Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho ny Modely Nomen’i Jesosy

Araho ny Modely Nomen’i Jesosy

Araho ny Modely Nomen’i Jesosy

“Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.”—JAONA 13:15.

1. Nahoana no modely ho an’ny Kristianina i Jesosy?

OLONA iray monja no tsy nanota mihitsy nandritra ny androm-piainany. Tsy iza izany fa i Jesosy. “Tsy misy olombelona tsy manota” ankoatra azy. (1 Mpanjaka 8:46; Romanina 3:23) Noho izany, dia izy no modely lavorary ho an’ny tena Kristianina. Izy mihitsy koa no nilaza tamin’ny mpianany mba hanahaka azy, taloha kelin’ny nahafatesany, ny 14 Nisana taona 33. Hoy izy: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:15) Nilaza fomba maromaro tokony hanahafan’ny Kristianina azy i Jesosy tamin’io alina io. Handinika ny sasany amin’izany isika ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ilaina ny manetry tena

2, 3. Nahoana no modely lavorary i Jesosy raha ny amin’ny fanetren-tena?

2 Ny fanetren-tena no tena noresahin’i Jesosy, rehefa nampirisika ny mpianany hanaraka ny modely nomeny izy. Imbetsaka izy no efa nanoro hevitra azy ireo mba hanetry tena. Nasehony tamin’ny alin’io 14 Nisana io fa nanetry tena izy, rehefa nanasa ny tongotry ny apostoliny. Hoy izy: “Izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, nanasa ny tongotrareo, dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo.” (Jaona 13:14) Nilaza tamin’ny apostoliny izy avy eo, mba hanaraka ny modely nomeny. Mendrika hotahafina tokoa izany fanetren-tenany izany!

3 Nilaza ny apostoly Paoly fa “fanahy tahaka an’Andriamanitra” i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nofoanany anefa ny tenany, ka tonga olombelona izy. “Nanetry tena” koa izy, “ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” (Filipianina 2:6-8) Eritrereto ange izany e! I Jesosy no ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao, manarakaraka an’i Jehovah. Nanaiky ho lasa ambany noho ny anjely anefa izy, nateraka ho zazakely, nankatò ray aman-dreny tsy lavorary rehefa nihalehibe, ary novonoina toy ny mpanao heloka bevava nohamavoina. (Kolosianina 1:15, 16; Hebreo 2:6, 7) Fanetren-tena re izany! Afaka manahaka izany “toe-tsaina” izany ve isika, ka hiezaka ‘hanetry tena’ koa? (Filipianina 2:3-5) Eny, nefa tsy mora izany.

4. Inona avy no mampirehareha ny olona, ary nahoana no mampidi-doza ny fireharehana?

4 Ny fireharehana no mifanohitra amin’ny fanetren-tena. (Ohabolana 6:16-19) Io fireharehana io no nampietry an’i Satana. (1 Timoty 3:6) Mora mamaka ao am-pon’ny olona izy io, ary sarotra hongotana. Mirehareha ny olona noho ny fireneny, firazanany, fananany, fanabeazana azony, zava-bitany, saranga niaviany, bika aman’endriny, zava-bitany eo amin’ny lafiny fanatanjahan-tena, ary ny maro hafa. Tsy misy zava-dehibe amin’i Jehovah anefa ireo. (1 Korintianina 4:7) Ary ho simba ny fifandraisantsika aminy, raha ireo no mampirehareha antsika. “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra, ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.”—Salamo 138:6; Ohabolana 8:13.

Manetre tena eo anivon’ireo rahalahy

5. Nahoana no tena tokony hanetry tena ny anti-panahy?

5 Tsy tokony hampirehareha antsika na dia ny anjara raisintsika sy ny zava-bitantsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary ny andraikitsika eo anivon’ny fiangonana aza. (1 Tantara 29:14; 1 Timoty 6:17, 18) Raha ny marina, dia vao mainka isika tokony hanetry tena, rehefa mitombo ny andraikitsika. Nampirisika ny anti-panahy ny apostoly Petera mba ‘tsy hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.’ (1 Petera 5:3) Notendrena mba ho mpanompo sy ho modely ny anti-panahy, fa tsy ho tompo.—Lioka 22:24-26; 2 Korintianina 1:24.

6. Amin’ny lafiny inona avy no mila manetry tena ny Kristianina?

6 Tsy ny anti-panahy ihany no mila manetry tena. Nisy torohevitra nomen’i Petera ny tanora, izay mety hirehareha noho ny hakingan-tsainy sy ny tanjany raha mitaha amin’ireo be taona. Hoy izy: “Misikìna fanetren-tena ianareo eo amin’ny fifampitondranareo, satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.” (1 Petera 5:5) Mila manetry tena toa an’i Kristy tokoa ny rehetra. Mitaky fanetren-tena ny fitoriana ny vaovao tsara, indrindra rehefa misy tsy miraika na manohitra. Mitaky fanetren-tena koa ny fanekena torohevitra sy fanatsorana ny fiainana, mba hanompoana bebe kokoa. Mila manana fanetren-tena sy herim-po ary finoana koa isika, rehefa haratsina, na torin’ny olona eny amin’ny fitsarana, na enjehina mafy.—1 Petera 5:6.

7, 8. Inona no hanampy antsika hanetry tena?

7 Inona no hanampy ny olona tsy hirehareha fa ‘hanetry tena, ka hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany’? (Filipianina 2:3) Mila mihevi-tena toy ny iheveran’i Jehovah azy izy. Nohazavain’i Jesosy hoe ahoana no tokony hiheverantsika ny tenantsika. Hoy izy: “Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’ ” (Lioka 17:10) Tadidio fa tsy misy mahavita ny vitan’i Jesosy mihitsy isika, nefa nanetry tena izy.

8 Afaka mangataka an’i Jehovah koa isika mba hanampy antsika hihevi-tena araka ny tokony ho izy. Afaka mivavaka toy ny mpanao salamo isika hoe: “Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, fa matoky ny didinao aho.” (Salamo 119:66) Hanampy antsika hihevi-tena araka ny tokony ho izy i Jehovah, ary hamaly soa ny fanetren-tenantsika. (Ohabolana 18:12) Hoy i Jesosy: “Izay manandra-tena dia haetry, ary izay manetry tena dia hasandratra.”—Matio 23:12.

Tiavo ny tsara, ankahalao ny ratsy

9. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny tsara sy ny ratsy?

9 “Tsy nanota” mihitsy i Jesosy, na dia niara-niaina tamin’ny olona tsy lavorary nandritra ny 33 taona aza. (Hebreo 4:15) Naminany toy izao momba ny Mesia ny mpanao salamo: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” (Salamo 45:7; Hebreo 1:9) Miezaka manahaka an’i Jesosy koa ny Kristianina amin’io lafiny io. Tsy hoe hainy fotsiny ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, fa mankahala ny ratsy ary tia ny tsara koa izy ireo. (Amosa 5:15) Manampy azy ireo izany hanohitra ny fanirian-dratsiny voajanahary.—Genesisy 8:21; Romanina 7:21-25.

10. Inona no asehontsika raha zatra “manao ratsy” sy tsy mibebaka isika?

10 Hoy i Jesosy tamin’ilay Fariseo atao hoe Nikodemosy: “Izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava sao hiharihary ny ataony. Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho izay ataony, ka ho hita fa natao araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.” (Jaona 3:20, 21) I Jesosy no “ilay tena fahazavana izay manazava ny karazan’olona rehetra”, hoy i Jaona. (Jaona 1:9, 10) Nilaza anefa i Jesosy fa mankahala ny fahazavana isika, raha zatra “manao ratsy” na ny zavatra tsy eken’Andriamanitra. Sarotra inoana ny hoe misy olona mankahala an’i Jesosy sy ny fitsipiny! Izany anefa no ataon’ny olona zatra manota sy tsy mibebaka. Tsy mieritreritra angamba izy hoe mankahala an’i Jesosy, nefa izany no fiheveran’i Jesosy azy.

Ahoana no hankahalana ny ratsy sy hitiavana ny tsara toa an’i Jesosy?

11. Inona no ilaina mba hankahalana ny ratsy sy hitiavana ny tsara toa an’i Jesosy?

11 Tokony ho azontsika tsara izay lazain’i Jehovah hoe tsara sy ratsy. Tsy hazava amintsika izany, raha tsy mianatra Baiboly isika. Rehefa mianatra azy io isika, dia mila mivavaka toa an’ilay mpanao salamo hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4) Tadidio anefa fa mpamitaka i Satana. (2 Korintianina 11:14) Hainy ny manova ny ratsy, ka hahatonga ny Kristianina hihevitra azy io ho tsara, raha tsy mailo izy. Mila misaintsaina lalina izay ianarantsika àry isika, ary manaraka akaiky ny torohevitry ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47) Hanampy antsika hihamatotra ny fianarana sy ny vavaka, ary ny fisaintsainana izay ianarantsika. Hanjary ‘hanana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ koa isika. (Hebreo 5:14) Hankahala ny ratsy sy ho tia ny tsara isika amin’izay.

12. Inona no atoron’ny Baiboly antsika mba tsy handikantsika lalàna?

12 Tsy hamela fanirian-dratsy hitombo ao am-pontsika isika, raha mankahala ny ratsy. Hoy ny apostoly Jaona, taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:15, 16.

13, 14. a) Nahoana no mampidi-doza ny fitiavana ny zavatra eo amin’izao tontolo izao? b) Inona no hanampy antsika tsy ho tia ny zavatra eo amin’izao tontolo izao?

13 Mety hisy hieritreritra fa tsy ratsy daholo akory ny zavatra eto amin’ity tontolo ity! Marina izany, kanefa mety hisarika antsika mora foana tsy hanompo an’i Jehovah, ity tontolo ity sy ny zavatra manintona eo aminy. Tsy natao mba hahatonga antsika hanatona an’Andriamanitra mihitsy koa ny zavatra atolony, na inona izany na inona. Mety hidiran-doza àry isika, raha lasa tia ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, eny fa na dia ny zavatra toa tsy misy maharatsy azy aza. (1 Timoty 6:9, 10) Betsaka koa ny zavatra tena ratsy sy mety hanimba antsika eto amin’ity tontolo ity. Mety tsy hampaninona antsika intsony ny herisetra sy ny fitiavan-karena ary ny fitondran-tena maloto, raha mijery filma sy fandaharana manasongadina izany isika ao amin’ny tele. Halaim-panahy hanao izany mihitsy aza angamba isika. Raha mifanerasera amin’ny olona tsy mieritreritra afa-tsy ny hanatsara ny fari-piainany na hanao raharaham-barotra isika, dia izany no mety ho lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.—Matio 6:24; 1 Korintianina 15:33.

14 Tsy hanintona antsika firy intsony anefa “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana”, raha mankafy ny Tenin’i Jehovah isika. Raha mifanerasera amin’ireo manao ny Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana koa isika, dia ho toa azy ireo. Ho tia izay tiany isika, ary tsy hanao izay tsy hataony.—Salamo 15:4; Ohabolana 13:20.

15. Nahoana no hahazo hery toa an’i Jesosy isika raha tia ny fahamarinana sy mankahala ny fandikan-dalàna?

15 Afaka nibanjina hatrany “ilay fifaliana natao teo anoloany” i Jesosy, noho izy tia ny fahamarinana sy nankahala ny fandikan-dalàna. (Hebreo 12:2) Afaka hanao toy izany koa isika. Fantatsika fa “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” Mihelina ihany ny fahafinaretana atolony. “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra” kosa “no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Afaka ny hiaina mandrakizay ny olona, noho i Jesosy nanao ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Jaona 5:13) Enga anie hanahaka azy isika rehetra, ka handray soa avy amin’ny tsy fivadihany.

Rehefa misy fanenjehana

16. Nahoana i Jesosy no nampirisika ny mpianany hifankatia?

16 Misy lafiny hafa koa tokony hanahafan’ny mpianatr’i Jesosy azy. Hoy izy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12, 13, 17) Manana antony maro itiavana ny rahalahiny ny Kristianina. Ho halan’ity tontolo ity mantsy izy ireo, ary izay no tena tao an-tsain’i Jesosy tamin’io fotoana io. Hoy izy: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. ... Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:18, 20) Henjehina toa an’i Jesosy koa ny Kristianina. Mila miraiki-po sy mifankatia lalina àry izy ireo, mba hizakana izany fankahalana izany.

17. Nahoana no mankahala ny tena Kristianina ity tontolo ity?

17 Nahoana no mankahala ny Kristianina ity tontolo ity? Satria “tsy anisan’izao tontolo izao” izy ireo, toa an’i Jesosy. (Jaona 17:14, 16) Tsy manao politika izy ireo, na mitsabaka amin’ny raharahan’ny tafika. Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly koa izy ireo, manaja ny fahamasinan’ny aina, ary manaraka fitsipi-pitondran-tena tsara foana. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Korintianina 6:9-11) Ny hanompo an’i Jehovah no tena tanjony, fa tsy ny hikatsaka harena. Miaina eto amin’ity tontolo ity izy ireo, nefa “tsy revo tanteraka aminy”, hoy i Paoly. (1 Korintianina 7:31) Marina fa misy midera ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fitsipika faran’izay tsara arahiny. Tsy mampandefitra ny zavatra inoany anefa izy ireo, mba hahazoana dera na heken’ny olona. Noho izany, dia tsy azon’ny ankamaroan’ny olona ny zavatra ataon’izy ireo, ka maro no mankahala azy.

18, 19. Ahoana no anahafan’ny Kristianina an’i Jesosy, rehefa toherina sy enjehina izy ireo?

18 Hitan’ny apostoly ny halalin’ny fankahalan’ity tontolo ity, rehefa nosamborina sy novonoina i Jesosy. Hitany koa izay nataon’i Jesosy teo anoloan’izany. Tonga hisambotra an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane ireo mpivavaka nanohitra azy tamin’izay. Niezaka niaro azy tamin’ny sabatra i Petera, nefa hoy izy taminy: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52; Lioka 22:50, 51) Nampiasa sabatra ny Israelita fahiny, rehefa niady tamin’ny fahavalony. Niova anefa izany tatỳ aoriana. “Tsy anisan’ity tontolo ity” ny Fanjakan’Andriamanitra, sady tsy manana sisin-tany ara-bakiteny mila harovana. (Jaona 18:36) Nadiva ho anisan’ny firenena ara-panahy koa i Petera, izany hoe ho olom-pirenen’ny lanitra. (Galatianina 6:16; Filipianina 3:20, 21) Nanomboka tamin’io fotoana io àry, dia manao toa an’i Jesosy ny mpianany rehefa ankahalaina sy enjehina, izany hoe tsy matahotra nefa tsy miady. Ankininy amin’i Jehovah ilay raharaha, ary miantehitra aminy izy mba hahazoana hery hiaretana.—Lioka 22:42.

19 Nanoratra i Petera, taona maro tatỳ aoriana, hoe: “Na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany. ... Rehefa notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy mba nandrahona, fa nanankina ny fiainany hatrany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” (1 Petera 2:21-23) Nenjehina mafy tokoa ny Kristianina nandritra ny taona maro, araka ny tenin’i Jesosy. Samy manahaka ny modely nomeny anefa na ny Kristianina ankehitriny, na ireo tamin’ny taonjato voalohany. Miaritra foana izy ireo, ka manaporofo fa tsy miady rehefa miezaka ny tsy hivadika. (Apokalypsy 2:9, 10) Enga anie isika tsirairay hanahaka azy ireo, rehefa tojo toe-javatra toy izany.—2 Timoty 3:12.

“Tafio ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo”

20-22. Inona no dikan’ny hoe ‘mitafy ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo’?

20 Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonan’i Roma: “Tafio ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo, ary aza mitetika ny hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofo.” (Romanina 13:14) Toy ny akanjo asaina tafin’ny Kristianina ny toetran’i Jesosy eto. Miezaka manahaka araka izay azo atao ny toetrany sy ny nataony izy ireo, mba hitovy amin’ilay Tompony, na dia tsy tonga lafatra aza.—1 Tesalonianina 1:6.

21 Hahavita ‘hitafy ny toetran’i Jesosy Kristy’ isika, raha mahalala tsara ny fiainany, sy miezaka hanahaka azy. Manahaka ny fanetren-tenany isika, ny fitiavany ny fahamarinana, ny fankahalany ny fandikan-dalàna, ary ny fitiavany ny rahalahiny. Miezaka ny tsy ho anisan’izao tontolo izao sy hiaritra fahoriana toa azy isika. Tsy “mitetika ny hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofo” koa isika. Midika izany fa tsy ny tanjon’ny olona eto amin’ity tontolo ity na ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo, no zava-dehibe indrindra amintsika. Manontany tena toy izao kosa isika, rehefa manapa-kevitra na miatrika olana: ‘Inona no ho nataon’i Jesosy raha izy no teo amin’ny toerako? Inona no tiany hataoko?’

22 Farany, dia manahaka an’i Jesosy isika, rehefa variana ‘mitory ny vaovao tsara.’ (Matio 4:23; 1 Korintianina 15:58) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anahafan’ny Kristianina ny modely nomen’i Jesosy amin’io lafiny io.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no tena mila manetry tena ny Kristianina?

• Inona no hanampy antsika ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy?

• Inona no ataon’ny Kristianina rehefa toherina sy enjehina toa an’i Jesosy izy ireo?

• Ahoana no ahafahana ‘mitafy ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Modely lavorary i Jesosy raha ny amin’ny fanetren-tena

[Sary, pejy 8]

Takina amin’ny Kristianina foana ny fanetren-tena, toy ny eny am-pitoriana

[Sary, pejy 9]

Mety hataon’i Satana izay hahatonga ny Kristianina hihevitra ny fialam-boly ratsy ho tsara

[Sary, pejy 10]

Hanatanjaka antsika mba hiaritra fanoherana ny fitiavan’ny rahalahintsika