Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro ny Zanakao ny Fahendrena avy Amin’Andriamanitra

Miaro ny Zanakao ny Fahendrena avy Amin’Andriamanitra

Miaro ny Zanakao ny Fahendrena avy Amin’Andriamanitra

MIADY isan’andro ny vatantsika. Tsy maintsy manohitra otrikaretina sy katsentsitra ary virosy maro be izy io. Soa ihany ny ankamaroantsika fa manana hery fanefitra miaro antsika amin’izy ireny sy amin’ny aretina maro.

Toy izany koa ny Kristianina. Tsy maintsy miady amin’ny fomba fisainana sy fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina izy. Tsy maintsy toheriny koa ny fitaomana mety hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra. (2 Korintianina 11:3) Tsy maintsy miezaka hanana fiarovan-tena ara-panahy àry isika, mba hanoherana izany fanafihana atao isan’andro amin’ny saina sy ny fontsika izany.

Ny zanatsika indrindra no tokony hanana izany fiarovan-tena izany, mba hahafahany hanohitra ny toe-tsain’ity tontolo ity. Tsy ananany avy hatrany mantsy io fiarovan-tena io. (Efesianina 2:2) Tsy maintsy manampy azy hanana azy io àry ny ray aman-dreniny, rehefa mihalehibe izy. Ahoana no hananany izany? Hoy ny Baiboly: “Jehovah no manome fahendrena; ... miambina ny làlan’ny olony masina [izy].” (Ohabolana 2:6, 8) Afaka miaro ny tanora amin’ny naman-dratsy sy amin’ny fitaoman’ny hafa ary amin’ny fialam-boly manimba, ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanarahana io tari-dalan’i Jehovah io, ka hanampy ny zanany hanana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?

Mitady namana tsara

Ara-dalàna raha ny samy zatovo ihany no tia miaraka. Ho sarotra aminy anefa ny hahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra, raha olona tanora fanahy foana no iarahany. Mampitandrina toy izao mantsy ny ohabolana: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Inona àry no nataon’ny ray aman-dreny sasany, mba hanampiana ny zanany hampiasa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra rehefa mifidy namana?

Hoy Rasolo, * raim-pianakaviana: “Nandany fotoana be niarahana tamin’ny namana nitovy taona taminy ny zanakay lahy. Tao an-tranonay anefa izy ireo mazàna, ary teo izahay mivady. Feno tanora ny tranonay matetika, satria navelanay ho tonga foana izy ireo, ary norosoanay sakafo sy noraisinay tsara. Tsy nampaninona anay ny tabataba sy korontana tao an-trano, satria tianay ho voaro ny zanakay rehefa miala voly.”

Manan-janaka mahafinaritra telo mianadahy i Josoa sy Tiana. Tena miaiky anefa izy ireo fa tsy mora foana ny nitaiza ny zanany. Hoy izy mivady: “Vitsy ny tanora azon’i Sitraka zanakay vavy natao namana, teo anivon’ny fiangonanay. Nanana namana atao hoe Seheno anefa izy. Tovovavy sariaka sy nahay nifandray tamin’olona i Seheno. Tsy dia hentitra toa anay anefa ny ray aman-dreniny. Nahazo nody alina kokoa noho i Sitraka izy, sady nahazo nanao zipo fohy sy nihaino mozika mampiahiahy ary nijery filma ratsy. Sarotra tamin’i Sitraka ny nahatakatra ny fihevitray, nandritra ny taona maro. Toa mora nahazo kokoa ny fihevitry ny tanora no fahitany ny ray aman-drenin’i Seheno, fa izahay kosa hentitra loatra. Rehefa nahita fahasahiranana i Seheno vao takatr’i Sitraka, fa te hiaro azy izahay matoa hentitra taminy. Tena faly izahay nanana izany fihetsika izany foana, satria fantatray fa izany no tokony ho nataonay tamin’ny zanakay vavy.”

Tanora maro toa an’i Sitraka no nahita fa fahendrena ny mitady ny tari-dalan’ny ray aman-dreny rehefa mifidy namana. Hoy ny ohabolana: “Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona dia miara-mitoetra amin’ny hendry.” (Ohabolana 15:31) Mitady namana tsara àry ny tanora manana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra.

Miezaka mandresy ny fitaoman’ny namana

Tena misy ny fitaoman’ny namana ary tsy maintsy miaina amin’izany foana ny zanatsika. Matetika ny tanora no maniry ho tian’ny ankizy mitovy taona aminy, ka mety hanaiky hotaomin’izy ireo hanao izay heverin’izao tontolo izao fa tsara.—Ohabolana 29:25.

Mampahatsiahy antsika anefa ny Baiboly fa “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” (1 Jaona 2:17) Tsy tokony havelan’ny ray aman-dreny hanan-kery be loatra eo amin’ny zanany àry ny toe-tsain’izao tontolo izao. Inona no azon’izy ireo atao mba hananan’ny zanany toe-tsaina kristianina?

Hoy i Richard: “Te hanao akanjo nitovy tamin’izay nanaovan’ny tanora hafa foana ny zanako vavy. Noresahinay taminy tamim-paharetana àry ny naha tsara na naha ratsy ilay karazana akanjo tiany hananana. Nisy lamaody noheverinay fa azo ekena, nefa narahinay foana ilay torohevitra azonay efa taona vitsivitsy lasa izay. Izao ilay izy: ‘Ny olona hendry dia izay tsy manenjika ny lamaody farany sy tsy mifikitra amin’ny lamaody efa lany andro.’ ”

Nampiasa fomba hafa kosa Rasoa mba hanampiana ny zanany tsy hanaiky hotaomin’ny namany. Hoy izy: “Nataoko izay nahafantarana ny zavatra tian’ireo zanako, ary nankao amin’ny efitranony foana aho mba hiresaka taminy. Nahafahako namolavola ny toe-tsainy ka nanampiako azy hanana fomba fijery hafa ireny resadresaka naharitra ireny.”

Hisy hatrany ny fitaoman’ny namana. Tsy maintsy hiady foana àry ny ray aman-dreny mba ‘handravana ny fisainan’izao tontolo izao’, ka hanampiana ny zanany ‘hamabo ny heviny hankatò an’i Kristy.’ (2 Korintianina 10:5) Raha samy ‘maharitra amin’ny vavaka’ anefa ny ray aman-dreny sy ny zanaka, dia hahazo tanjaka izy ireo hahavitana izany asa tena lehibe izany.—Romanina 12:12; Salamo 65:2.

Tena manintona ny fialam-boly

Mety hanahirana ny ray aman-dreny koa ny manome tari-dalana momba ny fialam-boly. Tia miala voly ny ankizikely, ary ara-dalàna izany. Tena tia miala voly koa ny tanora maro. (2 Timoty 2:22) Raha tsy maneho fahendrena anefa izy amin’izany, dia mety hihamalemy ny fiarovan-tenany. Antony roa no tena mahatonga izany.

Voalohany, ahitana ny fitondran-tena maharikorikon’izao tontolo izao ny fialam-boly maro. (Efesianina 4:17-19) Aseho amin’ny fomba mahafinaritra sy manintona foana anefa izy ireny. Mety tsy ho hitan’ny tanora izany fandrika izany, ka hahitany loza.

Faharoa, mety hiteraka olana koa ny habetsahan’ny fotoana lany amin’ny fialam-boly. Ny fahafinaretana no manjary zava-dehibe indrindra ho an’ny sasany, ka mandany be loatra ny fotoanany sy ny heriny. Mampitandrina anefa ny ohabolana fa “tsy tsara raha mahery homana tantely.” (Ohabolana 25:27) Toy izany koa ny fialam-boly raha be loatra. Hanjary tsy hazoto hianatra Baiboly intsony ny tanora, sady ho kamo hampiasa saina. (Ohabolana 21:17; 24:30-34) Tsy ho afaka “hihazona mafy ny tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ny tanora, raha revo tanteraka amin’ity tontolo ity. (1 Timoty 6:12, 19) Inona no nataon’ny ray aman-dreny mba handresena izany?

Hoy i Mari Carmen, manan-janaka telo vavy: “Tianay hanao fialam-boly mahasoa sy hifalifaly ny zanakay. Niara-nitsangantsangana foana àry izahay mianakavy. Niaraka tamin’ny Kristianina namany koa izy ireo. Nataonay araka ny antonony anefa ny fialam-boly. Toy ny tsindrin-tsakafo izy io taminay. Tsara ny tsindrin-tsakafo nefa tsy io no tena sakafo. Nampianarinay hazoto ireo zanakay, na tao an-trano, na tany am-pianarana, na teo anivon’ny fiangonana.”

Nanokana fotoana ho an’ny fialam-boly koa i Rivo sy Hanta. Hoy izy mivady: “Natokanay ho ‘androm-pianakaviana’ ny asabotsy. Nanompo teny amin’ny saha izahay ny maraina, nilomano ny tolakandro, ary nanao sakafo manokana ny takariva.”

Hita amin’ny tenin’ireo ray aman-dreny ireo, fa zava-dehibe ny mahay mandanjalanja rehefa mandamina fialam-boly mahasoa. Mila jerena koa ny fotoana atokana ho azy io eo amin’ny fiainan’ny Kristianina.—Mpitoriteny 3:4; Filipianina 4:5.

Matokia an’i Jehovah

Mazava ho azy fa taona maro no ilaina mba hananana fiarovan-tena ara-panahy. Tsy misy fanafody mahagaga hitondra fahendrena avy amin’Andriamanitra, ka hanosika ny ankizy hatoky an’ilay Rainy any an-danitra. Ny ray aman-dreny kosa no tokony ‘hitaiza azy ireo hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.’ (Efesianina 6:4) Mitaiza hatrany ny zanany araka ny “fomba fisainan’i Jehovah” ny ray aman-dreny, rehefa manampy azy ireo hijery zavatra araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Ahoana no hahavitany izany?

Tena ilain’ny fianakaviana ny miara-mianatra tsy tapaka ny Baiboly. ‘Mampahiratra ny mason’ny ankizy, mba hahitany zava-mahagaga ao amin’ny lalàn’Andriamanitra’ io fianarana io. (Salamo 119:18) Zava-dehibe tamin-dRandria ny fianaram-pianakaviana, ka nahatonga ny zanany ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Hoy izy: “Nomaniko tsara ilay fianarana. Nanao fikarohana tao amin’ny boky sy gazety kristianina aho. Haiko àry ny nanazava momba ireo olona ao amin’ny Baiboly, ka lasa nino ny zanako fa tena nisy izy ireny. Nampirisihiko ireo ankizy hampitaha ny fiainany tamin’ny an’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky. Fampahatsiahivana tsara azy ireo ny amin’ny zavatra mampifaly an’i Jehovah izany.”

Afaka mianatra koa ny ankizy amin’ny fotoana hafa. Nampirisika ny ray aman-dreny i Mosesy mba hilaza tamin’ny zanany ny fampahatsiahivan’i Jehovah ‘na nipetraka tao an-trano izy ireo, na nandeha teny an-dalana, na nandry, na nifoha.’ (Deoteronomia 6:7) Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Sarotra amin’ny zanako lahy ny mamboraka ny ao am-pony. Rehefa miara-mitsangantsangana na miara-miasa izahay mianaka vao mahavita manao izany izy. Mahafinaritra ny resakay amin’ireny fotoana ireny, ka samy mandray soa izahay.”

Misy vokany lalina eo amin’ny zanany koa ny vavaka ataon’ny ray aman-dreny. Lasa mino ny ankizy fa misy Andriamanitra, rehefa mandre ny ray aman-dreniny mivavaka amim-panetren-tena izy, mba hangataka fanampiana sy famelan-keloka. (Hebreo 11:6) Ray aman-dreny maro nahita fahombiazana no milaza fa tena ilain’ny fianakaviana ny miara-mivavaka. Azo atao antom-bavaka, ohatra, ny fianarana any an-tsekoly sy ny zavatra hafa mampanahy ny ankizy. Nilaza ny raim-pianakaviana iray fa miara-mivavaka amin-janany foana ny vadiny, alohan’ny handehanan’izy ireo mianatra.—Salamo 62:8; 112:7.

“Aoka isika tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara”

Manao fahadisoana daholo ny ray aman-dreny, ka mety hanenenany ny fomba niatrehany toe-javatra sasany. Mampirisika antsika anefa ny Baiboly mba hiezaka foana, ary tsy “halaky ho kivy rehefa manao ny tsara.”—Galatianina 6:9.

Mety ho kivy anefa ny ray aman-dreny, rehefa tsy azony mihitsy indraindray ny fihevitry ny zanany. Ho mora amin’izay ny hanatsoaka hevitra fa hafa mihitsy sady manahirana ny tanora ankehitriny. Mitovy ihany anefa, raha ny marina, ny fahalemen’ny ankizy taloha sy ankehitriny. Mitovy koa ny fakam-panahy atrehin’izy ireo, na dia mety ho sarotra kokoa aza ny mandresy izany amin’izao fotoana izao. Nanalefaka ny teniny àry ny raim-pianakaviana iray, rehefa avy nibedy ny zanany lahy, ka niteny tamin-katsaram-panahy hoe: “Izao zavatra tianao hatao izao koa ange no mba tiako hatao tamin’izaho nitovy taona taminao e!” Mety tsy hahafantatra zavatra betsaka momba ny ordinatera ny ray aman-dreny. Fantany tsara anefa ny fironan’ny nofo tsy lavorary.—Matio 26:41; 2 Korintianina 2:11.

Angamba misy ankizy kamo hanaraka ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny, ary mikomy amin’ny fifehezana mihitsy aza. Tena ilaina koa amin’izay ny fiaretana. Ankizy maro mantsy no manaiky fifehezana atỳ aoriana, na dia tsy nankatò na nikomy mihitsy aza tamin’ny voalohany. (Ohabolana 22:6; 23:22-25) Nilaza toy izao i Matthew, tanora kristianina, manompo any amin’ny biraon’ny sampana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Nihevitra aho tamin’izaho mbola zatovo, fa tsy rariny ny fepetra napetraky ny ray aman-dreniko. Nanontany tena aho hoe nahoana aho tsy navelan’izy ireo nanao zavatra sasany, nefa ny namako navelan’ny ray aman-dreniny? Tena sosotra àry aho rehefa nosazin’izy ireo indraindray, ka tsy navelany hitondra lakana, nefa zavatra tiako be izany. Rehefa mitodika ny lasa anefa aho, dia takatro fa nandaitra ary tena nilaina ny fifehezana nomen’izy ireo ahy. Velom-pankasitrahana aho, satria nomeny tari-dalana tamin’ny fotoana nilako izany.”

Azo antoka fa mbola mety ho tonga Kristianina mahafinaritra ihany ny zanatsika, na dia ratsy aza indraindray ny fiaraha-monina misy azy. Afaka miaro azy mantsy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, araka ny ampanantenain’ny Baiboly. “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy.”—Ohabolana 2:10-12.

Tsy mora ny mitondra vohoka mandritra ny sivy volana. Ary mety hahitana fahoriana sy fifaliana koa ireo 20 taona manaraka. Tia ny zanany anefa ny ray aman-dreny kristianina. Miezaka mafy àry izy ireo hanao izay hananan’ny zanany ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, mba hiaro azy. Toy izay tsapan’ny apostoly Jaona efa zokiolona tamin’ireo zanany ara-panahy no tsapan’izy ireo amin’ny zanany. Hoy i Jaona: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha hatrany ao amin’ny fahamarinana ny zanako.”—3 Jaona 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 24]

“Feno tanora ny tranonay matetika, satria navelanay ho tonga foana izy ireo”

[Sary, pejy 25]

Fantaro ny zavatra tian’ny zanakao

[Sary, pejy 26]

“Nomaniko tsara ilay fianarana”