Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifanohitra ny Fivavahana Marina sy ny Fanompoan-tsampy

Nifanohitra ny Fivavahana Marina sy ny Fanompoan-tsampy

Nifanohitra ny Fivavahana Marina sy ny Fanompoan-tsampy

NISY fikarohana ambanin’ny tany be dia be natao nandritra ny zato taona mahery, tany amin’ny tanàna ravan’i Efesosy fahiny, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Torkia. Maromaro ny trano naorina indray, ary nodinihina sy nohazavain’ny mpahay siansa ireo zavatra maro hita. Anisan’ny tanàna tiorka manintona indrindra ny mpizaha tany àry i Efesosy.

Inona no fantatra momba an’i Efesosy? Ahoana no azo ilazalazana an’io tanàn-dehibe fahiny tena nahavariana io? Ho hitantsika fa nifanohitra ny fivavahana marina sy ny fanompoan-tsampy tany, raha mitsidika ilay toerana nisy azy sy ny Tranombakok’i Efesosy any Vienne, Aotrisy, isika. Andeha aloha hodinihintsika ny tantarany.

Toerana be mpitsiriritra

Fahita tany Eoropa sy Azia, ny hotakotaka sy ny fifindra-monina, nandritra ny taonjato faha-11 T.K. Tamin’izany no nanomboka nanjanaka ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora, ny Grika avy any Ionie. Mponina nalaza ho mpivavaka tamin’ny andriamanibavy reny no hitan’ireo mpiavy voalohany ireo. I Artemisin’ny Efesianina no nahalalana azy io tatỳ aoriana.

Tonga avy tany amin’ny Ranomasina Mainty, any avaratra, ny Simerianina mpifindrafindra monina, teo antenatenan’ny taonjato fahafito T.K., ka nandroba an’i Azia Minora. Tatỳ aoriana, tamin’ny 550 T.K. tany ho any, dia nandray fahefana i Crésus, mpanjakan’i Lydia, mpitondra nahery sy nalaza noho ny harem-beny. Azon’i Kyrosy Mpanjaka anefa ireo tanàna ionianina, anisan’izany i Efesosy, rehefa nanitatra ny Fanjakana Persanina izy.

Nanomboka nanafika an’i Persia i Aleksandra avy any Makedonia, tamin’ny 334 T.K., ka lasa mpitondra vaovaon’i Efesosy. Maty tanora izy tamin’ny 323 T.K., ka niady fahefana ireo jeneraliny. Anisan’ny niadian’izy ireo i Efesosy. Tsy niteraka i Attalos III, mpanjakan’i Pergamosy, ka nomeny ny Romanina i Efesosy tamin’ny 133 T.K., ary lasa anisan’ny provansy romanina tany Azia.

Nifanohitra ny fivavahana marina sy ny fanompoan-tsampy

Tonga tany Efesosy ny apostoly Paoly tamin’ny faramparan’ny dia misionerany faharoa, tamin’ny taonjato voalohany. Mponina 300 000 teo ho eo no tany tamin’izany. (Asan’ny Apostoly 18:19-21) Niverina tany izy nandritra ny dia misionerany fahatelo, ary sahy nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra, tao amin’ny synagoga. Nihamafy anefa ny fanoheran’ny Jiosy, telo volana tatỳ aoriana, ka naleony nandaha-teny isan’andro tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano. (Asan’ny Apostoly 19:1, 8, 9) Roa taona izy no nitory tao, sady nanao fahagagana niavaka, toy ny fanasitranana sy famoahana demonia. (Asan’ny Apostoly 19:10-17) Tsy nahagaga raha maro no lasa mpino! Tena nandresy ny tenin’i Jehovah, ka maro tamin’ireo mpanao mazia teo aloha no tsy nisalasala nandoro ny bokiny lafo vidy.—Asan’ny Apostoly 19:19, 20.

Nahomby ny fitorian’i Paoly, ka nampiala olona maro tamin’ny fivavahana tamin’i Artemisy andriamanibavy. Nahatezitra an’ireo mpanohana an’io fanompoan-tsampy io koa anefa izany. Nahazoan’izy ireo vola be mantsy ny fanamboarana tempoly kelin’i Artemisy tamin’ny volafotsy. Mety tsy handeha intsony àry ny varotr’izy ireo, ka nisy lehilahy iray atao hoe Demetrio nampirisika ny mpanefy volafotsy hirotaka.—Asan’ny Apostoly 19:23-32.

Nihamafy ilay fifandonana, ary nikiakiaka be toy izao nandritra ny adiny roa ny olona, tamin’ny farany: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” (Asan’ny Apostoly 19:34) Nampahery indray an’ireo Kristianina namany i Paoly rehefa nitsahatra ilay savorovoro, ary nankany Makedonia avy eo. (Asan’ny Apostoly 20:1) Na izany aza, dia nihalefy ny fivavahana tamin’i Artemisy. Azo antoka fa tsy hisy hivavaka aminy intsony amin’ny farany.

Nihalefy ny lazan’ny tempolin’i Artemisy

Nanjaka tany Efesosy ny fivavahana tamin’i Artemisy. I Cybèle andriamanibavy reny no tena nivavahana, talohan’ny andron’i Crésus Mpanjaka. Tiany ny hisian’ny andriamanitra eken’ny Grika sy ny tsy Grika, ka nilaza izy fa havan’ireo andriamanitra grika i Cybèle. Natomboka àry ny fanorenana ny tempolin’i Artemisy, mpandimby an’i Cybèle, tany antenatenan’ny taonjato fahenina T.K., ka i Crésus no niantoka ny lany.

Anisan’ny trano grika niavaka fahiny ilay tempoly. Mbola tsy nisy marbra goavana toy izany mihitsy nampiasaina, mba hanorenana trano nitovy karazana sy habe tamin’izy io. May izy io tamin’ny 356 T.K. Tena kanto koa ilay solony, ary nanome asa ho an’ny olona maro sy tena nanintona an’ireo mpanao fivahiniana masina. Tokotokony ho 50 metatra ny sakan’izy io ary 105 metatra ny halavany. Eo amin’ny toerana avo mirefy 73 metatra eo ho eo ny sakany ary 127 metatra ny halavany, no iorenany. Noheverina ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito eto an-tany izy io. Tsy ny rehetra anefa no tia azy io. Nilaza, ohatra, i Héraclite, filozofa tany Efesosy, fa toy ny haizin’ny faharatsian-toetra ilay lalan-kely maizimaizina nankany amin’ny alitaran’ilay tempoly. Nihevitra koa izy fa ratsy noho ny an’ny biby ny fitondran-tenan’ireo mpankao amin’ilay tempoly. Ho an’ny ankamaroan’ny olona kosa, dia toy ny hoe tsy ho rava mihitsy izy io. Tsy izany anefa no asehon’ny tantara. Hoy ny boky Ephesos—Der neue Führer (Efesosy—Ilay Mpitari-dalana Vaovao): “Nihalefy tampoka ny fivavahana tamin’i Artemisy sy ireo andriamanitra nalaza hafa, tamin’ny taonjato faharoa.”

Nisy horohoron-tany nahery vaika namely an’i Efesosy tamin’ny taonjato fahatelo. Norobain’ny tantsambo goths avy tany amin’ny Ranomasina Mainty koa ireo harem-be tao amin’ny tempolin’i Artemisy. Nodorany avy eo izy io. Hoy ihany ilay boky: “Ahoana moa no mbola hiheverana an’i Artemisy ho mpiaro an’ilay tanàna ihany, nefa izy aza resy ary tsy nahavita niaro ny fonenany akory?”—Salamo 135:15-18.

Tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra koa, dia nilaza ny Emperora Théodose I, fa ny “Kristianisma” no fivavaham-panjakana. Tsy ela àry dia lasa toerana fihadiana vato fanaovan-trano, ilay tempoly malazan’i Artemisy. Very hasina tanteraka ny fivavahana tamin’i Artemisy. Namaky tononkalo milaza an’ilay tempoly ho zava-mahatalanjona teo amin’ny tontolo fahiny, ny lehilahy iray tsy nitonona anarana. Hoy anefa izy momba ilay tempoly: “Lasa toerana foana tanteraka sady tena mampalahelo izy io.”

Ny “renin’andriamanitra” no nandimby an’i Artemisy

Nampitandrina ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’i Efesosy i Paoly fa rehefa lasa izy, dia hisy “amboadia masiaka” hiditra eo amin’izy ireo, ary hisy olona hipoitra avy aminy, ka ‘hanolana hevi-teny.’ (Asan’ny Apostoly 20:17, 29, 30) Izany tokoa no nitranga. Porofoin’ny tantara fa nanjaka tany Efesosy ny fivavahan-diso, dia ny Kristianisma nivadi-pinoana.

Tamin’ny taona 431, dia tany Efesosy no nandinihan’ny konsily iraisam-pinoana fahatelo, ny amin’ilay raharaha niadian-kevitra momba ny toerana tanan’i Kristy. Hoy ny Ephesos—Der neue Führer: ‘Nandresy tanteraka ireo avy any Aleksandria, izay nilaza fa andriamanitra i Kristy.’ Lasa lavitra ny vokatr’izany. ‘Lasa nivavahana i Maria, noho io hevitra tapaka tany Efesosy io. Nasandratra ho ilay niteraka an’Andriamanitra izy, fa tsy ilay niteraka an’i Kristy fotsiny. Nahatonga fisaratsarahana lehibe teo anivon’ny fivavahana koa izany. Mbola mitohy hatramin’izao ilay adihevitra.’

Nosoloana fivavahana tamin’i Maria, ilay “niteraka an’Andriamanitra” na “renin’andriamanitra” àry, ny fivavahana tamin’i Cybèle sy Artemisy. Nilaza koa ilay boky fa ‘mbola misy hatramin’izao any Efesosy ny Fivavahana Amin’i Maria, ary inoana fa misy ifandraisany amin’ny Fivavahana Amin’i Artemisy izy io.’

Hadino tanteraka

Tsy nalaza intsony i Efesosy rehefa nihalefy ny fivavahana tamin’i Artemisy. Vao mainka nihasarotra ny fiainana tany, noho ny horohoron-tany sy ny tazo. Tototry ny antsanga tsikelikely koa ny seranany.

Nanomboka nitaona olona maro be ny Silamo tamin’ny taonjato fahafito, ary tsy ny foko arabo ihany no notaominy. Nandroba an’i Efesosy ireo andian-tsambo arabo, nandritra ny taonjato fahafito sy fahavalo. Vita hatreo ny amin’i Efesosy rehefa tototry ny antsanga tanteraka ny seranany, ary lasa antontan-javatra rava izy. Tanàna kely atao hoe Aya Soluk (Selçuk ankehitriny) no sisa tavela tamin’io tanàn-dehibe kanto fahiny io.

Fitsidihana ny tanàna ravan’i Efesosy

Azonao atao ny mitsidika azy io, raha te haka sary an-tsaina ny hakantony fahiny ianao. Raha atombokao eo amin’ny vavahady ambony ny fitsidihanao, dia ho gaga avy hatrany ianao, rehefa mahita ny Lalan’i Curetes, izay midina mankany amin’ny Tranombokin’i Celse. Hahavariana anao ny Odéon, kianja kely filalaovana teatra, eo ankavanan-dalana, izay naorina tamin’ny taonjato faharoa. Nahazaka olona 1 500 teo ho eo izy io, ka toa nampiasaina ho toeram-pivorian’ny filan-kevitry ny tanàna sy toeram-pialam-boly ho an’ny besinimaro. Ireto avy no hita eo amin’ny sisiny roa amin’ny Lalan’i Curetes: toerana nandinihana ny raharaham-panjakana, tempolin’i Hadrien, dobo vitsivitsy misy rano mifantsitsitra, ary trano eny an-tehezan-kavoana, izay fonenan’ny Efesianina nanan-kaja.

Ho gaga ianao hahita ny hakanton’ilay Tranombokin’i Celse, izay natao tamin’ny taonjato faharoa. Nisy horonam-boky maro voatahiry tsara tao amin’ny efitra lehibe iray famakiam-boky. Misy sarivongana efatra eo amin’ny rindrina anoloana. Mampiseho ireo toetra tsara tokony hananan’ny mpiasam-panjakana romanina ambony toa an’i Celse, izy ireo. Ireto avy izany: Sophia (fahendrena), Arete (hatsaran-toetra), Ennoia (fahafoizan-tena), ary Episteme (fahalalana na fahakingan-tsaina). Any amin’ny Tranombakok’i Efesosy, any Vienne, no ahitana ireo sarivongana ireo izao. Misy varavarana ngezabe mankao amin’ny tsena Tetragonos, eo akaikin’ny tokotanin’ilay tranomboky. Teo amin’io toerana midadasika io no falehan’ny olona mba hividy sy hivarotra. Nisy toeram-pitsangantsanganana mitafo nanodidina azy io.

Tonga eo amin’ny Lalana Marbra mankany amin’ilay kianja lehibe filalaovana teatra ianao avy eo. Nahazaka olona 25 000 teo ho eo izy io, rehefa avy nitarina farany, tamin’ny andron’ny emperora romanina. Voaravaka andry sy sary mivohitra ary sarivongana maro ny rindriny anoloana. Azonao alaina sary an-tsaina tsara ilay vahoaka nihorakoraka be teo, noho ny fampirisihan’i Demetrio, mpanefy volafotsy.

Tena tsara tarehy ilay lalana mampitohy ilay kianja lehibe sy ny seranana. Tokotokony ho 500 metatra ny halavan’izy io ary 11 metatra ny sakany, sady voaravaka andry ny sisiny roa. Teo koa no nanaovana ny kianja mitafon’ilay toerana filalaovana teatra, sy ny kianja mitafon’ilay seranana, izay samy natokana ho amin’ny fanatanjahan-tena. Ny vavahady lehiben’ilay seranana erỳ amin’ny faran’io lalana io no nivoahan’ny olona mba hitety an’izao tontolo izao. Mifarana eto koa ny fitsidihantsika fohy ny sisan-javatra sasany mahavariana indrindra maneran-tany. Misy modelin’io tanàn-dehibe manan-tantara io sy zavatra maro hafa any amin’ny Tranombakok’i Efesosy, any Vienne. Vita amin’ny hazo izy ireo.

Rehefa mitsidika ilay tranombakoka ny olona, ka mahita ny sarivongan’i Artemisin’ny Efesianina, dia tonga ao an-tsainy avy hatrany ny fiaretan’ireo Kristianina voalohany tany Efesosy. Tanàna nanjakan’ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy sady feno fankahalana ara-pivavahana mantsy no tsy maintsy nipetrahan’izy ireo. Nanohitra mafy ny hafatra momba ilay Fanjakana ny mpivavaka tamin’i Artemisy. (Asan’ny Apostoly 19:19; Efesianina 6:12; Apokalypsy 2:1-3) Tafaorina tsara tao amin’izany fiaraha-monina tsy nahatamana izany anefa ny fivavahana marina. Handresy koa io fivavahana amin’ilay Andriamanitra marina io, rehefa ho foana toy ilay fivavahana fahiny tamin’i Artemisy, ny fivavahan-diso ankehitriny.—Apokalypsy 18:4-8.

[Sarintany/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

MAKEDONIA

Ranomasina Mainty

AZIA MINORA

Efesosy

Ranomasina Mediterane

EJIPTA

[Sary, pejy 27]

Sisa tavela tamin’ny tempolin’i Artemisy

[Sary, pejy 28, 29]

1. Tranombokin’i Celse

2. Arete, rehefa jerena akaiky

3. Lalana Marbra, mankany amin’ilay kianja lehibe filalaovana teatra