Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Maro no Tsy Matoky fa Afaka Hampiray ny Olona ny Fivavahana?

Nahoana no Maro no Tsy Matoky fa Afaka Hampiray ny Olona ny Fivavahana?

Nahoana no Maro no Tsy Matoky fa Afaka Hampiray ny Olona ny Fivavahana?

“TIAVO ny namanao.” (Matio 22:39) Manindrahindra an’io fitsipika lehibe io ny fivavahana maro. Raha mahavita mampianatra ny olona ao aminy mba ho tia ny namany ireny fivavahana ireny, dia tokony hifandray sy ho tafaray tsara izy ireo. Izany ve anefa no hitanao? Mampiray ny olona ve ny fivavahana? Izao no fanontaniana napetraka tamin’ny fanadihadiana natao vao haingana tany Alemaina: “Mampiray ny olona ve ny fivavahana, sa atahorana kokoa hampisaratsaraka azy ireo?” Nilaza ny ampahadimin’ny olona fa mampiray ny fivavahana. Ny antsasany mahery kosa nilaza fa mampisara-bazana izy io. Mety ho toy izany koa no hevitry ny olona ao amin’ny firenena misy anao.

Nahoana àry no maro no tsy matoky fa afaka mampiray ny olona ny fivavahana? Noho ny zava-nitranga tamin’ny lasa angamba. Tsy nampiray ny olona mantsy ny fivavahana, fa matetika no nampisaratsaraka azy ireo. Ny fivavahana mihitsy aza indraindray no nanarontsarona ny habibiana nahatsiravina indrindra nitranga hatramin’izay. Anisan’izany ireto manaraka ireto, izay nitranga nandritra ireo 100 taona lasa.

Nampirisihin’ny fivavahana

Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia nifanandrina tany Balkans ny Kroaty katolika sy ny Serba ortodoksa. Samy nihambo izy ireo fa nanara-dia an’i Jesosy, izay nampianatra ny mpianany ho tia ny namany. Nisy mpikaroka nilaza anefa fa ny adin’ireo Kroaty sy Serba ireo no nahatonga “ny vonoan’olona nahatsiravina indrindra hatramin’izay.” Rikoriko ny olona eran-tany rehefa nahalala fa 500 000 mahery no maty, anisan’izany ny zaza amam-behivavy.

Efajato tapitrisa teo ho eo ny mponina tany Inde tamin’ny 1947, izany hoe ny ampahadimin’ny mponina eran-tany. Nanaraka ny fivavahana hindoa sy silamo ary sikh ny ankamaroany. Nizara roa i Inde tatỳ aoriana, ka niforona ny firenena silamo antsoina hoe Pakistan. Niady ireo mpivavaka tany Inde sy Pakistan, ka ana hetsiny ny mpitsoa-ponenana avy amin’ireo firenena ireo no nodorana, novelezina, nampijalijalina, ary notifirina.

Nirongatra koa ny fampihorohoroana teo am-piandohan’ireo taona 2000, ary lasa mitebiteby lava ireo firenena eran-tany. Maro anefa ireo mpampihorohoro no milaza ho mpivavaka. Tsy mino àry ny olona hoe mampiray ny fivavahana. Izy io kosa aza matetika no lazaina fa miteraka herisetra sy mampisara-bazana. Tsy mahagaga àry raha nilaza ny gazety alemà FOCUS fa toy ny vanja mampidi-doza ireo fivavahana lehibe, dia ny Bodisma, Hindoisma, Jodaisma, Kristianisma, Konfiosianisma, Silamo, ary Taoisma.

Ady an-trano

Miady amin’ny fivavahana hafa ny fivavahana sasany, fa misy kosa ireo miady an-trano. Voazarazara noho ny adihevitra momba ny foto-pampianarana, ohatra, ny fiangonana kristianina sasany, nandritra ireo taona faramparany. Samy manontany ny mpitondra fivavahana sy ny mpiangona hoe: Azo ekena ve ny fanabeazana aizana? Ary ny fanalana zaza? Azo atao pretra ve ny vehivavy? Ahoana no tokony hiheveran’ny eglizy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy? Tokony hankasitraka ny ady ve ny fivavahana? Izany fisaratsarahana izany no mahatonga ny olona maro hanontany hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny fivavahana hampiray ny olona rehetra, raha ny mpiangona ao aminy aza tsy miray saina?’

Mazava àry fa tsy nahavita nampiray ny olona ny fivavahana. Ny fivavahana rehetra anefa ve no ahitana fisaratsarahana? Misy fivavahana mahavita mampiray ny olona ve?

[Sary, pejy 3]

Polisy naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny fivavahana samy hafa tany Inde (1947)

[Sary nahazoan-dalana]

Sary avy amin’ny Keystone/Getty Images