Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Halaviro ny Fanao Tsy Mampifaly An’Andriamanitra

Halaviro ny Fanao Tsy Mampifaly An’Andriamanitra

Halaviro ny Fanao Tsy Mampifaly An’Andriamanitra

MISY vatam-paty misokatra eo amin’ny tokotany kelin’ny tanàna iray atsy Afrika. Migaingaina ny andro ary mandalo manoloana ilay vata ny mpandevina, mba hampisehoana ny alahelony. Niato ny lahiantitra iray, ary niondrika nanakaiky ny tarehin’ilay lehilahy maty. Nanganohano izy sady niteny hoe: “Naninona ianao no tsy niteny tamiko hoe handeha? Nahoana aho no nilaozanao? Efa nody ianao izao, ka mbola hanampy ahy foana ve?”   

Any amin’ny faritra hafa atsy Afrika indray, dia afenina ny zaza vao teraka. Any aoriana kely izy vao aseho olona sy omena anarana, mandritra ny lanonana manokana iray.

Hafahafa amin’ny sasany izany hoe miresaka amin’ny maty sy manafina ny zaza vao teraka izany. Any amin’ny firenena sy ny fiaraha-monina sasany anefa, dia tena mino ny olona fa mbola velona sy mahatsiaro tena ny maty. Io finoana io dia misy heriny eo amin’ny fiheverany ny fahafatesana sy ny fahaterahana, ary ny zavatra ataony rehefa mitranga izany.

Tena latsa-paka izany finoana izany ka tafiditra ao amin’ny ankabeazan’ireo fomba amam-panaon’ny olona. An-tapitrisany, ohatra, no mino fa anisan’ny dingana fiampitana mankany amin’ny tontolon’ny razana ny fitrangan-javatra miavaka eo amin’ny fiainana, toy ny fahaterahana, ny fe-potoana maha maoty, ny fanambadiana, ny fitondrana vohoka, ary ny fahafatesana. Mino izy ireo fa mbola manao zavatra ho an’ny velona ny maty, any amin’ny misy azy. Ary mbola afaka mitohy ny fiainany, rehefa teraka indray izy.

Misy fomba amam-panao maro arahina, mba hampitohy tsara ireo fitrangan-javatra eo amin’ny fiainana ireo. Tafiditra amin’ireny fanao ireny ny finoana, fa misy zavatra tsy mety maty ao anatintsika aorian’ny fahafatesana. Tsy manaraka ny fanao ahitana taratr’izany finoana izany ny tena Kristianina. Nahoana?

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Mazava ny lazain’ny Baiboly momba izay mitranga amin’ny maty. Hoy fotsiny izy: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasan’ny olona rehetra] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 6, 10) Nanaiky izany fahamarinana fototra ara-baiboly izany hatramin’ny ela ny tena mpanompon’Andriamanitra. Azon’izy ireo tsara fa mety maty sy levona ny fanahy. (Ezekiela 18:4) Fantatr’izy ireo koa fa tsy misy intsony ny olona rehefa maty. (Salamo 146:4) Nandidy tamin’ny fomba hentitra ny vahoakany i Jehovah fahiny, mba tsy hanaraka ireo fomba amam-panao misy ifandraisany amin’ny finoana fa mbola mahatsiaro tena sy afaka manao zavatra ho an’ny velona ny maty.—Deoteronomia 14:1; 18:9-13; Isaia 8:19, 20.

Tsy nanaraka ireo fomba amam-panao nentin-drazana nisy ifandraisany tamin’ny fampianaran-diso koa, ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (2 Korintianina 6:15-17) Ankehitriny dia mbola misy fomba amam-panao, mifandray amin’ilay fampianaran-diso hoe misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olona aorian’ny fahafatesana. Tsy manao izany ny Vavolombelon’i Jehovah, na inona na inona firazanany na fokony na fanabeazana azony.

Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra raha hanaraka ny fanao iray isika na tsia? Tsy maintsy eritreretintsika izay mety hifandraisany amin’ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina, toy ny finoana fa mbola manan-kery eo amin’ny fiainan’ny velona ny fanahin’ny maty. Tokony hoeritreretintsika koa hoe: Mety ho tafintohina ve ny olona mahalala ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ampianariny, raha mandray anjara amin’ireny fanao na lanonana ireny isika? Mila mieritreritra izany isika rehefa misy teraka na maty.

Fiterahana sy lanonana fanomezana anarana

Tsy misy maha ratsy azy ny ankamaroan’ireo fanao rehefa misy teraka. Tsy maintsy mitandrina anefa ny tena Kristianina any amin’ny tany izay iheverana fa ny fahaterahana dia fifindrana avy any amin’ny tontolon’ny razana, ho amin’ny tontolon’ny olombelona. Any amin’ny toerana sasany atsy Afrika, ohatra, dia tsy avoaka ny trano sy tsy omena anarana ny zaza raha tsy afaka elaela. Miovaova arakaraka ny faritra ny fotoana iandrasana. Rehefa tapitra izany dia avoaka sy aseho amin’ny havana aman-tsakaiza ilay zaza, mandritra ny lanonana fanomezana anarana. Lazaina ampahibemaso eo amin’izay ny anarany.

Manazava ny dikan’io fanao io ny boky Ny Mponina sy ny Kolontsaina any Ghana (anglisy). Hoy izy: “Heverina ho ‘mitsidika’ fotsiny ny zazakely iray, mandritra ny fito andro voalohany amin’ny fiainany, ary eo an-dalam-pifindrana avy any amin’ny tontolon’ny fanahy ho amin’ny fiainana eto an-tany. ... Tsy avoaka ny trano izy mazàna ary ny fianakaviany ihany no mahazo mijery azy.”

Nahoana no misy fotoana iandrasana, vao omena anarana izy? Izao no hazavain’ilay boky hoe Fitodihana ny Lasan’i Ghana (anglisy): “Tsy heverina ho olona ilay zaza alohan’ny andro fahavalo. Mbola akaiky kokoa an’ilay tontolon’ny fanahy izay niaviany izy.” Hoy ihany ilay boky: “Ny anarana, raha ny marina, no maha olona ilay zaza. Noho izany, dia matetika no mbola tsy omen’ny rainy sy ny reniny anarana izy, raha mbola tsy azony antoka fa ho velona. ... Heverina ho tena misy fiantraikany eo amin’ilay zaza sy ny ray aman-dreniny àry, io fampisehoana azy amin’ny besinimaro io. Ary izany no mitondra ilay zaza ho atỳ amin’ny tontolon’ny olombelona.”

Mitarika ilay lanonana fanomezana anarana ny zokiolona iray ao amin’ny fianakaviana. Miovaova arakaraka ny toerana ny zavatra mitranga. Matetika anefa no misy fandrarahana ranon-javatra, vavaka fankasitrahana ny razana noho ny fahatongavan’ilay zaza soa aman-tsara, ary fombafomba hafa.

Ny fanononana ny anaran’ilay zaza no fotoan-dehibe amin’ilay lanonana. Matetika no misy vokany be amin’ny fifidianana ilay anarana ny hevitry ny havana, na dia ny ray aman-drenin’ilay zaza aza no tompon-tsafidy amin’izany. Mifono heviny manokana ny anarana sasany, ka mety hidika hoe “lasa dia niverina”, “tonga indray i Neny”, na “niverina indray i Dada.” Natao hanakiviana ny razana, mba tsy haka ilay zaza hiverina any amin’ny tontolon’ny maty ny hevitry ny anarana sasany.

Mazava ho azy fa tsy ratsy ny mifaly rehefa misy zaza teraka. Azo atao koa ny manome anaran’olon-kafa an’ilay zaza, na anarana mifandray amin’ny toe-javatra nahaterahany. Ary safidin’ny tsirairay ny hoe rahoviana izy no hanome anarana ny zanany. Te hampifaly an’Andriamanitra anefa ny Kristianina, ary tsy mino hoe “mpitsidika” avy any amin’ny tontolon’ny razana ny zaza vao teraka. Noho izany, dia tsy manaraka ireo fanao na fety ahitana taratr’io finoana io izy ireo.

Tokony hitandrina ny Kristianina na dia heverin’ny ankamaroan’ny mpiara-monina aminy ho zava-dehibe aza ny lanonana fanomezana anarana. Tokony hitsinjo ny feon’ny fieritreretan’ny hafa izy, sady hieritreritra ny vokatry ny ataony eo amin’ny olona tsy Vavolombelona. Inona, ohatra, no mety hoeritreretin’ny olona raha toa ny fianakaviana kristianina iray ka manafina ny zanany vao teraka, ary tsy mampiseho azy raha tsy amin’ny lanonana fanomezana anarana? Inona no hoeritreretin’ny olona raha anarana mifanohitra amin’ny fahamarinana ara-baiboly ampianariny no fidin’ilay Kristianina?

Hiezaka hanao ny zavatra rehetra “ho voninahitr’Andriamanitra” àry ny Kristianina, rehefa mifidy ny anarana sy ny fotoana hanomezana izany ho an’ny zanany. Tsy hanao izay hampihemotra ny hafa izy amin’izay. (1 Korintianina 10:31-33) Tsy ‘manilika ny didin’Andriamanitra izy ireo mba hihazonana ny fomban-drazana’ izay natao indrindra mba hanomezam-boninahitra ny maty. Manome voninahitra sy fanajana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona kosa izy ireo.—Marka 7:9, 13.

Ny finoana ny fitohizan’ny fiainana aorian’ny fahafatesana

Toy ny fahaterahana ihany, ny fahafatesana dia heverin’ny maro ho fifindrana avy amin’ny tontolo hita maso, mankany amin’ny tontolo tsy hita maso misy ny fanahin’ny maty. Maro no mihevitra fa raha tsy arahina ny fomba amam-panao sasany rehefa misy maty, dia ho tezitra ny fanahin’ny razana, izay manan-kery hanasazy na hamaly soa ny velona. Tena misy heriny eo amin’ny fomba ikarakarana sy anatanterahana ny fandevenana izany.

Matetika no ahitana karazana fihetseham-po maro, ny fombafomba hampitonena ny maty. Migogogogo sy midradradradra be ny olona rehefa eo ilay faty, ary manao fety be izy ireo rehefa avy mandevina. Matetika no manao fihinanam-be, mimamo, ary mandihy amin’ny mozika mitabataba ny olona amin’ireny fety ireny. Heverina ho zava-dehibe mihitsy ny fandevenana toy ireny, ka na ny fianakaviana faran’izay mahantra aza dia miezaka mafy hanangonam-bola hanaovana “fandevenana mety.” Mety ho sahirana be sy ho bokan’ny trosa mihitsy izy avy eo.

Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah no nanazava tamin’ny an-tsipiriany ireo fombafomba fandevenana tsy araka ny Soratra Masina. * Anisan’izany ny fiaretan-tory, ny fandrarahana ranon-javatra, firesahana sy fangatahana amin’ny maty, fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahafatesana, ary ireo fanao miorina amin’ny finoana fa misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olona. “Maloto” ny fanao manala baraka an’Andriamanitra toy ireny. “Famitahana poakaty” miorina amin’ny “fampianarana nifandovan’ny olombelona” izy ireny, fa tsy amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Isaia 52:11; Kolosianina 2:8.

Fitaoman’ny hafa

Tena sarotra amin’ny sasany ny manalavitra ireo fanao nentin-drazana, indrindra fa any amin’ny faritra iheverana fa tena zava-dehibe ny fanomezam-boninahitra ny maty. Ahiahina na ampangaina ho tsy tia miray hina, sy tsy manaja ny maty ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy manaraka ireny fanao ireny. Noho ny fanakianana sy ny fanerena an-kolaka, dia matahotra ny hiavaka ny sasany, na dia mahafantatra tsara ny fahamarinana ara-baiboly aza. (1 Petera 3:14) Ny hafa indray mieritreritra fa efa anisan’ny kolontsainy ireny fanao ireny, ka tsy azony ialana tanteraka. Misy koa mihevitra fa mety hahatonga ny olona tsy ho tia ny vahoakan’Andriamanitra, ny tsy fanarahana ireny fanao ireny.

Marina fa tsy maniry hampahatezitra ny olona tsy amin’antony isika. Na izany aza, dia mampitandrina ny Baiboly fa tsy ho tia antsika ity tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra ity, noho isika mijoro amin’ny fahamarinana. (Jaona 15:18, 19; 2 Timoty 3:12; 1 Jaona 5:19) Tapa-kevitra ny tsy hivadika isika, satria fantatsika fa tsy maintsy miavaka amin’ny olona tsy mahalala ny fahamarinana ara-baiboly isika. (Malakia 3:18; Galatianina 6:12) Tsy manaiky ho voataona hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra isika, toa an’i Jesosy izay nanda rehefa naka fanahy azy hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra i Satana. (Matio 4:3-7) Tsy resin’ny tahotra olona ny tena Kristianina. Ny hampifaly sy hanome voninahitra an’i Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana kosa no zava-dehibe indrindra aminy. Tsy mampandefitra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fivavahana madio àry izy, na dia manery azy aza ny hafa.—Ohabolana 29:25; Asan’ny Apostoly 5:29.

Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ny fomba iheveranao ny maty

Ara-dalàna raha ory sy malahelo mafy isika, rehefa maty ny havan-tiantsika. (Jaona 11:33, 35) Fomba mety hampisehoana ny fitiavantsika ilay maty ny fahatsiarovana ireo zavatra mahafinaritra momba azy, sy ny fandevenana mendri-kaja. Tsy manao ireo fombafomba nentin-drazana tsy tian’Andriamanitra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazakany ny alahelony. Tsy mora izany ho an’ny olona nobeazina tao amin’ny fiaraha-monina nanjakan’ny tahotra ny maty. Mety ho sarotra ny handanjalanja izay tokony hatao sy tsy tokony hatao, rehefa malahelo mafy ny havan-tiantsika maty isika. Manome hery ny Kristianina tsy mivadika anefa i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Manohana azy ireo amim-pitiavana foana koa ny mpiray finoana aminy. (2 Korintianina 1:3, 4) Mino tanteraka ny tena Kristianina fa indray andro any, dia ho velona indray ireo maty ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Izany fanantenana izany no mahatonga azy ireo tsy hanao mihitsy ireo fombafomba fandevenana manohitra ny fisian’ny fitsanganan’ny maty.

Faly tokoa isika satria niantso antsika “hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” i Jehovah. (1 Petera 2:9) Faly isika rehefa misy teraka, ary malahelo kosa rehefa misy maty. Rehefa mitranga izany, dia enga anie ny faniriantsika mafy hanao ny marina sy ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah Andriamanitra, handrisika antsika hampiseho amin’ny fomba fiainantsika fa “zanaky ny mazava” isika. Enga anie ka tsy havelantsika hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy ireo fanao tsy tiany.—Efesianina 5:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Jereo aza fady ny bokikely Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo? sy ny Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.