Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoana Isakafoanana Fotsiny Ve?

Fotoana Isakafoanana Fotsiny Ve?

Fotoana Isakafoanana Fotsiny Ve?

MANKAFY sakafo matsiro daholo ny olona rehetra. Tsy vitan’ny hoe ho voky fotsiny isika fa tena ho faly koa, raha asiana resadresaka mahafinaritra sy fiarahana mafana amin’ny namana tiana ny fiaraha-misakafo. Fianakaviana maro no zatra miara-misakafo, indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny. Afaka miresaka momba izay nataony nandritra ny andro, na izay kasainy hatao ny mpianakavy amin’ny fotoan’ny sakafo. Hahafantatra ny fomba fihevitry ny zanany sy ny fihetseham-pony ny ray aman-dreny, raha mihaino ny fanazavany sy ny resaka ataony. Hitondra filaminan-tsaina sy fitokisana ary fitiavana, izay hampiray ny fianakaviana, ny fiarahana mahafinaritra mandritra ny sakafo, rehefa mandeha ny fotoana.

Mpianakavy maro ankehitriny no be atao foana, ka sarotra ny mahita fotoana iaraha-misakafo. Tsy mety amin’ny kolontsaina sasany ny hiarahan’ny mpianakavy misakafo. Ary na dia miara-misakafo aza izy ireo, dia tsy azo atao akory ny miresaka. Misy fianakaviana zatra mijery tele koa mandritra ny sakafo, ka manjary tsy afaka mifampiresaka tsara.

Manararaotra ny fotoana rehetra kosa ny ray aman-dreny kristianina mba hampaherezana ny fianakaviany. (Ohabolana 24:27) Nilazana ny ray aman-dreny fahiny, fa anisan’ny azo hararaotina mba hiresahana amin’ny ankizy ny Tenin’Andriamanitra, ny fotoana ‘hipetrahana ao an-trano.’ (Deoteronomia 6:7) Matetika rehefa miara-misakafo amin’ny zanany ny ray aman-dreny dia afaka mampitombo eo amin’izy ireo fitiavana lalina an’i Jehovah sy ny toro lalany marina. Hahafinaritra sy hampahery ny fianakavianao ny fiaraha-misakafo, raha ataonao izay isian’ny rivo-piainana falifaly sy tsy misy fihenjanana. Tsy fotoana isakafoanana fotsiny àry izy io!