Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiofanina Hanazava Tsara ny Fahamarinana

Ampiofanina Hanazava Tsara ny Fahamarinana

Ampiofanina Hanazava Tsara ny Fahamarinana

“Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—ASAN’NY APOSTOLY 1:8.

1, 2. Nirahina hanao inona i Petera, ary iza no naniraka azy hanao izany?

“NANDIDY anay ... [i Jesosy avy any Nazareta] mba hitory amin’ny olona ka hanazava tsara fa izy no notendren’Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.” (Asan’ny Apostoly 10:38, 42) Nilaza izany tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany ny apostoly Petera, mba hanazavana fa nirahina hitory izy.

2 Oviana i Jesosy no nanome io didy io? Ny teny nolazain’i Jesosy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra angamba no naverin’i Petera teo. Nilaza toy izao tamin’ireo mpianany nahatoky i Jesosy tamin’izay: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Efa talohan’izany anefa i Petera no nahalala fa tsy maintsy hanambara ny finoany an’i Jesosy izy, satria mpianany.

Fampiofanana naharitra telo taona

3. Inona no fahagagana nataon’i Jesosy, ary nasainy hanao inona i Petera sy Andrea?

3 Nitory teny amin’ny toerana nanaratoan’i Petera sy Andrea, teny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy, volana vitsivitsy taorian’ny batisany tamin’ny taona 29. Niasa nandritra ny alina manontolo izy mirahalahy, fa tsy nahazo trondro. Niteny anefa i Jesosy hoe: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano!” “Nahazo trondro maro be” izy ireo rehefa nanao izany, ary ‘nisy rovitra mihitsy ny harato.’ Raiki-tahotra i Petera nahita io fahagagana io. Nampahery azy anefa i Jesosy hoe: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.”—Lioka 5:4-10.

4. a) Inona no nataon’i Jesosy mba hanomanana ny mpianany hitory? b) Hanao ahoana ny fitorian’ny mpianatr’i Jesosy, raha oharina amin’ny fitoriana nataony?

4 Nandao ny lakany avy hatrany i Petera sy Andrea, ary Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio, ka nanaraka an’i Jesosy. Niara-nitory taminy nandritra ny telo taona teo ho eo izy ireo, ary nampiofaniny hanao io asa io koa. (Matio 10:7; Marka 1:16, 18, 20, 38; Lioka 4:43; 10:9) Nilaza toy izao tamin’izy ireo i Jesosy taorian’izay, tamin’ny 14 Nisana taona 33: “Izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” (Jaona 14:12) Hanazava tsara ny fahamarinana toa an’i Jesosy ny mpianany, fa amin’ny olona maro kokoa. Tsy ela dia fantany fa hitory amin’ny “firenena rehetra” izy ireo sy ny mpianatra hafa atỳ aoriana, mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Matio 28:19, 20.

5. Inona no tokony hataontsika, mba handraisan-tsoa avy amin’ny fampiofanan’i Jesosy ny mpianany?

5 Madiva hifarana “ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3) Tsy afaka miaraka amin’i Jesosy sy mijery azy mitory toy ny mpianany voalohany isika. Kanefa afaka mandray soa avy amin’ny fampiofanany isika, raha mandinika ny fomba nitoriany sy ny toromarika nomeny ny mpianany ao amin’ny Baiboly. (Lioka 10:1-11) Hohazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity kosa ny zava-dehibe iray nasehon’i Jesosy ny mpianany, dia ny fomba fihevitra mety momba ny fitoriana.

Fiahiana ny olona

6, 7. Nahoana ny fitorian’i Jesosy no nandaitra, ary ahoana no hanahafantsika azy?

6 Nahoana ny fitorian’i Jesosy no nandaitra? Satria niahy fatratra ny olona izy. Efa nilaza ny mpanao salamo fa “hiantra ny reraka sy ny malahelo” i Jesosy. (Salamo 72:13) Nanatanteraka io faminaniana io tokoa izy. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “nangoraka izy nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Matio 9:36) Na ny olona nahavita fahotana lehibe aza dia nahatsapa fa be fiahiana izy, hany ka voasarika hanatona azy.—Matio 9:9-13; Lioka 7:36-38; 19:1-10.

7 Handaitra koa ny fitoriantsika ankehitriny, raha miahy ny olona isika. Alohan’ny handehanana hanompo, nahoana raha maka fotoana kely hieritreretana hoe nahoana ny olona no tena mila ny hafatra hampitainao aminy? Eritrereto ny olana mahazo azy ireny, izay tsy ho voavaha raha tsy amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Isaky ny hitory ianao, dia matokia fa hahita vokatra tsara. Tsy fantatrao tokoa mantsy hoe iza no handray ilay hafatra. Mety ho efa nivavaka mihitsy ny olona hitorianao, mba hisian’ny olona toa anao ho tonga hanampy azy!

Atosiky ny fitiavana

8. Toa an’i Jesosy, inona no manosika ny mpianany hitory ny vaovao tsara?

8 Mahakasika ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah sy ny fanamasinana ny anarany ary ny fanamarinana ny zony hitondra, ilay vaovao tsara notorin’i Jesosy. Ireo no adihevitra lehibe indrindra atrehin’ny olombelona. (Matio 6:9, 10) Tia ny Rainy i Jesosy, ka tsy nivadika mandra-pahafatiny ary nitory ilay Fanjakana, izay handamina ireo adihevitra ireo. (Jaona 14:31) Ny fitiavana koa no mahatonga ny mpianatr’i Jesosy ankehitriny hazoto hitory. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny”, anisan’izany ny didy hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra.—1 Jaona 5:3; Matio 28:19, 20.

9, 10. Ankoatra ny fitiavana an’Andriamanitra, ny fitiavana an’iza koa no manosika antsika hanazava tsara ny fahamarinana?

9 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy.” (Jaona 14:15, 21) Noho izany, dia ny fitiavana an’i Jesosy no tokony hahatonga antsika hanambara ny fahamarinana sy hitandrina ny didy hafa nomeny. Niseho tamin’ny mpianany izy indray mandeha, rehefa avy nitsangana tamin’ny maty, ary nampirisika an’i Petera hoe: ‘Fahano ny zanak’ondriko’, ‘Andraso ny ondrikeliko’, ary “Fahano ny ondrikeliko.” Inona anefa no tokony hanosika an’i Petera hanao izany? Namaly izany i Jesosy rehefa namerimberina nanontany azy hoe: ‘Tia ahy ve ianao?’, “Tia ahy ve ianao?”, ary “Miraiki-po amiko ve ianao?” Midika izany fa ny fitiavan’i Petera an’i Jesosy sy ny firaiketam-pony aminy no tokony hanosika azy hanazava tsara ny fahamarinana, sy hitady ny ‘ondrikelin’i’ Jesosy ary hiandry azy ireo.—Jaona 21:15-17.

10 Tsy mifanerasera amin’i Jesosy toa an’i Petera isika ankehitriny. Fantatsika tsara anefa fa nanao zavatra lehibe ho antsika i Jesosy. Manohina ny fontsika ny fitiavana lehibe nasehony, izay nahatonga azy “ho faty ho an’ny rehetra.” (Hebreo 2:9; Jaona 15:13) Miaiky toa an’i Paoly isika hoe: ‘Ny fitiavan’i Kristy no manery anay. Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho azy.’ (2 Korintianina 5:14, 15) Manaporofo isika fa sarobidy amintsika ny fitiavan’i Jesosy ary tia azy koa isika, rehefa tsy manao an-tsirambina ilay didiny hanazava tsara ny fahamarinana. (1 Jaona 2:3-5) Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny fitoriana, raha tsy izany dia mihevitra ny sorona nataon’i Jesosy ho tsy dia manao ahoana isika.—Hebreo 10:29.

Mifantoha foana amin’ny fanompoana

11, 12. Inona no antony nahatongavan’i Jesosy ho amin’izao tontolo izao, ary ahoana no nampisehoany fa nifantoka tamin’izany foana izy?

11 Hoy i Jesosy tamin’i Pontio Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Tsy nisy na inona na inona navelan’i Jesosy hahatonga azy ho variana, ka tsy hifantoka amin’ny fanambarana ny fahamarinana. Izany rahateo no sitrapon’Andriamanitra.

12 Nitsapa an’i Jesosy tokoa i Satana tamin’io lafiny io. Vao vita batisa kelikely i Jesosy, dia notolorany toerana ambony sy ny “fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” (Matio 4:8, 9) Naniry hanao an’i Jesosy ho mpanjaka ny Jiosy tatỳ aoriana. (Jaona 6:15) Mety hisy hieritreritra hoe tsara kokoa raha nanaiky ireo toerana nomena azy ireo i Jesosy. Mihevitra angamba izy ireo fa ho afaka nanao zavatra tsara maro ho an’ny olona izy, raha nanaiky ho mpanjaka. Tsy nieritreritra toy izany anefa i Jesosy, fa nifantoka tamin’ny fanambarana ny fahamarinana.

13, 14. a) Tsy variana tamin’ny inona i Jesosy? b) Nahantra i Jesosy, nefa inona no zava-bitany?

13 Tsy variana nitady vola aman-karena koa i Jesosy. Noho izany, dia tsy nanana fiainana nampiadana izy. Na trano aza tsy nananany. Hoy izy indray mandeha: “Ny amboadia manan-davaka isitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Matio 8:20) Lazain’ny Baiboly fa tsy nanan-java-tsarobidy mihitsy izy rehefa maty, afa-tsy ilay akanjo nanaovan’ny miaramila romanina antsapaka. (Jaona 19:23, 24) Midika ve izany fa tsy nahomby i Jesosy teo amin’ny fiainany? Tsy izany velively!

14 Nahavita zavatra tsara lavitra noho ny soa nataon’ny olona manankarena indrindra izy. Hoy i Paoly: “Fantatrareo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza izy, dia tonga nahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.” (2 Korintianina 8:9; Filipianina 2:5-8) Nahantra tokoa i Jesosy. Ny zavatra nataony anefa no hahafahan’ny olona manetry tena ho tonga lavorary sy hiaina mandrakizay. Tena mankasitraka azy tokoa isika! Faly be koa isika fa nahazo valisoa izy, satria nifantoka hatrany tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra!—Salamo 40:8; Asan’ny Apostoly 2:32, 33, 36.

15. Inona no sarobidy kokoa noho ny harena?

15 Manahaka an’i Jesosy koa ny Kristianina ankehitriny, ka tsy manaiky ho variana amin’ny fikatsahana harena. (1 Timoty 6:9, 10) Miaiky izy ireo fa mety hampiadana ny harena, nefa fantany fa tsy ny harena no hahazoany ny fiainana mandrakizay. Tsy misy dikany ny harenany rehefa maty izy, toy ilay akanjon’i Jesosy izay tsy nisy dikany taminy koa rehefa maty izy. (Mpitoriteny 2:10, 11, 17-19; 7:12) Tsy manan-java-tsarobidy afa-tsy ny fifandraisany amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy ny Kristianina, rehefa maty.—Matio 6:19-21; Lioka 16:9.

Tsy kivy noho ny fanenjehana

16. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nenjehina izy?

16 Nifantoka tamin’ny fanambarana ny fahamarinana foana i Jesosy, na dia nenjehina aza. Tsy kivy izy na dia fantany aza fa hifarana amin’ny fanaovana sorona ny ainy ny fanompoany teto an-tany. Hoy i Paoly momba azy: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” (Hebreo 12:2) Mariho fa “tsy nitandro henatra” i Jesosy. Tsy nampanahy azy izay noeritreretin’ny mpanohitra momba azy. Nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra foana izy.

17. Inona no ianarantsika avy amin’ny fiaretan’i Jesosy?

17 Nampirisika ny Kristianina mba hahay hiaritra toa an’i Jesosy i Paoly, ka nilaza hoe: “Diniho tsara tokoa ilay niaritra izany teny fanoheran’ny mpanota izany. Tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo izany fanoherana izany. Eny, diniho izy mba tsy ho kivy ianareo na ho reraka.” (Hebreo 12:3) Mety ho reraka tokoa isika raha misy manohitra sy maneso lava. Mety ho vizana koa isika miezaka hatrany tsy ho voasariky ny zavatra manintona eto amin’ity tontolo ity. Handiso fanantenana ny havantsika mihitsy aza angamba izany, satria mampirisika antsika mba “hanao izay hahatafita” antsika izy ireo. Manahaka an’i Jesosy anefa isika, ka mitady fanampiana amin’i Jehovah, sady ataontsika loha laharana foana ilay Fanjakana.—Matio 6:33; Romanina 15:13; 1 Korintianina 2:4.

18. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nolazain’i Jesosy tamin’i Petera?

18 Tsy nanaiky ho variana tamin-javatra hafa mihitsy i Jesosy. Hita tsara izany rehefa nanomboka nilaza tamin’ny mpianany izy fa ho faty. Nilaza tamin’i Jesosy i Petera mba ho “tsara fanahy” amin’ny tenany, sady nanome toky azy fa ‘tsy ho izany mihitsy no hiafarany.’ Nanda tsy nihaino izay teny rehetra nety ho nampihena ny fahazotoany hanao ny sitrapon’i Jehovah anefa i Jesosy. Nanome lamosina an’i Petera izy ary nilaza hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina ahy ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.” (Matio 16:21-23) Enga anie isika koa ho tapa-kevitra handa ny hevitry ny olona, ka hanaraka hatrany ny hevitr’Andriamanitra.

Hitondra soa maharitra ilay Fanjakana

19. Na dia nanao fahagagana aza i Jesosy, inona no lafiny lehibe indrindra tamin’ny fanompoany?

19 Nanao fahagagana maro i Jesosy hanaporofoana fa izy no Mesia. Nanangana ny maty mihitsy aza izy. Nahasarika olona maro izany. Tsy hanao asa soa anefa no nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, fa hanambara ny fahamarinana. Fantany fa mihelina ihany ny soa vitany. Mbola ho faty ihany na dia ny olona natsangany tamin’ny maty aza. Rehefa nanambara ny fahamarinana ihany izy, vao afaka nanampy ny olona hahazo ny fiainana mandrakizay.—Lioka 18:28-30.

20, 21. Ahoana no ampisehoan’ny tena Kristianina fa mahay mandanjalanja izy eo amin’ny fanaovan-tsoa?

20 Misy maka tahaka ny asa tsara nataon’i Jesosy amin’izao andro izao. Manorina hopitaly izy ireo, na manao zavatra hafa hanampiana ny mahantra. Mahafoy zavatra betsaka mihitsy izy ireo indraindray mba hanaovana izany, ary mendri-piderana ny fahatsoram-pony. Mihelina ihany anefa ny soa vitany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra soa maharitra. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hifantoka amin’ny fanambarana ny fahamarinana momba io Fanjakana io, toa an’i Jesosy.

21 Manao soa koa anefa ny tena Kristianina. Hoy i Paoly: “Dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:10) Tsy misalasala ‘manao soa’ ho an’ny mpiara-monina na ny mpiray finoana amintsika isika, rehefa misy loza mitranga, na mila fanampiana izy ireo. Na izany aza, dia ny fanambarana ny fahamarinana no ataontsika loha laharana.

Tahafo i Jesosy

22. Nahoana ny Kristianina no mitory?

22 Hoy i Paoly: “Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” (1 Korintianina 9:16) Tsy nanamaivana ny vaovao tsara izy, satria hitondra fiainana ho azy sy izay mihaino azy ny fitoriany azy io. (1 Timoty 4:16) Toy izany koa no fiheverantsika ny fanompoantsika. Te hanampy ny olona isika, ary te hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah. Tiantsika hoporofoina koa fa tia an’i Jesosy isika sady mankasitraka ny fitiavana lehibe nasehony tamintsika. Izany no mahatonga antsika hitory ny vaovao tsara, hany ka tsy velona ‘ho an’ny fanirian’olombelona intsony isika, fa velona hanao ny sitrapon’Andriamanitra.’—1 Petera 4:1, 2.

23, 24. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy? b) Iza ankehitriny no manazava tsara ny fahamarinana?

23 Toa an’i Jesosy, dia tsy manao tsirambina ny fitoriana isika, raha misy maneso na tezitra amintsika sy mandà ny hafatra torintsika. Misy lesona tsoahintsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanasa an’i Petera sy Andrea hanaraka azy. Hitantsika tamin’izy iny fa mety hahita vokatra tsara isika, raha mankatò an’i Jesosy, ka mandatsaka ny haratontsika any anaty rano heverina ho tsy dia misy vokatra firy. Maro ny Kristianina mpanarato olona no nahazo vokatra tsara, rehefa nitory nandritra ny taona maro tany amin’ny faritra noheverina ho tsy namokatra loatra. Ny hafa indray nifindra nankany amin’ny toerana mamokatra kokoa ka nahazo vokatra tsara. Na inona na inona ataontsika, dia tsy hanajanona ny fitoriana mihitsy isika. Fantatsika fa mbola tsy nilaza i Jesosy hoe vita ny fitoriana, na aiza na aiza.—Matio 24:14.

24 Misy Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery izao mazoto mitory any amin’ny tany maherin’ny 230. Ho hitantsika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2005 ny tatitra eran-tany momba ny fitorian’izy ireo, tamin’ny 2004. Ho hitantsika ao amin’io tatitra io fa tena tahin’i Jehovah ny fitoriana. Mandra-pifaran’ny rafitr’ity tontolo ity, dia aoka isika hanaraka ny tenin’i Paoly hoe: “Torio ny teny, mazotoa manao izany.” (2 Timoty 4:2) Enga anie isika hanazava tsara hatrany ny fahamarinana, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’ny fampiofanan’i Jesosy ny mpianany?

• Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy ny olona nitoriany?

• Inona no antony mahatonga antsika hanazava tsara ny fahamarinana?

• Inona no ataontsika, mba hampisehoana fa mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra isika, toa an’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 14]

Manomboka amin’ity taona ity, dia tsy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary intsony no ahitana ny Tatitra Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary.

[Sary, pejy 15]

Handaitra ny fitoriantsika, raha miahy ny olona toy ny nataon’i Jesosy isika

[Sary, pejy 16, 17]

Hanambara ny fahamarinana no tena nahatongavan’i Jesosy teto an-tany

[Sary, pejy 17]

Mifantoka amin’ny fanazavana tsara ny fahamarinana ny Vavolombelon’i Jehovah