Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafaray Noho ny Fitiavana An’Andriamanitra

Tafaray Noho ny Fitiavana An’Andriamanitra

Tafaray Noho ny Fitiavana An’Andriamanitra

NIAVAKA ny fiangonana kristianina vao niforona tamin’ny taonjato voalohany, satria niray saina ny olona teo anivony na dia samy hafa aza. Avy tany Azia sy Eoropa ary Afrika ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina ireo. Nisy mpisorona, miaramila, andevo, mpitsoa-ponenana, mpanao asa tanana, mpiasa birao, ary mpivarotra. Tao ny Jiosy ary tao koa ny hafa firenena. Maro no mpanitsakitsa-bady, lehilahy niray tamin’ny lehilahy na vehivavy niray tamin’ny vehivavy, mpimamo, mpangalatra, na mpisoloky taloha. Niala tamin’ireny fanao ratsy ireny anefa izy ireo rehefa lasa Kristianina, ary nanjary tafaray tsara tao amin’ny finoana.

Nahoana ny fivavahana kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nahavita nampiray ireo olona rehetra ireo? Nahoana izy ireo no nihavana tamin’izy samy izy sy tamin’ny ankamaroan’ny olona? Nahoana izy ireo no tsy nikomy tamin’ny fitondrana toy ny olon-kafa, no sady tsy nandray anjara tamin’ny ady? Nahoana ny fivavahana kristianina tamin’izany andro izany no samy hafa be amin’ireo fivavahana lehibe ankehitriny?

Inona no nampiray tsara azy ireo?

Ny fitiavana an’Andriamanitra no antony voalohany indrindra nampiray ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Niaiky izy ireo fa ny adidiny voalohany, dia ny ho tia an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, amin’ny fony sy ny tenany ary ny sainy manontolo. Nasaina nitsidika olona hafa firenena, ohatra, ny apostoly Petera, izay Jiosy. Tsy nifandray akaiky tamin’ny hafa firenena izy mazàna. Noho ny fitiavany an’i Jehovah anefa, dia nitsidika io olona io ihany izy. Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra i Petera sy ny Kristianina voalohany, noho izy ireo nahafantatra ny tena toetrany, ary izay tiany sy tsy tiany. Nazava tamin’ny Kristianina rehetra tatỳ aoriana, fa tian’i Jehovah ‘ho tafaray tsara sy hiray saina ary hiray hevitra’ izy ireo.—1 Korintianina 1:10; Matio 22:37; Asan’ny Apostoly 10:1-35.

Nampiray azy ireo koa ny finoany an’i Jesosy Kristy. Naniry hanaraka tsara ny diany izy ireo. Izao no didy nomeny azy ireo: “Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) Tsy fihetseham-po nihelina fotsiny izany, fa fitiavana nanosika azy ireo hahafoy tena ho an’ny hafa. Inona no vokatr’izany? Nivavaka toy izao momba ny olona mino azy i Jesosy: ‘Mangataka aho mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo.’—Jaona 17:20, 21; 1 Petera 2:21.

Nandatsaka ny fanahiny masina, na ny hery ampiasainy, teo amin’ny tena mpanompony i Jehovah. Nampiray azy ireo koa io fanahy io. Izy io no nanampy azy ireo hahazo ny hevitr’izay voalaza ao amin’ny Baiboly, ary neken’ny fiangonana rehetra izany. Nitovy ny hafatra notorin’ny mpanompon’i Jehovah, dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra, izay hitondra ny olona rehetra. Nazava tamin’ny Kristianina voalohany fa “tsy anisan’ity tontolo ity” izy ireo. Noho izany, dia tsy nikomy tamin’ny fitondrana izy ireo, no sady tsy nandray anjara tamin’ny ady, fa nitady fihavanana tamin’ny olona rehetra kosa.—Jaona 14:26; 18:36; Matio 6:9, 10; Asan’ny Apostoly 2:1-4; Romanina 12:17-21.

Noraisin’izy rehetra ho andraikiny ny hampisy firaisan-tsaina. Ahoana no nanaovany izany? Nanaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly foana izy ireo. Noho izany, dia hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny’, ary ‘tafio ny toetra vaovao.’—Efesianina 4:22-32.

Notandrovana ny firaisan-tsaina

Iaraha-manaiky fa tsy lavorary ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary nisy zava-nitranga nitady handrava ny firaisan-tsain’izy ireo. Tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1-6, ohatra, fa tsy nifanaraka ny Kristianina Jiosy niteny grika sy ireo niteny hebreo. Nihevitra mantsy ireo niteny grika fa niangarana izy ireo. Nalamina haingana araka ny rariny anefa ilay olana, raha vao noresahina tamin’ny apostoly. Tatỳ aoriana koa, dia nisy adihevitra momba ny foto-pampianarana mahakasika ny tsy Jiosy teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nisy fanapahan-kevitra noraisina izay nifanaraka tamin’ny toro lalan’ny Baiboly, ary neken’ny rehetra izany.—Asan’ny Apostoly 15:1-29.

Asehon’izany fa tsy nampisaraka ny Kristianina voalohany ny foko niaviany, na dia nisy tsy fifanarahana ihany aza teo amin’izy ireo. Tsy rava koa ny firaisan-tsainy, satria tsy nisy niziriziry tamin’ny heviny momba ny foto-pampianarana sasany. Nahoana? Satria nampiray sy nampihavana azy ireo hatrany ny fitiavana an’i Jehovah, ny finoana an’i Jesosy Kristy, ny fitiavana feno fahafoizan-tena, ny fanekena ny tari-dalan’ny fanahy masina, ny fitovian’ny fahatakarana ny fampianaran’ny Baiboly, ary ny fahavononana hiova.

Fivavahana ahitana firaisan-tsaina ankehitriny

Afaka ny hampiray ny olona koa ve ireo zavatra ireo ankehitriny? Afaka mampiray ny olona iray finoana ve izany, sady hanampy azy ireo hihavana amin’ny olona avy amin’ny foko rehetra eran-tany? Izany tokoa! Tafaray toy ny mpirahalahy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, avy amin’ny firenena sy nosy 230 mahery. Ny antony nampiray ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ihany no mampiray azy ireo.

Ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah Andriamanitra no antony voalohany indrindra mampiray ny Vavolombelon’i Jehovah. Midika izany fa miezaka ny tsy hivadika aminy mihitsy izy ireo. Maneho finoana an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany koa izy ireo. Tia ny mpiray finoana aminy koa ireo Kristianina ireo ka mahafoy tena ho azy, ary iray ihany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana toriny any amin’izay rehetra misy azy. Faly izy ireo miresaka momba io Fanjakana io amin’ny olona rehetra, na inona na inona fivavahany, na fokony, na fireneny, ary sarangany. Tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ity tontolo ity koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia tsy mampisaratsaraka azy ireo ny politika, ny kolontsaina, ny raharaham-barotra, na ny raharaha mahakasika ny fiaraha-monina, izay mazàna mampisara-bazana ny olona. Manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelona rehetra, mba hanefana ny adidiny hampisy firaisan-tsaina.

Mahasarika olona ny firaisan-tsaina

Matetika no nisarika ny sain’ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah io firaisan-tsaina io. Anisan’izany i Ilse. * Masera izy taloha ary nipetraka tany amina tranon-drelijiozy tany Alemaina. Inona no nahasarika azy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Hoy i Ilse: “Izy ireo no olona nahafinaritra indrindra hitako hatramin’izay. Tsy mandeha miady izy ireo ary tsy manisy ratsy olona mihitsy. Tiany ny hanampy ny olona hiaina amim-pahasambarana ao amin’ny paradisa an-tany, eo ambany Fanjakan’Andriamanitra.”

Toy izany koa i Günther, miaramila alemà nalefa tany Frantsa nandritra ny ady lehibe faharoa. Nanao fotoam-pivavahana ho an’ny andian-tafika nisy an’i Günther ny pasitera protestanta iray indray mandeha. Nangataka fitahiana sy fiarovana ary fandresena ilay pasitera rehefa nivavaka. Nankeny amin’ny toerana fiambenany i Günther taorian’izay. Rehefa nijery tamin’ny masolavitra izy, dia hitany fa nisy pasitera koa nanao fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo tafika fahavalo. Hoy i Günther tatỳ aoriana: “Tsy maintsy hoe nivavaka mba hahazo fitahiana sy fiarovana ary fandresena koa io pasitera io. Nieritreritra aho hoe fa nahoana ny samy Kristianina no miady?” Tsy afaka tao an-tsain’i Günther izany. Tatỳ aoriana izy dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tsy mandray anjara amin’ny ady. Anisan’ny fianakaviam-ben’izy ireo eran-tany izy izao.

Nanaraka fivavahana karàna i Ashok sy Feema taloha. Nisy toerana masina ho an’ny andriamanitra iray tao an-tranony. Nandinika indray ny fivavahany izy ireo, rehefa narary mafy ny fianakaviany. Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Ashok sy Feema, ary nahagaga azy ireo ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly sy ny fifankatiavan’ny Vavolombelona. Mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah izy ireo izao, ary tena mazoto amin’izany.

Tafaray amin’ny fianakaviam-ben’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany eran-tany i Ilse, Günther, Ashok ary Feema. Mino izy ireo fa tsy ho ela dia hampiray ny olona rehetra mankatò an’Andriamanitra koa ny antony mampiray azy ireo ankehitriny, araka ny ampanantenain’ny Baiboly. Tsy hisy intsony ny habibiana sy fisaratsarahana noho ny fivavahana amin’izay fotoana izay. Ho tafaray ny olona rehetra, satria samy hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.—Apokalypsy 21:4, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 4, 5]

Tafaray ny Kristianina voalohany, na dia samy hafa fiaviana aza