy ny alokaloka koa i Jehovah, satria miaro ny vahoakany amin’ny loza toy ny hafanam-be. Mariho ilay hoe ‘eo amin’ny ankavanana’ i Jehovah. Tsy voaro tsara ny tanana ankavanan’ny miaramila fahiny rehefa niady izy, satria ny tanany havia no nitana ny ampinga. Nety ho nijoro sy niady teo ankavanany àry ny namany tsy nahafoy azy, mba ho voaro izy. Toy io namana io i Jehovah, satria eo anilan’ny mpanompony foana sady vonona hatrany hanampy azy ireo.
6, 7. a) Ahoana no nampisehoan’ilay mpanao salamo hoe azo antoka fa hanampy antsika foana i Jehovah? b) Nahoana isika no matoky toy ilay mpanao salamo fa hanampy antsika foana i Jehovah?
6 Mety hitsahatra tsy hanampy ny vahoakany ve i Jehovah? Tsy hitranga mihitsy izany, satria hoy ilay mpanao salamo namarana ny teniny: “Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.” (Salamo 121:7, 8) Mariho fa miresaka momba ny hoavy indray ilay mpanao salamo eo. Hoy izy teo amin’ny andininy faha-5: “Jehovah no Mpiaro anao.” Milaza anefa izy eo amin’ireo andininy manaraka ireo hoe: “Jehovah hiaro anao.” Matoky àry ny tena mpanompon’i Jehovah fa hanampy azy ireo foana izy. Hanao izany mandrakariva izy, na aiza na aiza misy azy ireo, ary na inona na inona loza manjo azy.—Ohabolana 12:21.
7 Natoky tokoa ilay mpanoratra ny Salamo faha-121, fa miambina ny mpanompony ilay Mpamorona mahery indrindra. Be fiahiana toy ny mpiandry ondry izy ary mailo tsara toy ny mpiambina. Matoky izany koa isika, satria tsy miova i Jehovah. (Malakia 3:6) Midika anefa ve izany fa hiaro antsika foana izy, mba tsy hiharan-doza ny tenantsika? Tsia. Harovany amin’izay rehetra mety hanimba ny fihavanantsika aminy kosa isika, raha mangataka fanampiana aminy. Ahoana àry no anampian’i Jehovah antsika? Handinika fomba efatra anaovany izany isika izao. Hojerentsika amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no nanampiany ny mpanompony fahiny. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa hoe ahoana no anampiany ny vahoakany ankehitriny.
Fanampian’ny anjely
8. Nahoana no tsy mahagaga raha tena miahy izay hahasoa ny mpanompon’Andriamanitra etỳ an-tany ny anjely?
8 Anjely an-tapitrisany no eo ambany fahefan’i Jehovah. (Daniela 7:9, 10) Manao ny sitrapony foana izy ireo. (Salamo 103:20) Fantany tsara ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona mpanompony, sy ny faniriany hanampy azy ireo. Noho izany, dia tsy mahagaga raha tena miahy izay hahasoa ny mpanompon’Andriamanitra etỳ an-tany ny anjely. (Lioka 15:10) Azo antoka àry fa faly izy ireo rehefa ampiasain’i Jehovah hanampy ny olona. Ahoana no nampiasan’i Jehovah anjely mba hanampiana ny mpanompony fahiny?
9. Nomen’Andriamanitra hery hiarovana olona tsy nivadika ny anjely. Manomeza ohatra.
9 Nomen’Andriamanitra hery ny anjely, mba hiaro sy hanavotra ny olona tsy nivadika. Nisy anjely roa nanampy an’i Lota sy ny zanany vavy handositra, rehefa noringanina i Sodoma sy Gomora. (Genesisy 19:1, 15-17) Anjely iray monja dia nahafaty ireo miaramila asyrianina 185 000 nandrahona an’i Jerosalema. (2 Mpanjaka 19:35) Rehefa natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela, dia ‘naniraka ny anjeliny [i Jehovah], ka nanakombona ny vavan’ny liona.’ (Daniela 6:22, 23) Nisy anjely iray koa nanafaka ny apostoly Petera avy tao am-ponja. (Asan’ny Apostoly 12:6-11) Misy olona maro hafa lazain’ny Baiboly fa narovan’ny anjely. Tena marina àry ny voalazan’ny Salamo 34:7 hoe: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.”
10. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny anjely iray mba hampaherezana an’i Daniela mpaminany?
10 Nampiasa anjely mba hampaherezana ny olona tsy nivadika i Jehovah indraindray. Misy tantara mampihetsi-po momba izany, ohatra, ao amin’ny Daniela toko faha-10. Efa ho 100 taona angamba i Daniela mpaminany tamin’izany. Tena kivy izy, satria angamba nahita fa lao i Jerosalema sady nitarazoka ny fanorenana ny tempoly. Sahiran-tsaina koa izy, rehefa avy nahazo fahitana nampahatahotra. (Daniela 10:2, 3, 8) Naniraka anjely hampahery azy àry Andriamanitra, satria tia azy. Nampahatsiahivin’ilay anjely imbetsaka an’i Daniela, fa “malala indrindra” teo imason’Andriamanitra izy. Inona no vokany? ‘Nampahery ahy ianao’, hoy ilay mpaminany be taona tamin’ilay anjely.—Daniela 10:11, 19.
11. Ahoana, ohatra, no nampiasana ny anjely mba hitarika ny fitoriana ny vaovao tsara?
11 Nampiasa anjely koa i Jehovah mba hitarika ny fitoriana ny vaovao tsara. Nisy anjely nitarika an’i Filipo tany amin’ny tandapa etiopianina iray, mba hitory taminy momba an’i Kristy. Natao batisa ilay tandapa avy eo. (Asan’ny Apostoly 8:26, 27, 36, 38) Tsy ela taorian’izay, dia nirin’i Jehovah ny hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny olona hafa firenena sy tsy voafora. Noho izany, dia nisy anjely niseho tamin’i Kornelio, izay hafa firenena sy natahotra an’Andriamanitra. Nasainy nampaka ny apostoly Petera izy. Niteny toy izao ireo irak’i Kornelio, rehefa nahita an’i Petera: “Nisy anjely masina nasain’Andriamanitra nilaza [tamin’i Kornelio] mba hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino izay holazainao.” Nankany amin’i Kornelio àry i Petera, ary tamin’izay vao nisy hafa firenena lasa Kristianina. (Asan’ny Apostoly 10:22, 44-48) Mba eritrereto ange raha ianao no nampian’ny anjely hitory tamin’ny olona nanana toe-po tsara e!
Fanampian’ny fanahy masina
12, 13. a) Nahoana ny apostolin’i Jesosy no nino fa afaka nanampy azy ireo ny fanahy masina? b) Nomen’ny fanahy masina hery hanaovana inona ny Kristianina voalohany?
12 Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nomeny toky ny apostoliny fa hahazo fanampiana izy ireo. Hanome azy ireo “mpanampy, dia ny fanahy masina” ny Ray. (Jaona 14:26) Nisy antony tsara matoa natoky ireo apostoly fa afaka nanampy azy ny fanahy masina. Misy tantara maro mantsy ao amin’ny Soratra Masina, mampiseho fa nampiasa an’io hery lehibe indrindra io i Jehovah, mba hanampiana ny vahoakany.
13 Imbetsaka ny fanahy masina no nampiasaina hanomezana hery ho an’ny olona, mba hahafahany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Nanome hery ho an’ny Mpitsara izy io, mba hanafahan’izy ireo ny Israelita. (Mpitsara 3:9, 10; 6:34) Izy io koa no nanome hery ny Kristianina voalohany, ka nahafahan’izy ireo nanohy nitory tamim-pahasahiana, na dia maro aza ny fanoherana. (Asan’ny Apostoly 1:8; 4:31) Nahita vokatra tsara izy ireo teo amin’ny fanompoany, ary porofoin’izany fa niasa tokoa ny fanahy masina. Nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana nanerana ny faritra fantany tamin’izany andro izany izy ireo. Raha tsy niasa ny fanahy masina, ahoana no ho nahafahan’ireo ‘olon-tsotra tsy dia nahita fianarana firy’ ireo hahavita izany?—Asan’ny Apostoly 4:13; Kolosianina 1:23.
14. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina, mba hanomezana fanazavana ho an’ny vahoakany?
14 Nampiasa ny fanahiny masina koa i Jehovah, mba hanomezana fanazavana ho an’ny vahoakany. Afaka nanazava ny hevitry ny nofin’i Farao, ohatra, i Josefa, satria nampian’ny fanahin’Andriamanitra. (Genesisy 41:16, 38, 39) Nampiasa ny fanahiny koa i Jehovah, mba hampahafantarana ny fikasany tamin’ny olona nanetry tena. Nafeniny tamin’ireo nieboebo kosa izany. (Matio 11:25) Noho izany, dia hoy ny apostoly Paoly momba ny zavatra omen’i Jehovah “an’izay tia azy”: “Tamintsika no nampihariharian’Andriamanitra izany tamin’ny alalan’ny fanahiny.” (1 Korintianina 2:7-10) Tsy mahafantatra ny tena sitrapon’Andriamanitra isika, raha tsy ampian’ny fanahy masina.
Fanampian’ny Tenin’Andriamanitra
15, 16. Inona no nasaina nataon’i Josoa mba hanaovany zavatra amim-pahendrena?
15 “Mahasoa mba hampianarana” ny Tenin’i Jehovah, sady manampy ny mpanompony ho “tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Misy tantara maro ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa nanampy ny vahoakan’Andriamanitra fahiny ny ampahany tamin’ny Teniny, izay efa voasoratra tamin’izany andro izany.
16 Nanome tari-dalana tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ny Soratra Masina. Izao no nolazaina tamin’i Josoa, rehefa notendrena hitarika ny Israelita izy: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity [izay nosoratan’i Mosesy], fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady [ho hita ho hendry].” Mariho fa tsy nampanantena Andriamanitra hoe hanao fahagagana mba hampahahendry an’i Josoa. Nila namaky sy nisaintsaina ny “bokin’ny lalàna” kosa izy, mba hanaovany zavatra amim-pahendrena.—Josoa 1:8, fanamarihana ambany pejy; Salamo 1:1-3.
17. Nanampy an’i Daniela sy Josia Mpanjaka mba hanao inona ny ampahan’ny Soratra Masina nisy tamin’ny androny?
17 Nampiasa ny Teniny koa Andriamanitra, mba hampahafantarana ny sitrapony sy ny fikasany. Ny zavatra nosoratan’i Jeremia, ohatra, no nahafantaran’i Daniela ny faharetan’ny fotoana hahalao an’i Jerosalema. (Jeremia 25:11; Daniela 9:2) Eritrereto koa ny zava-nitranga nandritra ny fotoana nanjakan’i Josia tany Joda. Niala tamin’i Jehovah ny firenen’ny Israely tamin’izany andro izany. Tsy nandika ny Lalàna koa ireo mpanjaka, sady tsy nanaraka izay voasoratra tao. (Deoteronomia 17:18-20) Nandritra ny fanamboarana ny tempoly anefa, dia hita “ny bokin’ny lalàna”, izay nosoratan’i Mosesy angamba. Mety ho io ilay bokin’ny lalàna voalohany, izay nosoratana 800 taona teo ho eo talohan’izay. Niaiky i Josoa rehefa novakina taminy ilay izy, fa tena niala tamin’i Jehovah ny fireneny. Nandray fepetra hentitra àry izy, mba hanatanterahana izay voalaza tao. (2 Mpanjaka 22:8; 23:1-7) Hita amin’izany fa nanampy ny vahoakan’Andriamanitra fahiny tokoa ny ampahan’ny Soratra Masina nisy tamin’ny androny.
Fanampian’ny mpiray finoana
18. Nahoana isika no milaza fa rehefa manampy ny mpiray finoana aminy ny Kristianina, dia avy amin’i Jehovah izany?
18 Matetika i Jehovah no manampy antsika amin’ny alalan’ny mpiray finoana amintsika. Rehefa misy Kristianina manampy ny mpiray finoana aminy àry, dia avy amin’Andriamanitra ilay fanampiana, raha ny marina. Nahoana? Antony roa no ilazantsika izany. Voalohany, satria miasa ny fanahy masin’Andriamanitra. Maneho ny vokatry ny fanahy, toy ny fitiavana sy ny fanaovan-tsoa, ny olona mitady ny tari-dalan’izy io. (Galatianina 5:22, 23) Noho izany, rehefa misy mpanompon’Andriamanitra manampy ny mpiray finoana aminy, dia manaporofo izany fa miasa ny fanahin’i Jehovah. Faharoa, avy amin’i Jehovah koa ilay fanampiana, satria natao tahaka ny endriny isika. (Genesisy 1:26) Midika izany fa afaka maneho ny toetrany isika, anisan’izany ny hatsaram-panahy sy ny fangoraham-po. Raha misy mpanompon’i Jehovah manampy ny mpiray finoana aminy àry, dia azo lazaina fa avy amin’i Jehovah izany, satria izy no tahafina.
19. Araka ny Baiboly, ahoana no nitondran’i Jehovah fanampiana tamin’ny alalan’ireo mpiray finoana?
19 Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny mpanompony mba hanampiana ny hafa, tamin’ny andro fahiny? Nasainy nanoro hevitra ny namany, ohatra, ny sasany, toy izay nataon’i Jeremia tamin’i Baroka, mba hamonjena ny ainy. (Jeremia 45:1-5) Nataon’i Jehovah koa indraindray izay hanomezan’ny mpanompony fanampiana mivaingana. Tena mailaka hanampy ireo rahalahiny nahantra tany Jerosalema, ohatra, ny Kristianina tany Makedonia sy Akaia. Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘nahatonga fisaorana an’Andriamanitra’ izany fahalalahan-tanana izany.—2 Korintianina 9:11.
20, 21. Nahafoy tena hanao inona ireo rahalahy tany Roma, mba hampaherezana ny apostoly Paoly?
20 Tena mampihetsi-po ireo tantara mampiseho ny ezaka nataon’ny mpanompon’i Jehovah mba hifampaherezana. Eritrereto, ohatra, ny tantaran’ny apostoly Paoly. Nandalo tamin’ilay lalam-be romanina atao hoe Lalan’i Apio izy, rehefa ho any Roma mba hogadraina. Tena mafy ny tapany farany tamin’ilay dia, satria faritra iva feno honahona. * Fantatr’ireo rahalahy teo amin’ny fiangonan’i Roma fa ho avy i Paoly. Inona no nataon’izy ireo? Nipetrapetraka tao an-tranony sy niandry izay hahatongavan’i Paoly fotsiny ve izy ireo, ary avy eo vao nitsena sy niarahaba azy?
21 Niara-dia tamin’i Paoly i Lioka, izay anisan’ny nanoratra ny Baiboly. Hoy izy nitantara izay nitranga: “Nony nandre ny momba anay ny rahalahy tany [Roma], dia nitsena anay hatrany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo.” Alao sary an-tsaina ange izany e! Nisy rahalahy maromaro niainga avy tany Roma mba Asan’ny Apostoly 28:15) Eritrereto ange e! Ny fahitana fotsiny an’ireo rahalahy niezaka mafy nanao io dia lavitra io, dia efa nampahery sy nampionona an’i Paoly! Ary iza no nisaorany noho izany fanampiana izany? Nisaotra an’i Jehovah Andriamanitra izy, satria avy taminy izany.
hitsena an’i Paoly, rehefa fantany fa ho avy izy. Ny sasany niandry tany amin’ny Tsenan’i Apio, ilay toerana malaza fiatoan’ny mpanao dia, 74 kilaometatra miala an’i Roma. Ny sisa kosa niandry tany amin’ny Tranombahiny Telo, ilay toerana fialan-tsasatra any amin’ny 58 kilaometatra ivelan’ny tanàna. Inona no tsapan’i Paoly tamin’izay? Hoy i Lioka: “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vantany vao nahita an’ireo, ary nihanahery.” (22. Inona no andinin-tenintsika ho an’ny taona 2005, ary inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Hitantsika tao amin’ny Baiboly àry fa tena manampy ny mpanompony i Jehovah. Tsy misy Mpanampy toa azy. Mety tokoa raha ny Salamo 121:2 no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah andinin-teny ho an’ny taona 2005. Izao no voalaza ao: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.” Ahoana anefa no anampian’i Jehovah antsika ankehitriny? Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Efa nanao io dia io koa ilay poety romanina atao hoe Horace (65-68 Talohan’i Kristy). Notantarainy fa tena mandreraka tokoa io tapany farany io. Nilaza izy fa “feno tantsambo sy tompona tranombahiny kahihitra” tao amin’ny Tsenan’i Apio. Nitaraina momba ny “moka sy ny sahona nahatsiravina” ary ny rano “matsaboka” koa izy.
Tadidinao Ve?
Ahoana no nanampian’i Jehovah ny mpanompony tamin’ny alalan’ny:
• anjely?
• fanahiny masina?
• Teniny?
• mpiray finoana tamin’izy ireo?
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 15]
Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2005: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.” —Salamo 121:2.
[Sary, pejy 16]
Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly noho ny fanampian’ireo rahalahy avy tany Roma