Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mifidy ny Hoavinao ve Ianao?

Afaka Mifidy ny Hoavinao ve Ianao?

Afaka Mifidy ny Hoavinao ve Ianao?

EFA voalahatra ve izay hiafarantsika? Tsy misy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika ve ny safidy ataontsika eo amin’ny fiainana?

Aoka hatao hoe tompon-tsafidy ny amin’izay hiafarany ny olona. Raha izany no izy, efa voalahatra hanao asa iray manokana ve izy, na hitana andraikitra voafaritra tsara? Ary ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany momba ny tany, raha afaka mifidy izay ho fiainany ny olona? Mahafa-po ny valiny omen’ny Baiboly an’ireo fanontaniana ireo.

Sady misy ve ny lahatra no manan-tsafidy malalaka koa isika?

Diniho ny fomba nanaovan’i Jehovah Andriamanitra antsika. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany [ny olona]; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27) Natao tahaka ny endrik’Andriamanitra isika, ka afaka maneho ny toetrany, toy ny fitiavana, fanaovana ny rariny, fahendrena, ary hery. Nomeny safidy malalaka koa isika. Ary izany no mampiavaka antsika amin’ny zavaboary hafa eto an-tany. Afaka mifidy isika na hanaraka ny fitsipi-pitondran-tenan’Andriamanitra na tsia. Izany no antony nilazan’i Mosesy mpaminany hoe: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy.”—Deoteronomia 30:19, 20.

Ny fananantsika safidy malalaka anefa tsy midika hoe tsy manam-petra ny fahafahantsika. Nanao lalàna ifehezana ny zavaboary sy ny fitondran-tenan’izy ireo Andriamanitra mba hampilamina izao rehetra izao. Eo ambanin’izany lalàna izany koa àry isika. Natao hahasoa antsika izy ireny, ary mitera-doza ny fandikana ny iray aminy. Eritrereto fotsiny, ohatra, izay hitranga raha minia tsy miraharaha ny lalàn’ny sinton’ny tany isika, ka mitsambikina avy eny an-tampon’ny trano avo be!—Galatianina 6:7.

Manana andraikitra tsy ananan’ny zavaboary hafa koa isika, satria manana safidy malalaka. Nanontany toy izao ilay mpanoratra atao hoe Corliss Lamont: ‘Raha mino isika fa efa voalahatra izay rehetra fidin’ny olona hatao, dia horaisintsika ho tompon’andraikitra amin’ny fitondran-tenany ve izy, ary hosazintsika rehefa manao ratsy?’ Mazava ho azy fa tsy mety izany. Tsy ampamoahina noho izay ataony ny biby, satria baikoin’ny faniriany fotsiny. Toy izany koa ny ordinatera, satria namboarina hanao asa iray voafaritra tsara izy io. Andraikitra mavesatra àry ny hoe manana safidy malalaka, satria ampamoahina amin’izay ataontsika isika.

Tsy be fitiavana sy marina i Jehovah Andriamanitra, raha talohan’ny nahaterahantsika dia efa nandahatra izay ho fiainantsika izy, nefa avy eo mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika indray! Tsy manao izany izy, satria “Andriamanitra dia fitiavana”, ary “ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (1 Jaona 4:8; Deoteronomia 32:4) Tsy hoe nomeny safidy malalaka isika sady ‘nofaritany hatry ny ela hoe iza no ho voavonjy sy ho voaheloka’, araka ny fiheveran’ireo mino ny lahatra. Hevitra roa mifanipaka àry ny lahatra sy ny fananana safidy malalaka.

Asehon’ny Baiboly mazava fa manova ny hoavintsika ny safidy ataontsika. Hoy Andriamanitra amin’ny mpanao ratsy: “Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy hianareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ... fandrao hahatonga loza aminareo Aho.” (Jeremia 25:5, 6) Tsy ho nisy dikany izany, raha efa nandahatra mialoha izay hiafaran’ny olona tsirairay Andriamanitra. Hoy koa ny Teniny: “Koa mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba hisian’ny fotoana mamelombelona ho tonga avy amin’i Jehovah.” (Asan’ny Apostoly 3:19) Nahoana i Jehovah no hampirisika ny olona hibebaka sy hiverina, raha efa fantany fa tsy afaka manova ny fiainany mihitsy izy ireo?

Voalazan’ny Soratra Masina fa misy olona nasain’Andriamanitra hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. (Matio 22:14; Lioka 12:32) Nampitandrina anefa ny Baiboly fa hamoy izany tombontsoa izany izy ireo, raha tsy miaritra hatramin’ny farany. (Apokalypsy 2:10) Nahoana Andriamanitra no nanasa azy ireo ho amin’izany toerana izany, raha efa nanapa-kevitra izy fa tsy ho voafidy izy ireo? Diniho koa izay nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy. Hoy izy: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony.” (Hebreo 10:26) Tsy ho nisy dikany izany fampitandremana izany, raha efa voalahatr’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo. Kanefa moa ve tsy efa misy olona voatendrin’Andriamanitra mialoha mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy?

Olona tsirairay sa vondron’olona no notendreny mialoha?

Hoy ny apostoly Paoly: “Nitahy antsika [Andriamanitra] ka nanome antsika ny fitahiana ara-panahy rehetra any amin’ny faritry ny lanitra, noho isika tafaray amin’i Kristy. Nitahy antsika izy tahaka ny nifidianany antsika talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. ... Izy mantsy efa nanendry antsika mialoha mba hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Efesianina 1:3-5) Inona no efa notendren’Andriamanitra mialoha? Ary inona no dikan’ny hoe voafidy “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao”?

Voalaza eo fa nofidin’Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ny sasany tamin’ny taranak’i Adama, lehilahy voalohany. (Romanina 8:14-17, 28-30; Apokalypsy 5:9, 10) Efa voalahatr’i Jehovah Andriamanitra ve hoe iza avy no hanana izany tombontsoa izany, an’arivony taona talohan’ny nahaterahan’izy ireo? Izany dia mifanohitra amin’ilay hevitra hoe nomena safidy malalaka ny olona. Vondron’olona àry no efa notendren’Andriamanitra mialoha, fa tsy nofaritany hoe iza avy izy ireo.

Intỳ misy ohatra: Aoka hatao hoe misy fitondram-panjakana manapa-kevitra ny hanangana sampan-draharaha manokana iray. Efa nofaritany mialoha ny ho asan’izy io, sy ny fahefany ary ny isan’ny mpikambana ao aminy. Rehefa tafatsangana izy io tatỳ aoriana, dia hoy ny mpikambana ao aminy: “Efa an-taonany maro ny fitondram-panjakana no namaritra izay ho asanay. Koa efa manomboka manao ny asa nanendrena anay izahay izao.” Midika ve izany fa efa an-taonany maro ny fitondrana no nanapa-kevitra hoe iza avy no ho mpikambana ao amin’io sampan-draharaha io? Azo antoka fa tsia. Toy izany koa no nataon’i Jehovah. Efa nandamina ny hisian’ny sampan-draharaha manokana iray hanafoana ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama izy. Efa nanapa-kevitra mialoha izy fa hisy olona maromaro ao amin’io sampan-draharaha io, saingy mbola tsy nofaritany hoe iza avy izy ireo. Tatỳ aoriana kokoa vao nofidina izy ireo, ary miankina amin’ny safidy ataony eo amin’ny fiainana no hanekena azy na tsia.

Ary inona ilay tontolo tian’ny apostoly Paoly horesahina rehefa nilaza izy hoe: ‘Nofidin’[Andriamanitra] isika talohan’ny nanorenana izao tontolo izao’? Tsy ilay tontolo nisy nanomboka tamin’ny namoronan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva akory izy io. “Tsara indrindra” mantsy io tontolo io, sady tsy nisy ota sy faharatsiana. (Genesisy 1:31) Tsy nila ‘nafahana’ tamin’ny ota àry izy io.—Efesianina 1:7.

Ilay tontolo nisy taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva tany Edena kosa no tian’i Paoly horesahina. Tsy araka ny nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany mihitsy izy io. Nanomboka nisy izy io, rehefa niteraka i Adama sy Eva. Io tontolo io dia ny olona rehetra tafasaraka amin’Andriamanitra, sady andevozin’ny ota sy ny fahalovana. Azo navotana anefa izy ireo, fa tsy toa an’i Adama sy Eva, izay ninia nanota.—Romanina 5:12; 8:18-21.

Afaka niatrika avy hatrany ny olana nateraky ny fikomiana tany Edena i Jehovah Andriamanitra. Tonga izy dia nanendry sampan-draharaha manokana iray, izany hoe ny Fanjakan’i Jesosy Kristy, ilay Mesia. Hanana anjara amin’ny fanavotana ny olombelona amin’ny fahotan’i Adama izy io. (Matio 6:10) Nanendry azy io Andriamanitra “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao” na ny tontolon’ny olombelona azo avotana, izany hoe talohan’ny niterahan’i Adama sy Eva mpikomy.

Matetika ny olona no mila tetikasa mba hanatanterahana izay tiany hatao. Mihevitra ireo mpino ny lahatra fa tsy maintsy manana tetikasa maty paika ho an’izao tontolo izao koa Andriamanitra, ary efa voalahatra ao amin’izy io daholo ny zava-drehetra. Hoy i Roy Weatherford: “Mino ny filozofa maro fa tsy maintsy mamaritra mialoha izay rehetra hitranga Andriamanitra, satria izy no Fahefana Fara Tampony.” Tena mila manao izany tokoa ve Andriamanitra?

Tsy manam-petra ny herin’i Jehovah ary tsy manan-tsahala ny fahendreny. Noho izany, dia hainy ny miatrika ny olana tsy ampoizina mitranga vokatry ny safidy ataon’ny zavaboariny. (Isaia 40:25, 26; Romanina 11:33) Afaka manao izany eo no ho eo izy, ary tsy mila tetikasa maty paika. Tsy voafetra toy ny an’ny olombelona tsy lavorary ny fahaizan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Tsy mila tetikasa efa raikitra sy maty paika àry izy, hamaritana izay ho fiainan’ny olona tsirairay eto an-tany. (Ohabolana 19:21) Fandikan-tenin’ny Baiboly maromaro no milaza ao amin’ny Efesianina 3:11 fa manana “fikasana mandrakizay” Andriamanitra, fa tsy hoe manana tetikasa tsy azo ovana akory. 

Ahoana no ahafahanao misafidy izay hoavinao?

Manana fikasana momba ny tany Andriamanitra, ary efa nofaritany mialoha izany. Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Ho lasa paradisa tokoa ity tany ity, araka ny nokasain’i Jehovah tany am-boalohany. (Genesisy 1:27, 28) Ho eo ve ianao rehefa ho tanteraka izany? Miankina amin’ny safidy ataonao izao izany. Tsy nandahatra mialoha ny hoavinao akory i Jehovah Andriamanitra.

Noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany, dia afaka ny hiaina mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy. (Jaona 3:16, 17; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana.” (Jaona 3:36) Misafidy ny fiainana ianao, raha mianatra izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra, ny sitrapony, ny Zanany, ary mampihatra izay ianaranao. Raha manaraka ny tena fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, dia azo antoka fa “hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—Ohabolana 1:20, 33.

[Sary, pejy 5]

Tompon’andraikitra amin’izay ataony ny olona, fa tsy toy ny biby

[Sary nahazoan-dalana]

Voromahery: Foto: Cortesía de GREFA